Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Mitolona Amin’ny Fanahy Ratsy’

‘Mitolona Amin’ny Fanahy Ratsy’

Toko Fahavalo

‘Mitolona Amin’ny Fanahy Ratsy’

1. Nahoana no tena mahaliana antsika ny zavatra ataon’ny fanahy ratsy?

 MARO no mihomehy an’ilay hevitra hoe misy ny fanahy ratsy. Tsy vazivazy anefa izany. Tena misy ny fanahy ratsy ary miezaka mampihatra fanerena amin’ny tsirairay, na mino izany ny olona na tsia. Tsy vita fanefitra amin’izany ny mpivavaka amin’i Jehovah. Izy ireo aza no voalohany asian’ireo fanahy ratsy. Niresaka momba izany amintsika toy izao ny apostoly Paoly: “Isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra, fa amin’ny fanapahana [tsy hita maso] sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.” (Efesiana 6:12) Mamely mafy noho ny hatramin’izay ireo fanahy ratsy, satria nesorina avy tany an-danitra i Satana, ka tezitra be, satria kely sisa ny androny.—Apokalypsy 12:12.

2. Ahoana no mety handresentsika fanahy mahery noho ny olombelona?

2 Mety ho resintsika ve ny fanahy mahery noho ny olombelona? Eny, saingy tsy ho vitantsika izany, raha tsy mitoky tanteraka amin’i Jehovah isika. Tsy maintsy mihaino azy sy mankatò ny Teniny isika. Amin’izay isika dia tsy ho simba ara-batana sy ara-pitondran-tena ary ara-pihetseham-po toy ireo olona fehezin’i Satana.—Jakoba 4:7.

Mpanjaka eny amin’ny rivotra

3. Iza no toherin’i Satana amin-kalozana? Amin’ny fomba ahoana?

3 Lazalazain’i Jehovah mazava amintsika ny toe-javatra maneran-tany, satria hitany tsara avy any an-danitra izany. Nomeny fahitana momba an’i Satana toy ny “dragona mena lehibe” ny apostoly Jaona. Vonona handrapaka ny Fanjakan’ny Mesian’Andriamanitra izy io, raha vao teraka tany an-danitra tamin’ny 1914, ilay Fanjakana. Tsy vitan’i Satana izany, ka manohitra amin-kalozana ny solontenan’io Fanjakana io eto an-tany izy. (Apokalypsy 12:3, 4, 13, 17) Ahoana no fomba fiadin’i Satana? Amin’ny alalan’ny olombelona solontenany.

4. Iza no loharanon’ny herin’ny fanjakan’olombelona? Ahoana no ahalalantsika izany?

4 Avy eo dia naseho an’i Jaona ny bibidia iray manan-doha fito sy tandroka folo, ary manam-pahefana amin’ny “fokom-pirenena sy ny olona sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena rehetra.” Ny fitondrana ara-politika rehetra eran-tany io biby io. Nolazaina tamin’i Jaona fa “ilay dragona [Satana Devoly] nanome azy [bibidia] ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe.” (Apokalypsy 13:1, 2, 7) I Satana mihitsy àry no loharanon’ny hery sy fahefan’ny fanjakan’olombelona. Ny “fanahy ratsy eny amin’ny rivotra” tokoa, araka izany, no tena ‘mpanjaka’ mifehy ny fanjakan’olombelona, araka ny nosoratan’i Paoly. Mila mahatakatra tsara ny tena hevitr’izany izay rehetra maniry hivavaka amin’i Jehovah.—Lioka 4:5, 6.

5. Angonina ho amin’inona izao ny mpitondra ara-politika?

5 Tsy misy firenena manaiky ny fitondran’i Jehovah, na i Jesosy Kristy, Mpanjaka notendreny, na dia milaza ho mpivavaka aza ny maro amin’ny mpitondra ao aminy. Miady mafy hihazona ny fahefany izy rehetra. Asehon’ny fitantaran’ny Apokalypsy fa manangona ny mpitondra eran-tany ho amin’ny Haramagedona, na “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha” ankehitriny, ny “fanahin’ny demonia”, na hevitra avy amin’ny demonia.—Apokalypsy 16:13, 14, 16; 19:17-19.

6. Nahoana no mila mitandrina isika mba tsy ho voataona hanohana ny tontolon’i Satana?

6 Mahakasika ny fiainan’ny olona isan’andro ny ady ara-politika sy ara-tsosialy ary ara-toe-karena mandrava ny fianakaviana. Manohana ny firenena, na foko, na mpiray fiteny, na kilasy sosialy misy azy foana ny olona, amin’ireny ady ireny. Mety hanohana am-bava izy na amin’ny fomba hafa. Misy iandanian’ny olona foana koa, na dia tsy tafiditra mivantana amin’ireny ady ireny aza izy. Na iza anefa, na inona iandanian’ny olona, iza moa no tena tohanany? Milaza mazava toy izao ny Baiboly: ‘Izao tontolo izao dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.’ (1 Jaona 5:19) Inona àry no hatao mba tsy hahavoafitaka toy ny olona maro? Tsy misy afa-tsy ny fanohanana tanteraka ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny dikan’izany dia hoe tsy mandray anjara mihitsy amin’ny adin’izao tontolo izao.—Jaona 17:15, 16.

Hevi-petsin’ilay ratsy

7. Ahoana no ahitana ny hafetsen’i Satana amin’ny fampiasany ny fivavahan-diso?

7 Nampiasa fanenjehana am-bava sy ara-batana foana i Satana, mba hisarihana ny olona hiala amin’ny fivavahana marina. Nampiasa fomba an-kolaka koa anefa izy, dia ny tetika sy hevi-petsy. Ny hafetseny no ihazonany olona maro be ao anatin’ny haizin’ny fivavahan-diso, ka mahatonga azy ireny hihevitra ho manompo an’Andriamanitra. Tsy mahafantatra marina an’Andriamanitra, sady tsy ampy fitiavana ny fahamarinana, ireny olona ireny, ka voasariky ny fotoam-pivavahana feno zava-miafina sy mampihetsi-po, na ny fahagagana. (2 Tesaloniana 2:9, 10) Ampitandremana anefa isika fa misy amin’ireo efa nanaraka ny fivavahana marina no “hihemotra amin’ny finoana . . ., manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demonia.” (1 Timoty 4:1) Nahoana izany no mitranga?

8. Ahoana no mety hitarihan’i Satana antsika ho any amin’ny fivavahan-diso na dia efa manompo an’i Jehovah aza isika?

8 Fetsy koa ny Devoly, ka manararaotra ny fahalementsika. Matahotra olona ve isika? Raha izany no izy, dia mety hilefitra isika ka hanao ny fanaon’ny fivavahan-diso, rehefa teren’ny havana sy ny mpiara-monina. Miavonavona ve isika? Mety ho tezitra isika, raha izany, rehefa toroana hevitra, na rehefa tsy manaiky ny hevitsika ny hafa. (Ohabolana 15:10; 29:25; 1 Timoty 6:3, 4) Mety tsy hanova ny fisainantsika hifanaraka amin’ny ohatr’i Kristy isika, fa hitady olona tiantsika hilaza amintsika hoe ampy ny mamaky Baiboly sy ny tsy manao ratsy. (2 Timoty 4:3) Tsy raharahain’i Satana na tena manaraka fivavahana hafa isika, na mivavaka araka izay tiantsika fotsiny isika. Afa-po izy raha mbola tsy manompo an’i Jehovah araka ny toromariky ny Teniny sy ny fandaminany koa isika.

9. Ahoana no ampiasan’i Satana amin-kafetsena ny fanaovana firaisana, mba hanatanterahany ny zava-kendreny?

9 Sarihin’i Satana amin-kafetsena koa ny olona hanome fahafaham-po amin’ny fomba ratsy ny faniriana ara-dalàna. Anisan’izany ny faniriana hanao firaisana. Mandà ny lalàm-pitondran-tenan’ny Baiboly izao tontolo izao, ka mihevitra ny firaisan’ny olona tsy mpivady ho fahafinaretana ara-dalàna, na fomba ampisehoany fa olon-dehibe izy. Ary ahoana ireo efa manambady? Maro no manitsakitsa-bady. Mpivady maro koa no misara-panambadiana na misara-toerana mba hanambadiany olon-kafa indray, na dia tsy nisy nanitsakitsa-bady aza izy ireo. Mitarika ny olona hitady fahafinaretana eo no ho eo ny hevi-petsin’i Satana. Ampirisihiny àry izy ireo hinia tsy hijery ny voka-dratsin’izany, tsy eo amin’ny tenany ihany, fa eo amin’ny hafa, sy eo amin’ny fifandraisany amin’i Jehovah sy ny Zanany, indrindra indrindra.—1 Korintiana 6:9, 10; Galatiana 6:7, 8.

10. Inona no tetika ampiasain’i Satana mba hisarihana antsika ho amin’ny fahalotoam-pitondran-tena sy ny herisetra?

10 Ara-dalàna koa ny faniriana hiala voly. Mamelombelona ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pihetseham-po ny fialam-boly tsara. Ahoana anefa ny fihetsitsika raha mampiasa amin-kafetsena ny fialam-boly i Satana, mba hampiviliana ny saintsika tsy hanaraka ny hevitr’Andriamanitra? Fantatsika, ohatra, fa halan’i Jehovah ny fahalotoam-pitondran-tena sy ny herisetra. Mipetraka fotsiny sy manohy mijery ve isika, rehefa misy an’ireo ao amin’ny sarimihetsika, na fandaharan’ny televiziona, na tantara an-tsehatra? Tadidio koa fa hataon’i Satana izay haharatsy kokoa an’ireny zavatra ireny, rehefa mihakaiky ny handefasana azy ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa, satria ‘ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky dia handroso hiharatsiratsy kokoa sady mamitaka no fitahina.’ (2 Timoty 3:13; Apokalypsy 20:1-3) Tsy maintsy mitandrina foana amin’ny tetik’i Satana àry isika.—Genesisy 6:13; Salamo 11:5; Romana 1:24-32.

11. Ahoana no mety hahavoafandrika ny olona iray tsy mailo, na dia mahafantatra ny fahamarinana momba ny fifandraisana amin’ny fanahy ratsy aza izy?

11 Fantatsika koa fa maharikoriko an’i Jehovah ny fifandraisana amin’ny fanahy ratsy, toy ny fanaovana sikidy, na ny filalaovana ody, na ny fifandraisana amin’ny maty. (Deoteronomia 18:10-12) Fantatsika izany ka tsy handeha ho any amin’ny mpanao ody isika, na hampandroso azy ao an-tranontsika mba hanao ireny asan’ny demonia ireny. Hihaino azy ireny ve anefa isika raha mipoitra ao amin’ny televiziona, na ao amin’ny Internet izy ireny? Na dia tsy hitsabo tena any amin’ny mpimasy mihitsy aza isika, mety hamatotra kofehy kely eo amin’ny tanan’ny zanatsika ve isika, satria mihevitra fa mety hiaro azy izany? Satria fantatsika izay lazain’ny Baiboly momba ny famosaviana, moa ve isika hamela ny mpanao hipnotisma hifehy ny saintsika?—Galatiana 5:19-21.

12. a) Ahoana no ampiasana ny mozika mba hitaomana antsika hieritreritra zavatra fantatsika fa ratsy? b) Nahoana ny fitafiana sy ny taovolo ary ny fomba fitenin’ny olona iray no mety hampiseho fitiavana olona manana fomba fiaina tsy tian’i Jehovah? d) Inona no ilaintsika raha tiantsika ny tsy ho rembin’ny hevi-petsin’i Satana?

12 Milaza ny Baiboly fa tsy tokony horesahina ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra (raha maloto ny ao an-tsaina). (Efesiana 5:3-5) Ahoana anefa raha miaraka amin’ny mozika mahafinaritra, na ngadona mahasarika na miverimberina izany resaka izany? Hanomboka hihirahira ny tonony manindrahindra firaisan’ny tsy mpivady, sy ny fampiasana zava-mahadomelina ary ny fahotana hafa ve isika? Sa koa na dia fantatsika aza fa tsy tokony hanahaka ny fomba fiainan’ny olona manao ireny zavatra ireny isika, dia manomboka manahaka ihany ny fomba fitafiny sy ny taovolony ary ny fomba firesany? Tena hevi-petsy tokoa no ataon’i Satana hisarihana ny olona hanaraka ny sain-dratsiny! (2 Korintiana 4:3, 4) Tsy hanaraka an’izao tontolo izao isika, raha tiantsika ny tsy ho rembin’ny hevi-petsin’i Satana. Tokony hotadidintsika koa hoe iza ireo “mpanjakan’izao fahamaizinana izao”, mba hiadiantsika amin’ny fitaomany.—1 Petera 5:8.

Ampy fitaovana mba handresena

13. Ahoana no ahafahantsika rehetra tsy lavorary mandresy ny tontolo fehezin’i Satana?

13 Hoy i Jesosy tamin’ny apostoliny, talohan’ny nahafatesany: “Matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.” (Jaona 16:33) Afaka ny ho mpandresy koa izy ireo. Hoy i Jaona, 60 taona teo ho eo tatỳ aoriana: “Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak’Andriamanitra?” (1 Jaona 5:5) Maneho io finoana io isika rehefa mankatò ny didin’i Jesosy sy miantehitra amin’ny Tenin’Andriamanitra toy ny nataon’i Jesosy. Inona koa no ilaina? Ny fiarahana hatrany amin’ny fiangonana, satria i Jesosy no Lohan’izy io. Tsy maintsy mibebaka mafy isika ary mitady ny famelan’Andriamanitra, miorina amin’ny soron’i Jesosy, raha sendra nanao ratsy. Afaka ny ho mpandresy koa isika, amin’izay, na dia tsy lavorary sy manao fahadisoana aza.—Salamo 130:3, 4.

14. Vakio ny Efesiana 6:13-17, ary ampiasao ireo fanontaniana sy andinin-teny amin’ity fehintsoratra ity, mba hiresahana ny fiarovana omen’ny fitaovam-piadiana ara-panahy tsirairay.

14 Mila mitafy ny “fiadian’Andriamanitra” rehetra isika, raha ta handresy, ka tsy hanadino na dia iray monja amin’izy ireo aza. Sokafy ao amin’ny Efesiana 6:13-17 ny Baibolinao, ary vakio ao ny momba ireo fiadiana ireo. Valio, avy eo, ireo fanontaniana etsy ambany, ary diniho ny fiarovana azonao avy amin’ny fitaovam-piadiana tsirairay.

‘Sikino fahamarinana ny valahana’

Na dia mahafantatra ny fahamarinana aza isika, nahoana ny fianarana sy fisaintsainana tsy tapaka ny fahamarinana ara-baiboly sy ny fanatrehana fivoriana no miaro antsika? (1 Korintiana 10:12, 13; 2 Korintiana 13:5; Filipiana 4:8, 9)

“Ny rariny ho fiarovan-tratra”

Rariny, na marina, araka ny hevitr’iza io? (Apokalypsy 15:3)

Milazà ohatra mampiseho fa manimba ara-panahy ny tsy fanarahana ny lalana marin’i Jehovah. (Deoteronomia 7:3, 4; 1 Samoela 15:22, 23)

‘Kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin’ny filazantsaran’ny fihavanana ny tongotra’

Nahoana no miaro antsika ny fampiasana foana ny tongotsika handehanana hiresaka amin’ny olona ny fiadanana hoentin’Andriamanitra? (Salamo 73:2, 3; Romana 10:15; 1 Timoty 5:13)

“Ny finoana ho ampinga”

Ahoana no ho fihetsitsika manoloana ny ezaka ataon’ny hafa hampisalasalana na hampitahorana antsika, raha manana finoana mafy orina isika? (2 Mpanjaka 6:15-17; 2 Timoty 1:12)

“Ny famonjena ho fiarovan-doha”

Nahoana ny fanantenana famonjena no manampy ny olona iray tsy ho voafandriky ny fiahiana tafahoatra ny zavatra ara-nofo? (1 Timoty 6:7-10, 19)

“Sabatry ny fanahy”

Inona no tokony hianteherantsika foana rehefa miady amin’ny mpanafika ny fahasalamantsika ara-panahy na ny an’ny hafa isika? (Salamo 119:98; Ohabolana 3:5, 6; Matio 4:3, 4)

Inona koa no tena ilaina mba handresena amin’ny ady ara-panahy? Impiry izy io no tokony hampiasaina? Ho an’iza? (Efesiana 6:18, 19)

15. Ahoana no ahafahantsika manafika ao amin’ilay ady ara-panahy?

15 Ao amin’ny tafika lehibe iray manao ady ara-panahy isika miaramilan’i Kristy. Tsy ho faty amin’io ady io isika, raha mailo hatrany sy mampiasa tsara ireo fitaovam-piadiana rehetra avy amin’Andriamanitra. Hanatanjaka ny mpiara-manompo amintsika kosa isika. Ho vonona sy ho may hanafika isika, ka hanambara ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’ny Mesian’i Jehovah, dia ilay fanjakana toherin’i Satana mafy aoka izany.

Famerenana

• Nahoana ny mpanompon’i Jehovah no tsy mandray anjara mihitsy amin’ny adin’izao tontolo izao?

• Inona no anisan’ireo hevi-petsin’i Satana hanimbana tanteraka ny fiainana ara-panahin’ny Kristianina?

• Nahoana ny fiadiana ara-panahy omen’Andriamanitra no miaro antsika amin’ny ady ara-panahy ataontsika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 76]

Angonina ho amin’ny Haramagedona ireo firenena