Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Andriamanitra no Mamela ny Faharatsiana Hisy?

Nahoana Andriamanitra no Mamela ny Faharatsiana Hisy?

Toko Fahafito

Nahoana Andriamanitra no Mamela ny Faharatsiana Hisy?

1, 2. a) Inona no ho nitranga tamintsika, raha novonoin’i Jehovah avy hatrany ireo mpikomy tany Edena? b) Inona no zavatra mampiseho fitiavana nataon’i Jehovah ho antsika?

 “SADY vitsy no ratsy ny andro niainako”, hoy i Jakoba, loham-pianakaviana. (Genesisy 47:9) Nilaza koa i Joba fa “vitsy andro sady vontom-pahoriana” ny olona. (Joba 14:1) Efa niharan’ny fahasahiranana sy ny tsy rariny ary loza lehibe, toa azy ireo, ny ankamaroantsika. Tsy hoe nanao ny tsy rariny anefa Andriamanitra raha namela antsika ho teraka. Marina fa tsy hoe lavorary toy ny an’i Adama sy i Eva ny vatantsika sy ny saintsika, ary tsy Paradisa toy ny nisy azy ireo no onenantsika. Ahoana anefa raha namono avy hatrany azy ireo i Jehovah, rehefa nikomy izy ireo? Tsy ho nisy aretina, na alahelo, na fahafatesana mihitsy, raha nanao izany izy, saingy tsy ho nisy olombelona koa. Tsy ho teraka isika. Namindra fo anefa Andriamanitra, ka namela an’i Adama sy i Eva hiteraka, na dia nandova tsy fahalavorariana aza ny zanany. Nataon’i Jehovah tamin’ny alalan’i Kristy izay hahazoantsika indray ilay narian’i Adama, dia ny fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany.—Jaona 10:10; Romana 5:12.

2 Mampahery antsika tokoa izany fanantenana fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao paradisa izany! Tsy harary isika, tsy halahelo, tsy hanaintaina, ary tsy ho faty koa, sady tsy hahita ratsy fanahy. (Ohabolana 2:21, 22; Apokalypsy 21:4, 5) Hitantsika ao amin’ny Baiboly anefa fa na dia tena zava-dehibe amintsika sy amin’i Jehovah aza ny famonjena antsika, dia mbola misy zava-dehibe lavitra noho izany.

Noho ny anarany lehibe

3. Inona no mifandray amin’ny fanatanterahan’i Jehovah ny zavatra noeritreretiny ho an’ny tany sy ny olombelona?

3 Mifandray amin’ny fanatanterahany ny zavatra noeritreretiny ho an’ny tany sy ny olombelona ny anaran’Andriamanitra. Ilay anarana hoe Jehovah dia midika hoe “Mahatonga Izy.” Midika àry io anarana io hoe Tompon’izao Rehetra Izao izy, Mpanatanteraka izay lazainy, ary Andriamanitry ny fahamarinana. Mpanapaka Fara Tampony i Jehovah. Koa mba hisian’ny fiadanana sy ny fahasambarana eo amin’izao rehetra izao, dia tokony hohajaina tanteraka ny anarany sy ny dikan’io anarana io ary tokony hankatò azy ny zavaboariny rehetra.

4. Inona no anisan’ny noeritreretin’i Jehovah momba ny tany?

4 Nomen’i Jehovah asa i Adama sy i Eva, rehefa avy noforoniny. Nataony mazava fa tsy ny hampanaiky ny tany ihany akory no noeritreretiny hatao, ka hoe hanitatra ny haben’ny Paradisa fotsiny. Noeritreretiny koa ny hameno olona ny tany amin’ny taranak’izy mivady. (Genesisy 1:28) Tsy ho tanteraka ve izany, satria nanota izy ireo? Ho afa-baraka ny anaran’i Jehovah tsitoha raha tsy mahatanteraka izay noeritreretiny ho an’ny tany sy ny olombelona izy!

5. a) Rahoviana i Adama sy i Eva no ho faty raha nihinana tamin’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy? b) Ahoana no nanatanterahan’i Jehovah ny teniny ao amin’ny Genesisy 2:17, no sady nanaovany izay noeritreretiny momba ny tany?

5 Nampitandrina an’i Adama sy i Eva i Jehovah, fa ho faty izy ireo “amin’ny andro” izay hihinanany ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, raha tsy mankatò. (Genesisy 2:17) Tena nampamoahin’i Jehovah tokoa izy ireo tamin’ilay andro nanotany, ary nomelohina ho faty. Tamin’Andriamanitra, dia maty tamin’io andro io i Adama sy i Eva. Namela azy ireo hiteraka anefa i Jehovah, talohan’ny nahafaty azy ireo ara-bakiteny, mba hanatanterahany ny zavatra noeritreretiny momba ny tany. Koa satria anefa azon’Andriamanitra heverina ho iray andro ny 1 000 taona, dia mbola tao anatin’ny iray “andro” i Adama no maty, teo amin’ny faha-930 taonany. (2 Petera 3:8; Genesisy 5:3-5) Voaporofo noho izany fa marina i Jehovah, rehefa nampihariny ny famaizana, ary tsy rava noho ny fahafatesan’izy ireo ny zavatra noeritreretiny momba ny tany. Navela hiaina mandritra ny fotoana kelikely anefa ny olona tsy lavorary, anisan’izany ny ratsy fanahy.

6, 7. a) Nahoana i Jehovah no mamela ny ratsy fanahy hisy mandritra ny fotoana kelikely, araka ny Eksodosy 9:15, 16? b) Ahoana no nampisehoana ny herin’i Jehovah tamin’i Farao? Ahoana no nampahafantarana ny anarany? d) Inona no hitranga rehefa hifarana ity tontolo ratsy ity?

6 Mampiseho ny antony mbola amelan’i Jehovah ny ratsy fanahy ho velona koa ny tenin’i Jehovah tamin’ny mpanjakan’i Ejipta, tamin’ny andron’i Mosesy. Tsy namono an’i Farao avy hatrany i Jehovah, rehefa tsy nety nanafaka ny Isiraelita avy tany Ejipta izy. Nisy Loza Folo nampiseho ny herin’i Jehovah tamin’ny fomba mahagaga, nalefa tamin’ilay tany. Nampitandrina an’i Farao i Jehovah, tamin’ny loza fahafito, fa azony natao ny nandringana tanteraka azy sy ny vahoakany. Hoy i Jehovah: “Kanefa izao indrindra no nampaharetako anao, dia ny hampahita anao ny heriko mba hambara any amin’ny tany rehetra ny anarako.”—Eksodosy 9:15, 16.

7 Nanjary nalaza tokoa ny anaran’i Jehovah rehefa nanafaka ny Isiraelita izy. (Josoa 2:1, 9-11) Mbola tsaroana hatramin’izao izay nataony tamin’izany efa ho 3 500 taona lasa izany. Tsy hoe nalaza fotsiny ilay anarana hoe Jehovah, fa voambara koa ny fahamarinana momba Ilay tompon’izy io. Izany dia manamafy fa Andriamanitra mpanatanteraka ny fampanantenany i Jehovah, ary manao zavatra ho an’ny mpanompony. (Josoa 23:14) Mampiseho koa izany fa tsy misy afaka manakana izay hataony, satria tsitoha ny heriny. (Isaia 14:24, 27) Afaka matoky àry isika fa hanao zavatra ho an’ny mpanompony tsy mivadika izy, dia ny fandringanana ny tontolon’i Satana manontolo. Tsy hohadinoina mandrakizay io fisehoan’ny heriny tsitoha sy ny voninahitra hoentin’izany ho an’ny anaran’i Jehovah io. Ho mandrakizay ny soa avy amin’izany.—Ezekiela 38:23; Apokalypsy 19:1, 2.

‘Endrey ny halalin’ny fahendren’Andriamanitra!’

8. Inona avy ireo lafin-javatra nasain’i Paoly hoheverintsika?

8 Izao no fanontanian’ny apostoly Paoly ao amin’ny Romana: “Misy tsi-fahamarinana va amin’Andriamanitra?” Namaly izy hoe: “Sanatria izany!” Nohamafisiny avy eo fa mamindra fo Andriamanitra, ary noresahiny izay nolazain’i Jehovah momba ny famelana an’i Farao ho velona elaela kokoa. Nasehon’i Paoly koa fa toy ny tanimanga eny an-tanan’ny mpanefy isika. Hoy izy, avy eo: “Sa ahoana kosa raha Andriamanitra, na dia ta-haneho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza, dia be fahari-po ka nandefitra tamin’izay fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana, mba hampahafantarina koa ny haren’ny voninahiny amin’izay fanaky ny famindrampo, izay namboariny rahateo hahazo voninahitra, dia isika izay nantsoiny koa, tsy ny avy amin’ny Jiosy ihany, fa ny avy amin’ny jentilisa koa.”—Romana 9:14-24.

9. a) Iza ireo “fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana”? b) Nahoana i Jehovah no nahari-po tamin’ny mpanohitra? Nahoana ny vokatra farany no hahasoa an’ireo tia azy?

9 Nanjary “fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana” ireo nanohitra an’i Jehovah sy ny lalàny, nanomboka tamin’ilay fikomiana tany Edena. Naneho fahari-po i Jehovah hatramin’izay. Nanao tsinontsinona ny lalany ny ratsy fanahy, nanenjika ny mpanompony, ary namono ny Zanany mihitsy. Tena nifehy tena be i Jehovah namela fotoana ampy mba hahitan’ny voary rehetra tsara ny voka-dratsin’ny fikomiana taminy sy ny fitondran’olombelona tsy miankina aminy. Rehefa maty koa i Jesosy, dia nanjary azo navotana ny olombelona mankatò, ary azo ‘ravana ny asan’ny Devoly.’—1 Jaona 3:8; Hebreo 2:14, 15.

10. Nahoana i Jehovah no nandefitra tamin’ny ratsy fanahy nandritra ireo 1 900 taona lasa?

10 Nandefitra tamin’ireo “fanaky ny fahatezerana” ihany i Jehovah, ka mbola tsy nandringana azy ireo, nandritra ny 1 900 taona mahery taorian’ny nananganana an’i Jesosy. Nahoana? Anisan’ny anton’izany ny hoe nanomana ireo hiaraka amin’i Jesosy Kristy amin’ny fanjakany any an-danitra izy. Misy 144 000 izy ireo, ary ireo no “fanaky ny famindrampo” noresahin’ny apostoly Paoly. Ny Jiosy no voalohany nasaina ho isan’ireo olona ho any an-danitra ireo. Nanasa ny jentilisa Andriamanitra, tatỳ aoriana. Tsy nanery na iza na iza tamin’ireo mba hanompo azy i Jehovah. Nisy nomeny tombontsoa hiara-manjaka amin’ny Zanany ao amin’ny Fanjakany any an-danitra anefa tamin’ireo nanaiky sy nankasitraka ny fandaharany feno fitiavana. Efa ho vita izao ny fanomanana an’ireo olona ho any an-danitra ireo.—Lioka 22:29; Apokalypsy 14:1-4.

11. a) Iza indray izao no mandray soa amin’ny fahari-pon’i Jehovah? b) Inona ny soa horaisin’ny maty?

11 Ahoana kosa ny amin’ireo mponina eto an-tany? Nahafahana nanangona ny “olona betsaka” avy amin’ny firenena rehetra koa ny fahari-pon’i Jehovah. Misy an-tapitrisa izy ireo ankehitriny. Nampanantena i Jehovah fa ho tafavoaka velona ireo hiaina eto an-tany ireo, rehefa hamarana an’izao tontolo izao izy. Ho afaka hiaina mandrakizay ao amin’ny tany paradisa koa, izy ireo. (Apokalypsy 7:9, 10; Salamo 37:29; Jaona 10:16) Hatsangan’Andriamanitra amin’ny fotoana nofidiny ny maty maro be, ary homena fahafahana ho anisan’ny vahoaka entin’ilay Fanjakana any an-danitra. Milaza mialoha toy izao ny Asan’ny Apostoly 24:15: “Hisy fitsanganan’ny marina sy ny meloka.”—Jaona 5:28, 29.

12. a) Inona no fantatsika momba an’i Jehovah, avy amin’ny fandeferany amin’ny faharatsiana? b) Ahoana no fiheveranao ny fomba nandaminan’i Jehovah an’ireo raharaha ireo?

12 Misy tsy rariny ve amin’izany rehetra izany? Tsia, satria na dia mbola tsy mandringana ny ratsy fanahy, na ny “fanaky ny fahatezerana”, aza Andriamanitra, dia mangoraka ny hafa, araka ny noeritreretiny kosa. Mampiseho izany fa tena mamindra fo sy be fitiavana izy. Manjary mahafantatra tsara kokoa an’i Jehovah koa isika, rehefa mandinika ny fahatanterahan’ny zavatra nokasainy. Mahagaga antsika ireo lafiny samihafa amin’ny toetrany ka manjary misongadina, dia ny fitiavany ny rariny, ny famindram-pony, ny fahari-pony, ary ny fahendreny maro samy hafa. Hanaporofo mandrakizay ny maha tsara indrindra ny fomba fitondran’i Jehovah ny fomba feno fahendrena nandaminany ilay raharaha momba ny zony hitondra. Miara-milaza amin’ny apostoly Paoly toy izao isika: “Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! Ny fitsarany tsy hita lany, ary ny làlany tsy azo fantarina!”—Romana 11:33.

Fahafahana haneho ny fifikirantsika

13. Inona no fahafahana manoloana antsika rehefa mijaly isika, ary inona no hanampy antsika hanao zavatra amim-pahendrena?

13 Maro ny mpanompon’Andriamanitra mijaly. Mitohy izany fijaliany izany, satria mbola tsy nandringana ny ratsy fanahy Andriamanitra, ary mbola tsy namerina ny olombelona ho amin’ny fahalavorariana, araka ny voambara mialoha. Tokony hahatezitra mafy antsika ve izany? Sa kosa azontsika heverina ho toy ny fahafahana handray anjara amin’ny fanaporofoana fa mpandainga ny Devoly? Hahazo hery isika raha mitadidy ilay fiangaviana hoe: “Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.” (Ohabolana 27:11) Nilaza i Satana, ilay miteny ratsy an’i Jehovah, fa hanome tsiny sy hiteny ratsy an’Andriamanitra mihitsy ny olona raha very fananana, na marary. (Joba 1:9-11; 2:4, 5) Mampifaly ny fon’i Jehovah isika rehefa tsy mivadika ao anatin’ny fijaliana, ka mampiseho hoe tsy marina izany raha ny amintsika.

14. Inona avy no soa raisintsika raha mitoky amin’i Jehovah isika ao anatin’ny fisedrana?

14 Hampitombo toetra tsara isika, raha mitoky amin’i Jehovah ao anatin’ny fisedrana. “Nianatra fanarahana”, na fankatoavana, tamin’ny fomba mbola tsy hainy taloha mihitsy, ohatra, i Jesosy, vokatr’ireo fahoriana niaretany. Afaka mianatra avy amin’ny fisedrana antsika koa isika, mba hamboly fahari-po sy fiaretana, ary fankasitrahana lalina kokoa ny lalana marin’i Jehovah.—Hebreo 5:8, 9; 12:11; Jakoba 1:2-4.

15. Inona no soa mety horaisin’ny hafa raha miaritra fijaliana amim-paharetana isika?

15 Ho voamariky ny hafa ny zavatra ataontsika. Mety hanjary ho fantatry ny sasany hoe iza no tena Kristianina amin’izao andro izao, rehefa hitany ny zavatra iaretantsika noho ny fitiavana ny fahamarinana. Afaka ny ho anisan’ireo hiaina mandrakizay izy ireny, rehefa miaraka mivavaka amintsika. (Matio 25:34-36, 40, 46) Tian’i Jehovah sy ny Zanany hahazo izany soa izany ny olona.

16. Nahoana no mifandray amin’ny firaisan-tsaina ny fomba fijerintsika ny olana mianjady amintsika?

16 Tsara dia tsara tokoa raha heverintsika ho fahafahana hanehoana ny fifikirantsika amin’i Jehovah, sy handraisana anjara amin’ny fanatanterahana ny sitrapony, ny tarehin-javatra sarotra! Ny fanaovantsika izany dia manaporofo fa tena mihatafaray amin’Andriamanitra sy i Kristy tokoa isika. Nivavaka ho an’ny Kristianina marina toy izao i Jesosy: “Nefa tsy ho an’ireto [mpianatra niaraka akaiky taminy] ihany no angatahako, fa ho an’izay mino Ahy koa noho ny teniny; mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy.”—Jaona 17:20, 21.

17. Inona no azo antoka fa ho azontsika, raha tsy mivadika amin’i Jehovah isika?

17 Hamaly soa be antsika i Jehovah raha tsy mivadika aminy isika. Hoy ny Teniny: “Miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.” (1 Korintiana 15:58) Hoy koa ny Baiboly: “Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany.” (Hebreo 6:10) Izao no marihin’ny Jakoba 5:11: “Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan’i Joba, ary efa hitanareo ny faran’ny nataon’ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindrampo.” Ahoana no niafaran’i Joba? “Jehovah nitahy ny niafaran’i Joba mihoatra noho ny voalohany.” (Joba 42:10-16) Eny, “Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy” i Jehovah. (Hebreo 11:6) Ary tena lehibe tokoa ny valisoa antenaintsika, dia ny fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany!

18. Inona no hiafaran’ireo fahatsiarovana mampalahelo mety hananantsika izao?

18 Hanarina ny fahasimban’ny fianakavian’olombelona nandritra ireo an’arivony taona maro lasa ny Fanjakana marin’Andriamanitra. Ho lehibe lavitra noho ny fahoriana mahazo antsika ny fifaliana amin’izany. Tsy hohelingelenin’ny fahatsiarovana ny fahoriana taloha isika. Ho voafafa tsikelikely ireo fahatsiarovana mampalahelo, satria ho takon’ny eritreritra sy asa mampahery hiainana isan’andro. Hoy i Jehovah: “Izaho mahary lanitra vaovao [Fanjakana vaovao any an-danitra hitondra ny olombelona] sy tany vaovao [olo-marina miara-miaina], ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza. Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho.” Eny, ho afaka hilaza toy izao ny olo-marina, ao amin’ny tontolo vaovaon’i Jehovah: “Miadana ka mandry fahizay ny tany rehetra; velominy ao ny hoby.”—Isaia 14:7; 65:17, 18.

Famerenana

• Ahoana no mbola anajan’i Jehovah tsara ny anarany, na dia mamela ny ratsy hisy aza izy?

• Nahoana ny fandeferan’Andriamanitra amin’ny “fanaky ny fahatezerana” no ahafahantsika mahazo ny famindram-pony?

• Inona no tokony hiezahantsika mafy hoheverina ao anatin’ny fahoriantsika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 67]

“Nitahy ny niafaran’i Joba mihoatra noho ny voalohany” i Jehovah