Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hevitry ny Batisanao?

Inona no Hevitry ny Batisanao?

Toko Faharoa Ambin’ny Folo

Inona no Hevitry ny Batisanao?

1. Nahoana no tokony hahaliana antsika tsirairay ny batisa ao anaty rano?

 NATAO batisa i Jesosy tamin’ny taona 29, rehefa narobok’i Jaona Mpanao Batisa tao amin’ny Ony Jordana. Nijery sy nankasitraka an’izany koa i Jehovah. (Matio 3:16, 17) Namela modely tokony harahin’ny mpianany rehetra àry i Jesosy. Izao no toromarika nomeny ho an’ny mpianany, telo taona sy tapany taorian’izay: “Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.” (Matio 28:18, 19) Natao batisa araka io toromarik’i Jesosy io ve ianao, sa efa miomana ho amin’izany?

2. Inona avy ireo fanontaniana mifandray amin’ny batisa tokony hovaliana?

2 Na vita batisa isika na tsia, dia zava-dehibe amin’izay rehetra maniry hanompo an’i Jehovah sy hiaina ao amin’ny tontolo vaovao ny fahatakarana tsara ny hevitry ny batisa. Tokony ho hainy ny mamaly ny fanontaniana toy ireto: Mitovy amin’ny hevitry ny batisan’i Jesosy ve ny hevitry ny batisan’ny Kristianina ankehitriny? Inona no dikan’ny hoe atao batisa “amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina”? Inona no tafiditra amin’ny hoe miaina mifanaraka amin’ny batisa kristianina?

Batisan’i Jaona

3. Natao ho an’iza ihany ny batisan’i Jaona?

3 Nitory tany an’efitr’i Jodia i Jaona Mpanao Batisa, enim-bolana teo ho eo talohan’ny nanaovana batisa an’i Jesosy, ka nilaza toy izao: “Mibebaha hianareo; fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 3:1, 2) Nandre sy nandray am-po izay nolazain’i Jaona ny olona. Niaiky ny fahotany izy ireo, nibebaka, ary nanatona an’i Jaona mba hatao batisa tao amin’ny Ony Jordana. Ho an’ny Jiosy ihany io batisa io.—Lioka 1:13-16; Asan’ny Apostoly 13:23, 24.

4. Nahoana no nila nibebaka haingana ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany?

4 Nila nibebaka haingana ireo Jiosy ireo. Nanao fanekena tena lehibe tamin’i Jehovah Andriamanitra, teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, ny razamben’izy ireo, tamin’ny 1513 al.f.i. Nanao fahotana lehibe anefa izy ireo, satria tsy niantsoroka ny andraikiny nifandray tamin’io fanekena io, ka nomelohin’izy io. Efa lasa lavitra izany toe-javatra izany tamin’ny andron’i Jesosy. Akaiky ilay “andron’i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra”, efa nolazain’i Malakia. Tonga io “andro ” io rehefa nandrava an’i Jerosalema sy ny tempoliny, ary namono Jiosy maherin’ny iray tapitrisa, ny Romanina, tamin’ny taona 70 am.f.i. Nalefa nialoha an’io fandravana io i Jaona Mpanao Batisa, izay nazoto ho an’ny fivavahana marina, mba “hamboatra firenena voaomana ho an’ny Tompo.” Nila nibebaka noho ny fahotany tamin’ny faneken’ny Lalàn’i Mosesy ireo Jiosy, ary ho vonona hanaiky an’i Jesosy Zanak’i Jehovah, nirahiny ho azy ireo.—Malakia 3:22-24; Lioka 1:17; Asan’ny Apostoly 19:4.

5. a) Nahoana i Jaona no nisalasala hanao batisa an’i Jesosy? b) Inona no hevitry ny batisan’i Jesosy?

5 Nanatona an’i Jaona mba hatao batisa koa i Jesosy. Fa nahoana? Fantatr’i Jaona fa tsy nanota i Jesosy, ary tsy nila nibebaka, ka hoy izy: “Izaho no tokony hataonao batisa, ka Hianao indray va no mankaty amiko?” Zavatra hafa anefa no nasehon’ny batisan’i Jesosy, ka hoy ny navaliny: “Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra.” (Matio 3:13-15) Tsy nampiseho fibebahana noho ny fahotana ny batisan’i Jesosy, satria tsy nanota izy. Tsy nila nanolo-tena ho an’Andriamanitra koa izy, satria efa nanolo-tena ho an’i Jehovah ilay fireneny. Nampiseho zavatra hafa io batisany teo amin’ny faha-30 taonany io, dia ny hoe fisehoana teo anatrehan’ny Rainy any an-danitra mba hanao ny sitrapony hafa koa. I Jesosy ihany no natao an’io batisa io.

6. Inona no mampiseho fa noheverin’i Jesosy ho zava-dehibe ny fanaovany ny sitrapon’Andriamanitra?

6 Nifandray tamin’ny asan’i Kristy Jesosy momba ilay Fanjakana ny sitrapon’Andriamanitra momba azy. (Lioka 8:1) Tafiditra tamin’io koa ny fanaovana sorona ny ain’olombelona lavorary nananany mba ho avotra sy ho fototry ny fanekena vaovao. (Matio 20:28; 26:26-28; Hebreo 10:5-10) Noheverin’i Jesosy ho zava-dehibe mihitsy ny hevitry ny batisany. Tsy namela ny sainy hifantoka tamin-javatra hafa izy. Nifantoka tamin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra hatramin’ny fara fofon’ainy i Jesosy, ary ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra no asany lehibe indrindra.—Jaona 4:34.

Batisan’ireo mpianatra kristianina

7. Inona no nasaina nataon’ny Kristianina momba ny batisa, nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33?

7 Nataon’i Jaona batisa tao anaty rano ireo mpianatr’i Jesosy voalohany, ary avy eo dia notarihina ho any amin’i Jesosy, mba ho anisan’ny Fanjakan’ny lanitra. (Jaona 3:25-30) Nanao batisa koa ireny mpianatra ireny, rehefa nomen’i Jesosy toromarika. Nitovy tamin’ny batisan’i Jaona ny hevitr’izany batisa izany. (Jaona 4:1, 2) Nanomboka nanatanteraka an’ilay fanirahana mba hanao batisa “amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina” anefa izy ireo, tamin’ny Pentekosta taona 33. (Matio 28:19) Ho hitanao fa hahasoa ny fandinihana ny hevitr’izany.

8. Inona no dikan’ny hoe atao batisa “amin’ny anaran’ny Ray”?

8 Inona no dikan’ny hoe atao batisa “amin’ny anaran’ny Ray”? Midika izy io hoe manaiky ny anarany sy ny toerany, ny fahefany sy ny fikasany ary ny lalàny. Ireto avy no tafiditra amin’izany: 1) Hoy ny Salamo 83:18 momba ny anarany: “Hianao irery ihany. Izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.” 2) Izao no lazain’ny 2 Mpanjaka 19:15, momba ny toerany: ‘Ry Jehovah, Andriamanitra ô, Ianao dia Ianao irery ihany no Andriamanitra’ marina. 3) Milaza toy izao momba ny fahefan’i Jehovah, ny Apokalypsy 4:11: “Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.” 4) Tsy maintsy ekentsika koa fa i Jehovah no Mpanome Aina, ka nieritreritra ny hamonjy antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana: “An’i Jehovah ny famonjena.” (Salamo 3:8; 36:9) 5) Tokony hekentsika fa i Jehovah no Mpanome Lalàna Lehibe indrindra: “Jehovah no Mpitsara antsika; Jehovah no Mpanome lalàna antsika; Jehovah no Mpanjakantsika.” (Isaia 33:22) Izany rehetra izany no toeran’i Jehovah, hany ka ampirisihina toy izao isika: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.”—Matio 22:37.

9. Inona no dikan’ny hoe atao batisa “amin’ny anaran’ny . . . Zanaka”?

9 Inona no dikan’ny batisa “amin’ny anaran’ny . . . Zanaka”? Izany dia midika hoe manaiky ny anarana sy ny toerana ary ny fahefan’i Jesosy Kristy. Midika hoe “Jehovah no Famonjena” ny anaran’i Jesosy. Manana io toerana io izy, satria Zanaka lahitokan’Andriamanitra, dia ilay voalohany tamin’ny voarin’Andriamanitra. (Matio 16:16; Kolosiana 1:15, 16) Izao no lazain’ny Jaona 3:16 amintsika momba an’io Zanaka io: “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao [na ny olombelona azo vonjena]: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” Natsangan’Andriamanitra i Jesosy, ary nomeny fahefana vaovao, satria nahatoky hatramin’ny farany. Araka ny apostoly Paoly, dia ‘nasandratr’Andriamanitra’ mba hanana toerana manarakaraka ny azy avy hatrany i Jesosy. Noho izany, dia “amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra, . . . sy haneken’ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray.” (Filipiana 2:9-11) Midika izany hoe ekena ny toromarik’i Jesosy, avy amin’i Jehovah.—Jaona 15:10.

10. Inona no dikan’ny hoe atao batisa “amin’ny anaran’ny . . . Fanahy Masina”?

10 Inona kosa no hevitry ny hoe atao batisa “amin’ny anaran’ny . . . Fanahy Masina”? Izany dia midika hoe ekena ny anjara asan’ny fanahy masina. Ary inona moa ny fanahy masina? Ny hery ampiasain’i Jehovah mba hanatanterahana ny zavatra noeritreretiny izy io. Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Izaho hangataka amin’ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, dia ny Fanahin’ny fahamarinana.” (Jaona 14:16, 17) Hanampy azy ireo hanao inona izy io? Hoy ihany i Jesosy tamin’izy ireo: “Hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany.” (Asan’ny Apostoly 1:8) Tamin’ny alalan’ny fanahy masina koa no nanomezan’i Jehovah tsindrimandry olona mba hanoratra ny Baiboly: “Tsy nisy faminaniana avy tamin’ny sitrapon’ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy.” (2 Petera 1:21) Manaiky ny anjara asan’ny fanahy masina àry isika, rehefa mianatra ny Baiboly. Fomba hafa hanekena ny anjara asan’ny fanahy masina koa ny fangatahana an’i Jehovah mba hanampy antsika hamoa ny “vokatry ny fanahy . . . dia ny fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po.”—Galatiana 5:22, 23.

11. a) Inona no tena hevitry ny batisa amin’ny androntsika? b) Nahoana no toy ny hoe fahafatesana sy fitsanganana ny batisa?

11 Jiosy sy proselyta jiosy no voalohany natao batisa araka ny toromarik’i Jesosy, nanomboka tamin’ny taona 33. Nomena tombontsoa ho tonga mpianatra kristianina taorian’izay kosa ny Samaritanina. Ary nahazo izany antso izany ny jentilisa tsy voafora, nanomboka tamin’ny taona 36. Tsy maintsy nanolo-tena manokana ho an’i Jehovah mba hanompo azy amin’ny maha mpianatry ny Zanany ny Samaritanina sy ny jentilisa, talohan’ny nanaovana batisa azy ireo. Mbola izany ihany no hevitry ny batisa kristianina hatramin’izao. Mitovy indrindra amin’ny fanoloran-tena manokana ny fandrobohana tanteraka ao anaty rano, satria toy ny fandevenana ny batisa. Toy ny hoe maty ianao, ka tsy manaraka ny fomba fiainanao taloha intsony, rehefa atsofoka ao anaty rano. Toy ny hoe velona mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra kosa ianao rehefa avoaka. Mihatra amin’izay rehetra tonga Kristianina io ‘batisa iray’ io. Tonga Vavolombelona kristianin’i Jehovah, sy mpanompo voatendrin’Andriamanitra izy, rehefa atao batisa.—Efesiana 4:5; 2 Korintiana 6:3, 4.

12. Mitovy amin’ny inona ny batisa kristianina ao anaty rano? Hazavao.

12 Manan-kery lehibe mahavonjy io batisa io eo imason’Andriamanitra. Nanoratra toy izao, ohatra, i Petera, rehefa avy nilaza fa nanorina ny sambo fiara i Noa, ka voavonjy tao anatin’izy io ny fianakaviany, nandritra ny Safo-drano: “Izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan’io tandindona io, tsy ny fanesorana ny fahalotoan’ny nofo anefa, fa ny fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra, amin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty.” (1 Petera 3:21) Ilay sambo fiara dia porofo mivaingana fa tena nanao izay nasain’Andriamanitra nataony i Noa. Safotry ny rano ny tany tamin’izany fotoana izany, rehefa vita ilay sambo fiara. (2 Petera 3:6) Voavonjy tamin’ny Safodrano kosa ry Noa “valo mianaka.”—1 Petera 3:20.

13. Voavonjy amin’ny inona ny Kristianina atao batisa anaty rano?

13 Atao batisa ho mariky ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah ireo nanolo-tena ho azy miorina amin’ny soron’i Kristy natsangana tamin’ny maty. Manomboka manao ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny androntsika izy ireo, ary voavonjy avy amin’ity tontolo ratsy ity. (Galatiana 1:3, 4) Tsy voatery ho ringana miaraka amin’ity tontolo ratsy ankehitriny ity intsony izy ireo. Voavonjy avy amin’izany izy ireo ary mahazo fieritreretana tsara eo imason’Andriamanitra. Manome toky ny mpanompon’Andriamanitra toy izao ny apostoly Jaona: “Mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.”—1 Jaona 2:17.

Fiainana mifanaraka amin’ny andraikitsika

14. Nahoana no tsy voatery ho voavonjy isika na dia vita batisa aza?

14 Diso hevitra isika raha mieritreritra fa tsy maintsy ho voavonjy rehefa vita batisa. Tsy misy vidiny izy io raha tsy tena nanolo-tena ho an’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy ny olona iray, ary manao ny sitrapon’Andriamanitra sy tsy mivadika hatramin’ny farany. “Izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.”—Matio 24:13.

15. a) Inona no sitrapon’Andriamanitra amin’ny Kristianina vita batisa ankehitriny? b) Inona no tokony hataontsika raha tena mpianatra kristianina isika?

15 Nahatafiditra ny fomba nampiasan’i Jesosy ny fiainany tamin’ny naha olombelona azy ny sitrapon’Andriamanitra momba azy. Tsy maintsy ho faty hatao sorona izy. Tokony hatolotra ho an’Andriamanitra koa ny tenantsika, ary tokony ho feno fahafoizan-tena ny fiainantsika, rehefa manao ny sitrapony isika. (Romana 12:1, 2) Tsy tena manao ny sitrapon’Andriamanitra isika raha manao fanahy iniana mitondra tena toa an’izao tontolo izao, na dia indraindray fotsiny aza, na raha mampifantoka ny fiainantsika amin’ny fikatsahana zavatra ara-nofo, ka manao fanompoana anarany fotsiny. (1 Petera 4:1-3; 1 Jaona 2:15, 16) Nisy Jiosy iray nanontany an’i Jesosy izay tokony hatao mba hahazoana fiainana mandrakizay. Neken’i Jesosy fa tsara ny manana fiainana madio. Nasongadiny anefa, avy eo, izao zavatra mbola lehibe kokoa izao: Ilaina ny ho tonga mpianatra kristianina, na mpanara-dia an’i Jesosy. Io no tsy maintsy ho zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana. Tsy tokony ho aorian’ny fikatsahana zavatra ara-nofo izy io.—Matio 19:16-21.

16. a) Inona no andraikitry ny Kristianina rehetra mifandray amin’ilay Fanjakana? b) Inona avy no anisan’ny fomba mahomby hitoriana ilay Fanjakana, araka ny sary eo amin’ny pejy 116 sy 117? d) Inona no asongadintsika raha mandray anjara amin’ny fo manontolo amin’ny fitoriana isika?

16 Tokony hohamafisina indray fa anisan’ny sitrapon’Andriamanitra tamin’i Jesosy ny asa lehibe mifandray amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Voahosotra ho Mpanjaka i Jesosy. Nazoto nitory momba ilay Fanjakana koa anefa izy, tamin’izy tetỳ an-tany. Tokony hitory momba azy io koa isika, ary tokony hanao izany amin’ny fontsika manontolo. Hampiseho izany fa manaiky ny zon’i Jehovah hitondra isika, ary tia ny mpiara-belona amintsika. (Matio 22:36-40) Hasehontsika koa fa miray saina amin’ireo mpiara-mivavaka amintsika eran-tany isika, satria mpitory ilay Fanjakana daholo izy rehetra. Miara-mandroso ho amin’ny fiainana mandrakizay eto an-tany hofehezin’ilay Fanjakana isika rehetra.

Famerenana

• Inona no mampitovy ny batisan’i Jesosy sy ny batisa ankehitriny? Inona no maha samy hafa azy?

• Inona no dikan’ny hoe atao batisa “amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina”?

• Inona no voafaoka amin’ny hoe miaina mifanaraka amin’ny batisa kristianina nataontsika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 116, 117]

FOMBA VITSIVITSY ITORIANA ILAY FANJAKANA

Isan-trano

Amin’ny havana

Amin’ny mpiara-miasa

Amin’ny mpiara-mianatra

Eny an-dalana

Fitsidihana indray ny olona liana

Fampianarana Baiboly any an-trano