Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tano Mafy ny Tenin’Andriamanitra

Tano Mafy ny Tenin’Andriamanitra

Toko Fahatelo

Tano Mafy ny Tenin’Andriamanitra

1. a) Ahoana no nahitan’ny Isiraely fahiny fa marina ny tenin’Andriamanitra? b) Nahoana izany no mahaliana antsika?

 “FANTATRAREO ao amin’ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra fa tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nilazan’i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra.” (Josoa 23:14-16) Izany no nolazain’i Josoa tamin’ireo anti-panahin’ny Isiraely rehefa tody tao amin’ny Tany Nampanantenaina izy ireo. Mendri-pitokisana tokoa ny fampanantenan’i Jehovah. Notahirizina ho antsika io fitantarana io sy ny tapany sisa amin’ny Baiboly, mba “hananantsika ny fanantenana.”—Romana 15:4.

2. a) Nahoana no lazaina fa avy tamin’ny “tsindrimandrin’Andriamanitra” ny Baiboly? b) Inona no andraikitsika noho ny fahafantarantsika izany?

2 I Jehovah no tena Loharanon’ny Baiboly, na dia nampiasa olona 40 teo ho eo aza izy mba hanoratra izany. Milaza ve izany fa nitarika mivantana ny fanoratana ny zavatra rehetra ao izy? Eny. Nataony tamin’ny alalan’ny fanahiny masina mahery, na heriny miasa, izany. Hoy tokoa mantsy ny apostoly Paoly: “Ny soratra rehetra [dia] nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra . . . mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” Mihevitra izay lazain’ny Baiboly ka mampifanaraka ny fiainany amin’izany ny olona hatraiza hatraiza miaiky mafy ny amin’izany.—2 Timoty 3:16, 17; 1 Tesaloniana 2:13.

Ampio ny hafa hankasitraka azy io

3. Inona no fomba tsara indrindra hanampiana ny olona tsy manaiky ny Baiboly ho Tenin’Andriamanitra?

3 Maro amin’ny olona iresahantsika no tsy miaiky toa antsika fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly. Ahoana no anampiantsika azy ireny? Ny fomba tsara indrindra dia ny fanokafana ny Baiboly sy ny fampisehoana amin’izy ireny izay voalaza ao. “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, . . . ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo.” (Hebreo 4:12) Tsy tantara maty “ny tenin’Andriamanitra” fa velona kosa! Tsy misy afaka hanakana ny fampanantenan’ny Baiboly tsy ho tanteraka. Mahery lavitra noho izay rehetra azontsika lazaina ny herin’ny hafatry ny Baiboly, eo amin’ny tena antony manosika ny olona iray.

4. Inona avy ireo fanazavana ny fahamarinana ara-baiboly nampiova ny fiheveran’ny sasany azy io, ary nahoana?

4 Nanosika olona maro handinika lalina kokoa ny Baiboly ny fahitana ny anaran’Andriamanitra tao. Nanapa-kevitra hianatra ny Baiboly koa ny hafa, rehefa naseho azy izay lazain’izy io momba ny zava-kendren’ny fiainana, ny antony amelan’Andriamanitra ny faharatsiana hisy, ny hevitr’ireo fisehoan-javatra ankehitriny na ilay fanantenana momba ny tany paradisa. Nanjary liana tamin’ny Baiboly ny sasany izay nampijalin’ny fanahy ratsy, rehefa hitany tao ny antony mahatonga izany sy ny fomba ahafahana amin’izany. Nahoana ireo hevitra ireo no manohina ny olona tso-po? Satria ny Baiboly no hany loharanom-panazavana azo itokiana momba ireo raharaha tena lehibe ireo.—Salamo 119:130.

5. a) Inona avy no mety hahatonga ny olona hilaza fa tsy mino ny Baiboly izy? b) Ahoana no azontsika anampiana ny olona toy izany?

5 Ahoana anefa raha milaza amintsika ny olona fa tsy mino ny Baiboly? Tapaka hatreo ve ny resaka? Azo tohizina, raha vonona ny hisaina izy. Mety hihevitra ny Baiboly ho bokin’ny Kristianisma Anarana izy. Mety ho nahatonga azy tsy ho tia Baiboly mantsy ny Kristianisma Anarana mihatsaravelatsihy sy mitsabaka amin’ny politika ary mangata-bola tsy misy farany. Maninona raha anontaniana izy raha izany no heviny? Mety hanaitra ny fahalianany ny hoe melohin’ny Baiboly ny fomban’izao tontolo izao ataon’ny Kristianisma Anarana sy ny hoe samy hafa izy io sy ny tena Kristianisma.—Mika 3:11, 12; Matio 15:7-9; Jakoba 4:4.

6. a) Inona no mampiaiky anao fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly? b) Inona koa no hevitra azo ampiasaina mba hanampiana ny olona hahatakatra fa tena avy amin’Andriamanitra ny Baiboly?

6 Mety hanampy ny hafa ny fiaraha-mandinika mivantana ireo porofo milaza fa ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ny Baiboly. Inona no manaporofo mazava aminao fa avy amin’i Jehovah Andriamanitra ny Baiboly? Izay lazainy momba ny niaviany ve? Sa ireo faminaniany manome taratry ny fahalalana tsara ny hoavy, ka hita fa tsy maintsy ho avy tamin’ny loharano ambony noho ny olombelona? (2 Petera 1:20, 21) Sa ny fahitanao fa tsy mifanipaka ny Baiboly, na dia lehilahy 40 aza no nanoratra azy nandritra ny 1 600 taona teo ho eo? Sa ny fahamarinany ara-tsiansa, izay mifanohitra amin’ireo boky hafa tamin’ny androny? Sa ny fahatsoran’ireo mpanoratra azy? Sa ny mbola maha eo azy na dia teo aza ireo fiezahana feno haratsiam-panahy hamotehana azy? Azonao anampiana ny hafa koa izay hevitra hitanao ho mampiaiky volana anao. a

Famakiana Baiboly ataontsika

7, 8. a) Tokony hataontsika inona ny Baiboly? b) Inona koa no ilaintsika, ankoatra ny famakiana manokana ny Baiboly? d) Ahoana no nahafantaranao ny fikasan’i Jehovah?

7 Mila maka fotoana hamakiana Baiboly tsy tapaka koa isika, fa tsy hoe hanampy ny hafa hino azy io fotsiny. Manao izany ve ianao? Izy io no boky manan-danja indrindra amin’ny boky rehetra hatramin’izay. Tsy midika akory izany hoe tsy mila manao zavatra hafa intsony isika rehefa mamaky irery ny Baiboly. Mampitandrina antsika mba tsy hitokantokana ny Soratra Masina. Tsy tokony hihevitra isika hoe afaka mahatakatra ny zavatra rehetra isika rehefa mikaroka irery ao. Samy ilaina ny fianarana manokana sy ny fanatrehana tsy tapaka ny fivorian’ny vahoakan’Andriamanitra, raha tiantsika ny ho Kristianina mahay mandanjalanja.—Ohabolana 18:1; Hebreo 10:24, 25.

8 Miresaka momba ny mpiasam-panjakana etiopianina iray teo am-pamakiana ny faminanian’i Isaia ny Baiboly. Notarihin’ny anjely mba hanontany azy toy izao i Filipo, Kristianina mpitory ny filazantsara: “Moa fantatrao va izay vakinao?” Nanetry tena ilay Etiopianina namaly hoe: “Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra ahy?” Nasainy nanazava ilay andinin-teny i Filipo. Tsy mpamaky Baiboly samirery nanome ny heviny manokana momba ny Soratra Masina akory i Filipo. Nifanerasera akaiky tamin’ny fandaminan’Andriamanitra hita maso foana izy. Noho izany, dia afaka nanampy an’ilay Etiopianina handray ny fampianarana nomen’i Jehovah tamin’ny alalan’io fandaminana io izy. (Asan’ny Apostoly 6:5, 6; 8:5, 26-35) Tsy misy olona afaka tena hahatakatra ny fikasan’i Jehovah koa amin’izao andro izao, raha tsy misy manampy. Mila ny fanampian’i Jehovah amim-pitiavana, amin’ny alalan’ny fandaminany hita maso, isika rehetra.

9. Inona avy no fandaharam-pamakiana Baiboly mety hahasoa antsika rehetra?

9 Manome boky sy gazety tsara dia tsara ny fandaminan’i Jehovah, mba hanampiana antsika hahazo izay lazain’ny Baiboly. Eo koa ny famakiana ny Baiboly tsy tapaka mifandray amin’ny Sekolin’ny Fanompoana atao any amin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. Maro ny soa azo avy amin’ny fandinihana manokana ny Soratra Masina. (Salamo 1:1-3; 19:7, 8) Miezaha manokana mba hamaky Baiboly tsy tapaka. Tena hahasoa anao ny fahatakarana ny hevi-dehibe ao amin’ny Soratra Masina, na dia tsy azonao amin’ny fomba feno aza izay vakinao. Ho voavakinao ao anatin’ny herintaona eo ho eo, ohatra, ny Baiboly, raha mamaky pejy efatra na dimy monja isan’andro ianao.

10. a) Isaky ny inona ianao no mamaky Baiboly? b) Iza koa no tokony hiara-mamaky Baiboly, ary nahoana no zava-dehibe ny hanaovana izany tsy tapaka?

10 Isaky ny inona ianao no afaka mamaky Baiboly? Be ny soa horaisinao, raha manokana 10 na 15 minitra monja isan’andro ianao. Raha tsy izany, dia manaova fandaharam-potoana hanaovana izany tsy tapaka isan-kerinandro ary araho izany. Raha manambady ianao, dia afaka miara-mamaky ny Baiboly ianareo, ka mifandimby manao izany amin’ny feo avo. Raha misy ankizy mahay mamaky teny, dia asaivo mifandimby mamaky mafy izy ireo. Tokony ho fahazarana eo amin’ny fiainana, toy ny misakafo, ny mamaky Baiboly. Fantatrao fa harary ny olona iray raha ratsy ny fahazarany misakafo. Zava-dehibe koa àry ny hivelomantsika tsy tapaka amin’ny “teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra”, satria miankina amin’izany ny fahasalamantsika ara-panahy, izany hoe ny fiainantsika mandrakizay.—Matio 4:4.

Ny zava-kendrentsika

11. Inona no tokony ho zava-kendrentsika rehefa mamaky Baiboly isika?

11 Inona no tokony ho zava-kendrentsika rehefa mamaky Baiboly isika? Tsy tokony ho ny hamitana pejy vitsivitsy fotsiny izany. Ny faniriantsika kosa dia ny hahafantatra tsara kokoa an’Andriamanitra, mba hitomboan’ny fitiavantsika azy sy mba hivavahantsika aminy araka izay ekeny. (Jaona 5:39-42) Tokony ho sahala amin’ny an’ilay mpanoratra ny Baiboly nilaza toy izao ny toe-tsaintsika: “Ampahafantaro ny làlanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho.”—Salamo 25:4.

12. a) Nahoana no tena ilaina ny fahazoana ‘fahalalana marina’, ary inona no ezaka mety hilaina hatao eo am-pamakiana, mba hahazoana azy io? b) Inona avy ireo hevitra efatra azontsika ampiasaina mba handraisan-tsoa avy amin’ny famakiana Baiboly? (Jereo ny faritra voafefy, pejy faha-30.) d) Valio ireo fanontaniana amin’ity fehintsoratra ity, mba hanasongadinana ireo lafiny ireo. Jereo ireo andinin-teny voatonona fa tsy voasoratra.

12 Tokony haniry hahazo ny “fahalalana tsara”, na fahalalana marina, isika, rehefa mandray fampianarana avy amin’i Jehovah. Ahoana tokoa no hampiharantsika tsara ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika na hanazavana azy io tsara amin’ny hafa, raha tsy manao izany isika? (Kolosiana 3:10; 2 Timoty 2:15) Ny hoe mandray fahalalana marina dia hoe mamaky amim-pitandremana ilay andinin-teny, ary raha sarotra ilay izy, dia mety hovakina mihoatra ny indray mandeha, mba ho azo tsara. Handray soa koa isika raha maka fotoana hisaintsainana izay novakintsika, ary hijery izany amin’ny lafiny samihafa. Asongadina eo amin’ny pejy faha-30 ny hevitra lehibe efatra azo eritreretina. Andininy maro ao amin’ny Soratra Masina no ho azo andraisan-tsoa rehefa ampiasaina ny iray na maromaro amin’ireo hevitra ireo. Ho hitanao fa marina izany, rehefa mamaly ireo fanontaniana manaraka ianao.

1Matetika ilay andinin-teny vakinao no ahafantaranao ny toetran’i Jehovah. Mampiseho ny fiheveran’Andriamanitra akaiky ny zaza mbola tsy teraka, ohatra, ny Salamo 139:13, 14, manao hoe: “Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Hianao. Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; mahagaga ny asanao; ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.” Mahatalanjona tokoa ny voarin’i Jehovah! Manaporofo ny fitiavany lehibe antsika ny fomba nanaovana ny olona.

Hitantsika tokoa ny ho fihetsik’i Jehovah, rehefa jerentsika ny Jaona 14:9, 10, izay miresaka ny fomba nitondran’i Jesosy ny olona. Inona, araka izany, no toetran’i Jehovah fantatsika avy amin’ireo tantara ao amin’ny Lioka 5:12, 13 sy ny Lioka 7:11-15?

2) Diniho ny fifandraisan’ilay fitantarana amin’ny foto-kevitry ny Baiboly, dia ny fanamarinana ny fiandrianan’i Jehovah sy ny fanamasinana ny anarany amin’ny alalan’ny Fanjakan’i Jesosy Kristy, ilay Taranaka nampanantenaina.

Ahoana no nanantitranteran’i Ezekiela sy i Daniela ny foto-kevitry ny Baiboly? (Ezekiela 38:21-23; Daniela 2:44; 4:14; 7:9-14)

Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly mazava fa i Jesosy no ilay Taranaka nampanantenaina? (Galatiana 3:16)

Ahoana no ilazalazan’ny Apokalypsy ny fahatanterahana lehiben’ny foto-kevitr’ilay Fanjakana? (Apokalypsy 11:15; 12:7-10; 17:16-18; 19:11-16; 20:1-3; 21:1-5)

3Manontania tena hoe ahoana no azonao ampiharana izay vakinao. Voalazan’ny Eksodosy ka hatramin’ny Deoteronomia, ohatra, fa naloto fitondran-tena sy nikomy ny Isiraelita. Fantatsika fa ratsy ny vokatr’izany. Noho izany, dia tokony ho voatosika hampifaly an’i Jehovah isika, fa tsy hanaraka ny ohatra ratsin’izy ireo. “Izany dia nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan’ny faran’izao tontolo izao.”—1 Korintiana 10:11.

Inona no fianarana raisintsika avy amin’ny namonoan’i Kaina an’i Abela? (Genesisy 4:3-12; Hebreo 11:4; 1 Jaona 3:10-15; 4:20, 21)

Mihatra amin’ireo Kristianina manantena hiaina mandrakizay eto an-tany koa ve ireo torohevitry ny Baiboly ho an’ireo manantena ny ho any an-danitra? (Nomery 15:16; Jaona 10:16)

Na dia efa miorina tsara ao amin’ny fiangonana kristianina aza isika, nahoana no mbola tsy maintsy mihevitra ny fomba hampiharana tsara kokoa ireo torohevitry ny Baiboly efa fantatsika? (2 Korintiana 13:5; 1 Tesaloniana 4:1)

4Eritrereto ny fomba azonao ampiasana izay vakinao mba hanampiana ny hafa. Mampanahy ny rehetra ny olana ara-pahasalamana, ka azontsika vakina aminy ny zavatra nataon’i Jesosy, mba hampisehoana ny zavatra lehibe kokoa hataony rehefa ho Mpanjaka izy: “Nisy vahoaka betsaka nankeo aminy nitondra ny mandringa, ny jamba, ny moana, ny kilemaina, ary ny maro hafa koa, . . . dia nahasitrana azy Izy.”—Matio 15:30.

Iza no ho azo ampiana amin’ny alalan’ny fitantarana momba ny nananganana ny zanakavavin’i Jaïro? (Lioka 8:41, 42, 49-56)

13. Inona avy no vokatra azontsika antenaina raha manana fandaharana tsy tapaka mamaky sy mianatra Baiboly miaraka amin’ny fandaminan’i Jehovah isika?

13 Maro tokoa ny valisoa raisintsika raha mandinika ireo hevitra efatra voatonona teo isika, rehefa mamaky Baiboly! Ekena fa sarotra ny mamaky Baiboly. Mahasoa antsika mandritra ny androm-piainantsika anefa izany, satria arakaraka ny amakiantsika ny Soratra Masina no hampahatanjaka antsika ara-panahy kokoa. Hanjary ho akaiky kokoa an’i Jehovah, ilay Raintsika be fitiavana, sy an’ireo rahalahintsika kristianina, isika. Hanampy antsika ‘hitana mafy ny tenin’ny fiainana’ izany.—Filipiana 2:16.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Raha irinao ny hahafantatra hoe nahoana no mendrika hodinihina ny Baiboly, dia jereo ilay bokikely hoe Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Famerenana

• Nahoana ny Baiboly no nosoratana sy narovana hatramin’izao androntsika izao?

• Ahoana no anampiantsika ny hafa hankasitraka azy io?

• Nahoana no mahasoa ny mamaky Baiboly manokana sy tsy tapaka? Inona avy ireo hevitra efatra manampy antsika hamakafaka izay vakintsika?

[Fanontaniana]

[Efajoro/Sary, pejy 30]

HEVITRA TOKONY HODINIHINA REHEFA MAMAKY BAIBOLY:

Izay lazainy momba ny toetran’i Jehovah

Ny fifandraisany amin’ny foto-kevitry ny Baiboly

Ny tokony ho vokatr’izay vakinao eo amin’ny fiainanao

Ny fomba azonao ampiasana azy io mba hanampiana ny hafa