Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Torio Amim-pahasahiana Hatrany ny Tenin’Andriamanitra

Torio Amim-pahasahiana Hatrany ny Tenin’Andriamanitra

Toko Fahasivy Ambin’ny Folo

Torio Amim-pahasahiana Hatrany ny Tenin’Andriamanitra

1. a) Inona no vaovao tsara notorin’ny mpianatr’i Jesosy, nefa nanao ahoana ny fihetsiky ny Jiosy sasany? b) Inona avy no fanontaniana mety hapetratsika amin’ny tenantsika?

 NOHOSORANA ho Mpanjakan’ny tany i Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra, efa ho 2 000 taona lasa izay. Novonoina noho ny fampirisihan’ny fahavalony ara-pivavahana izy, nefa natsangan’i Jehovah tamin’ny maty. Ho afaka ny hiaina mandrakizay amin’ny alalan’i Jesosy izao ny olona. Nipoitra anefa ny fanenjehana, rehefa nanambara io vaovao tsara io ny mpianatr’i Jesosy. Nisy tamin’izy ireo nogadraina, na nokapohina mihitsy, ary tsy navela hiresaka momba an’i Jesosy intsony. (Asan’ny Apostoly 4:1-3, 17; 5:17, 18, 40) Inona no hataon’izy ireo? Inona no ho nataonao? Mbola ho sahy nitory ihany ve ianao?

2. a) Inona no vaovao mahafinaritra tokony holazaina ankehitriny? b) Iza no tokony hitory ilay vaovao tsara?

2 Nomena fanjakana tany an-danitra i Jesosy Kristy, Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra, tamin’ny 1914, mba hanapaka ‘eo amin’ny fahavalony.’ (Salamo 110:2) Natsipy tetỳ an-tany i Satana sy ny demoniany, taorian’izay. (Apokalypsy 12:1-5, 7-12) Nanomboka ny andro faran’ity tontolo ratsy ity. Hopotehin’Andriamanitra tanteraka ny tontolon’i Satana, rehefa tapitra io fe-potoana io. (Daniela 2:44; Matio 24:21) Ho afaka hanantena ny hiaina mandrakizay eo amin’ny tany paradisa amin’izay ireo tafavoaka velona. Haniry hiresaka izany vaovao tsara izany amin’ny olona ianao, raha nankasitraka izany. (Matio 24:14) Ahoana anefa no fihetsiky ny olona tokony hampoizinao?

3. a) Ahoana no fandraisan’ny olona ny hafatra momba ilay Fanjakana? b) Inona no fanontaniana tsy maintsy eritreretintsika?

3 Hisy olona handray ny vaovao tsara torinao, fa tsy hiraika kosa ny ankamaroany. (Matio 24:37-39) Misy mety haneso na hanohitra anao. Nampitandrina i Jesosy fa mety ho ny havanao no hanohitra anao. (Lioka 21:16-19) Mety ho mpiara-miasa na mpiara-mianatra koa izany. Voararan’ny fanjakana mihitsy aza ny fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany sasany. Mbola ho sahy hitory ny Tenin’Andriamanitra sy ‘hitoetra tsara amin’ny finoana’ ihany ve ianao, raha ao anatin’ny tarehin-javatra toy ireo?—1 Korintiana 16:13.

Tsy miantehitra amin’ny herintsika

4. a) Inona no zavatra tena ilaina mba tsy hivadihantsika mpanompon’Andriamanitra? b) Nahoana no tena zava-dehibe ny fivoriana kristianina?

4 Tena ilaina, mba tsy hivadihantsika mpanompon’i Jehovah, ny fitokisana amin’ny fandaharany, anisan’izany ireo fivorian’ny fiangonana. Mampirisika antsika mba tsy hanao tsirambina izany ny Baiboly. (Hebreo 10:23-25) Niezaka mafy ireo Vavolombelon’i Jehovah tsy mivadika, mba hanatrika tsy tapaka ireo fiaraha-mivory amin’ny mpiara-mivavaka aminy. Mitombo ny fahalalantsika ny Soratra Masina, rehefa mivory isika. Mitombo koa ny fankasitrahantsika ny fahamarinana efa fantatsika, ary hitantsika kokoa ny fomba hampiasana izany. Mihatafaray amin’ny fiarahantsika mivavaka amin’ireo rahalahintsika kristianina isika, ary mahazo hery hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Manome tari-dalana amin’ny alalan’ny fiangonana ny fanahin’i Jehovah, ary eo afovoantsika amin’ny alalan’io fanahy io i Jesosy.—Matio 18:20; Apokalypsy 3:6.

5. Ahoana no anaovana fivoriana, rehefa voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah?

5 Mivory tsy tapaka ve ianao, ary mampihatra ny zavatra nianaranao? Tsy maintsy atao any an-tranon’olona ny fivoriana ary vitsy kokoa ny mpanatrika, indraindray, rehefa voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mety hiovaova ny toerana sy ny fotoana anaovana izany, ary tsy voatery ho mora foana izany, satria misy fivoriana atao amin’ny alina be. Miezaka mafy mba hanatrika tsy tapaka ny fivoriana rehetra anefa ireo rahalahy sy anabavy tsy mivadika, na dia tsy mora sy mety hampidi-doza aza izany.

6. Ahoana no ampisehoantsika ny fitokisantsika amin’i Jehovah, ary nahoana izany no manampy antsika ho sahy hitory?

6 Matoky kokoa an’i Jehovah isika, rehefa mivavaka tsy tapaka aminy avy amin’ny fo, satria takatsika fa ilaintsika ny fanampiany. Manao izany ve ianao? Nivavaka matetika i Jesosy, nandritra ny fanompoany teto an-tany. (Lioka 3:21; 6:12, 13; 22:39-44) Nampirisika ny mpianany toy izao koa i Jesosy tamin’ny alina talohan’ny namonoana azy: “Miareta tory hianareo, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy.” (Marka 14:38) Mety halaim-panahy tsy hanao fanompoana betsaka isika, rehefa misy tsy miraika amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana. Mety halaim-panahy tsy hitory intsony koa isika, rehefa misy maneso na manenjika. Tsy ho voan’izany fakam-panahy izany anefa isika, raha mivavaka amin-kafanam-po mba hahazoana ny fanahin’Andriamanitra hanampy antsika ho sahy hitory.—Lioka 11:13; Efesiana 6:18-20.

Mpitory sahy

7. a) Nahoana no mahaliana antsika manokana ny fitantarana ao amin’ny Asan’ny Apostoly? b) Valio ireo fanontaniana eo amin’ny faran’ity fehintsoratra ity, ka asongadino ny soa raisinao avy amin’ireo fanazavana eo.

7 Mahaliana antsika manokana ny fitantarana ao amin’ny Asan’ny Apostoly. Asehon’izy io fa nandresy sakana maro ny apostoly sy ny mpianatra hafa, ka hita ho vavolombelon’i Jehovah sahy sy tsy nivadika, na dia olona toa antsika ihany aza. Andeha hampiasaintsika ny fanontaniana sy ny andinin-teny voalaza etsy ambany, mba hamakafakana ny sombin’izany fitantarana izany. Eritrereto eo am-panaovana izany ny soa raisinao avy amin’izany.

Nandia fianarana ambony ve ireo apostoly? Efa toetran’izy ireo ve ny hoe sahisahy? (Jaona 18:17, 25-27; 20:19; Asan’ny Apostoly 4:13)

Inona no nanampy an’i Petera ho sahy hiteny teo anatrehan’ilay fitsarana jiosy efa nanameloka ny Zanak’Andriamanitra? (Matio 10:19, 20; Asan’ny Apostoly 4:8)

Inona no nataon’ireo apostoly nandritra ireo herinandro talohan’ny nitondrana azy teo amin’ny Synedriona? (Asan’ny Apostoly 1:14; 2:1, 42)

Inona no navalin’i Petera sy Jaona, rehefa nandidy ny apostoly tsy hitory momba ny anaran’i Jesosy intsony ireo mpitondra? (Asan’ny Apostoly 4:19, 20)

Tamin’iza indray no mbola nitadiavan’ny apostoly fanampiana, rehefa nafahana izy ireo? Nivavaka mba hitsaharan’ilay fanenjehana ve izy ireo, sa ahoana? (Asan’ny Apostoly 4:24-31)

Ahoana no nanampian’i Jehovah, rehefa nanandrana nampitsahatra ny fitoriana ireo mpanohitra? (Asan’ny Apostoly 5:17-20)

Ahoana no nampisehoan’ireo apostoly fa fantany ny antony nanafahana azy? (Asan’ny Apostoly 5:21, 41, 42)

Inona no mbola nataon’ireo mpianatra, na dia maro taminy aza no niparitaka noho ny fanenjehana? (Asan’ny Apostoly 8:3, 4; 11:19-21)

8. Inona no vokatra tsaran’ny fanompoan’ireo mpianatra voalohany, ary nahoana isika no manao fanompoana toy ny nataon’izy ireo?

8 Nisy vokany ilay fitoriana ny vaovao tsara. Nisy mpianatra 3 000 teo ho eo natao batisa tamin’ny Pentekosta taona 33. “Nisy olona maro koa na lahy na vavy izay nino ny Tompo nanampy ho isany.” (Asan’ny Apostoly 2:41; 4:4; 5:14) Tonga Kristianina sahy nitory ny fahamarinana, na dia i Saoly avy any Tarsosy, anisan’ny mpanenjika ny vahoakan’Andriamanitra nasiaka aza. Izy no ilay lasa apostoly Paoly. (Galatiana 1:22-24) Tsy nitsahatra ilay asa nanomboka tamin’ny taonjato voalohany. Vao mainka mandeha kokoa izy io amin’izao andro farany izao, sady tonga any amin’ny tany maro. Tombontsoantsika ny mandray anjara amin’izany, ary afaka mianatra avy amin’ny ohatr’ireo vavolombelona nahatoky nanompo talohantsika isika, eo am-panaovana izany.

9. a) Taiza avy no nitorian’i Paoly? b) Ahoana no iresahanao ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’ny olona?

9 Inona no nataon’i Paoly rehefa fantany ny fahamarinana momba an’i Jesosy Kristy? “Niaraka tamin’izay dia nitory . . . izy ka nilaza an’i Jesosy fa Zanak’Andriamanitra.” (Asan’ny Apostoly 9:20) Nankasitrahany ny fiantran’Andriamanitra azy, ary takany fa nila ny vaovao tsara efa azony ny olona rehetra. Jiosy i Paoly, ka nandeha nitory tany amin’ny synagoga, araka ny fanao tamin’izany. Nitory isan-trano sy niresaka tamin’ny olona teny an-tsena koa izy. Vonona ny hifindra tany an-toeran-kafa mihitsy izy, mba hitory ny vaovao tsara.—Asan’ny Apostoly 17:17; 20:20; Romana 15:23, 24.

10. a) Ahoana no nampisehoan’i Paoly fa nahay nanavaka izy, na dia nafana fo tamin’ny fitoriana aza? b) Ahoana no hanahafantsika azy, rehefa mitory amin’ny havana sy mpiara-miasa na mpiara-mianatra isika?

10 Nafana fo i Paoly, nefa nahay nanavaka. Tokony ho toy izany koa isika. Rehefa nitory tamin’ny Jiosy izy, dia ny fampanantenana nomen’Andriamanitra ny razamben’izy ireo no noresahiny voalohany. Ny zavatra fantatry ny Grika tsara kosa no nanombohany resaka tamin’ny Grika. Nitantara ny fomba nahafantarany ny fahamarinana koa izy indraindray, mba hitoriana tamin’ny olona. Hoy izy: “Izany rehetra izany dia ataoko noho ny filazantsara mba ho tonga mpiombona aminy aho.”—1 Korintiana 9:20-23; Asan’ny Apostoly 22:3-21.

11. a) Inona no nataon’i Paoly mba tsy hifanandrinana matetika tamin’ny mpanohitra? b) Rahoviana no fahendrena ho antsika ny manahaka azy, ary amin’ny fomba ahoana? d) Avy aiza ilay hery ahafahana mitory amim-pahasahiana hatrany?

11 Voatery nitory tany an-toeran-kafa nandritra ny fotoana kelikely i Paoly, indraindray, noho ny fanoherana. Naleony nanao izany toy izay hinia hifanandrina matetika tamin’ny mpanohitra. (Asan’ny Apostoly 14:5-7; 18:5-7; Romana 12:18) Tsy menatra ny vaovao tsara mihitsy anefa izy. (Romana 1:16) Tsy tian’i Paoly ny toetra sahisahy ratsy sy nahery setran’ireo mpanohitra, kanefa nahazo ‘fahasahiana tamin’Andriamanitra’ izy, mba hitory hatrany. Hoy izy: “Ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy, mba hotanterahina tokoa amin’ny ataoko ny fitorian-teny.” (1 Tesaloniana 2:2; 2 Timoty 4:17) Manome hery antsika hatrany i Jesosy, ilay Lohan’ny fiangonana kristianina, mba hanaovantsika ilay asa efa nolazainy fa hatao amin’ny androntsika.—Marka 13:10.

12. Inona no manaporofo fa sahy ny Kristianina, ary inona no fototr’izany?

12 Tena tokony hitory ny Tenin’Andriamanitra amim-pahasahiana hatrany isika, tsy misy hafa amin’i Jesosy sy ny mpanompon’Andriamanitra nahatoky tamin’ny taonjato voalohany. Tsy midika izany hoe tsy mieritreritra tsara na manery ny olona hihaino ilay hafatra isika. Tsy kivy anefa isika na dia tsy miraika aza ny olona. Tsy hampangina antsika koa ny fanoherana. Asongadintsika, toy ny nataon’i Jesosy, fa ny Fanjakan’Andriamanitra no tokony hitondra ny tany manontolo. Tsy matahotra isika rehefa miteny, satria solontenan’i Jehovah, ilay Tompon’izao Rehetra Izao, ary satria koa azy ilay hafatra fa tsy antsika. Ny fitiavantsika an’i Jehovah koa no tokony ho antony lehibe indrindra manosika antsika hidera azy.—Filipiana 1:27, 28; 1 Tesaloniana 2:13.

Famerenana

• Nahoana no zava-dehibe ny iresahana ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’ny olona rehetra, kanefa inona no fihetsika ampoizintsika?

• Ahoana no ampisehoantsika fa tsy miantehitra amin’ny herintsika isika, rehefa manompo an’i Jehovah?

• Inona no lesona sarobidy raisintsika avy amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 173]

Mitory ny tenin’Andriamanitra amim-pahasahiana ny mpanompon’i Jehovah fahiny sy ankehitriny