Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Olona Betsaka eo Anoloan’ny Seza Fiandrianan’i Jehovah

Olona Betsaka eo Anoloan’ny Seza Fiandrianan’i Jehovah

Toko Fahatelo Ambin’ny Folo

Olona Betsaka eo Anoloan’ny Seza Fiandrianan’i Jehovah

1. a) Inona no tsy maintsy mitranga amin’ireo mpanompon’Andriamanitra talohan’ny andro kristianina sy ireo 144 000, mba hahazoany ny valisoany? b) Inona no mety ho azon’ny “olona betsaka” velona ankehitriny?

 NANAO ny sitrapon’Andriamanitra ho voalohan-toerana ny mpanompony nahatoky, nanomboka tamin’i Abela ka hatramin’i Jaona Mpanao Batisa. Efa maty anefa izy ireny, ka miandry ny fananganana azy eto an-tany ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. Tsy maintsy maty koa ireo 144 000 hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra, mba hahazoany an’io valisoa io. Asehon’ny Apokalypsy 7:9 kosa fa hisy “olona betsaka” avy amin’ny firenena rehetra tsy ho faty mihitsy, fa hiaina mandrakizay eto an-tany. Anisan’izy ireo ve ianao?

Fantatra ny olona betsaka

2. Ahoana no nahafantarana tsara ny olona betsaka lazain’ny Apokalypsy 7:9?

2 Takatry ny mpanompon’i Jehovah, tamin’ny 1923, fa olona hiaina mandrakizay eto an-tany ny “ondry” ao amin’ny fanoharan’i Jesosy ao amin’ny Matio 25:31-46, sy ny “ondry hafa” ao amin’ny Jaona 10:16. Hita tamin’ny 1931 koa fa olona hiaina eto an-tany ireo nasiana marika teo amin’ny handriny, araka ny Ezekiela 9:1-11. Hita tamin’ny 1935 kosa fa anisan’ny ondry hafa noresahin’i Jesosy ny olona betsaka. Misy an-tapitrisa izy ireo izao.

3. Nahoana ilay teny hoe ‘mitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianana’ no tsy milaza fa any an-danitra ny olona betsaka?

3 Tsy any an-danitra ny olona betsaka resahin’ny Apokalypsy 7:9. Tsy voatery ho any izy ireo, na dia ‘mitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianana’ aza. Hitan’Andriamanitra fotsiny izy ireo. (Salamo 11:4) Voaporofo izany, rehefa ampitahaina ny isan’izy ireo “tsy tambo isaina”, na tsy voafaritra, sy izay voalaza ao amin’ny Apokalypsy 7:4-8 sy ny Apokalypsy 14:1-4. Resahin’ireo andininy ireo fa 144 000 no isan’ireo nalaina ho any an-danitra.

4. a) Inona ilay “fahoriana lehibe” tsy hahafaty ny olona betsaka? b) Iza no mandinika ny olona betsaka sy miara-mivavaka amin’izy ireo, araka ny Apokalypsy 7:11, 12?

4 Hoy ny Apokalypsy 7:14 momba ny olona betsaka: “Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe.” Tsy ho faty amin’ilay fahoriana ratsy indrindra nanjo ny olombelona hatramin’izay izy ireo. (Matio 24:21) Ho feno fankasitrahana izy ireo ka hilaza fa Andriamanitra sy Kristy no mpamonjy azy. Aorian’izay, dia hiaraka amin’izy ireo hilaza izao teny izao ny anjely mahatoky any an-danitra: “Amena! Ny saotra sy ny voninahitra sy ny fahendrena sy ny fisaorana sy ny haja sy ny hery ary ny faherezana anie ho an’Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay. Amena.”—Apokalypsy 7:11, 12.

Mendrika

5. Ahoana no ahafantarantsika ny zavatra takina amin’ny olona betsaka?

5 Mifanaraka amin’ny fitsipika marin’i Jehovah ny fitsimbinana ny olona betsaka mandritra ny fahoriana lehibe. Lazain’ny Baiboly mazava ny toetra mampiavaka an’ireo ho voatsimbina. Afaka miezaka ho mendrika ny ho tafavoaka velona àry ireo tia ny fahamarinana. Inona no tsy maintsy ataon’izy ireo?

6. Nahoana no azo lazaina hoe ondry ny olona betsaka?

6 Malemy fanahy sy mankatò ny ondry. Rehefa niresaka ny amin’ny ondry hafa tsy anisan’ireo ho any an-danitra àry i Jesosy, dia tsy vitan’ny hoe olona maniry hiaina mandrakizay fotsiny no nolazainy, fa olona mankatò ny fampianarany koa. “Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy”, hoy izy. (Jaona 10:16, 27) Olona tena mihaino sy mankatò izay lazain’i Jesosy izy ireo, ary tonga mpianany.

7. Inona avy no toetra tokony hambolen’ny mpanara-dia an’i Jesosy?

7 Inona avy koa no toetra tokony hambolen’ny mpanara-dia an’i Jesosy? Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Hialanareo ny toetrareo taloha araka ny fitondrantenanareo fahiny, . . . ary mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.” (Efesiana 4:22-24) Mamboly toetra mampandroso ny firaisan-tsain’ny mpanompon’Andriamanitra izy ireo. Anisan’izany ny “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po.”—Galatiana 5:22, 23.

8. Inona no hatrehin’ny olona betsaka, rehefa manampy ny sisa izy ireo?

8 Ireo anisan’ny ho any an-danitra efa vitsy an’isa no mitarika ny asa fitoriana. Manampy azy kosa ny olona betsaka. (Matio 24:14; 25:40) Manao izany izy ireo na dia fantany aza fa henjehina izy. Noroahin’i Kristy Jesosy sy ny anjeliny hiala tany an-danitra i Satana sy ny demoniany, tamin’ny fiandohan’izao andro farany izao. Noho izany, dia “loza ho an’ny tany . . . fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.” (Apokalypsy 12:7-12) Ampitomboin’i Satana àry ny fanoherana ny mpanompon’Andriamanitra, arakaraka ny anatonan’ny faran’ity tontolo ity.

9. Misy vokany ve ny fitoriana ny vaovao tsara? Nahoana?

9 Mandroso foana ny asa fitoriana, na eo aza ny fanenjehana mafy. An’arivo vitsivitsy monja ny mpitory ilay Fanjakana tamin’ny faran’ny Ady Lehibe I, kanefa an-tapitrisa izy ireo ankehitriny, satria nampanantena i Jehovah hoe: “Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina.” (Isaia 54:17) Nisy mpikambana tao amin’ny fitsarana avo jiosy mihitsy aza niaiky fa tsy azo resena ny asan’Andriamanitra. Hoy izy tamin’ny Fariseo tamin’ny taonjato voalohany, momba ny mpianatra: “Avelao ihany izy; fa raha avy amin’olona izao saina na asa izao, dia ho foana; fa raha avy amin’Andriamanitra kosa izao, dia tsy ho azonareo foanana, sao dia miseho ho mpiady amin’Andriamanitra hianareo.”—Asan’ny Apostoly 5:38, 39.

10. a) Inona ilay “marika” eo amin’ny olona betsaka? b) Ahoana no ankatoavan’ny mpanompon’Andriamanitra an’ilay ‘feo avy any an-danitra’?

10 Lazaina hoe nasiana marika mba ho velona ny olona betsaka. (Ezekiela 9:4-6) Io “marika” io dia porofo fa nanolo-tena ho an’i Jehovah izy ireo, natao batisa ho mpianatr’i Jesosy, ary miezaka mafy hanahaka ny toetrany. Ankatoavin’izy ireo ilay ‘feo avy any an-danitra’, milaza toy izao momba an’i Satana sy ny fivavahan-disony rehetra: “Mialà aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.”—Apokalypsy 18:1-5.

11. Ahoana no ampisehoan’ny olona betsaka fa tena mpanompon’i Jehovah izy ireo?

11 Nilaza izao tamin’ny mpianany koa i Jesosy: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:35) Mifamono any an’ady anefa ny mpivavaka ao amin’ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao, matetika satria samy hafa firenena fotsiny izy ireo! Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Izany no mampiseho miharihary izay Zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy amin’Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny rahalahiny. . . . Tsy maintsy mifankatia isika, tsy mba tahaka an’i Kaina, izay avy tamin’ilay ratsy ka namono ny rahalahiny.”—1 Jaona 3:10-12.

12. Hataon’i Jehovah ahoana ny fivavahana mamoa voa ratsy, mandritra ny fahoriana lehibe?

12 Hoy i Jesosy: “Ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy. Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy.” (Matio 7:17-20) “Hazo” ratsy ireo fivavahan’ity tontolo ity, rehefa jerena ny vokany. Efa hopotehin’i Jehovah mandritra ny fahoriana lehibe izy ireo.—Apokalypsy 17:16.

13. Ahoana no ampisehoan’ny olona betsaka fa tafaray izy ireo ‘mitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianan’i’ Jehovah?

13 Lazain’ny Apokalypsy 7:9-15 ireo antony hitsimbinana ny olona betsaka. Hita fa tafaray izy ireo ‘mitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianan’i’ Jehovah, izany hoe manohana ny zony ho Tompon’izao rehetra izao. “Nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny zanak’ondry” ny akanjon’izy ireo, ka midika izany fa manaiky izy ireo hoe mahafaka fahotana ny soron’i Jesosy. (Jaona 1:29) Nanolo-tena ho an’Andriamanitra izy ireo ka nampiseho izany tamin’ny batisa anaty rano. Ny akanjony fotsy koa dia milaza fa heverin’Andriamanitra fa marina izy ireo, ary “manompo Azy andro aman-alina.” Misy fomba azonao ampifanarahana kokoa ny fiainanao amin’izany filazalazana izany ve?

Soa dieny ankehitriny

14. Inona no anisan’ny soa tsy manam-paharoa efa raisin’ny mpanompon’i Jehovah?

14 Azo inoana fa efa hitanao ny soa tsy manam-paharoa efa raisin’ny mpanompon’i Jehovah. Takatrao, ohatra, fa misy ny fanantenana tsara, rehefa nianatra momba ny fikasana marin’i Jehovah ianao. Tena manan-java-kendrena eo amin’ny fiainana àry ianao izao, dia ny hanompo an’ilay Andriamanitra marina, sady manantena ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany. Hotarihin’i Jesosy Kristy Mpanjaka “ho amin’ny loharanon’ny ranon’aina” tokoa ny olona betsaka.—Apokalypsy 7:17.

15. Inona no soa raisin’ny Vavolombelon’i Jehovah, noho izy ireo manaraka ny fitsipiky ny Baiboly momba ny raharaha ara-politika sy ara-pitondran-tena?

15 Anisan’ny soa lehibe raisin’ny olona betsaka ny fitiavana sy ny firaisan-tsaina ary ny firindrana hita eo anivon’ny mpanompon’i Jehovah eran-tany. Sakafo ara-panahy mitovy no raisintsika, ary mankatò lalàna sy fitsipika mitovy avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra isika. Noho izany, dia tsy voazarazaran’ny firehan-kevitra politika sy ny firenena isika. Manaraka ny fitsipi-pitondran-tena ambony takin’Andriamanitra amin’ny vahoakany koa isika. (1 Korintiana 6:9-11) Mankafy ilay azo antsoina hoe paradisa ara-panahy àry ny vahoakan’i Jehovah, fa tsy miaina amin’ny ady sy ny fisaraham-bazana ary ny haratsian-toetra manjaka ankehitriny. Mariho ny fomba ilazan’ny Isaia 65:13, 14 izany.

16. Inona no fanantenan’ny olona betsaka, na dia miatrika zava-manahirana fahita ankehitriny aza izy ireo?

16 Tsy lavorary ny mpanompon’i Jehovah. Miatrika zava-manahirana fahita ankehitriny izy ireo, anisan’izany ny fahasahiranana, na ny vokatry ny adin’ireo firenena. Marary koa izy ireo, mahita fijaliana, ary maty. Mino anefa izy ireo fa hisy tontolo vaovao, ka “hofafany [Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana.”—Apokalypsy 21:4.

17. Inona no hoavy hafakely miandry an’ireo manompo an’ilay Andriamanitra marina, na inona na inona mety hitranga aminy ankehitriny?

17 Hanangana anao ao amin’ny Paradisa i Jehovah, raha sanatria ka maty noho ny fahanterana na ny aretina na ny loza sy fanenjehana aza ianao. (Asan’ny Apostoly 24:15) Mbola hankafy sakafo ara-panahy indray ianao mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Hitombo ny fitiavanao an’Andriamanitra, rehefa hitanao fa tanteraka amim-boninahitra ny fikasany. Ary vao mainka hitombo izany, rehefa hitanao ireo fitahiana ara-batana harotsak’i Jehovah. (Isaia 25:6-9) Hoavy hafakely tokoa izany miandry ny vahoakan’Andriamanitra izany!

Famerenana

• Inona no fisehoan-javatra hafakely ampifandraisin’ny Baiboly amin’ny olona betsaka?

• Inona no tsy maintsy ataontsika dieny izao, raha tena maniry ho anisan’ireo olona betsaka omen’Andriamanitra tombontsoa manokana isika?

• Zava-dehibe aminao ve ny fitahiana raisin’ny olona betsaka ankehitriny sy mbola horaisiny any amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 123]

Tafaray amin’ny fanompoana an’ilay Andriamanitra marina ny olona betsaka