Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tanteraka Amim-boninahitra ny Fikasan’i Jehovah

Tanteraka Amim-boninahitra ny Fikasan’i Jehovah

Toko Fahiraika Amby Roapolo

Tanteraka Amim-boninahitra ny Fikasan’i Jehovah

1, 2. a) Inona no fikasan’i Jehovah momba ireo zavaboariny manan-tsaina? b) Iza no anisan’ny fianakaviam-ben’ireo mpivavaka amin’Andriamanitra?

 IZAO no fikasana feno fitiavan’i Jehovah: Ho tafaray amin’ny fivavahana aminy, ilay hany Andriamanitra marina, ny zavaboariny manan-tsaina rehetra, ka hifaly amin’ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra. Izany koa no tena irin’ireo tia ny fahamarinana.

2 Nanomboka nanatanteraka an’io fikasany lehibe io i Jehovah, rehefa namorona. Zanakalahy no zavaboariny voalohany. Nanjary “famirapiratan’ny voninahiny sy endriky ny tenany [Andriamanitra] indrindra” io Zanany io, rehefa natsangana tamin’ny maty. (Hebreo 1:1-3) Lahitokana io zanany io, satria tsy nisy nanampy Andriamanitra rehefa namorona azy. Tamin’ny alalan’io Zanaka io kosa no namoronana ny zavatra hafa rehetra: ny anjely any an-danitra aloha, ary avy eo ny olombelona eto an-tany. (Joba 38:7; Lioka 3:38) Fianakaviam-be iray ihany ireo. Sady Andriamanitr’izy ireo no Tompon’izao Rehetra Izao, no Rainy be fitiavana, i Jehovah.

3. a) Inona no nolovantsika avy tamin’ireo ray aman-drenintsika voalohany? b) Inona no fandaharana feno fitiavana nataon’i Jehovah ho an’ny taranak’i Adama?

3 Noroahina tany Edena sy nolavin’Andriamanitra ireo ray aman-drenintsika voalohany, rehefa nohelohina ho faty, noho izy ireo ninia nanota. Nanjary tsy anisan’io fianakaviana io intsony izy ireo. (Genesisy 3:22-24; Deoteronomia 32:4, 5) Taranak’izy ireo isika rehetra, ka teraka mpanota koa. Fantatr’i Jehovah anefa fa hisy ho tia fahamarinana ny taranak’i Adama sy Eva. Naneho fitiavana àry izy ka nanao fandaharana mba hahafahan’izy ireny hahazo ny ‘fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.’—Romana 8:20, 21.

Very tombontsoa ny Isiraely

4. Inona no tombontsoa nomen’i Jehovah ny Isiraely fahiny?

4 Nisy olombelona nomen’i Jehovah tombontsoa hifandray manokana taminy, tokony ho 2 500 taona taorian’ny namoronana an’i Adama. Nofidiny ho vahoakany ny Isiraely fahiny, ka nomeny ny Lalàny. (Genesisy 12:1, 2) Nataony ho lasa firenena izy ireo, ka nampiasainy hanatanteraka ny sitrapony. (Deoteronomia 14:1, 2; Isaia 43:1) Mbola voafatotry ny ota sy ny fahafatesana ihany anefa izy ireo, ka tsy afaka nankafy ny fahafahana be voninahitra nananan’i Adama sy Eva tamin’ny voalohany.

5. Nahoana no very ny tombontsoa manokan’ny Isiraelita teo anatrehan’Andriamanitra?

5 Nanana tombontsoa manokana teo anatrehan’Andriamanitra tokoa ny Isiraelita. Tokony hanaja an’i Jehovah Rainy sy hanao zavatra araka ny sitrapony anefa izy ireo. Nohamafisin’i Jesosy fa zava-dehibe ny hanatontosan’izy ireo izany andraikiny izany. (Matio 5:43-48) Tsy nanao izany anefa ny firenen’ny Isiraely. Nilaza izy ireo hoe “iray Ray izahay, dia Andriamanitra ihany.” Nolazain’i Jesosy anefa fa tsy marina izany, rehefa nojerena ny fihetsika sy toe-tsain’izy ireo. (Jaona 8:41, 44, 47) Nofoanan’Andriamanitra ilay Lalàna, tamin’ny taona 33, ka tsy nanana fifandraisana manokana taminy intsony ny Isiraely. Midika ve anefa izany fa tsy afaka ny hanana fifandraisana manokana amin’Andriamanitra intsony ny olona?

Fanangonana ireo ‘zavatra any an-danitra’

6. Inona no zava-kendren’ilay “fitondrana” nolazain’i Paoly ao amin’ny Efesiana 1:9, 10?

6 Nasehon’ny apostoly Paoly fa misy olona afaka manana fifandraisana manokana amin’Andriamanitra. Izao, ohatra, no nosoratany momba ny fandaharan’i Jehovah mba hahatongavan’ireo mino ho anisan’ny fianakaviam-beny: “Nampahafantariny [Andriamanitra] ny zava-miafina ny amin’ny sitrapony isika, araka ny safidiny izay nokasain’ny tenany, hahatanterahany ny fitondrana hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry, hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany.” (Efesiana 1:9, 10) Mifantoka amin’i Jesosy Kristy io “fitondrana” io. Amin’ny alalany no mahatonga ny olona hankasitrahan’Andriamanitra. Misy olombelona voafetra isa ho afaka hiaina any an-danitra. Hiaina mandrakizay eto an-tany kosa ny ankamaroan’ny olona.

7. Iza ireo ‘zavatra any an-danitra’?

7 Nangonina voalohany, nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33, ireo ‘zavatra any an-danitra’, izany hoe ireo ho mpiara-mandova ny Fanjakana any an-danitra miaraka amin’i Kristy. Nohamarinina noho ny finoany ny vidin’ny soron’i Jesosy izy ireo. (Romana 5:1, 2) Hisy Jiosy sy Jentilisa koa ireo ‘zavatra any an-danitra’, ka ho 144 000 no ho fitambarany. (Galatiana 3:26-29; Apokalypsy 14:1) Ny sisa amin’izy ireo no mbola eto an-tany.

Fanangonana ireo ‘zavatra etỳ an-tany’

8. Iza ireo ‘zavatra etỳ an-tany’, ary ahoana ny fifandraisan’izy ireo amin’i Jehovah?

8 Io fitondrana io koa no manangona ireo ‘zavatra etỳ an-tany.’ Misy olona an-tapitrisa izao angonina mba hiaina mandrakizay eto an-tany. Miaraka amin’ny sisa amin’ireo mpandova ilay Fanjakana izy ireo, manome voninahitra ny anaran’i Jehovah sy manandratra ny fivavahana aminy. (Isaia 2:2, 3; Zefania 3:9) Antsoin’izy ireo hoe ‘Rainy’ koa i Jehovah, satria ekeny fa i Jehovah no loharanon’aina. Ankasitrahan’i Jehovah koa izy ireo, satria mino ny ra nalatsak’i Jesosy. (Apokalypsy 7:9, 14) Mbola any aoriana any anefa vao hekena tanteraka ho zanak’Andriamanitra izy ireo, satria mbola tsy lavorary.

9. Inona no fampanantenan’ny Romana 8:21 ho an’ny olombelona?

9 Miandry mafy ireo manantena hiaina eto an-tany ireo hoe rahoviana ny taranak’olombelona no “hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalòvana.” (Romana 8:21) Hanomboka izany rehefa hofaranan’i Kristy sy ny tafiny any an-danitra ny fahoriana lehibe, ka hitondra ny Hara-magedona izy ireo, amin’ny fara tampon’izany. Ho potika amin’izay ny tontolo ratsin’i Satana manontolo, ary ho avy aorian’izay ireo fitahian’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy Mpanjaka.—Apokalypsy 19:17-21; 20:6.

10. Inona ilay hira fiderana hohirain’ny mpanompon’i Jehovah?

10 Tena hahafaly be tokoa rehefa hiaraka ny mpanompon’i Jehovah eto an-tany mba hamerina ny fihetseham-pon’ireo mpanompony any an-danitra, izay ho faly hanambara hoe: “Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha; mahitsy sy marina ny làlanao, ry Mpanjaka mandrakizay. Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Hianao ihany no masina, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao.” (Apokalypsy 15:3, 4) Hiaraka tokoa ny mpanompon’i Jehovah rehetra mba hivavaka aminy, ilay hany Andriamanitra marina. Na ny maty aza dia hatsangana sy homena fahafahana hanandratra ny feony hiderana an’i Jehovah koa.—Asan’ny Apostoly 24:15.

Akaiky ny fahafahana mahatalanjona

11. Hanao ahoana ny fahafahana mahatalanjona ho azon’ireo tsy ho faty amin’ny fahoriana lehibe?

11 Hesorin’ny fahoriana lehibe hifarana amin’ny Hara-magedona ny faharatsiana rehetra eto an-tany, ka tsy ho “andriamanitr’izao tontolo izao” intsony i Satana Devoly. Tsy voatery hiady amin’ny fitaoman-dratsin’i Satana intsony àry ireo mpivavaka amin’i Jehovah. (2 Korintiana 4:4; Apokalypsy 20:1, 2) Tsy hisy fivavahan-diso hampiseho an’i Jehovah amin’ny fomba diso na hampizarazara ny olombelona intsony. Tsy hisy mpitondra olombelona hanao ny tsy rariny na hanararaotra ny mpanompon’ilay Andriamanitra marina intsony. Fahafahana mahatalanjona tokoa izany ho azontsika izany!

12. Ahoana no hanafahana ny rehetra amin’ny ota sy ny vokany?

12 Hampiharin’i Jesosy mba hanafoanana ny fahotan’olombelona ny vidin’ny sorony, satria izy no “Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao.” (Jaona 1:29) Nositranin’i Jesosy ny marary navelany heloka, tamin’izy teto an-tany, mba ho porofon’izany famelana izany. (Matio 9:1-7; 15:30, 31) Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra izy izao, ka hanao fahagagana toy izany koa, izany hoe hanasitrana ny jamba, moana, marenina, kilemaina, marary saina, ary ireo manana aretina hafa. (Apokalypsy 21:3, 4) Tsy hifehy an’ireo mpankatò intsony ny “lalàn’ny ota”, hany ka hanjary hahafinaritra azy ireo sy Andriamanitra ny eritreriny sy ny ataony. (Romana 7:21-23) Hanjary ho lavorary izy ireo amin’ny faran’ny Arivo Taona, ka ho ‘araka ny endrika, na tarehin’ilay’ hany Andriamanitra marina.—Genesisy 1:26.

13. Inona no hataon’i Kristy amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taona, ary inona no ho vokatr’izany?

13 Haverin’i Kristy amin’ny Rainy ny fahefana nomena azy, rehefa tongany eo amin’ny fahalavorariana indray ny olombelona: “Hatolony ho an’Andriamanitra Ray ny fanjakana, rehefa nofoanany ny fanapahana rehetra sy ny fahefana rehetra ary ny hery rehetra. Fa tsy maintsy manjaka Izy, mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin’ny tongony.” (1 Korintiana 15:24, 25) Ho tanteraka ny zava-nokendren’ilay Fanjakana Arivo Taona, ka tsy hilaina intsony mba hanelanelana an’i Jehovah sy ny olona io fanjakana tetezamita io. Ho tapitra hatreo koa ny ilana an’i Jesosy ho Mpanavotra, satria efa tsy ho eo intsony ny ota sy ny fahafatesana, ary efa voavotra ny olombelona. Hoy ny Baiboly: “Ny tenan’ny Zanaka koa aza no hanaiky izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy, mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra ihany.”—1 Korintiana 15:28.

14. Hatao inona ireo olona lavorary, ary nahoana?

14 Homena fahafahana ny olombelona lavorary aorian’izay, mba hanaporofo fa nisafidy ny hanompo an’ilay hany Andriamanitra marina mandrakizay izy ireo. Hanao fitsapana farany azy ireo àry i Jehovah, alohan’ny hananganany azy ireo ho zanany amin’ny fomba feno. Hovahana avy ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa i Satana sy ny demoniany. Tsy hisy vokany maharitra hanimba an’ireo tena tia an’i Jehovah izany. Horinganina mandrakizay miaraka amin’ilay mpikomy voalohany sy ny demoniany kosa izay mivadika sy manaiky hotarihina tsy hankatò an’i Jehovah.—Apokalypsy 20:7-10.

15. Inona no toe-javatra hisy indray eo amin’ireo zavaboarin’i Jehovah manan-tsaina rehetra?

15 Hatsangan’i Jehovah ho zanany amin’izay ireo olombelona lavorary nanohana ny fitondrany nandritra ilay fitsapana farany. Manomboka amin’izay izy ireo no hahazo tsara ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra, satria anisan’ny fianakaviam-ben’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao. Ho tafaray indray ny zavaboary manan-tsaina rehetra any an-danitra sy eto an-tany, mba hivavaka amin’ilay hany Andriamanitra marina. Ho tanteraka amim-boninahitra ny fikasan’i Jehovah! Tianao ve ny ho anisan’io fianakaviana sambatra sy mandrakizay eo amin’izao rehetra izao io? Raha izany no izy, dia ampirisihinay ianao mba handray am-po izay lazain’ny Baiboly ao amin’ny 1 Jaona 2:17, manao hoe: “Mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.”

Famerenana

• Nanao ahoana ny fifandraisan’ny mpivavaka tamin’i Jehovah taminy, talohan’ilay fikomiana tany Edena?

• Inona no andraikitry ny mpanompon’Andriamanitra?

• Iza no mbola ho tonga zanak’Andriamanitra, ary nahoana izany no mifandray amin’ny fikasan’i Jehovah momba ny firaisan’ny fivavahana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 190]

Hankafy fiainana ao amin’ny paradisa eran-tany ny olona mankatò