Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahery ny Fanantenana Fitsanganana Amin’ny Maty

Mahery ny Fanantenana Fitsanganana Amin’ny Maty

Toko Fahasivy

Mahery ny Fanantenana Fitsanganana Amin’ny Maty

1. Inona no azon’ny maty antenaina, raha tsy teo ny fitsanganana amin’ny maty?

 NISY havan-tianao maty ve? Tsy hahita azy intsony ianao, raha tsy teo ny fitsanganana amin’ny maty. Ho toy izao lazain’ny Baiboly izao foana izy ireo amin’izay: “Ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, . . . fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita [fasana] izay alehanao.”—Mpitoriteny 9:5, 10.

2. Inona no fanantenana mahafinaritra hanjary ho tanteraka noho ny fitsanganana amin’ny maty?

2 Mamindra fo anefa i Jehovah, ary hanangana ny maty, ka hanjary hanana tombontsoa sarobidy ny ho velona indray sy hiaina mandrakizay ny maty maro be tsy tambo isaina. Midika izany fa afaka manantena ianao hoe ho tafaraka indray amin’ireo havan-tianao maty, any amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra.—Marka 5:35, 41, 42; Asan’ny Apostoly 9:36-41.

3. a) Nahoana no zava-dehibe mba hanatanterahana ny zavatra noeritreretin’i Jehovah ny fitsanganana amin’ny maty? b) Rahoviana indrindra izy io no tena manome hery antsika?

3 Tsy tokony hatahorantsika mihitsy ny fahafatesana, satria eo ny fitsanganana amin’ny maty. Azon’i Jehovah avela hanao araka izay fara heriny i Satana mba hanandrana hanaporofo ilay fiampangany hoe “izay rehetra ananan’ny olona dia homeny ho fefin’ny ainy.” (Joba 2:4) Tsy hanimba maharitra ny mpanompon’i Jehovah anefa izany. Tsy nivadika tamin’Andriamanitra mandra-pahafatiny i Jesosy, ka natsangany hiaina any an-danitra. Noho izany, dia afaka nampiseho teo anoloan’ny seza fiandrianan’ny Rainy any an-danitra ny vidin’ny ain’olombelona lavorary nataony sorona izy. Hamonjy ny aintsika izany. Manjary afaka manantena ny ho tafaray amin’i Kristy ao amin’ny Fanjakany any an-danitra ny “ondry vitsy” mpiara-mandova aminy, noho ny fitsanganana amin’ny maty. (Lioka 12:32) Manantena ny hatsangana mba hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany kosa ny hafa. (Salamo 37:11, 29) Manome hery lehibe ho an’ny Kristianina rehetra ny fanantenana fitsanganana, rehefa miatrika fisedrana mety hahafaty azy izy ireo.—2 Korintiana 4:7.

Nahoana izy io no fototry ny finoana kristianina?

4. a) Nahoana no lazaina fa “abidim-pianarana” ny fitsanganana amin’ny maty? b) Ahoana no fiheveran’ny ankamaroan’ny olona azy io?

4 Lazain’ny Hebreo 6:1, 2 fa “abidim-pianarana” ny fitsanganana amin’ny maty. Izy io dia anisan’ny fototry ny finoana izay mahatonga antsika ho Kristianina matotra. (1 Korintiana 15:16-19) Hafahafa amin’ny ankamaroan’ny olona anefa ny fampianaran’ny Baiboly momba ny fitsanganana amin’ny maty. Tsy tia zavatra ara-panahy ny olona, ka heveriny fa izao no tena fiainana, hany ka aleony mikatsaka fahafinaretana. Eo koa ireo mihevitra ho manana fanahy tsy mety maty, satria izany no nampianarin’ny fivavahan’ny ray aman-dreniny, na anisan’ny Kristianisma Anarana izany na tsia. Tsy mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Baiboly momba ny fitsanganana amin’ny maty izany, satria tsy hilaina hatsangana ny olona raha manana fanahy tsy mety maty. Vao mainka manakorontan-tsaina, fa tsy mampionona, ny fanandramana hampifanaraka an’ireo hevitra roa ireo. Ahoana no anampiantsika ny olona tso-po mba hahalala ny fahamarinana?

5. a) Inona no tokony ho fantatry ny olona iray, alohan’ny hahatakarany ny fitsanganana amin’ny maty? b) Inona no andinin-teny hampiasainao mba hanazavana ny fahamarinana momba ny fanahy sy ny maty? d) Inona no azo atao raha misy mampiasa fandikan-tenin’ny Baiboly toa manamatroka ny fahamarinana?

5 Tsy maintsy fantatry ny olona tso-po tsara anefa ny fahamarinana momba ny fanahy sy ny maty, alohan’ny hahatakarany hoe tena fandaharana mahatalanjona ny fitsanganana amin’ny maty. Andinin-teny vitsivitsy monja matetika dia efa afaka manazava tsara izany amin’ny olona noana ny fahamarinana ara-baiboly. (Ezekiela 18:4, 20; Mpitoriteny 9:5, 10) Manamatroka ny fahamarinana momba ny fanahy anefa ny fandikan-tenin’ny Baiboly maoderina sasany. Mety hilaina amin’izay ny mandinika ireo teny nampiasain’ny Baiboly tany am-boalohany.

6. Ahoana no anazavanao amin’ny olona hoe inona ny fanahy?

6 Tsara ampiasaina amin’izany indrindra ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao satria marina foana ny nandikany ilay teny hebreo hoe ruʹach sy ilay teny grika mitovy dika aminy hoe pneuʹma, midika hoe “fanahy.” Misy lisitr’ireo andinin-teny ahitana an’ireo teny ireo ao amin’ny fanondroana andininy amin’io Baiboly io. Maro ny fandikan-tenin’ny Baiboly mandika ireo teny roa ireo amin’ny fomba diso. Hanampy ny mpianatra Baiboly tso-po ny fampitahana ny fandikan-tenin’ny Baiboly hafa amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, mba hahitany fa ny herim-piainana sy ny fofon’aina no tian’ireo teny ireo holazaina. Tsy miresaka momba ny fanahy mbola velona any ho any aorian’ny fahafatesana mihitsy anefa ireo teny ireo.

7. Ahoana no anazavanao amin’ny alalan’ny Baiboly ny zavatra manjo ireo ao amin’ny fasan’ny olona rehetra, sy ireo ao amin’ny Gehena?

7 Tsy miovaova koa ny fomba nandikan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao an’ilay teny hebreo hoe sheʼohlʹ, izay mitovy amin’ilay teny grika hoe haiʹdes, sy ilay teny grika hafa hoe geʹen·na. (Salamo 16:10; Asan’ny Apostoly 2:27) Ataon’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao mazava fa na ny sheʼohlʹ na ny haiʹdes dia samy manondro ny fasan’ny olona rehetra, ary ampifandraisina amin’ny fahafatesana, fa tsy amin’ny fiainana. (Salamo 89:48; Apokalypsy 20:13) Resahin’ny Soratra Masina koa ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty, dia ny fialana ao amin’io fasan’ny olona rehetra io. ( Joba 14:13; Asan’ny Apostoly 2:31) Tsy misy hoavy azon’ireo lasa ao amin’ny Gehena antenaina kosa, ary tsy misy fanahy resahina hoe mbola velona any.—Matio 10:28.

8. Nahoana no mety hisy vokany eo amin’ny toe-tsaina sy ny zavatra ataon’ny olona iray ny fahatakarana tsara ny fitsanganana amin’ny maty?

8 Mety ho takatry ny olona amin’izay ny ifandraisan’ny fitsanganana amin’ny maty amin’ny fiainany, rehefa mazava ireo raharaha ireo. Mety hanomboka hahatakatra izy fa nanam-pitiavana i Jehovah nanao io fandaharana mahatalanjona io. Mety hihena ny alahelon’ireo maty havan-tiana, satria manantena amim-pifaliana ny hihaona indray any amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra izy ireo. Mila mahatakatra tsara izany koa isika, mba hahatakarana ny hevitry ny fahafatesan’i Kristy. Takatry ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany fa zava-dehibe ho an’ny finoana kristianina ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty, izay nahatonga ny olon-kafa ho azo atsangana amin’ny maty koa. Nazoto nitory momba ny fitsanganan’i Jesosy sy ny fanantenana aterak’izany izy ireo. Mazoto toy izany koa ireo mahatakatra sy mankasitraka ny fitsanganana amin’ny maty, rehefa miresaka io fahamarinana sarobidy io amin’ny hafa.—Asan’ny Apostoly 5:30-32; 10:42, 43.

Mampiasa ny fanalahidin’ny fasana

9. Inona no voalohany ampiasan’i Jesosy ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny fasana?

9 Tsy maintsy ho faty ireo hiaraka amin’i Kristy amin’ny Fanjakany any an-danitra. Fantatr’izy ireo tsara anefa izao fanomezan-toky nataon’i Jesosy izao: “Efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita.” (Apokalypsy 1:18) Inona no tiany holazaina? Ny zavatra niainany no noresahiny teo. Efa maty koa izy, nefa tsy navelan’Andriamanitra tao am-pasana. I Jehovah mihitsy no nanangana azy tamin’ny andro fahatelo, ka nanangana azy ho zavaboary ara-panahy tsy mety maty mandrakizay. (Asan’ny Apostoly 2:32, 33; 10:40) Nomen’Andriamanitra ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny fasana koa izy, mba hanafahana ny hafa avy ao amin’ny fasan’ny olona rehetra, sy avy amin’ny vokatry ny fahotan’i Adama. Afaka manangana an’ireo mpianany nahatoky izy, satria manana an’ireo fanalahidy ireo. Ireo anisan’ny voahosotry ny fanahy aloha no atsangany, ka omeny an’ilay fahafahana tsy ho faty mandrakizay any an-danitra, toy ny nanomezan’ny Rainy azy.—Romana 6:5; Filipiana 3:20, 21.

10. Rahoviana no hatsangana ny Kristianina voahosotra nahatoky?

10 Rahoviana ireo Kristianina voahosotra mahatoky no hatsangana ho any an-danitra? Lazain’ny Baiboly fa efa nanomboka izany. Nohazavain’ny apostoly Paoly fa hatsangana izy ireo, ‘amin’ny fihavian’i Kristy’, izay nanomboka tamin’ny 1914. (1 Korintiana 15:23) Tsy voatery hiandry ao amin’ny fahafatesana mandra-piverin’ny Tompony ireo voahosotra nahatoky maty teto an-tany mandritra ny fanatrehan’i Kristy. Hatsangana avy hatrany ho fanahy izy ireo, rehefa maty, ka hiova “vetivety, toy ny indray mipì-maso.” Tena ho sambatra izy ireo satria “manaraka azy” ny asa tsara nataony!—1 Korintiana 15:51, 52; Apokalypsy 14:13.

11. Inona ilay fitsanganana amin’ny maty ho an’ny ankamaroan’ny olona, ary rahoviana izany no hanomboka?

11 Tsy ireo mpandova ilay Fanjakana any an-danitra ihany anefa no hatsangana amin’ny maty. Tsy maintsy misy fitsanganana amin’ny maty hafa, matoa lazain’ny Apokalypsy 20:6 hoe “fitsanganana voalohany” izy io. Ho afaka hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany ireo handray soa amin’io fitsanganana hafa io. Rahoviana izany no hitranga? Asehon’ny Apokalypsy fa hitranga izany rehefa nesorina ny “tany sy lanitra”, na ny tontolo ratsy ankehitriny sy ireo mpitondra eo aminy. Tena efa akaiky izany faran’ny tontolo tranainy izany. Hanomboka aorian’izay, amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra, ny fananganana amin’ny maty eto an-tany.—Apokalypsy 20:11, 12.

12. Iza no ho anisan’ireo olona mahatoky hatsangana eto an-tany, ary nahoana no mampientam-po izany?

12 Iza no ho anisan’ny hatsangana eto an-tany? Ireo mpanompon’i Jehovah fahiny, izany hoe ireo lehilahy sy vehivavy “tsy nety nanao izay hahafahany”, satria nino mafy fa hatsangana ny maty. Tsy nivadika mihitsy izy ireo, araka izany, na dia mety ho faty tamin’ny fomba feno herisetra sy aloha loatra aza. Ho fahafinaretana tokoa ny hahafantatra azy ireny sy handre mivantana avy aminy ny tsipiriany momba ireo fisehoan-javatra resahina fohifohy ao amin’ny Baiboly! Mbola hatsangana eto an-tany koa i Abela, ilay Vavolombelon’i Jehovah voalohany tsy nivadika; i Enoka sy i Noa, tsy natahotra nitory ny fampitandreman’Andriamanitra talohan’ny Safo-drano; i Abrahama sy i Saraha nampiantrano anjely; i Mosesy, nomena ny Lalàna teo amin’ny Tendrombohitra Sinay; ireo mpaminany nahery fo, toa an’i Jeremia, nahita ny fandringanana an’i Jerosalema tamin’ny 607 al.f.i., ary i Jaona Mpanao Batisa, izay nandre an’Andriamanitra nilaza hoe Zanany i Jesosy. Hatsangana koa ireo lehilahy sy vehivavy maro hafa nahatoky, maty nandritra izao andro faran’ity tontolo ratsy ity izao.—Hebreo 11:4-38; Matio 11:11.

13, 14. a) Inona no hitranga amin’ny fasana sy ny maty ao anatiny? b) Iza no hatsangana, ary nahoana?

13 Hisy olona hafa tsy mpanompon’Andriamanitra nahatoky koa hatsangana, rehefa mandeha ny fotoana. Ho foana amin’izay ny fasan’ny olona rehetra. Ho foana tokoa ny fasana, satria hampiasa ny fanalahidin’ny fasana i Jesosy mba hahasoa ny olombelona. Naseho tao amin’ny fahitan’i Jaona izany, rehefa nahita ny fiainan-tsi-hita, na fasana, “natsipy tany amin’ny farihy afo” izy. (Apokalypsy 20:14) Inona no hevitr’izany? Midika izany fa hopotehina tanteraka ny fasan’ny olona rehetra. Tsy hisy intsony izy io, tsy hisy faty intsony ao anatiny, satria tsy vitan’ny hoe hanangana ny mpanompon’i Jehovah nahatoky fotsiny i Jesosy, fa mbola hamindra fo koa, na dia amin’ireo tsy marina aza. Manome toky toy izao ny Baiboly: “Hisy fitsanganan’ny marina sy ny meloka.”—Asan’ny Apostoly 24:15.

14 Tsy misy amin’ireo tsy marina ireo hatsangana mba homelohina ho faty indray. Hampiana izy ireo mba hampifanaraka ny fiainany amin’ny lalan’i Jehovah, ao anatin’ny fiaraha-monina feno fahamarinana maneran-tany, eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nasehon’ilay fahitana fa hosokafana ny “bokin’ny fiainana.” Ho azon’izy ireo atao àry ny hanao izay hahatafiditra ny anarany ao. Hotsaraina tsirairay “araka ny asany” izy ireo, izany hoe ny zavatra nataony taorian’ny nananganana azy. (Apokalypsy 20:12, 13) Mety ho “fitsanganana ho fiainana”, araka izany, no ho azon’izy ireo, amin’ny farany, fa tsy voatery ho “fitsanganana ho fahamelohana.”—Jaona 5:28, 29.

15. a) Iza no tsy hatsangana? b) Nahoana no tokony hisy akony eo amintsika ny fahalalana ny fahamarinana momba ny fitsanganana amin’ny maty?

15 Tsy ny rehetra maty hatramin’izay anefa no hatsangana. Nisy nanao fahotana tsy azo avela intsony. Tsy any amin’ny fasan’ny olona rehetra ny olona toy izany, fa any amin’ny Gehena, izany hoe maty mandrakizay. Ho anisan’izany koa ireo ho faty mandritra ny “fahoriana lehibe” efa ho tonga. (Matio 12:31, 32; 23:33; 24:21, 22; 25:41, 46; 2 Tesaloniana 1:6-9) Tokony hoheverintsika akaiky tokoa àry ny fomba fiainantsika ankehitriny, na dia famindram-po lehibe aza no asehon’i Jehovah noho izy manafaka ny maty avy ao amin’ny fasana. Tsy hatsangana amin’ny maty ireo minia mikomy amin’ny fitondran’i Jehovah. Tokony hanosika antsika izany, mba hampiseho fa tena mankasitraka ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa asehon’Andriamanitra isika, ka hampifanaraka ny fiainantsika amin’ny sitrapony.

Nohatanjahin’ny fanantenana fitsanganana

16. Nahoana no tena manatanjaka antsika ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty?

16 Mahazo hery isika raha tena mino mafy ny fitsanganana amin’ny maty. Fantatsika fa tsy afaka mihazona ny aintsika isika, rehefa madiva ho faty, na inona na inona fitsaboana arahintsika. (Mpitoriteny 8:8) Tsy hanana ahiahy isika mijery ny hoavy, raha nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana niaraka tamin’ny fandaminany. Fantatsika fa ho velona indray isika, amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra, satria eo ny fitsanganana amin’ny maty. Ary ho fiainana hafa kely izany! Ho “tena fiainana”, araka ny niantsoan’ny apostoly Paoly azy.—1 Timoty 6:19; Hebreo 6:10-12.

17. Inona no afaka manampy antsika tsy hivadika amin’i Jehovah?

17 Manjary matanjaka ny finoantsika, satria fantatsika fa hisy ny fitsanganana amin’ny maty, ary fantatsika Ilay niavian’izany. Tapa-kevitra kokoa ny tsy hivadika amin’Andriamanitra isika, rehefa rahonan’ny mpanenjika ho faty. Nampiasain’i Satana foana ny tahotra ny ho faty mba hanandevozana ny olona. Tsy natahotra fahafatesana anefa i Jesosy. Tsy nivadika tamin’i Jehovah mandra-pahafatiny izy. Ny sorom-panavotan’i Jesosy no hahafahan’ny hafa ho afaka amin’izany tahotra izany.—Hebreo 2:14, 15.

18. Inona no manampy ny mpanompon’i Jehovah tsy hivadika?

18 Tena tsy mivadika ny mpanompon’i Jehovah, noho izy ireo mino ny soron’i Kristy sy ny fitsanganana amin’ny maty. Hita fa ‘tsy mankamamy ny ainy’ mihoatra noho ny fitiavany an’i Jehovah izy ireo, rehefa iharam-panerena. (Apokalypsy 12:11) Hendry izy ireo ka manaraka hatrany ny fitsipika kristianina, fa tsy miezaka hamonjy ny ainy ankehitriny. (Lioka 9:24, 25) Fantatr’izy ireo fa hamaly soa azy amin’ny alalan’ny fananganana amin’ny maty i Jehovah, raha manohana ny fitondrany, izy ireo. Manana finoana toy izany ve ianao? Hanana ianao, raha tena tia an’i Jehovah sy mandray am-po ny tena hevitry ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty.

Famerenana

• Nahoana ny olona iray no mila mahatakatra ny fahamarinana momba ny fanahy sy ny maty, vao hahatakatra ny fitsanganana amin’ny maty?

• Iza no hatsangana amin’ny maty, ary nahoana no tokony hisy akony eo amintsika izany?

• Nahoana no manatanjaka antsika ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 84, 85]

Mampanantena i Jehovah fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina