Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Katsaho Aloha Ilay Fanjakana’

‘Katsaho Aloha Ilay Fanjakana’

Toko Fahiraika Ambin’ny Folo

‘Katsaho Aloha Ilay Fanjakana’

1. a) Nahoana i Jesosy no nampirisika ny mpihaino azy mba hikatsaka ilay Fanjakana? b) Inona no fanontaniana tokony hapetratsika amin’ny tenantsika?

 NAMPIRISIKA ny mpihaino azy toy izao i Jesosy, nandritra ny toriteniny tany Galilia fahiny: “Fa katsaho aloha ny fanjakan[’Andriamanitra] sy ny fahamarinany.” Nahoana no tokony ho loha laharana izy io? Tsy mbola ho ela be atỳ aoriana ve vao ho tonga Mpanjaka i Kristy? Marina izany, kanefa ny Fanjakan’ny Mesia no fitaovana hanamarinan’i Jehovah ny zony hitondra sy hanatanterahany ny zavatra noeritreretiny momba ny tany. Nanao ilay Fanjakana ho loha laharana teo amin’ny fiainany izay rehetra tena nahatakatra fa zava-dehibe ireo zavatra ireo. Tsy vao mainka ve izany marina kokoa ankehitriny, satria efa lasa Mpanjaka i Kristy? Manontania àry tena hoe: Tena mikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra ve aho, rehefa jerena ny fomba fiainako?—Matio 6:33.

2. Inona avy no zavatra katsahin’ny ankamaroan’ny olona?

2 Tena misy olona an-tapitrisa eran-tany mikatsaka ilay Fanjakana ankehitriny. Manohana an’io Fanjakana io izy ireo, ka mampifantoka ny fiainany amin’ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah, noho izy ireo nanolo-tena ho azy. Ny zavatra eo amin’izao tontolo izao kosa anefa no katsahin’ny ankamaroan’ny olona. Ny vola sy ny fananana ary ny fahafinaretana no katsahiny. Ny fanatsarana ny fiainany no andaniany ny heriny manontolo. Hita amin’ny fomba fiainany fa ny tenany sy ny zavatra ara-nofo ary ny fahafinaretana no mahaliana azy. Ataony ambanin-javatra Andriamanitra, ary mety tsy hinoany akory aza.—Matio 6:31, 32.

3. a) Inona no harena asain’i Jesosy tadiavin’ny mpianany, ary nahoana? b) Nahoana no tsy mety ny manahy be loatra momba ny zavatra ilaina ara-nofo?

3 Nanoro hevitra ny mpianany toy izao anefa i Jesosy: “Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany”, satria tsy haharitra mandrakizay izany. “Fa miharia harena ho anareo any an-danitra” kosa, hoy izy, na hoe manompoa an’i Jehovah. Nilaza koa i Jesosy fa tokony ho “tsara”, na tsotra, ny mason’ny mpianany, izany hoe mampifantoka ny saina sy ny hery amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. “Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy Mamôna hianareo”, hoy izy, tamin’izy ireo. Ahoana anefa ireo zavatra ilaina toy ny sakafo sy fitafiana ary trano? “Aza manahy”, hoy i Jesosy. Niresaka momba ny vorona izy, satria omen’Andriamanitra sakafo ireny. Nasain’i Jesosy naka fianarana avy tamin’ny voninkazo ny mpanara-dia azy, satria tafin’Andriamanitra izy ireny. Tsy sarobidy kokoa noho izany rehetra izany ve ny olombelona manompo an’i Jehovah? Koa hoy i Jesosy: “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany [zavatra ilaina] rehetra izany.” (Matio 6:19-34) Mino izany ve ianao? Hita amin’ny zavatra ataonao ve izany?

Aza avela ho voageja ny fahamarinana momba ilay Fanjakana

4. Inona no mety hitranga raha ny zavatra ara-nofo no tena ifantohan’ny olona iray?

4 Rariny raha mieritreritra ny hanam-bola ampy hikarakarana izay ilaintsika sy ny fianakaviantsika isika. Mety hisy vokany ratsy anefa raha miahy be loatra momba ny zavatra ara-nofo ny olona iray. Ho voageja ny fahamarinana momba ilay Fanjakana, raha zavatra hafa no voalohany ao am-pony, na dia milaza ho mino an’ilay Fanjakana aza izy. (Matio 13:18-22) Nanontany an’i Jesosy toy izao, ohatra, ny filoha tanora nanankarena iray: “Inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?” Tsara toetra izy ary nihavana tsara tamin’ny hafa, kanefa tiany loatra ny fananany. Tsy foiny ny fananany mba hahatongavana ho mpanara-dia an’i Kristy. Nanjary very tombontsoa izy, noho izany, ka tsy ho afaka ny ho any an-danitra hiara-manjaka amin’i Kristy. Hoy i Jesosy tamin’izay: “Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ny manan-karena amin’ny fanjakan’Andriamanitra!”—Marka 10:17-23.

5. a) Nasain’i Paoly nianina tamin’ny inona i Timoty, ary nahoana? b) Ahoana no ampiasan’i Satana ny “fitiavam-bola” mba hamandrihana sy hanimbana antsika?

5 Nanoratra ho an’i Timoty i Paoly, taona maro taorian’izay, tamin’i Timoty tany Efesosy, tanàna nanankarena. Hoy i Paoly: “Tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala. Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany.” Mety ny miasa mba hahazoana “hanina sy fitafiana” ho an’ny tena sy ny fianakaviana. Nampitandrina anefa i Paoly hoe: “Izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana.” Fetsy i Satana. Mety ho zavatra kely no itaomany an’ilay olona, amin’ny voalohany. Mety hitombo ho fanerena bebe kokoa izany, angamba fahafahana hisondrotra eo amin’ny asa, na asa be karama kokoa, nefa maka fotoana efa natokana ho an’ny zavatra ara-panahy. Mety hangeja an’ireo zava-dehibe kokoa mifandray amin’ilay Fanjakana ny “fitiavam-bola”, raha tsy mitandrina isika. Hoy ny nilazan’i Paoly izany: “Ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.”—1 Timoty 6:7-10.

6. a) Inona no tsy maintsy ataontsika raha tsy te hanjary ho tia vola isika? b) Nahoana isika no tsy tokony hanahy, na dia sarotra aza ny fiainana?

6 Tena tia an’i Timoty, rahalahiny kristianina, i Paoly, ka nampirisika azy hoe: “Mandosira izany zavatra izany”, ary “miadia ny ady tsaran’ny finoana.” (1 Timoty 6:11, 12) Tsy maintsy miezaka mafy isika raha tsy te hanjary ho tia vola toa an’izao tontolo izao manodidina antsika. Tsy hahafoy antsika mihitsy anefa i Jehovah, raha miezaka mafy hiaina mifanaraka amin’ny finoantsika isika. Hataony foana izay hahazoantsika ny zavatra tena ilaintsika, na dia lafo be aza ny fiainana, ary tsy misy ny asa. Hoy i Paoly: “Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna amin’izay anananareo; fa hoy [Andriamanitra]: ‘Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory.’ Ka dia sahy manao hoe isika: ‘Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho; inona no azon’ny olona atao amiko?’” (Hebreo 13:5, 6) Izao koa no nolazain’i Davida Mpanjaka: “Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny; fa tsy mbola hitako izay marina nafoy, na ny zanany mangataka hanina.”—Salamo 37:25.

Nanome modely ireo mpianatra fahiny

7. Inona avy no toromarika momba ny fitoriana nomen’i Jesosy ny mpianany? Nahoana no nety izany?

7 Nampiofanin’i Jesosy tsara ny apostoliny, ka avy eo dia nirahiny hitety an’i Isiraely hitory ny vaovao tsara sy hilaza hoe: “Efa mby akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” Hafatra nahaliana tokoa izany! Teo anivon’izy ireo i Jesosy Kristy, ilay Mesia Mpanjaka. Nanokan-tena hanompo an’Andriamanitra ireo apostoly, hany ka nampirisihin’i Jesosy mba hatoky fa hikarakara azy ireo Andriamanitra. Hoy izy: “Aza mitondra zavatra ho amin’ny alehanareo, na tehina, na kitapom-batsy, na mofo, na vola, ary aza misy mitondra akanjo roa. Ary izay trano hidiranareo, dia ao no itoero, ary avy ao indray no ialao.” (Matio 10:5-10; Lioka 9:1-6) Hataon’i Jehovah azo antoka fa hanome izay ilain’izy ireo ara-nofo ny Isiraelita namany, izay efa zatra nandray vahiny.

8. a) Nahoana no novan’i Jesosy ny toromarika momba ny fitoriana, taloha kelin’ny hahafatesany? b) Inona ihany no mbola tokony ho loha laharana teo amin’ny fiainan’ny mpanara-dia an’i Jesosy?

8 Nolazain’i Jesosy taloha kelin’ny hahafatesany, fa hiova ny tarehin-javatra hitorian’izy ireo. Hisy fanoherana be ny asa hataon’izy ireo, hany ka mety tsy ho vonona handray vahiny intsony ny Isiraelita. Hitondra ny hafatra momba ilay Fanjakana any amin’ny Jentilisa koa izy ireo aoriana kely. Amin’izay dia tsy maintsy hitondra “fehikibo” fitoeran’entana sy “kitapom-batsy” izy ireo. Tsy maintsy mbola hikatsaka ilay Fanjakan’i Jehovah sy ny fahamarinany foana anefa izy ireo, ka hatoky fa hitahy azy ireo i Jehovah, mba hahazoany ny hanina sy fitafiana hilainy.—Lioka 22:35-37.

9. Nahoana ny fiainan’i Paoly no mampiseho fa loha laharana ilay Fanjakana, na dia nikarakara izay nilainy ara-nofo aza izy? Inona avy no torohevitra nomeny momba izany?

9 Ohatra tsara teo amin’ny fampiharana ny torohevitr’i Jesosy ny apostoly Paoly. Ny fanompoana no nifantohan’ny fiainany. (Asan’ny Apostoly 20:24, 25) Nikarakara ny zavatra nilainy ara-nofo izy, rehefa tonga hitory teo amin’ny toerana iray, ary niasa nanao lay mihitsy aza. Tsy nanantena ny hafa hikarakara azy izy. (Asan’ny Apostoly 18:1-4; 1 Tesaloniana 2:9) Nankasitraka ny fahaiza-mandray vahiny sy ny fanomezana nataon’ny hafa anefa izy, rehefa nisy naneho fitiavana azy toy izany. (Asan’ny Apostoly 16:15, 34; Filipiana 4:15-17) Nampirisihin’i Paoly ny Kristianina mba tsy hanao tsirambina ny adidiny ara-pianakaviana noho ny fitoriana, fa handanjalanja ny andraikiny samihafa kosa. Nanariny izy ireo mba hiasa sy ho tia ny fianakaviany ary hahay hizara. (Efesiana 4:28; 2 Tesaloniana 3:7-12) Nampirisihiny izy ireo mba hitoky tamin’Andriamanitra, fa tsy tamin’ny harena, ary mba hampiseho tamin’ny fiainany fa tena fantany izay zava-dehibe kokoa. Midika izany fa mikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany ny Kristianina, araka ny fampianaran’i Jesosy.—Filipiana 1:9-11.

Ataovy loha laharana eo amin’ny fiainanao foana ilay Fanjakana

10. Inona no dikan’ny hoe mikatsaka ilay Fanjakana?

10 Betsaka sa kely ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana ataontsika? Sady miankina amin’ny tarehin-javatra misy antsika izany no miankina amin’ny halalin’ny fankasitrahantsika. Tadidio fa tsy nilaza akory i Jesosy hoe: ‘Katsaho ilay Fanjakana rehefa tsy manan-katao ianao.’ Fantatr’i Jesosy fa zava-dehibe ilay Fanjakana, ka izao no nolazainy momba ny sitrapon’Andriamanitra: “Katsaho ny fanjakany.” (Lioka 12:31) Mila mikarakara ny zavatra ilaintsika sy ny fianakaviantsika daholo isika. Raha manam-pinoana anefa isika, dia hifantoka amin’ny asan’ilay Fanjakana nomen’Andriamanitra antsika ny fiainantsika. Hiantsoroka ny adidintsika ara-pianakaviana koa isika, na izany aza.—1 Timoty 5:8.

11. a) Inona no nolazain’i Jesosy tao amin’ny fanoharany ka mampiseho fa tsy hitovy ny habetsahan’ny fitoriana vitan’ny rehetra? b) Inona avy ireo tarehin-javatra mety hisy akony eo amin’izay mety ho vitantsika?

11 Manam-potoana bebe kokoa itoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana ny sasany amintsika. Nasehon’i Jesosy tao amin’ilay fanoharany momba ny karazan-tany anefa, fa hamokatra daholo ireo manana fo toy ny tany tsara. Arakaraka ny tarehin-javatra misy ny tsirairay kosa ny habetsahan’ny vokatra. Anisan’izany ny taona sy ny fahasalamana ary ny andraikitra ara-pianakaviana. Betsaka anefa ny zava-bita, raha tena ao ny fankasitrahana.—Matio 13:23.

12. Inona no zava-kendrena ampirisihana mba hoheverin’ireo tanora indrindra indrindra?

12 Tsara ny manan-java-kendrena mba hampitomboana ny fitoriantsika ilay Fanjakana. Tokony hieritreritra lalina momba ny ohatra tsara dia tsara navelan’i Timoty, tanora kristianina, ireo tanora. (Filipiana 2:19-22) Inona no tsara kokoa ho azy ireo noho ny manao fanompoana manontolo andro, rehefa vita ny fianarany? Handray soa koa ireo zokiny kokoa rehefa mametra tanjona ara-panahy tsara.

13. a) Iza no mamaritra ny habetsahan’ny fanompoana ataontsika? b) Inona no ho voaporofontsika raha tena mikatsaka ilay Fanjakana isika?

13 Tsy hitsikera ny hafa mety ho afaka hanompo bebe kokoa isika, fa tokony hatosiky ny finoana kosa ka hanao fanatsarana, mba hanompoantsika an’Andriamanitra be indrindra araka izay amelan’ny tarehin-javatra misy antsika manokana. (Romana 14:10-12; Galatiana 6:4, 5) Lazain’i Satana, toy ny tamin’ny andron’i Joba, fa ny fananana sy ny fiadanana ary izay hahatsara antsika manokana no mahaliana antsika, ary ny fitiavan-tena no mahatonga antsika hanompo an’Andriamanitra. Ho anisan’ny hanaporofo anefa isika fa tena mpandainga ny Devoly, raha tena mikatsaka ilay Fanjakana tokoa isika. Hasongadintsika amin’izay fa ny fanompoana an’Andriamanitra no loha laharana eo amin’ny fiainantsika. Hoporofointsika amin’ny teny sy ny ataontsika fa tena tiantsika i Jehovah, manohana amim-pahatokiana ny zony hitondra isika, ary tiantsika ny mpiara-belona amintsika.—Joba 1:9-11; 2:4, 5; Ohabolana 27:11.

14. a) Nahoana no mahasoa ny manana fandaharam-potoana momba ny fanompoana? b) Manao ahoana ny habetsahan’ny fitoriana ataon’ny Vavolombelona maro?

14 Mety ho betsaka kokoa ny vitantsika, raha manana fandaharam-potoana isika. Manana ‘fotoan’andro voatendry’ mba hanatanterahana ny sitrapony, na dia i Jehovah aza. (Eksodosy 9:5; Marka 1:15) Tsara raha misy fotoana atokana indray mandeha na mihoatra isan-kerinandro mba hanaovana fanompoana. Vavolombelon’i Jehovah ana hetsy maneran-tany no mpisava lalana mpanampy, ka mitory mandritra ny adiny roa eo ho eo isan’andro. Maro be toy izany koa no mpisava lalana maharitra, ka mandany adiny roa sy sasany eo ho eo isan’andro mba hiresahana momba ilay Fanjakana. Mbola be noho izany aza ny fotoana lanin’ny mpisava lalana manokana sy ny misionera eo amin’ny fanompoana ilay Fanjakana. Azontsika atao koa ny mitory tsy ara-potoana, amin’izay maniry hihaino. ( Jaona 4:7-15) Tokony haniry handray anjara betsaka araka izay amelan’ny tarehin-javatra misy antsika isika, satria efa nilaza i Jesosy hoe: “Hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.”—Matio 24:14; Efesiana 5:15-17.

15. Nahoana no ara-potoana ilay torohevitra ao amin’ny 1 Korintiana 15:58, mifandray amin’ny fanompoantsika?

15 Miara-mandray anjara amin’io tombontsoam-panompoana io ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, na aiza firenena misy azy na aiza. Raisiny ho azy manokana ity torohevitry ny Baiboly ity: “Miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.”—1 Korintiana 15:58.

Famerenana

• Inona no nolazain’i Jesosy fa tsy tokony ho loha laharana, rehefa niteny izy hoe ‘katsaho aloha ilay Fanjakana’?

• Ahoana no tokony hiheverantsika ny fikarakarana ny zavatra ara-nofo ilaintsika sy ny fianakaviantsika? Inona no fanampiana homen’Andriamanitra antsika?

• Inona avy ireo lafim-panompoana azontsika andraisana anjara?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 107]

Mitory ny vaovao tsara ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany, alohan’ny hahatongavan’ny farany