Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Dikan’ny hoe Tafaray ho Amin’ny Fivavahana Ankehitriny?

Inona no Dikan’ny hoe Tafaray ho Amin’ny Fivavahana Ankehitriny?

Toko Voalohany

Inona no Dikan’ny hoe Tafaray ho Amin’ny Fivavahana Ankehitriny?

1, 2. a) Inona ilay hetsika manaitra mitranga ankehitriny? b) Inona no fanantenana mahafinaritra ho an’ny olona tso-po?

 MISY hetsika manaitra natao hampiraisana ny fivavahana, mitranga maneran-tany. Mahakasika olona an-tapitrisa avy amin’ny firenena sy ny foko ary ny fiteny rehetra izy io. Mihamaro hatrany no angonina isan-taona. Lazain’ny Baiboly hoe ‘vavolombelon’i’ Jehovah izy ireo, ary antsoina hoe “olona betsaka.” “Manompo [an’Andriamanitra] andro aman-alina” izy ireo. (Isaia 43:10-12; Apokalypsy 7:9-15) Nahoana izy ireo no manao izany? Satria nanjary nahafantatra an’i Jehovah, ilay hany Andriamanitra marina izy ireo, ka voatosika hiaina mifanaraka amin’ny lalany marina. Nanjary fantatr’izy ireo koa fa miaina amin’ny andro farany ho an’ity tontolo ratsy ity isika, ary handrava azy io tsy ho ela Andriamanitra, sady hanolo azy io amin’ny tontolo vaovao paradisa.—2 Timoty 3:1-5, 13; 2 Petera 3:10-13.

2 Mampanantena toy izao ny Tenin’Andriamanitra: “Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy . . . Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” (Salamo 37:10, 11) “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” (Salamo 37:29) “Hofafany [Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.”—Apokalypsy 21:4.

3. Ahoana no tena ampiraisana ny fivavahana?

3 Ho mponina voalohany ao amin’io tontolo vaovao io ireo olona tafaray ho amin’ny fivavahana marina ankehitriny. Nianatra ny sitrapon’Andriamanitra izy ireo, ary manao araka izay fara heriny mba hanarahana izany. Zava-dehibe izany, araka ny tenin’i Jesosy hoe: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3) Hoy ny apostoly Jaona: “Mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.”—1 Jaona 2:17.

Inona no tena dikan’izany?

4. a) Inona no tena dikan’ilay fanangonana olona maro aoka izany ho amin’ny fivavahana tafaray? b) Ahoana no ilazalazan’ny Baiboly an’io fanangonana io?

4 Inona no tena dikan’ilay fanangonana olona maro aoka izany ho amin’ny fivavahana tafaray? Porofo mazava izany fa efa tena akaiky ny faran’ity tontolo ratsy ity, ary hanaraka izany avy hatrany ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. Hitantsika ny fahatanterahan’ireo faminanian’ny Baiboly efa nilaza an’io fanangonana miavaka io. Iray amin’izany faminaniana izany ilay hoe: “Izao no ho tonga any am-parany [izao andro farany izao]: Ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah [ny fivavahana marina aminy nomena toerana ambony] dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra [ambony noho ny karazam-pivavahana hafa rehetra] . . .; ary ny firenena hitanjozotra hankany. Eny, maro ny jentilisa no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba, mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany, ka handehanantsika amin’ny atorony.”—Mika 4:1, 2; Salamo 37:34.

5, 6. a) Ahoana no itodihan’ireo firenena any amin’i Jehovah? b) Inona avy no fanontaniana tokony hapetratsika amin’ny tenantsika?

5 Na dia tsy ny firenena rehetra aza no tonga ao amin’ny trano ara-panahy fivavahana amin’i Jehovah, dia misy olona an-tapitrisa avy amin’ny firenena rehetra manao izany. Tohina mafy ny fon’izy ireo, rehefa fantany ny fikasana feno fitiavan’i Jehovah Andriamanitra sy ny toetrany manintona. Manetry tena izy ireo mamantatra izay takin’Andriamanitra aminy. Toy izao vavaky ny mpanao salamo izao ny vavak’izy ireo: “Ampianaro hanao ny sitraponao aho; fa Hianao no Andriamanitro.”—Salamo 143:10.

6 Anisan’ireo olona betsaka angonin’i Jehovah ho amin’ny fivavahana tafaray ireo ve ianao? Asehon’ny fihetsikao manoloana ny fampianarana noraisinao avy tamin’ny Tenin’i Jehovah ve, fa tena manaiky ianao hoe izy no Loharanon’izany? Hatraiza no ‘handehananao amin’ny lalany’?

Ahoana no hahatafaray ny fivavahana?

7. a) Hatraiza no hahatafaray ny fivavahana, amin’ny farany? b) Nahoana no ilaina maika ny hahatongavana ho mpivavaka amin’i Jehovah, ary ahoana no anampiantsika ny hafa hanao izany?

7 Irin’i Jehovah ho tafaray ao amin’ny fivavahana marina ny zavaboariny manan-tsaina rehetra. Andrandraintsika tokoa ilay fotoana hivavahan’ny zava-miaina rehetra amin’ilay hany Andriamanitra marina! (Salamo 103:19-22) Tsy maintsy mandringana an’izay rehetra mandà ny sitrapony marina anefa i Jehovah, alohan’ny hahatanterahan’izany. Mamindra fo izy, ka efa ampitandremany ny amin’izay hataony ny olona rehetra, mba ho afaka hanova ny fiainany. (Isaia 55:6, 7) Noho izany, dia misy antso maika toy izao alefa any amin’ny “firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra”: “Matahora an’Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany; ary miankohofa eo anoloan’Izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano.” (Apokalypsy 14:6, 7) Nanaiky io fanasana io ve ianao? Raha izany no izy, dia tombontsoanao indray ny manasa olon-kafa hahafantatra sy hivavaka amin’ilay Andriamanitra marina.

8. Inona koa no fandrosoana tokony hirintsika hatao, rehefa avy nianatra ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly isika?

8 Tsy fikasan’i Jehovah ny hoe milaza ho mivavaka aminy ny olona iray mihambo ho mino azy, nefa mbola mikatsaka ny tombontsoany manokana foana. Tian’Andriamanitra ho tonga amin’ny “fahalalana tsara ny sitrapony”, sy hampiseho izany eo amin’ny fiainany kosa, ny olona. (Kolosiana 1:9, 10) Maniry handroso ho Kristianina matotra, araka izany, ireo mianatra ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly, ka mankasitraka izany. Maniry hahafantatra tsara kokoa an’i Jehovah izy ireo, ary hanitatra sy handalina ny fahatakarany ny Teniny ary hampihatra izany amin’ny fomba feno kokoa eo amin’ny fiainany. Miezaka izy ireo maneho taratry ny toetran’ilay Raintsika any an-danitra sy hanana ny fomba fijeriny. Manosika azy ireo hitady fomba hanaovana ilay asa mamonjy aina asain’i Jehovah atao ankehitriny izany. Izany koa ve no fanirianao?—Marka 13:10; Hebreo 5:12–6:3.

9. Ahoana no isian’ny tena firaisan-tsaina ankehitriny?

9 Asehon’ny Baiboly fa tsy maintsy ho vahoaka tafaray ny mpanompon’i Jehovah. (Efesiana 4:1-3) Tsy maintsy tafaray izy ireo ankehitriny na dia mizarazara aza izao tontolo izao ary mbola miady amin’ny fahalementsika isika. Nivavaka mafy i Jesosy mba ho iray, izany hoe ho tena tafaray, ny mpianany. Inona no ho dikan’izany? Voalohany, dia tokony ho tsara fihavanana amin’i Jehovah sy ny Zanany, izy ireo. Faharoa, dia tokony hiray saina koa izy samy izy. (Jaona 17:20, 21) Mba hahatratrarana izany, dia eo ny fiangonana kristianina, izay fitaovana ampianaran’i Jehovah ny vahoakany.

Inona avy ireo anton-javatra mampiray saina?

10. a) Inona no hitombo rehefa mampiasa ny Baiboly isika mba hisaintsainana ny valin’ireo fanontaniana mahakasika antsika? b) Diniho ireo anton-javatra mahatonga ny Kristianina hiray saina, eo am-pamaliana ireo fanontaniana eo ambanin’ny fehintsoratra faha-10.

10 Hotononina eto ambany ny anton-javatra fito mahatonga ny fivavahana ho tafaray. Eo am-pamaliana ireo fanontaniana miaraka amin’izany, dia eritrereto ny ifandraisan’izany amin’ny fifandraisanao amin’i Jehovah sy ireo Kristianina namanao. Rehefa misaintsaina azy ireo sy mijery ireo andinin-teny voatonona fa tsy voasoratra ianao, dia hitombo ireo toetra ilaintsika rehetra, dia ny fahendrena araka an’Andriamanitra sy ny fahaiza-misaina ary ny fahaiza-manavaka. (Ohabolana 5:1, 2; Filipiana 1:9-11) Diniho tsirairay àry izy ireo:

1Manaiky ny zon’i Jehovah hametra izay atao hoe tsara sy ratsy isika. “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.”—Ohabolana 3:5, 6.

Nahoana isika no tokony hitady ny torohevitra sy tari-dalan’i Jehovah rehefa manapa-kevitra? (Salamo 146:3-5; Isaia 48:17)

2Mpitari-dalana antsika ny Tenin’Andriamanitra. “Rehefa nandray ny tenin’Andriamanitra izay notorinay hianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’olona, fa araka izay marina, dia ny tenin’Andriamanitra, izay miasa ao anatinareo izay mino koa.”—1 Tesaloniana 2:13.

Nahoana no loza no mety hateraky ny fanaovana izay “heverintsika” fa marina fotsiny? (Ohabolana 14:12; Jeremia 10:23, 24; 17:9)

Inona no tokony hataontsika, raha tsy fantatsika ny torohevitry ny Baiboly momba ny raharaha iray? (Ohabolana 2:3-5; 2 Timoty 3:16, 17)

3Mitovy ny fandaharam-pamahanana ara-panahy ho antsika rehetra. “Ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’i Jehovah.” (Isaia 54:13) “Aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro [fandringanana].”—Hebreo 10:24, 25.

Inona avy no soa raisin’ireo mampiasa amin’ny fomba feno ny fandaharan’i Jehovah mba hamahanana antsika ara-panahy? (Isaia 65:13, 14)

4I Jesosy Kristy, fa tsy olombelona, no Mpitarika antsika. “Aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no Mpampianatra anareo, ary hianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa. Ary aza milaza olona etỳ an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra. Ary aza mba mety hatao hoe mpitarika hianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy.”—Matio 23:8-10.

Tokony hisy hihevi-tena ho ambony noho ny hafa ve amintsika? (Romana 3:23, 24; 12:3)

5Ny Fanjakan’Andriamanitra no heverintsika ho hany fanantenana ho an’ny olombelona. “Koa amin’izany mivavaha toy izao hianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra. Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany.”—Matio 6:9, 10, 33.

Nahoana no manampy antsika hiray saina hatrany ny ‘fikatsahana ilay fanjakana aloha’? (Mika 4:3; 1 Jaona 3:10-12)

6Mamokatra toetra tsara tena ilain’ny mpivavaka amin’i Jehovah mba hampiray saina azy ireo, ny fanahy masina. “Ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po.”—Galatiana 5:22, 23.

Inona no tsy maintsy ataontsika mba hamokaran’ny fanahin’Andriamanitra voa ao amintsika? (Asan’ny Apostoly 5:32)

Inona no vokatry ny fananana ny fanahin’Andriamanitra eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny Kristianina namantsika? (Jaona 13:35; 1 Jaona 4:8, 20, 21)

7) Mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra daholo ny mpivavaka marina amin’i Jehovah. “Hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.”—Matio 24:14.

Inona no tokony hahatonga antsika haniry handray anjara feno amin’ny asa fitoriana? (Matio 22:37-39; Romana 10:10)

11. Inona no vokatra azo rehefa mampihatra ny fahamarinana ara-baiboly eo amin’ny fiainantsika isika?

11 Mihakaiky kokoa an’i Jehovah isika rehefa tafaray mivavaka aminy, sady mankafy fiarahana mamelombelona amin’ireo mpiray finoana amintsika. Hoy ny Salamo 133:1: “Endrey, tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina.” Mamelombelona tokoa ny hoe tafala avy amin’izao tontolo izao tia tena sy maloto fitondran-tena ary mahery setra, ka miaraka amin’ireo tena tia an’i Jehovah sy mankatò ny lalàny!

Halaviro izay mahatonga fisaratsarahana

12. Nahoana isika no tokony hanalavitra ny toe-tsaina tsy tia fiankinana?

12 Tsy maintsy manalavitra izay mahatonga fisaratsarahana isika, mba tsy hanimbana ny firaisan-tsaina sarobidy misy eo amintsika maneran-tany. Anisan’izany ny toe-tsaina tsy tia fiankinana amin’Andriamanitra sy ny lalàny. Manampy antsika hanalavitra izany i Jehovah, rehefa mampiharihary an’i Satana Devoly ho loharanony. (2 Korintiana 4:4; Apokalypsy 12:9) I Satana no nitaona an’i Adama sy i Eva tsy hiraharaha ny tenin’Andriamanitra sy hanao fanapahan-kevitra mifanohitra amin’izany. Loza ho azy ireo sy ho antsika no vokatr’izany. (Genesisy 3:1-6, 17-19) Vonton’izany toe-tsaina tsy tia fiankinana amin’Andriamanitra sy ny lalàny izany ity tontolo ity. Tsy maintsy miady amin’io toe-tsaina io àry isika.

13. Inona no hampiseho fa tena miomana ny hiaina ao amin’ny tontolo vaovao sy marin’Andriamanitra isika?

13 Hevero, ohatra, ny fampanantenana mampientam-po nataon’i Jehovah, dia ny hanolo ny tontolo ratsy ankehitriny amin’ny lanitra vaovao sy tany vaovao ‘izay hitoeran’ny fahamarinana.’ (2 Petera 3:13) Moa ve izany tsy tokony hanosika antsika hiomana sahady hiaina amin’izany fotoana hanjakan’ny fahamarinana izany? Midika izany fa ilaintsika ny manaraka izao torohevitra mazava ao amin’ny Baiboly izao: “Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.” (1 Jaona 2:15) Noho izany, dia mandositra ny toe-tsain’izao tontolo izao isika, izany hoe ny toe-tsainy tsy tia fiankinana sy ny fitiavan-tenany, ary ny fitondran-tenany maloto sy ny herisetra. Tokony ho zatra mihaino an’i Jehovah sy mankatò azy avy amin’ny fo kosa isika, na mifanohitra amin’izany aza ny fironan’ny nofontsika tsy lavorary. Porofoin’ny fomba fiainantsika manontolo fa mifantoka amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra ny eritreritsika sy ny antony manosika antsika.—Salamo 40:8.

14. a) Nahoana no zava-dehibe ny hanararaotana dieny izao ny fahafahana hianatra ireo lalan’i Jehovah sy hanaraka izany eo amin’ny fiainantsika? b) Inona no hevitr’ireo andinin-teny voalaza ato amin’ity fehintsoratra ity ho antsika isam-batan’olona?

14 Tsy ho diso aoriana i Jehovah, rehefa ho tonga ny fotoana noferany handringanana ity tontolo ratsy ity sy izay rehetra tia ny fanaony. Tsy hampihemotra izany fotoana izany izy na hanova ny fitsipiny mba hety amin’ireo olona izay sady mbola mifikitra amin’ity tontolo ity no mianatra kely ny sitrapony sy manao kely izany koa. Izao no fotoana tokony hanaovan-javatra! (Lioka 13:23, 24; 17:32; 21:34-36) Mankahery tokoa àry ny mahita ny olona betsaka manararaotra an’io fahafahana sarobidy io. Mazoto erỳ izy ireo mitady ny toromarika omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fandaminany ary miray saina mandeha eo amin’ny lalany ho any amin’ny tontolo vaovao! Arakaraka ny ahafantarantsika tsara kokoa an’i Jehovah no hitomboan’ny fitiavantsika azy sy ny faniriantsika hanompo azy.

Famerenana

• Inona no fikasan’i Jehovah momba ny fivavahana?

• Inona avy ireo fandrosoana tokony hirintsika hatao, rehefa avy nianatra ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly isika?

• Inona no azontsika tsirairay atao mba hiraisana saina amin’ireo mpivavaka amin’i Jehovah hafa?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 4]

‘Ny mpandefitra no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana’