Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mifankatiava Tsara”

“Mifankatiava Tsara”

Toko Fahenina Ambin’ny Folo

“Mifankatiava Tsara”

1. Inona matetika no hitan’ireo vao tonga any amin’ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah?

 MIAIKY volana matetika ny olona tonga voalohany any amin’ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa mahita ny fitiavana manjaka ao. Hitany izany rehefa arahabaina tsara tonga soa izy, ary hitany koa ny fiarahana mahafinaritra ao. Hitan’ireo tonga any amin’ny fivoriambentsika koa izany. Hoy ny mpanao gazety iray, momba ny fivoriambentsika: ‘Tsy nisy mamon-drongony na mamon-toaka. Tsy nisy nitabataba na nikiakiaka. Tsy nisy nifanosika. Tsy nisy niteny ratsy. Tsy nisy nanao vazivazy maloto na nanao teny tsy mihaja. Tsy nisy setro-tsigara. Tsy nisy mpangalatra. Tsy nisy nanary tavoahangy teny amin’ny bozaka. Tena hafakely ilay izy.’ Porofon’ny fitiavana izany, dia ilay fitiavana “tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy.”—1 Korintiana 13:4-8.

2. a) Inona no hiharihary momba ny fanehoantsika fitiavana, rehefa mandeha ny fotoana? b) Inona no karazam-pitiavana tokony hambolentsika, ho fanahafana an’i Kristy?

2 Mampiavaka ny tena Kristianina ny fitiavan-drahalahy. (Jaona 13:35) Mianatra maneho fitiavana bebe kokoa isika rehefa mitombo ara-panahy. Nivavaka ny apostoly Paoly mba ‘hitombo bebe kokoa’ ny fitiavan’ny Kristianina namany. (Filipiana 1:9) Nasehon’ny apostoly Jaona fa tokony ho feno fahafoizan-tena ny fitiavantsika. Hoy izy: “Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy [Zanak’Andriamanitra] no nanolotra ny ainy hamonjy antsika; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy.” (1 Jaona 3:16; Jaona 15:12, 13) Tena hanome ny aintsika ho an’ny rahalahintsika ve isika? Na dia tsy mitaky ny hamoizantsika aina aza ny ankamaroan’ny toe-javatra, ho vonona hiezaka hanampy azy ireny ve isika, na dia voatery hisahirana aza?

3. a) Ahoana no anehoantsika fitiavana bebe kokoa? b) Nahoana no zava-dehibe izao ny hifankatiavana?

3 Tokony ho tena tia an’ireo rahalahintsika isika, fa tsy hanao zavatra mampiseho fahafoizan-tena ho azy ireo fotsiny. Mampirisika antsika toy izao ny Tenin’Andriamanitra: “Mifankatiava araka ny fifankatiavan’ny mpirahalahy.” (Romana 12:10) Misy olona tena tiantsika toy izany. Mbola misy olon-kafa azontsika tiavina koa ve anefa? Zava-dehibe ny ifandraisantsika akaiky kokoa amin’ireo Kristianina namantsika, satria mihakaiky ny faran’ity tontolo ity. Hoy ny Baiboly: “Antomotra ny faran’ny zavatra rehetra . . . Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa ‘ny fitiavana manarona fahotana maro.’”—1 Petera 4:7, 8.

Rehefa tsy mifanaraka

4. a) Nahoana no mety tsy hifanaraka ny mpiara-manompo? b) Inona no vokatra tsara azontsika raha mampihatra ny torohevitry ny Baiboly isika, na dia mety ho tsy araka ny noeritreretintsika foana aza izay lazainy?

4 Mazava ho azy fa mety ho sosotra amintsika ny namantsika, raha mbola tsy lavorary koa isika. Mety hanota amintsika amin’ny fomba samihafa koa ny rahalahintsika. (1 Jaona 1:8) Inona no tokony hataonao raha mitranga aminao izany? Manome toromarika tsara ny Soratra Masina. Mety tsy ho araka izay eritreretintsika olombelona tsy lavorary foana anefa no lazainy. (Romana 7:21-23) Na izany aza, dia hiharihary fa tena maniry hampifaly an’i Jehovah isika, raha miezaka mafy mampihatra ny torohevitry ny Baiboly. Hanatsara ny fitiavantsika ny olon-kafa koa izany.

5. Nahoana isika no tsy tokony hamaly faty raha nisy nanafintohina antsika?

5 Misy olona tezitra mitady fomba hanapoahana ny fahatezerany amin’ilay nanafintohina azy. Vao mainka hanaratsy an’ilay raharaha anefa izany. Havelantsika Andriamanitra no hamaly izany, raha ilaina. (Ohabolana 24:29; Romana 12:17-21) Misy koa mihatakataka amin’ilay nanafintohina azy. Tsy tokony hanao izany amin’ny mpiara-mivavaka amintsika anefa isika, satria ny fitiavantsika azy ireo no mety hahatonga ny fivavahantsika heken’Andriamanitra, na tsia. (1 Jaona 4:20) Izany no antony nilazan’i Paoly hoe: “Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.” (Kolosiana 3:13) Vitanao ve izany?

6. a) Impiry isika no tokony hamela ny rahalahintsika? b) Inona no tokony hoeritreretintsika raha misy manota amintsika?

6 Ahoana raha misy manota amintsika miverimberina, nefa tsy fahotana lehibe azo androahana azy tsy ho anisan’ny fiangonana ilay izy? Fahotana madinika izany, ka nandroso hevitra i Petera hoe tokony havela “hatramin’ny impito” ilay nanota. Nilaza anefa i Jesosy hoe tsy impito fotsiny fa “hatramin’ny impito amby fito-polo.” Nasongadiny fa ananan’Andriamanitra trosa be lavitra isika, raha oharina amin’izay mety hananantsika amin’ny olona. (Matio 18:21-35) Manota amin’Andriamanitra isika isan’andro, na dia tsy tsapantsika akory aza. Anisan’izany ny fitiavan-tena, ny zavatra lazaintsika na eritreretintsika, na izay zavatra tsy vitantsika. (Romana 3:23) Mamindra fo amintsika foana anefa Andriamanitra. (Salamo 103:10-14; 130:3, 4) Takiny koa ny hanaovantsika toy izany amin’ny namantsika. (Matio 6:14, 15; Efesiana 4:1-3) Amin’izay, dia “tsy manao otripo” ny fitiavantsika.—1 Korintiana 13:4, 5; 1 Petera 3:8, 9.

7. Inona no tokony hataontsika raha sosotra amintsika ny rahalahintsika?

7 Sosotra amintsika anefa indraindray ny rahalahintsika, na dia madio aminy aza ny fontsika. Azontsika ‘saronana’ araka ny soso-kevitry ny 1 Petera 4:8 ilay izy amin’izay. Na azontsika atao koa ny manatona azy mba hiresahana aminy sy hanandramana hamitram-pihavanana.—Matio 5:23, 24.

8. Inona no azo atao raha mahatezitra antsika ny mpiray finoana amintsika?

8 Mety hanao zavatra mahatezitra anao sy ny hafa koa anefa ny mpiray finoana. Tsy ho tsara ve ny hiresahana aminy? Angamba. Mety hisy vokany tsara raha resahinao aminy amin-katsaram-panahy ilay izy. Tokony hanontany tena toy izao anefa aloha ianao: ‘Tena tsy araka ny Soratra Masina ve ilay zavatra nataony? Sa samy hafa fotsiny kosa ny zavatra niainanay sy ny fomba nitaizana anay?’ Aza mametra fitsipika ka mitsara olona avy amin’izany. (Jakoba 4:11, 12) Tsy manavaka i Jehovah fa ekeny daholo ny karazan’olona rehetra, ary manam-paharetana amin’izy ireny izy, eo am-pitomboan’izy ireny ara-panahy.

9. a) Iza no mikarakara ny raharaha misy fahotana lehibe eo anivon’ny fiangonana? b) Rahoviana ilay olona nanaovana an’ilay fahotana no tokony hanao zavatra voalohany, ary inona no tanjony?

9 Tokony hokarakaraina haingana ilay raharaha, raha fahotana lehibe, toy ny fahalotoam-pitondran-tena, no nataon’ilay olona. Iza no tokony hanao izany? Ny anti-panahy. (Jakoba 5:14, 15) Mety ho fahotana natao tamin’ny olona iray anefa ilay izy, angamba raharaha ara-barotra na fanelezana tsaho momba azy. Tokony hiezaka hiresaka mitokana amin’ilay nanafintohina azy aloha ilay olona. (Matio 18:15) Misy zavatra hafa tokony hatao soritan’ny Matio 18:16, 17, raha tsy nahomby izany. Hiezaka ny hanohina ny fon’ilay rahalahy nanota isika, raha tiantsika izy, ary raha tiantsika ny ‘hahazo’ azy.—Ohabolana 16:23.

10. Inona no hanampy antsika hijery ny fahotan’ny olon-kafa araka ny tokony ho izy?

10 Handray soa isika raha mandinika ny fomba fijerin’i Jehovah an’ilay raharaha, rehefa misy manao fahotana, na lehibe izany na kely. Tsy tia fahotana mihitsy i Jehovah, ary ho avy ny fotoana hanesorany ny mpanota tsy mibebaka tsy ho ao amin’ny fandaminany. Aoka anefa tsy hohadinointsika fa manao fahotana kely kokoa isika, ary mila ny fahari-pony sy ny famindram-pony. Namela ohatra tokony harahintsika àry i Jehovah, rehefa manota amintsika ny olon-kafa. Maneho taratry ny fitiavany isika, rehefa mamindra fo.—Efesiana 5:1, 2.

Mitadiava fomba ‘hihalalahana’

11. Nahoana i Paoly no nampirisika ny Korintianina mba ‘hihamalalaka’?

11 Nandany volana maro nampiorenana ny fiangonan’i Korinto any Gresy i Paoly. Niezaka mafy izy nanampy ireo rahalahy tao, ary tiany izy ireo. Nisy tsy tia azy anefa tamin’izy ireo, ka nanakiana be azy. Nampirisika azy ireo mba ‘hihamalalaka’ teo amin’ny fanehoana fitiavana izy. (2 Korintiana 6:11-13; 12:15) Tsara koa raha mandinika ny haben’ny fitiavana asehontsika isika rehetra, ary mitady fomba hihalalahana.—1 Jaona 3:14.

12. Ahoana no itomboantsika eo amin’ny fitiavana ny rehetra eo anivon’ny fiangonana?

12 Misy hitantsika ho sarotra hihavanana ve eo anivon’ny fiangonana? Tiantsika raha tsy mijery ny kileman-toetrantsika ny olona. Hifandray kokoa amin’olon-kafa anefa isika, raha miezaka mafy manao izany koa. Hifandray tsara kokoa amin’ny olona toy izany isika, raha mitady ny toetra tsarany sy mifantoka amin’izany. Azo antoka fa hampitombo ny fitiavantsika azy izany.—Lioka 6:32, 33, 36.

13. Ahoana no hihalalahantsika eo amin’ny fitiavana ny rahalahintsika?

13 Ekena fa voafetra ny zavatra azontsika atao ho an’ny olon-kafa. Mety tsy ho vitantsika ny hiarahaba ny tsirairay any am-pivoriana. Mety tsy ho vitantsika ny hanasa ny namana rehetra hiara-misakafo. Azontsika atao ve anefa ny mandany minitra vitsy monja mba hahafantarana kokoa an’ireo rahalahintsika? Tsy azontsika atao ve indraindray ny manasa olona tsy fantatsika tsara mba hiara-manompo amintsika?

14. Ahoana no anehoantsika fitiavana, rehefa miaraka amin’ny Kristianina mbola tsy fantatsika?

14 Afaka mihamalalaka eo amin’ny fitiavana isika, mandritra ireo fivoriambe kristianina. Mety hisy rahalahy an’arivo tonga any. Tsy ho afaka hiresaka amin’izy rehetra isika, saingy afaka mampiseho kosa fa miahy kokoa izay hahasoa azy ireny noho izay mety amintsika manokana. Azontsika atao ny miezaka miresaka amin’ireo mipetraka manodidina antsika, mandritra ny fiatoana. Ho mpirahalahy sy mpianadahy avokoa indray andro any ny olon-drehetra eto an-tany, ary hiaraka hivavaka amin’ilay hany Andriamanitra marina sy Rain’izy rehetra. Ho fifaliana tokoa amin’izay ny hifankahafantatra! Hanosika antsika hanao izany ny fitiavana. Maninona raha atomboka dieny izao izany?

Famerenana

• Ahoana no tokony handaminan’ny Kristianina ny tsy fifanarahana, ary nahoana?

• Ahoana koa no itomboan’ny fitiavantsika, rehefa mitombo ara-panahy isika?

• Ahoana no ahafahantsika mifankatia amin’ny olona maro kokoa ankoatra ireo namantsika akaiky?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 148]

Maro ny fomba anehoana fitiavana kristianina, toy ny any am-pivoriana