Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tsy Naman’izao Tontolo Izao”

“Tsy Naman’izao Tontolo Izao”

Toko Fahavalo Ambin’ny Folo

“Tsy Naman’izao Tontolo Izao”

1. a) Inona no nangatahin’i Jesosy tamin’ny vavaka ho an’ny mpianany, talohan’ny hahafatesany? b) Nahoana no tena zava-dehibe ny hoe “tsy naman’izao tontolo izao”?

 NIVAVAKA ho an’ny mpianany i Jesosy, tamin’ilay alina talohan’ny namonoana azy. Nilaza toy izao tamin-dRainy izy, satria fantany fa hiharam-panerena be avy amin’i Satana ny mpianany: “Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ny ratsy. Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao.” (Jaona 17:15, 16) Nahoana no tena zava-dehibe ny tsy ho naman’izao tontolo izao? Satria i Satana no mpitondra azy io. Tsy te ho naman’io tontolo fehezin’i Satana io ny Kristianina.—Lioka 4:5-8; Jaona 14:30; 1 Jaona 5:19.

2. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tsy naman’izao tontolo izao izy?

2 Tena tia olona i Jesosy, na dia tsy naman’izao tontolo izao aza. Tena nanasitrana ny marary sy nanangana ny maty ary nampianatra ny olona momba ny Fanjakan’Andriamanitra kosa aza izy. Nanome ny ainy ho an’ny olombelona mihitsy izy. Tsy tiany kosa ny toetra sy fihetsika ratsin’ireo mampiseho ny toe-tsain’ny tontolon’i Satana. Noho izany, dia nampitandrina ny amin’ny zavatra toy ny fanirian-dratsin’ny nofo sy ny fitiavan-karena ary ny fitadiavam-boninahitra izy. (Matio 5:27, 28; 6:19-21; Lioka 20:46, 47) Tsy mahagaga koa àry raha nanalavitra ny politikan’izao tontolo izao i Jesosy. Na Jiosy aza izy, dia sady tsy nomba an’i Roma no tsy nomba ny Jiosy tamin’ny adilahy politikan’ireo tany ireo.

“Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao”

3. a) Inona no niampangan’ny mpitondra fivavahana jiosy an’i Jesosy teo anatrehan’i Pilato, ary nahoana? b) Inona no mampiseho fa tsy nahaliana an’i Jesosy ny ho mpanjaka olombelona?

3 Diniho izay nitranga rehefa nasain’ireo mpitondra fivavahana jiosy nosamborina i Jesosy ary nentina tany amin’i Pontio Pilato, governora romanina. Sosotra tamin’i Jesosy mantsy izy ireo, satria namaky betroka ny fihatsarambelatsihin’izy ireo izy. Niampanga an’i Jesosy toy izao izy ireo, mba hampirisihana an’ilay governora hanapa-kevitra: “Ilehity hitanay nampiodina ny firenenay sady nandrara tsy handoa hetra ho an’i Kaisara ka nilaza ny tenany ho Kristy Mpanjaka.” (Lioka 23:2) Lainga be izany, satria tsy nety i Jesosy rehefa saika hataon’ny olona mpanjaka, herintaona talohan’io. (Jaona 6:15) Fantany fa ho Mpanjaka any an-danitra izy. (Lioka 19:11, 12) Tsy olombelona koa no tokony hanome fanjakana ho azy, fa i Jehovah.

4. Ahoana no fiheveran’i Jesosy ny fandoavan-ketra?

4 Nanandrana nampiteny an’i Jesosy mahakasika ny fandoavan-ketra ny Fariseo, mba hanamelohana azy, telo andro talohan’ny nisamborana azy. Hoy anefa i Jesosy: “Mampisehoa denaria [vola madinika romanina] amiko. An’iza moa io sary sy soratra eo aminy io? Hoy ireo: An’i Kaisara. Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an’i Kaisara ary izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.”—Lioka 20:20-25.

5. a) Inona no nampianarin’i Jesosy ny mpianany, tamin’ny fotoana nisamborana azy? b) Ahoana no nanazavan’i Jesosy ny zavatra nataony? d) Ahoana no niafaran’ilay fitsarana?

5 Tsy nampianatra ny olona hikomy tamin’ny fitondrana mihitsy i Jesosy. Tonga hisambotra azy ny miaramila sy ny lehilahy hafa, ary namoaka sabatra i Petera, ka nanapaka ny sofin’ny iray tamin’ireo lehilahy. Hoy anefa i Jesosy: “Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao; fa izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin’ny sabatra.” (Matio 26:51, 52) Nanazava io fihetsiny io tamin’i Pilato izy, ny ampitson’iny: “Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao; fa raha mba avy amin’izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin’ny Jiosy Aho.” (Jaona 18:36) Niaiky i Pilato fa ‘tsy hitany izay helok’i’ Jesosy. Resin’ny faneren’ny vahoaka anefa izy, ka nasainy nohomboana i Jesosy.—Lioka 23:13-15; Jaona 19:12-16.

Manaraka ny fitarihan’i Jesosy ny mpianany

6. Ahoana no nampisehoan’ny Kristianina tany am-boalohany fa ny toe-tsain’izao tontolo izao no tsy tiany, fa tsy ny olona?

6 Takatry ny mpianatr’i Jesosy tamin’izany ny zavatra takin’ny hoe tsy naman’izao tontolo izao. Midika izany hoe halavirina ny toe-tsaina sy fihetsika ratsin’izao tontolo izao, anisan’izany ny fialam-boly nisy herisetra sy fahalotoam-pitondran-tena tany amin’ny kianja sy teatra romanina. Nolazaina ho mpankahala olombelona ny mpianatra, satria tsy nanao izany. Tsy nankahala ny olona mihitsy anefa izy ireo, fa niezaka mafy kosa mba hanampy ny olon-kafa handray soa tamin’ny fandaharam-pamonjen’Andriamanitra.

7. a) Inona no nanjo an’ireo mpianatra tany am-boalohany, noho izy ireo tsy naman’izao tontolo izao? b) Ahoana no niheveran’izy ireo ny mpitondra ara-politika sy ny fandoavan-ketra, ary nahoana?

7 Nenjehina toa an’i Jesosy ny mpanara-dia azy, ary matetika izany no vokatry ny fanazavana diso azon’ireo mpitondra. Nampirisika ny Kristianina tany Roma anefa ny apostoly Paoly, tamin’ny taona 56 tany ho any, mba “hanaiky ny fahefana lehibe [mpitondra ara-politika]. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra.” Tsy i Jehovah akory no mametraka ny mpitondra eo amin’ny toerany, fa avelany hisy kosa izy ireny mandra-pahatongan’ny Fanjakany hitondra samirery ny tany manontolo. Mety indrindra àry raha nananatra ny Kristianina mba hanaja ny manam-pahefana sy handoa hetra i Paoly.—Romana 13:1-7; Titosy 3:1, 2.

8. a) Hatraiza no fetran’ny faneken’ny Kristianina ny mpitondra? b) Ahoana no nanahafan’ireo Kristianina tany am-boalohany an’i Jesosy?

8 Tokony hisy fetrany kosa anefa ny fanekena ny mpitondra ara-politika. Ny Lalàn’i Jehovah no ankatoavin’ny mpanompony, raha mifanohitra ny Lalàn’i Jehovah sy ny lalàn’olombelona. Mariho izay nolazain’ilay boky hoe Mizotra ho Amin’ny Fandrosoana—Tantaran’izao Tontolo Izao (anglisy), momba ireo Kristianina tany am-boalohany: “Nolavin’ny Kristianina ny adidy sasany fanaon’ny olom-pirenena romanina. Noheverin’izy ireo ho nifanohitra tamin’ny finoany ny fanaovana raharaha miaramila. Tsy nety nitana toerana ara-politika izy ireo. Tsy nety nivavaka tamin’ny emperora izy ireo.” Na dia efa ‘nandrara mafy’ an’ireo mpianatra tsy hitory intsony aza ny fitsarana avo jiosy, dia namaly izy ireo hoe: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.”—Asan’ny Apostoly 5:27-29.

9. a) Nahoana ny Kristianina tany Jerosalema no nandositra, tamin’ny taona 66? b) Nahoana izany no modely tena tsara?

9 Tsy niditra tamin’ny adilahy politika na adin’ny miaramila mihitsy ireo mpianatra. Nikomy tamin’i Kaisara ny Jiosy tany Jodia, tamin’ny taona 66. Nanodidina an’i Jerosalema haingana ny tafika romanina. Inona no nataon’ireo Kristianina tao amin’io tanàna io? Tadidin’izy ireo ny torohevitr’i Jesosy hoe tokony hiala tao izy ireo. Nandositra izy ireo, ka niampita ny Ony Jordana mba ho any amin’ireo tendrombohitr’i Pela, rehefa niala vetivety ny Romanina. (Lioka 21:20-24) Modely ho an’ireo Kristianina atỳ aoriana ny zavatra nataon’izy ireo.

Tsy naman’izao tontolo izao ny Kristianina amin’izao andro farany izao

10. a) Inona no asa tena ifantohan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nahoana? b) Inona no tsy itsabahan’izy ireo mihitsy?

10 Misy ve tao anatin’izao andro farany izao tena tsy naman’izao tontolo izao, toy ireo Kristianina tany am-boalohany? Eny, nanao izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Nilaza foana izy ireo nandritra io fotoana io fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no ho afaka hitondra fiadanana sy firoboroboana ary fahasambarana maharitra ho an’ireo tia ny rariny. (Matio 24:14) Tsy nitsabaka tamin’ireo fifanolanana teo amin’izao tontolo izao mihitsy kosa izy ireo.

11. a) Nahoana ny fihetsiky ny mpitondra fivavahana no mifanohitra tanteraka amin’ny an’ny Vavolombelon’i Jehovah? b) Ahoana no fiheveran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny zavatra ataon’olon-kafa eo amin’ny politika?

11 Mifanohitra tanteraka amin’izany ny mpitondra fivavahana eo amin’ity tontolo ity, satria tena miditra lalina amin’ny raharaha politika. Misy amin’izy ireo manao fampielezan-kevitra hanohanana na hanoherana kandidà, any amin’ny tany sasany. Mitana toerana ara-politika mihitsy aza ny sasany aminy. Misy aminy koa manery mpanao politika hanohana fandaharana neken’ireo mpitondra fivavahana. Tsy miditra amin’ny politika mihitsy anefa ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy miditra amin’izay ataon’olon-kafa koa izy ireo, raha miditra amin’ny antoko politika, na mitady toerana ara-politika, na mifidy, ireny olona ireny. Tsy mandray anjara amin’ny politika ny Vavolombelon’i Jehovah, satria nilaza i Jesosy fa tsy naman’izao tontolo izao ny mpianany.

12. Inona no vokatry ny fandraisan’ny fivavahan’izao tontolo izao anjara tamin’ny ady?

12 Niady foana ireo firenena, araka ny efa nolazain’i Jesosy. Nisy ady an-trano koa teo anivon’izy ireny. (Matio 24:3, 6, 7) Saika nanohana foana ny firenena na antoko ny mpitondra fivavahana, ka nampirisika ireo mpanaraka azy hanao toy izany koa. Inona no vokany? Nifamono ny olona iray fivavahana, satria samy hafa firenena na foko fotsiny. Mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra izany.—1 Jaona 3:10-12; 4:8, 20.

13. Inona no asehon’ny zava-misy, raha ny tsy fandraisan’ny Vavolombelon’i Jehovah anjara amin’ny ady no resahina?

13 Tsy niditra tamin’ny ady rehetra mihitsy anefa ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 1939 (anglisy): “Tsy miandany amin’ireo firenena miady mihitsy ny olona rehetra miandany amin’ny Tompo.” Mbola izany foana no toerana tanan’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny firenena rehetra sy amin’ny tarehin-javatra rehetra. Tsy avelan’izy ireo handrava ny firahalahiany maneran-tany ny politika sy ady mampizarazara eo amin’izao tontolo izao. ‘Nanefy ny sabany ho fangady izy ireo, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka.’ Tsy mianatra ady intsony koa izy ireo, satria tsy miditra amin’izany.—Isaia 2:3, 4; 2 Korintiana 10:3, 4.

14. Inona no manjo ny Vavolombelon’i Jehovah, noho izy ireo tsy naman’izao tontolo izao?

14 Inona no anisan’ny vokatry ny hoe tsy naman’izao tontolo izao? Hoy i Jesosy: “Satria tsy naman’izao tontolo izao hianareo, . . . dia halan’izao tontolo izao.” (Jaona 15:19) Maro ny Vavolombelon’i Jehovah nogadraina noho izy manompo an’Andriamanitra. Nisy nampijalina sy novonoina ho faty mihitsy, toy ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Nitranga izany, satria i Satana no “andriamanitr’izao tontolo izao”, ary miady amin’ny mpanompon’i Jehovah izay tsy naman’izao tontolo izao.—2 Korintiana 4:4; Apokalypsy 12:12.

15. a) Mizotra mankaiza izao ireo firenena, ary inona no halavirin’ny Vavolombelon’i Jehovah? b) Nahoana no tena raharaha lehibe ny hoe tsy naman’izao tontolo izao?

15 Faly ny mpanompon’i Jehovah satria tsy naman’izao tontolo izao. Mizotra mankany amin’ny farany ao Hara-magedona tokoa mantsy ireo firenena. (Daniela 2:44; Apokalypsy 16:14, 16; 19:11-21) Tsy hifarana toa azy ireo isika, satria tsy naman’izao tontolo izao. Manohana ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra hatrany isika vahoaka tafaray maneran-tany. Marina fa esoina sy enjehin’izao tontolo izao isika, satria tsy namany. Efa hitsahatra anefa izany, satria hopotehina mandrakizay ity tontolo ratsy fehezin’i Satana ity. Hiaina mandrakizay kosa ireo manompo an’i Jehovah, ka hofehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra ao amin’ny tontolo vaovao sy marina.—2 Petera 3:10-13; 1 Jaona 2:15-17.

Famerenana

• Ahoana no nampisehoan’i Jesosy ny zavatra tafiditra amin’ny hoe “tsy naman’izao tontolo izao”?

• Ahoana no fiheveran’ny Kristianina tany am-boalohany ny a) toe-tsain’izao tontolo izao? b) mpitondra sy d) ny fandoavan-ketra?

• Ahoana avy no nampisehoan’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny fa tsy naman’izao tontolo izao izy ireo?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 165]

Nanazava i Jesosy fa “tsy naman’izao tontolo izao” izy sy ny mpianany