Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Raharaha Mahakasika Antsika Rehetra

Ilay Raharaha Mahakasika Antsika Rehetra

Toko Fahenina

Ilay Raharaha Mahakasika Antsika Rehetra

1, 2. a) Inona no raharaha napoitran’i Satana tany Edena? b) Inona no nolazainy ka niresaka tsy nivantana an’io raharaha io?

 MAHAKASIKA anao ilay raharaha lehibe indrindra natrehin’ny olombelona hatramin’izay. Izay iandanianao amin’izy io no hamaritra ny hoavinao mandrakizay. Nipoitra noho ilay fikomiana tany Edena io raharaha io. Tamin’izay i Satana dia nanontany an’i Eva hoe: “Hanky! efa nataon’Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra eo amin’ny saha?” Namaly toy izao i Eva ka nilaza ny tenin’Andriamanitra momba ny hazo iray: “Aza ihinananareo . . . izany, fandrao maty hianareo.” Mpandainga i Jehovah, araka ny hevitr’i Satana, satria nolazainy fa tsy niankina tamin’ny fankatoavana an’Andriamanitra ny ain’i Eva sy i Adama. Nilaza i Satana fa nisy zavatra tsara tsy foin’Andriamanitra ho an’ny zavaboariny, dia ny fahafahana hametra ny fitsipika arahiny eo amin’ny fiainana. Hoy i Satana: “Fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.”—Genesisy 3:1-5.

2 Ny tian’i Satana holazaina dia hoe tsara kokoa raha manapa-kevitra manokana ny olona fa tsy mankatò ny lalàn’Andriamanitra. Nampisy fisalasalana momba ny fomba fitondran’Andriamanitra izy, araka izany. Napoitrany àry ilay raharaha tena lehibe momba ny fitondran’Andriamanitra, izany hoe ny zony hitondra. Izao no fanontaniana nipoitra: Iza no tsara kokoa ho an’ny olona? Ny fomba fitondran’i Jehovah, sa ny fitondrana tsy misy azy? Azon’i Jehovah naringana avy hatrany i Adama sy i Eva, saingy tsy ho voalamina araka ny tokony ho izy ilay raharaha momba ny fitondrany, raha nanao izany izy. Navelan’Andriamanitra hivoatra nandritra ny fotoana naharitra àry ny fitondran’olombelona, mba hampisehoana tsara ny ho vokatry ny fihatahana taminy sy ny lalàny.

3. Inona no raharaha faharoa napoitran’i Satana?

3 Tsy nijanona tany Edena ny fanafihan’i Satana ny zon’i Jehovah hitondra. Nolazainy fa tsy azo antoka ny tsy fivadihan’ny hafa amin’i Jehovah. Nanjary raharaha faharoa nifandray akaiky tamin’ilay voalohany indray izany. Nolazainy fa tsy azo antoka ny tsy fivadihan’ny taranak’i Adama sy i Eva sy ny zanaka ara-panahin’Andriamanitra rehetra, ary na dia ny Zanaka lahimatoa malalan’i Jehovah aza. Nilaza, ohatra, i Satana tamin’ny andron’i Joba, fa tsy ny fitiavana an’i Jehovah sy ny fomba fitondrany no anompoan’ny olona azy, fa ny fitiavan-tena. Nohamafisiny fa hanaiky lembenana ny olona, raha sendra zava-tsarotra, ary hiseho ny fitiavan-tenany.—Joba 2:1-6; Apokalypsy 12:10.

Inona no noporofoin’ny zava-nitranga?

4, 5. Inona no noporofoin’ny zava-nitranga, momba ny fitarihan’ny olona ny diany?

4 Izao no tena hevi-dehibe amin’ilay raharaha momba ny fitondrana: Tsy noforonin’Andriamanitra ho afaka hiaina tsara tsy miankina aminy ny olombelona. Nataony hiankina amin’ny lalàny marina izy ireo, mba hahita soa. Niaiky toy izao i Jeremia mpaminany: “Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany. Jehovah ô, anaro aho.” (Jeremia 10:23, 24) Mampirisika toy izao àry ny Tenin’Andriamanitra: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao.” (Ohabolana 3:5) Ilain’ny olombelona ny lalàn’ny natiora mba hahavelona azy. Ilainy toy izany koa ny lalàm-pitondran-tena, mba hampisy fiaraha-monina milamina.

5 Fantatr’Andriamanitra fa tsy hahomby mihitsy ny fianakavian’olombelona raha tsy misy azy. Nanandrana fomba fiasa ara-politika sy ara-toe-karena ary ara-pivavahana samy hafa ny olona, mba hanandramana hiaina tsy misy ny fitondran’Andriamanitra, nefa tsy nahomby. Nitondra tsy fifankahazoana tsy mety tapitra, izay niteraka herisetra sy ady ary fahafatesana, ireny fahasamihafana ireny. “Misy andro anapahan’ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy.” (Mpitoriteny 8:9) Izany foana tokoa no nitranga. ‘Mandroso miharatsy kokoa sady mamitaka no fitahina’ ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka, araka ny efa nambaran’ny Baiboly. (2 Timoty 3:13) Tamin’ny taonjato faha-20 no nahitan’ny olona loza lehibe indrindra noho ny hatramin’izay, na dia teo aza ny fandrosoan’ny siansa sy ny taozava-baventy. Voaporofo tokoa fa tsy afaka hitarika ny diany, araka ny nolazain’ny Jeremia 10:23, ny olona.

6. Inona no hataon’Andriamanitra tsy ho ela amin’ny fitondran’olombelona tsy miankina aminy?

6 Nisy vokany ratsy sy maharitra ny fihatahana tamin’Andriamanitra, ka manaporofo tokoa izany fa tsy afaka ny hahomby mihitsy ny fitondran’olombelona. Ny fitondran’Andriamanitra ihany no hahasambatra sy hampiray ary hitondra fahasalamana sy fiainana. Asehon’ny Baiboly koa fa kely sisa dia ho tapitra ny fandeferan’i Jehovah amin’ny fitondran’olombelona tsy miankina aminy. (Matio 24:3-14; 2 Timoty 3:1-5) Tsy ho ela izy dia handray an-tanana ny raharahan’ny olombelona, mba hitondrany ny tany. Hoy ny faminanian’ny Baiboly: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka [olombelona ankehitriny] ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana [any an-danitra] izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa [fa tsy hanjaka amin’ny tany intsony ny olombelona], fa ireo fanjakana [ankehitriny] rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.”—Daniela 2:44.

Tody soa ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra

7. Iza no ho tody soa rehefa hamarana ny fitondran’olombelona ny fitondran’Andriamanitra?

7 Iza no ho tody soa rehefa hamarana ny fanjakan’olombelona ny fanjakan’Andriamanitra? Mamaly toy izao ny Baiboly: “Ny olona mahitsy [manohana ny zon’Andriamanitra hitondra] no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao; fa ny ratsy fanahy [tsy manohana ny zon’Andriamanitra hitondra] kosa hofongorana amin’ny tany.” (Ohabolana 2:21, 22) Hoy koa ny mpanao salamo: “Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy . . . Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.”—Salamo 37:10, 29.

8. Ahoana no hanamarinan’Andriamanitra tanteraka ny zony hitondra?

8 Ho tonga ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, rehefa potika ny tontolon’i Satana. Hesoriny tanteraka ny fandravan’ny herisetra, ny ady, ny fahantrana, ny fijaliana sy ny aretina ary ny fahafatesana, izay nangeja ny olombelona nandritra ny an’arivo taona. Milaza tsara ny fitahiana miandry ny olombelona mankatò toy izao, ny Baiboly: “Hofafany [Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” (Apokalypsy 21:3, 4) Amin’ny alalan’io Fanjakana any an-danitra tarihin’i Kristy io no hanamarinan’Andriamanitra tanteraka ny zony ho Mpitondra antsika.—Romana 16:20; 2 Petera 3:10-13; Apokalypsy 20:1-6.

Iza no niandanian’izy ireo tamin’ilay raharaha?

9. a) Ahoana no niheveran’ireo tsy nivadika tamin’i Jehovah ny teniny? b) Ahoana no nanaporofoan’i Noa ny tsy fivadihany? Inona no soa raisintsika avy amin’ny ohatra nomeny?

9 Nisy foana lehilahy sy vehivavy nanam-pinoana nanaporofo ny tsy fivadihany tamin’ny Fitondran’i Jehovah. Fantatr’izy ireo fa tsy maintsy nihaino sy nankatò an’i Jehovah izy ireo, raha te ho velona. Anisan’izy ireo i Noa. Hoy Andriamanitra taminy: “Ny faran’ny nofo rehetra efa mby eto anatrehako . . . Manaova sambo-fiara ho anao.” Nanaraka ny toromarik’i Jehovah i Noa. Nanohy ny fiainany toy ny mahazatra ny olona tamin’izany, ka toy ny hoe tsy hisy zavatra tsy mahazatra hitranga, na dia teo aza ny fampitandremana nomena azy. Nanao sambo fiara goavana kosa i Noa, ary niasa mafy nitory tamin’ny hafa momba ny lalana marin’i Jehovah. Hoy ihany ny fitantarana: “Nataon’i Noa izany; araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy no nataony.”—Genesisy 6:13-22; Hebreo 11:7; 2 Petera 2:5.

10. a) Inona no nataon’i Abrahama sy i Saraha mba hanohanana ny fitondran’i Jehovah? b) Inona no soa raisintsika avy amin’ny ohatr’izy ireo?

10 Ohatra tsara tamin’ny fanohanana ny fitondran’Andriamanitra koa i Abrahama sy i Saraha, satria nanao izay rehetra nandidiana azy. Nipetraka tany Oran’ny Kaldeanina, tanàna nanankarena, izy ireo. “Nandeha araka izay efa nolazain’i Jehovah taminy” anefa i Abrahama, rehefa nasainy nankany amin’ny tany tsy fantany. Tsy maintsy ho nanana fiainana niadana, nisy trano sy havana aman-tsakaiza, i Saraha. Nanaiky an’i Jehovah sy ny vadiny anefa izy, ka nandeha tany Kanana, na dia tsy fantany aza ny fiainana niandry azy tany.—Genesisy 11:31–12:4; Asan’ny Apostoly 7:2-4.

11. a) Nanao ahoana ny tarehin-javatra nanohanan’i Mosesy ny fitondran’i Jehovah? b) Nahoana no mahasoa antsika ny ohatr’i Mosesy?

11 Nanohana ny fitondran’i Jehovah koa i Mosesy. Tao anatin’ny tarehin-javatra sarotra indrindra anefa no nanaovany izany, dia ny fanatrehana nivantana ny Faraon’i Ejipta. Tsy natoky tena mihitsy i Mosesy, fa nisalasala momba ny fahaizany miteny kosa aza. Nankatò an’i Jehovah anefa izy. Niverimberina nilaza ny tenin’i Jehovah ho an’i Farao mafy loha izy, noho ny fanohanan’i Jehovah sy ny fanampian’i Arona, rahalahiny. Nisy Isiraelita nanakiana mafy an’i Mosesy mihitsy aza. Tsy nivadika anefa izy, fa nanao izay rehetra nandidian’i Jehovah azy, ka tamin’ny alalany no nanafahana ny Isiraely avy tany Ejipta.—Eksodosy 7:6; 12:50, 51; Hebreo 11:24-27.

12. a) Inona no mampiseho fa tsy hoe fankatoavana izay voasoratra fotsiny ny tsy fivadihana amin’i Jehovah? b) Nahoana no mety hanampy antsika hampihatra ny 1 Jaona 2:15 ny fankasitrahana an’io karazana tsy fivadihana io?

12 Tsy izay zavatra nampanoratin’i Jehovah ihany no noheverin’ireo tsy nivadika taminy ho tokony hankatoavina. Tsy nisy lalàna voasoratra avy amin’Andriamanitra nandrara ny fijangajangana, ohatra, rehefa nitaona an’i Josefa hijangajanga taminy ny vadin’i Potifara. Fantatr’i Josefa anefa ny fanambadiana naorin’i Jehovah tany Edena. Fantany fa tsy hahafaly an’Andriamanitra ny fanaovana firaisana amin’ny vadin’olona. Tsy nieritreritra ny hanandrana hitady ny fetra hamelan’i Jehovah azy hanahaka ny Ejipsianina izy. Nisaintsaina ny fifandraisan’i Jehovah tamin’ny olona izy, ary avy eo dia nampihatra izay hitany fa sitrapon’Andriamanitra. Izany no fomba nanohanany ny lalan’i Jehovah.—Genesisy 39:7-12; Salamo 77:11, 12.

13. Ahoana no nahitana fa mpandainga ny Devoly rehefa dinihina a) i Joba? b) ireo Hebreo telo lahy?

13 Tsy mandao an’i Jehovah mihitsy ireo tena mahafantatra azy, na dia azom-pitsapana mafy aza. Nilaza i Satana fa handao an’Andriamanitra i Joba, ilay noderain’Andriamanitra, raha very ny fananany, na marary izy. Noporofoin’i Joba anefa fa mpandainga i Satana, na dia tsy fantany aza ny anton’ny fahoriany. (Joba 2:9, 10) Mbola niezaka nanaporofo ny heviny i Satana, taonjato maro taorian’izay. Notarihiny àry ny mpanjakan’i Babylona, tezitra mafy, mba handrahona hamono tovolahy hebreo telo tao amin’ny lafaoro nisy afo nirehitra, raha toa izy ireo ka tsy niankohoka hivavaka tamin’ny sary iray natsangany. Voatery nisafidy izy ireo hoe hankatò an’i Jehovah sa hanompo sampy. Nampahafantariny mazava anefa fa i Jehovah, ilay Tompo Fara Tampony, no notompoiny. Ny tsy fivadihana tamin’Andriamanitra no sarobidy kokoa tamin’izy ireo noho ny ainy!—Daniela 3:14-18.

14. Ahoana no ahafahantsika olombelona tsy lavorary mampiseho fa tena tsy mivadika amin’i Jehovah isika?

14 Tsy maintsy ho lavorary ve ny olona iray vao tsy hivadika amin’i Jehovah, rehefa jerena ireo ohatra ireo? Ary tsy hahomby mihitsy ve izay nanao fahadisoana? Tsy izany mihitsy! Milaza ny Baiboly fa nanao fahadisoana i Mosesy indraindray. Tsy nandà an’i Mosesy i Jehovah, na dia tsy faly taminy aza. Nanana ny fahalemeny koa ireo apostolin’i Jesosy Kristy. Mihevitra ny tsy fahalavorariantsika i Jehovah, ka faly rehefa tsy manao fanahy iniana mandà sy tsy manaja mihitsy ny sitrapony isika. Zava-dehibe ny ibebahantsika sy ny tsy ho zatra manota, raha sanatria manao ratsy noho ny fahalemena, isika. Asehontsika amin’izay fa tena tia an’izay lazain’i Jehovah fa tsara isika, ary mankahala izay lazainy fa ratsy. Afaka ny hanana toeran’ny olona madio eo anatrehan’Andriamanitra isika, noho ny finoantsika ny soron’i Jesosy manala fahotana.—Amosa 5:15; Asan’ny Apostoly 3:19; Hebreo 9:14.

15. a) Iza tamin’ny olombelona no nampiseho tsy fivadihana tanteraka tamin’Andriamanitra? Inona no porofoin’izany? b) Nahoana no manampy antsika ny ohatr’i Jesosy?

15 Midika ve anefa izany fa tsy ho vitan’ny olombelona mihitsy ny mankatò tanteraka an’i Jehovah? Toy ny “zava-miafina” masina nandritra ny 4 000 taona ny valin’izany. (1 Timoty 3:16) Tsy nanome ohatra lavorary i Adama, na dia noforonina ho lavorary aza. Iza àry no ho afaka hanao izany? Tsy ho ny zanany mpanota mihitsy. I Jesosy Kristy ihany no ho afaka hanao izany. (Hebreo 4:15) Ny zava-bitan’i Jesosy dia nanaporofo fa afaka nampiseho tsy fivadihana tanteraka i Adama, izay tao anatin’ny tarehin-javatra tsara kokoa, raha naniry hanao izany. Tsy ny asa famoronan’Andriamanitra no tsy nety. I Jesosy Kristy, araka izany, no ohatra tiantsika hotahafina. Tsy hoe hankatò ny lalàn’Andriamanitra fotsiny isika amin’izay, fa hifikitra manokana amin’i Jehovah, ilay Tompon’izao Rehetra Izao, koa.—Deoteronomia 32:4, 5.

Iza no iandanianao?

16. Nahoana isika no tsy maintsy mailo foana momba ny fihetsitsika manoloana ny fitondran’i Jehovah?

16 Tsy maintsy miatrika an’io raharaha momba ny fitondrana an’izao rehetra izao io isika. Kendren’i Satana hasiana foana isika, raha nilaza mazava ho miandany amin’i Jehovah. Manery antsika amin’ny lafiny rehetra izy ary mbola hanohy izany hatramin’ny faran’izao tontolo izao. Tsy maintsy miambina hatrany isika. (1 Petera 5:8) Ny fitondran-tenantsika no mampiseho izay iandaniantsika amin’ilay raharaha lehibe indrindra momba ny fitondran’i Jehovah sy ilay raharaha manarakaraka momba ny fitsapana ny tsy fivadihana aminy. Ho simba isika raha mihevitra ny fitondran-tena mampiseho fivadihana ho tsinontsinona, satria hoe fanaon’izao tontolo izao izany. Mitaky ny fanarahana ny lalana marin’i Jehovah eo amin’ny fiainantsika isan’andro, ny tsy fivadihana aminy.

17. Iza no loharanon’ny lainga sy ny halatra, ka mahatonga antsika hanalavitra ireo fanao ireo?

17 Tsy afaka manahaka an’i Satana, “rain’ny lainga”, ohatra, isika. (Jaona 8:44) Tsy maintsy manao ny marina foana isika. Matetika ny tanora eo amin’ny tontolon’i Satana no mandainga amin’ny ray aman-dreniny. Tsy manao izany anefa ny tanora kristianina, ka manaporofo amin’izany fa diso ny tenin’i Satana hoe hivadika ny vahoakan’Andriamanitra rehefa iharam-pitsapana. (Joba 1:9-11; Ohabolana 6:16-19) Eo koa ny raharaham-barotra mety hampitovy ny olona iray amin’ny “rain’ny lainga”, fa tsy amin’ilay Andriamanitry ny fahamarinana. Halavirintsika koa ireny. (Mika 6:11, 12) Tsy azo leferina mihitsy koa ny halatra, na dia mahantra aza ilay mpangalatra, na an’ny mpanan-karena ilay zavatra. (Ohabolana 6:30, 31; 1 Petera 4:15) Mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra foana ny halatra, na dia fanaon’ny olona aza, ary na dia kely aza ilay zavatra nangalarina.—Lioka 16:10; Romana 12:2; Efesiana 4:28.

18. a) Ahoana no hitsapana ny olombelona amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy? b) Inona no fahazarana tokony hambolentsika dieny izao?

18 Ho ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa i Satana sy ny demoniany, mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, ka tsy ho afaka hitaona ny olombelona. Ho fanamaivanana tokoa izany! Havoaka mandritra ny fotoana kelikely anefa izy ireo, amin’ny faran’ny arivo taona. Hitaona ny olombelona lavorary tsy mivadika amin’Andriamanitra, i Satana sy ny mpiaraka aminy. (Apokalypsy 20:7-10) Iza no hiandaniantsika amin’ilay raharaha momba ny fitondrana an’izao rehetra izao, raha ho velona isika amin’izay fotoana izay? Ho lavorary ny olombelona rehetra amin’izay, ka hanao fanahy iniana matoa hivadika. Ho ringana izay manao izany. Tena zava-dehibe àry raha dieny izao isika dia mizatra manaiky avy hatrany ny toromarika rehetra omen’i Jehovah antsika, na amin’ny alalan’ny Teniny izany, na amin’ny alalan’ny fandaminany! Mampiseho isika, amin’izay, fa tena mifikitra amin’ilay Tompon’izao Rehetra Izao.

Famerenana

• Inona ilay raharaha lehibe mahakasika antsika rehetra? Ahoana no nahatafiditra antsika tamin’izany?

• Inona no tsara homarihina momba ny fampisehoan’ireo lehilahy sy vehivavy tamin’ny andro fahiny ny tsy fivadihany tamin’i Jehovah?

• Nahoana no tena zava-dehibe ny anomezantsika voninahitra an’i Jehovah amin’ny fitondran-tenantsika isan’andro?

[Fanontaniana]