Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana isika no tokony hahafantatra ny anaran’Andriamanitra

Nahoana isika no tokony hahafantatra ny anaran’Andriamanitra

Nahoana isika no tokony hahafantatra ny anaran’Andriamanitra

“IZAY rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena.” (Romana 10:13, MN) Raha nilaza izany i Paoly dia nampiseho hoe hatraiza no maha-zava-dehibe ny hahalalana ny anaran’Andriamanitra. Ny fanambarany dia mamerina antsika ho amin’ny fanontaniantsika voalohany hoe: Nahoana moa Jesosy no nanomboka ny Rainay, ilay vavaka izay tokony ho modely ho an’ireo mpianany, tamin’ny fangatahana ny ‘fanamasinana’ ny anaran’Andriamanitra? Noho ny antony inona no nametrahany an’io fangatahana io talohan’ny zavatra nitana ny saina hafa izay lehibe koa anefa? Raha irintsika ny hahafantatra izany dia tokony hohantomorintsika akaiky kokoa ny hevitr’ireo teny fototra roa.

Voalohany indrindra dia ny matoanteny hoe ‘manamasina’. Amin’ny heviny hentitra, ny dikany dia hoe “mahatonga ho masina”. Nefa moa ve tsy efa masina ny anaran’Andriamanitra? Marina tokoa fa izany no izy. Noho izany, rehefa manamasina izany isika, dia tsy mahatonga azy ho masina kokoa noho izay efa maha-izy azy. Raha ny marina, dia manaiky izany ho masina kosa isika amin’ny fanokanantsika izany sy amin’ny fiheverantsika azy amim-panajana lehibe. Araka izany, rehefa mivavaka isika mba hohamasinina ny anaran’Andriamanitra, dia eritreretintsika mialoha ny fotoana izay hanajan’ny zavaboary manontolo izany ho masina.

Avy eo dia ao ny teny hoe “anarana”. Manondro inona moa izy io, raha ny marina? Efa hitantsika fa manana anarana Andriamanitra, dia hoe Jehovah, ary hita inarivony maro izy io ao amin’ny Baiboly. Takatsika koa hoe hatraiza no maha-zava-dehibe ny hamerenana io anarana io eo amin’ny toerana tokony hisy azy ara-dalàna ao amin’ny Soratra masina. Raha tsy niseho tao tokoa izany, dia tena ho sarotra ny hanatanteraka ireto tenin’ny mpanao salamo manaraka ireto: “Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao; fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô.” — Salamo 9:10.

Kanefa, mba ‘hamantarana ny anaran’Andriamanitra’, ampy ve ny mahalala hoe YHWH no famaky azy amin’ny hebreo ary Jehovah amin’ny teny malagasy? Tsia, mitaky zavatra bebe kokoa izany. Rehefa teo an-tendrombohitra Sinay i Mosesy, “Jehovah [dia] nidina tao anatin’ny rahona ka nijanona teo aminy ary nanonona ny anaran’i Jehovah.” Inona moa no votoatin’izany fanambarana izany? Nahafaoka filazalazana an’ireo toetran’Andriamanitra izany. Ity misy teny nalaina avy amin’izany: “Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana.” (Eksodosy 34:5, 6). Fotoana fohy talohan’ny hahafatesany, dia mbola niteny tamin’ny Isiraelita i Mosesy hoe: “Fa ny anaran’i Jehovah no hotoriko”. Inona moa no ho votoatin’ny lahateny ampidirin’io fanambarana io? Ankalazain’i Mosesy ao ireo toetra mahatalanjon’ny Mpamorona ary ampahatsiahiviny izay nataony ho an’ny Isiraely noho ny anarany (Deoteronomia 32:3-43). Hita avy amin’izany fa mba hahafantarana ny anaran’Andriamanitra dia tokony hianarana izay asehony ary hivavahana Ilay mitondra izany.

Koa satria nampifamatorin’i Jehovah amin’ny anarany ny toetrany, ny fikasany ary ny asany, dia tsy mahagaga raha mampiseho an’io anarana io ho masina ny Baiboly (Levitikosy 22:32). Ankoatra izany, dia lazainy ho be voninahitra, lehibe, mahatahotra ary misandratra izany (Salamo 8:1; 99:3; 148:13). Tsy soratra apetaka fotsiny àry ny anaran’Andriamanitra. Mampahatsiaro ny tenany iray manontolo izany. Izany dia tsy anarana vonjimaika izay tokony hampiasaina mandritra ny fotoana kelikely ary avy eo dia hososohan’ny anaram-boninahitra toy ny hoe “Tompo”. Momba izany, dia efa namboraka izao tamin’i Mosesy ny Fisiana tampony: “Jehovah, (...) izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy hatramin’ny taranaka fara mandimby.” — Eksodosy 3:15.

Na dia hisahirana fatratra aza ny olona, dia tsy ho afaka na oviana na oviana hampanjavona ny anaran’Andriamanitra eo amin’ny planeta: “Fa hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany dia lehibe ny anarako any amin’ny jentilisa, ary any amin’ny tany rehetra no handoroana ditin-kazo manitra sy hanaterana fanatitra madio ho an’ny anarako; fa lehibe any amin’ny jentilisa ny anarako, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.” — Malakia 1:11; Eksodosy 9:16; Ezekiela 36:23.

Takatra avy amin’izany fa ny fanamasinana ny anaran’Andriamanitra no zava-dehibe indrindra ambony lavitra noho ny raharaha rehetra. Ny fikasana rehetran’ny Mpamorona tokoa dia akambana amin’ny anarany. Niantomboka ireo zava-manahirana ny olona rehefa naniratsira ny anaran’i Jehovah i Satana, tamin’ny firesahana ny amin’ny tompony tamin’ny fomba nahatonga hihevitra azy ho mpandainga sy tamin’ny fanipazan-teny fa tsy mendrika hanapaka ny taranak’olombelona izy (Genesisy 3:1-6; Jaona 8:44). Avy eo, dia tsy ho afaka tanteraka amin’ny vokatra mampidi-dozan’io lainga voalohany io ny mponina amin’ny tany raha tsy efa ho nohamarinina tanteraka ny anaran’Andriamanitra. Izany no antony ivavahan’ny kristiana amin-kafanam-po aoka izany ho an’ny fanamasinana an’io anarana io. Kanefa dia afaka manamasina izany koa ny tenan’izy ireo.

Ahoana no hanamasinana ny anaran’Andriamanitra?

Ny iray amin’ny fomba hanamasinana ny anaran’Andriamanitra dia ny firesahana an’i Jehovah sy ny fampisehoana ny Fanjakana nankininy tamin’i Jesosy Kristy ho ny hany fanantenan’ny olombelona (Apokalypsy 12:10). Amin’izao androntsika izao, dia maro no miezaka manao izany ary manatanteraka ity faminanian’i Isaia mpaminany ity: “Ary hiteny hianao amin’izany andro izany ka hanao hoe: Miderà an’i Jehovah, miantsoa ny anarany, ampahafantaro any amin’ny firenena ny asany. Ampahatsiarovy fa efa misandratra ny anarany. Mankalazà an’i Jehovah, fa asa lehibe no nataony; ary aoka ho fantatra any amin’ny tany rehetra izany.” — Isaia 12:4, 5.

Ilaina ihany koa ny mitandrina ny lalàna sy ny didin’Andriamanitra mba hanamasinana ny anarany. Nanambara tamin’ny firenen’Isiraely Jehovah fahiny hoe: “Ary tandremo ny didiko, ka araho izany; Izaho no Jehovah. Ary aza manamavo ny anarako masina; fa hohamasinina eo amin’ny Zanak’Isiraely Aho: Izaho no Jehovah.” — Levitikosy 22:31, 32.

Tamin’ny ahoana ny fankatoavan’ny Isiraelita ny Lalàna no nanamasina ny anaran’Andriamanitra? Aoka hotsahivintsika fa nomena azy ireo tamin’ny anaran’i Jehovah io Lalàna io. (Eksodosy 20:2-17). Koa tamin’ny fitandremana izany, izy ireo dia namerina ho an’io anarana io ny voninahitra sy ny fanajana tokony ho azy. Fanampin’izany, ny firenen’Isiraely dia nitondra tamin’ny fitambarany ny anaran’ny Mpamorona (Deoteronomia 28:10; II Tantara 7:14). Rehefa nanao zavatra tamin’ny fomba nety àry ireo mpikambana tao aminy, ny fiderana dia niakatra ho an’ny Mpamorona, tsy misy hafa amin’ny fitondrantena tsaran’ny zanaka iray misy vokany eo amin’ny Rainy.

Mifanohitra amin’izany, rehefa niodina tamin’ny Lalàna ny Isiraelita, dia nanala baraka ny anaran’ny Fisiana tampony. Araka izany dia hazavain’ny Baiboly fa ny fahotan’izy ireo, toy ny fanatitra ho an’ny sampy, ny fianianan-tsy to, ny fampahoriana ny mahantra ary ny fijangajangana dia ‘nandoto’ ny anaran’Andriamanitra. — Levitikosy 18:21; 19:12; Jeremia 34:16; Ezekiela 43:7.

Nandray didy tamin’ny anaran’Andriamanitra koa ireo kristiana. (Jaona 8:28) Etsy an-danin’izany, dia mahaforona ‘vahoaka ho an’ny anaran’i Jehovah’ izy. (Asan’ny apostoly 15:14, MN.) Noho izany, ireo izay mivavaka amim-pahatsorana ho an’ny fanamasinana ny anaran’Andriamanitra dia hitandrina mba hanamasina koa io anarana io eo amin’ny fiainany amin’ny fanatanterahana ny didy rehetran’ny tompony (I Jaona 5:3). Ilain’izy ireo indrindra ny manaiky ireo fepetra nomen’i Jesosy, ilay Zanak’Andriamanitra, izay nanome voninahitra hatrany ny Rainy. — Jaona 13:31, 34; Matio 24:14; 28:19, 20.

Ny omalin’ny hamonoana azy, dia nasehon’i Kristy ny tena tokony hiheveran’ny kristiana ho zava-dehibe ny anaran’Andriamanitra. Rehefa avy niteny tamin’ny Rainy izy hoe: “Ary efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany”, dia nanome izao fanazavana izao: “mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ho ao aminy.” (Jaona 17:26) Ankoatra ny zavatra hafa, ny mpianatra dia nianatra nahafantatra ny anaran’Andriamanitra noho izy nahatsapa manokana ireo vokatry ny fitiavany. Nosokafan’i Jesosy ho azy ireo ny fahatsinjovana hahafantatra marina tokoa an’Andriamanitra sy hahita azy ho Ray be fitiavana. — Jaona 17:3.

Ary ianao?

Nandritra ny fivoriana iray nataon’ny apostoly sy ny loholona tany Jerosalema tamin’ny taonjato voalohany, dia nanambara toy izao i Jakoba mpianatra: “Simeona efa nanambara izay nitsinjovan’Andriamanitra ny jentilisa tamin’ny voalohany hanalany olona aminy hankalazana ny [ho an’ny, MN] anarany.” Nefa ahoana no hahatongavanao ho vahoaka angonin’Andriamanitra “ho an’ny anarany” raha mandà tsy hampiasa na hitondra io anarana io ianao? — Asan’ny apostoly 15:14.

Marina fa maro no tsy tia ny mampiasa ny anaran’i Jehovah. Mpandika tenin’ny Baiboly maro aza no nanaisotra izany tao amin’ny fandikan-teniny. Na dia izany aza, dia lehilahy sy vehivavy an-tapitrisany maro maneran-tany no nanaiky tamim-pifaliana ny tombontsoa hitondra ny anaran’ny Mpamorona, hampiasa izany eo amin’ny fanompoam-pivavahany sy eo amin’ny resadresaka ataony isan’andro ary hampahafantatra izany amin’ny namany. Raha misy olona miresaka ny amin’ilay Andriamanitry ny Baiboly amin’ny fiantsoana azy hoe Jehovah, hakambanao amin’ny antoko ara-pivavahana inona moa izy? Ny hany mampiasa tsy tapaka ny anaran’Andriamanitra eo amin’ny fanompoam-pivavahany, toa an’ireo olo-mahatoky tamin’ny andro fahiny, dia ny Vavolombelon’i Jehovah.

Raha ny marina ny anaran’izy ireo mihitsy, izay notsoahina avy ao amin’ny Baiboly, dia efa mampahafantatra azy sahady ho ny vahoaka tafangona ‘ho an’ny anaran’Andriamanitra’. Mirehareha ny amin’izany izy ireo, satria Jehovah no nanome izany ho an’ireo tena mpanompony. Izao tokoa no vakintsika ao amin’ny Isaia 43:10: “Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiko”. Iza moa no niresahan’Andriamanitra ao amin’io andalan-teny io? Mba hahalalana izany, dia aoka hodinihintsika ny teny manodidina avy hatrany.

Eo amin’ny andininy faha-5 ka hatramin’ny faha-7 amin’io toko io ihany, dia nanambara toy izao Isaia: “Aza matahotra, fa momba anao Aho; hitondra ny taranakao avy any atsinanana Aho, ary avy any andrefana no hanangonako anao; ny avaratra hilazako hoe: Avoahy, ary ny atsimo hoe: Aza hazonina; alao ny zanako-lahy avy lavitra sy ny zanako-vavy avy any amin’ny faran’ny tany, dia izay rehetra antsoina amin’ny anarako sady nohariko ho voninahitro, dia izay noforoniko sy nataoko.” Amin’izao androntsika izao, io faminaniana io dia tanteraka eo amin’ireo izay nalain’Andriamanitra avy tamin’ny firenena rehetra mba hidera azy sy hanao fanambarana ho azy. Manomboka hatreo, dia tsy hoe manondro fotsiny ny Mpamorona ilay anarana tsara indrindra, fa mandray anjara koa izany amin’ny androntsika mba hamantarana an’ireo tena mpanompony eto an-tany.

Ny soa miandry an’ireo izay mahafantatra ny anaran’Andriamanitra

Miaro an’ireo izay tia ny anarany Jehovah. Izao no nambarany tamin’ny alalan’ny mpanao salamo iray: “Satria Izaho no niraiketan’ny fitiavany, dia hamonjy azy Aho; hanandratra azy ho any amin’ny avo Aho, satria mahalala ny anarako izy.” (Salamo 91:14). Fanampin’izany dia tsy hadinony izy ireo. “Ary tamin’izany izay natahotra an’i Jehovah dia samy niresaka tamin’ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an’i Jehovah sy mihevitra ny anarany.” — Malakia 3:16.

Noho izany, ny soa miandry an’ireo izay mahafantatra sy tia ny anaran’i Jehovah dia tsy voafetra ho amin’ny fiainana ankehitriny. Ny Mpamorona tokoa mantsy dia nampanantena ny olombelona mahatoky fahasambarana mandrakizay eo amin’ny tany paradisa. Teo ambany tsindrimandrin’Andriamanitra, dia nanoratra i Davida hoe: “Fa ny mpanao ratsy hofongorana; ary izay miandry an’i Jehovah no handova ny tany. Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; handinika ny fonenany hianao fa tsy ho hita izy. Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” — Salamo 37:9-11.

Ahoana no hahatanterahan’io fanambarana io? Tsy nafenin’i Jesosy antsika izany. Ao amin’ilay vavaka faka tahaka, rehefa avy niteny izy hoe “Hohamasinina anie ny anaranao.” dia nanampy hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:9, 10). Marina tokoa fa ny Fanjakan’Andriamanitra izay nankinina tamin’i Jesosy Kristy dia hanamasina ny anaran’Andriamanitra ary hamerina toe-piainana tsara eto amin’ny planetantsika. Hanaisotra tsy ho eo ny faharatsiana izy ary hampanjavona mandrakizay ny ady, ny heloka bevava, ny mosary, ny aretina ary ny fahafatesana. — Salamo 46:8, 9; Isaia 11:9; 25:6; 33:24; Apokalypsy 21:3, 4.

Noho io Fanjakana io, dia miankina aminao sisa ny hahavelomanao mandrakizay. Ilainao amin’izany ny manana fahalalana an’Andriamanitra. “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3). Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hanampy anao hahazo izany fahalalana mamelona izany. — Asan’ny apostoly 8:29-31.

Antenainay fa ireo filazalazana aseho ato amin’ity bokikely ity dia ho nampiaiky anao fa ny Mpamorona dia manana anarana manokana izay heveriny ho misy vidiny tokoa ka tokony hohajainao fatratra koa. Irinay amin’ny fo rehetra ny hahatakaranao, dia ianao koa, hoe hatraiza ny ilàna hahafantatra sy hampiasa io anarana io, indrindra eo amin’ny fanompoam-pivavahanao.

Enga àry anie ianao ho tapa-kevitra ny hampiaraka ny feonao amin’ity fanambarana mampahery avy amin’i Mika mpaminany ity, taonjato maro lasa izay: “Fa ny firenena rehetra samy mandeha amin’ny anaran’ny andriamaniny avy; fa isika kosa dia handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria.” — Mika 4:5.

[Teny notsongaina, pejy 28]

Mba ‘hahalalana ny anaran’Andriamanitra’, dia tsy ampy ny mahafantatra hoe Jehovah no anaran’izy io.

[Teny notsongaina, pejy 30]

Ny anaran’i Jehovah dia ‘be voninahitra, lehibe, mahatahotra ary misandratra’. Mifamatotra amin’ny fikasany rehetra izany.

[Efajoro, pejy 29]

Tao amin’ny lahatsoratra iray navoakan’ny Anglican Theological Review (oktobra 1959), dia nasehon’i Walter Lowrie ny antony tena ilàna hahafantatra ny anaran’Andriamanitra. Nanoratra izy hoe: “Eo amin’ny fifandraisan’olombelona, dia tena zava-dehibe ny hahafantarana ny anarana manokan’ny olona, na ireo izay tiana izany, na ireo iresahana, na ireo resahina. Tsy misy hafa amin’izany ihany koa ny amin’ny fifandraisana eo amin’ny olombelona sy Andriamanitra. Ny olona izay tsy mahafantatra an’Andriamanitra amin’ny anarany dia tsy mahatsapa marina tokoa hoe persona iray izy io. Tsy manana fifandraisana am-bava aminy izy (izany no tokony ho votoatin’ny vavaka), ary tsy afaka ny ho tia azy izy raha mbola mihevitra azy ho toy ny hery tsy manana ny maha-izy azy fotsiny.”