Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mankalazà An’i Jehovah, Ilay Hany Andriamanitra Marina

Mankalazà An’i Jehovah, Ilay Hany Andriamanitra Marina

Toko Faharoa

Mankalazà An’i Jehovah, Ilay Hany Andriamanitra Marina

1. Iza ilay hany Andriamanitra marina?

 MILAZA ny Baiboly fa na dia maro aza no heverina ho andriamanitra, “amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray.” (1 Korintiana 8:5, 6) I Jehovah, ilay Mpamorona ny zavatra rehetra io “Andriamanitra iray” io. (Deoteronomia 6:4; Apokalypsy 4:11) Nolazain’i Jesosy hoe “Andriamanitro sy Andriamanitrareo” izy io. (Jaona 20:17) Niray hevitra tamin’i Mosesy, izay nilaza toy izao taloha kokoa, izy: “Jehovah no Andriamanitra, fa tsy misy afa-tsy Izy.” (Deoteronomia 4:35) Ambony lavitra noho izay zavatra ivavahana rehetra i Jehovah, na sampy izany na olona atao andriamanitra kely na i Satana Devoly fahavalony, ilay “andriamanitr’izao tontolo izao.” (2 Korintiana 4:3, 4) Tsy toy ireo rehetra ireo anefa i Jehovah, fa nantsoin’i Jesosy hoe ilay “Andriamanitra tokana sady marina.”—Jaona 17:3.

2. Inona no tokony ho vokatry ny fianarantsika momba an’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika?

2 Voasintona ho amin’i Jehovah ny olona mahay mankasitraka, rehefa mianatra momba ireo toetrany mankahery sy ireo zavatra nataony sy mbola hataony ho antsika. Arakaraka ny itomboan’ny fitiavan’izy ireo an’i Jehovah, no hahavoatosika azy ireo hankalaza azy. Amin’ny fomba ahoana? Fomba iray ny firesahana amin’ny hafa momba azy. “Amin’ny vava no anekena hahazoana famonjena”, hoy ny Romana 10:10. Fomba iray hafa ny fanahafana azy amin’ny teny sy ny atao. “Aoka hanahaka an’Andriamanitra hianareo tahaka ny zanaka malala”, hoy ny Efesiana 5:1. Tsy maintsy mahafantatra ny tena toetran’i Jehovah isika, mba hanaovana izany amin’ny fomba feno kokoa.

3. Inona avy ireo toetran’Andriamanitra lehibe indrindra?

3 Misy andininy maro milaza ireo toetran’Andriamanitra miavaka, ao amin’ny Baiboly. Ny toetrany efatra lehibe dia ny fahendrena, ny fitiavana ny rariny, ny hery ary ny fitiavana. ‘Ao aminy no misy fahendrena.’ (Joba 12:13) “Ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa.” (Deoteronomia 32:4) ‘Tsy toha ny heriny.’ (Isaia 40:26) “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Iza amin’ireo toetran’Andriamanitra efatra lehibe ireo anefa no tena mampiavaka azy?

“Andriamanitra dia fitiavana”

4. Inona tamin’ireo toetran’Andriamanitra no fototra namoronany an’izao rehetra izao sy ny zavamiaina rehetra?

4 Inona no nanosika an’i Jehovah hamorona izao rehetra izao sy ny zavaboary ara-panahy ary ny olombelona samy manan-tsaina? Ny fahendreny ve sa ny heriny? Tsy izany mihitsy, satria na dia nampiasainy aza ireo, dia tsy ireo no nanosika azy. Tsy nitaky ny hanomezany fiainana ho an’ny hafa koa ny fitiavany ny rariny. Ny fitiavan’Andriamanitra lehibe kosa no nanosika azy hizara ny fifalian’ny fiainana tamin’ny hafa. Ny fitiavana no nanosika azy hanao izay hahaveloman’ny olona mankatò mandrakizay ao amin’ny Paradisa. (Genesisy 1:28; 2:15) Ny fitiavana no nahatonga azy hanao fandaharana mba hialan’ny fanamelohana nentin’ny fahotan’i Adama teo amin’ny olombelona.

5. Araka ny Baiboly, fisehoana velon’ny toetra inona i Jehovah? Nahoana?

5 Ny fitiavana àry no toetran’Andriamanitra miavaka indrindra. Io no tena mampiavaka azy. Na dia lehibe aza ny fahendreny sy ny fitiavany ny rariny ary ny heriny, dia milaza ny Baiboly hoe Andriamanitra dia fitiavana, fa tsy iray amin’ireo toetra hafa ireo. I Jehovah mihitsy no fisehoana velon’ny fitiavana. Fitiavana tarihin’ny fitsipika io, fa tsy ny fihetseham-po. Fehezin’ny fitsipiky ny fahamarinana sy ny fahitsiana ny fitiavan’Andriamanitra. Io no endri-pitiavana ambony indrindra, araka ny asehon’i Jehovah Andriamanitra mihitsy. Tsy misy fitiavan-tena mihitsy amin’io fitiavana io, ary misy zavatra mivaingana mampiseho izany foana.

6. Ahoana no ahafahantsika manahaka an’Andriamanitra na dia ambony noho isika aza izy?

6 Io toetra mahafinaritra, dia ny fitiavana io, no ahafahantsika manahaka an’Andriamanitra. Mety hihevitra isika fa tsy hahavita izany mihitsy, satria olombelona ambany sy tsy lavorary ary manao fahadisoana foana. Izao koa anefa no fisehoan’ny fitiavana lehiben’i Jehovah: Fantany ny fetrantsika ary tsy mitaky fahalavorariana amintsika izy. Fantany fa tsy lavorary mihitsy isika. (Salamo 51:5) Izany no antony ilazan’ny Salamo 130:3, 4 toy izao: “Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, iza no hahajanona, Tompo ô? Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka.” Eny, “Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo”, i Jehovah. (Eksodosy 34:6) “Hianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka.” (Salamo 86:5) Tena mampionona izany! Mamelombelona ny manompo an’io Andriamanitra mahatalanjona io sy ny karakarainy amim-pitiavana sy amim-pamindram-po!

7. Ahoana no ahitana ny fitiavan’i Jehovah eo amin’ny zavatra noforoniny?

7 Hita amin’ny zavatra noforoniny koa ny fitiavan’i Jehovah. Eritrereto ireo zavatra tsara maro nomen’i Jehovah hifaliantsika, toy ny tendrombohitra sy ny ala sy ny farihy ary ny ranomasina mahafinaritra. Nomeny sakafo tena isan-karazany isika mba hankafizantsika ny tsirony sy hahazoantsika hery. Mbola nomen’i Jehovah karazam-boninkazo maro be tsara tarehy sy manitra ary biby mahatalanjona koa isika. Nataony mba hahafinaritra ny olombelona ny zava-drehetra, na dia tsy voatery nanao izany aza izy. Marina fa tsy afaka mankafy ny voary amin’ny fomba feno isika, satria sady miaina eto amin’ity tontolo ratsy ity no tsy lavorary. (Romana 8:22) Eritrereto kosa anefa izay hataon’i Jehovah ho antsika ao amin’ny Paradisa! Manome toky antsika toy izao ny mpanao salamo: “Manokatra ny tànanao Hianao ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra.”—Salamo 145:16.

8. Inona no ohatra miavaka indrindra amin’ny fitiavan’i Jehovah antsika?

8 Inona no ohatra miavaka indrindra amin’ny fitiavan’i Jehovah ny olombelona? Manazava toy izao ny Baiboly: “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Noho ny hatsaran-toetran’ny olona ve no nanaovan’i Jehovah izany? Mamaly toy izao ny Romana 5:8: “Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.” Nalefan’Andriamanitra tetỳ an-tany tokoa ny Zanany lavorary mba hanao sorona ny ainy hanavotana antsika amin’ny fanamelohan’ny ota sy ny fahafatesana. (Matio 20:28) Hanjary ho afaka hiaina mandrakizay ireo olona tia an’Andriamanitra. Soa ihany fa ho an’izay rehetra maniry hanao ny sitrapony ny fitiavan’Andriamanitra, satria hoy ny Baiboly amintsika: “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.”—Asan’ny Apostoly 10:34, 35.

9. Inona no tokony hataontsika, rehefa fantatsika fa nanome ny Zanany ho avotra ho antsika i Jehovah?

9 Nanome ny Zanany mba hatao sorona ho antsika i Jehovah, ka ho afaka hiaina mandrakizay isika. Inona no tokony ho akon’izany eo amintsika dieny izao? Tokony hihalalina ny fitiavantsika an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina. Tokony haniry hihaino an’i Jesosy, solontenan’Andriamanitra, koa isika. “Maty hamonjy ny olona rehetra [i Jesosy], mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay efa maty . . . hamonjy azy.” (2 Korintiana 5:15) Fahafinaretana tokoa ny manara-dia an’i Jesosy, satria fakan-tahaka izy teo amin’ny fanahafana ny fitiavana sy fangoraham-pon’i Jehovah! Hita amin’izao tenin’i Jesosy tamin’ny olona nanetry tena izao izany: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.”—Matio 11:28-30.

Fanehoana fitiavana ny hafa

10. Inona avy no anisan’ny fomba azontsika anehoana fitiavana ny Kristianina namantsika?

10 Ahoana no azontsika anehoana fa tia ireo Kristianina namantsika toy ny itiavan’i Jehovah sy i Jesosy antsika isika? Ireto misy fomba maro azontsika anaovana izany: “Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otripo, tsy mifaly amin’ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin’ny fahamarinana kosa, mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra. Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay.”—1 Korintiana 13:4-8; 1 Jaona 3:14-18; 4:7-12.

11. Amin’iza koa no tokony hanehoantsika fitiavana, ary amin’ny fomba ahoana?

11 Amin’iza koa no tokony hanehoantsika fitiavana, ary amin’ny fomba ahoana? Hoy i Jesosy: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” (Matio 28:19, 20) Tafiditra amin’izany ny firesahana amin’ireo mbola tsy Kristianina namantsika, ny vaovao tsara momba ny paradisa ho avy ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. Nasehon’i Jesosy mazava fa tsy ireo mpiray finoana amintsika ihany no tokony ho tiantsika, satria hoy izy: “Raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao izany koa va? Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany? Moa na dia ny jentilisa aza tsy mba manao toy izany ihany va?”—Matio 5:46, 47; 24:14; Galatiana 6:10.

‘Mandehana amin’ny anaran’i Jehovah’

12. Nahoana no Andriamanitra ihany no afaka mitondra ny anarany?

12 Lafiny iray lehibe amin’ny fankalazana ilay Andriamanitra marina koa ny hoe mahafantatra sy mampiasa ary mampianatra ny hafa an’ilay anarany tsy manam-paharoa hoe Jehovah. Nilaza ny fanirian’ny fony toy izao ny mpanao salamo: “Ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.” (Salamo 83:18) Ny anarana hoe Jehovah dia midika hoe “Mahatonga Izy.” Izy no ilay Mpikasa Lehibe ka mahatontosa tsara izay kasainy foana. Ilay Andriamanitra marina ihany no mety tsara raha mitondra io anarana io, satria tsy misy olombelona mahazo antoka fa hahomby ny ezaka ataony. (Jakoba 4:13, 14) I Jehovah irery no afaka mahazo antoka fa “mahatanteraka” ny teniny. (Isaia 55:11) Maro no mientam-po rehefa mahita voalohany ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboliny ka mahafantatra ny dikan’izy io. (Eksodosy 6:3) Tsy handray soa amin’izany anefa izy ireo raha tsy ‘mandeha amin’ny anaran’i Jehovah mandrakizay.’—Mika 4:5.

13. Inona no tafiditra amin’ny hoe mahalala ny anaran’i Jehovah sy mandeha amin’ny anarany?

13 Hoy ny Salamo 9:10, momba ny anaran’Andriamanitra: “Hatoky Anao izay mahalala ny anaranao.” Tsy voatery hatoky an’i Jehovah avy hatrany akory ny olona mahalala ny anarany. Ny hoe mahalala ny anaran’Andriamanitra kosa dia midika hoe mahafantatra sy mankasitraka ny toetran’i Jehovah, manaja ny fahefany sy mankatò ny didiny ary matoky azy amin’ny zava-drehetra. (Ohabolana 3:5, 6) Ny hoe mandeha amin’ny anaran’i Jehovah koa dia midika hoe manolo-tena ho azy, mpivavaka aminy misolo tena azy, ary tena mampiasa ny fiainantsika araka ny sitrapon’Andriamanitra. (Lioka 10:27) Manao izany ve ianao?

14. Inona koa no ilaina, ankoatra ny fahatsiarovana adidy, raha tiantsika ny hanompo an’i Jehovah mandrakizay?

14 Tsy tokony ho ny fahatsiarovana adidy fotsiny no hanosika antsika, raha maniry hanompo an’i Jehovah mandrakizay isika. Nampirisika an’i Timoty, izay efa nanompo an’i Jehovah nandritra ny taona maro, toy izao ny apostoly Paoly: “Mampiasà ny tenanao ho amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra.” (1 Timoty 4:7) Ny fo feno fankasitrahana an’ilay olona no manosika ilay toe-panahy, na fifikirana, eto. Ny ‘fifikirana amin’Andriamanitra’ dia fanajana lalina ny tenan’i Jehovah mihitsy. Izany dia fifikirana feno fitiavana aminy noho ny fankasitrahana lalina azy sy ny lalany. Mahatonga antsika haniry ny hanajan’ny rehetra lalina ny anarany izy io. Tsy maintsy mamboly fifikirana amin’Andriamanitra isika eo amin’ny fiainantsika, raha tiantsika ny handeha amin’ny anaran’i Jehovah, ilay hany Andriamanitra marina, mandrakizay.—Salamo 37:4; 2 Petera 3:11.

15. Inona no hevitry ny hoe tsy zarazaraina ny fivavahana amin’Andriamanitra?

15 Tsy azontsika zarazaraina ny fivavahana amin’Andriamanitra raha tiantsika ny hekeny, satria “Andriamanitra saro-piaro” izy. (Eksodosy 20:5) Tsy afaka ny sady ho tia an’Andriamanitra isika no ho tia ny tontolo ratsy sy i Satana andriamaniny. (Jakoba 4:4; 1 Jaona 2:15-17) Fantatr’i Jehovah tsara hoe inona no karazan-toetra iezahantsika ambolena. (Jeremia 17:10) Hitany raha tena tia ny fahamarinana isika, ka hanampy antsika hiaritra ny fisedrana antsika isan’andro izy. Manohana antsika amin’ny alalan’ny fanahiny masina mahery izy, ka hanjary handresy ny faharatsiana manjaka eto amin’ity tontolo ity isika. (2 Korintiana 4:7) Hanampy antsika hihazona ny fanantenantsika mafy momba ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tany zary paradisa koa izy. Be voninahitra tokoa izany fanantenana izany! Tokony hankasitraka lalina izany isika, ka hanompo an-tsitrapo an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina, ilay mahatonga izany hety.

16. Inona no tokony hirinao hatao miaraka amin’ny olona an-tapitrisa hafa?

16 Olona an-tapitrisa eran-tany no faly nanaiky an’ilay fanasan’ny mpanao salamo hoe: “Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika.” (Salamo 34:3) Manasa anao i Jehovah mba hiaraka amin’ireo olona maro be mihamitombo avy amin’ny firenena rehetra izay manao izany.

Famerenana

• Inona avy no toetran’i Jehovah? Inona no soa raisintsika noho isika mahafantatra tsara ny toetrany?

• Ahoana no anampiantsika ny hafa hianatra ny fahamarinana momba an’Andriamanitra?

• Inona no tafiditra amin’ny hoe mahalala ny anaran’i Jehovah sy mandeha amin’ny anarany?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 14]

Noho ny fitiavana lehiben’i Jehovah, dia ‘hanokatra ny tanany izy, ka hahavoky soa ny zavamiaina rehetra’