Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny anaran’Andriamanitra sy ireo mpandika tenin’ny Baiboly

Ny anaran’Andriamanitra sy ireo mpandika tenin’ny Baiboly

Ny anaran’Andriamanitra sy ireo mpandika tenin’ny Baiboly

RAHA vao teo am-piandohan’ny taonjato faharoa, taorian’ny nahafatesan’ny farany tamin’ny apostoly, ny fialana amin’ny finoana kristiana nambaran’i Jesosy sy ny mpianany dia nanomboka niharihary. Tafatsofoka tao amin’ny kongregasiona ny filozofia sy ny fampianaran’ny mpanompo sampy; nipoitra ny fitokoana sy ny fisarahana, ka voaloto ny fahadiovan’ny finoana tany am-piandohana. Ary tsy nampiasaina intsony ny anaran’Andriamanitra.

Raha mbola niely izany kristianisma niala tamin’ny marina izany, dia hita fa nilaina ny handikana ny Baiboly avy amin’ny teny hebreo sy ny grika nanoratana azy tany am-boalohany ho amin’ny fiteny hafa. Ahoana no nandikan’ireo mpandika teny ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny fandikan-teniny? Amin’ny ankapobeny, dia nampiasa ny teny hoe “Tompo” izy ho solony. Ny fandikana tena nanan-kery iray tamin’izany fotoana izany dia ny Vulgate latine, fandikan-tenin’ny Baiboly nataon’i Jérôme ho amin’ny latina fiteny isan’andro. Ny Tetragrama (YHWH) dia nosoloan’i Jérôme hoe Dominus, izay ny dikany dia hoe “Tompo”.

Farany, dia nanomboka nipoitra tany Eoropa ny fiteny vaovao, toy ny teny frantsay sy anglisy ary espaniola. Kanefa ny Baiboly katolika dia tsy nampirisika ny fandikana ny Baiboly ho amin’ireo fiteny vaovao ireo. Araka izany, raha mbola nanda tsy hanonona ny anaran’Andriamanitra ireo Jiosy nampiasa ny Baiboly tamin’ny fiteny hebreo tany am-piandohana rehefa nahita izany, ny ankamaroan’ny “kristiana” dia nandre ny Baiboly novakina tamin’ny fandikan-teny latina izay tsy nampiasa ilay anarana.

Rehefa nandeha ny fotoana, dia naverina nampiasaina indray ny anaran’Andriamanitra. Tamin’ny 1278, izany dia naseho tamin’ny teny latina tao amin’ny boky hoe Pugio fidei (Lefom-pohin’ny finoana) nataon’i Raymundus Martini, moanina espaniola. Nampiasa ny endriny hoe Yohoua * i Raymundus Martini. Tsy ela taorian’izay, tamin’ny 1303, i Porchetus de Salvaticis dia nahavita boky mitondra ny lohateny hoe Victoria Porcheti adversus impios Hebraeos (Ny fandresen’i Porchetus an’ireo Hebreo ratsy fanahy). Ao amin’izany koa izy dia milaza ny anaran’Andriamanitra, manoratra izany amin’ny fomba samihafa, Iohouah, Iohoua, ary Ihouah. Avy eo, tamin’ny 1518, Petrus Galatinus dia namoaka boky mitondra ny lohateny hoe De arcanis catholicae veritatis (Momba ireo zava-miafin’ny fahamarinana manerana izao rehetra izao) ka ao amin’izany ny anaran’Andriamanitra dia soratany hoe Iehoua.

Niseho voalohany ilay anarana tao amin’ny Baiboly anglisy tamin’ny 1530, rehefa namoaka fandikana ny boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly i William Tyndale. Nampiditra matetika tao amin’izany ny anaran’Andriamanitra tamin’ny endriny hoe Yehouah izy, ao amin’andininy maromaro, Genesisy 15:2; Eksodosy 6:3; 15:3; 17:16; 23:17; 33:19; 34:23; Deoteronomia 3:24. Nampidirin’i Tyndale koa ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Ezekiela 18:23 sy 36:23, ao amin’ireo fandikan-teniny izay nanampy tao amin’ny faran’ny The New Testament, Antwerp, 1534 ary tao amina fanamarihana amin’io fanontàna io, dia hoy ny nosoratany: “Iehovah no anaran’Andriamanitra (...) Fanampin’izany, isaky ny mahita ny teny hoe TOMPO amin’ny sora-baventy ianareo (raha tsy noho ny fahadisoam-pirinty fotsiny), dia Iehovah izany amin’ny teny hebreo.” Avy amin’io fanao io no nipoiran’ny fampiasana ny anaran’i Jehovah eo amin’ny andalan-teny vitsivitsy monja sy ny fanoratana hoe “TOMPO” na “ANDRIAMANITRA” ao amin’ny ankamaroan’ny toeran-kafa izay itrangan’ny Tetragrama ao amin’ny soratra hebreo.

Tamin’ny 1611 no namoahana ny Authorized Version, ny fandikan-teny anglisy nampiasaina be indrindra. Ao amin’izany dia miseho inefatra ilay anarana ao amin’ny soratra. (Eksodosy 6:3; Salamo 83:18; Isaia 12:2; 26:4) Ny hoe “Jah”, fanafohezana ara-poezia an’ilay anarana, dia hita tao amin’ny Salamo 68:4. Ary ilay anarana dia niseho tamin’ny fomba feno tao amin’anaran-toerana toy ny hoe “Jehovah-jire”. (Genesisy 22:14; Eksodosy 17:15; Mpitsara 6:24) Kanefa, ho fanarahana ny ohatr’i Tyndale, ireo mpandika teny, tamin’ny ankabeazan’ny toe-javatra, dia nanolo ny anaran’Andriamanitra tamin’ny hoe “TOMPO” na “ANDRIAMANITRA”. Nefa raha afaka miseho ao amin’ny andininy efatra ny anaran’Andriamanitra, nahoana izany no tsy afaka hiseho ao amin’ny andininy an’arivony maro hafa rehetra izay mirakitra izany ao amin’ny teny hebreo tany am-boalohany?

Misy zavatra mitovitovy amin’izany nitranga tamin’ny fiteny alemanina. Tamin’ny 1934 i Martin Luther dia namoaka ny fandikany tenin’ny Baiboly manontolo, izay naoriny tamin’ireo fiteny tany am-boalohany. Noho ny antony tsy fantatra dia tsy nampidiriny ny anaran’Andriamanitra fa nampiasa solony izy, toy ny hoe HERR (“TOMPO”). Kanefa, fantany ny amin’ny anaran’Andriamanitra, satria tao amin’ny toriteny iray momba ny Jeremia 23:1-8 izay nataony tamin’ny 1526, dia nilaza izy hoe: “Izany anarana hoe Jehovah, Tompo izany, dia an’ilay Andriamanitra marina irery ihany.”

Tamin’ny 1543 dia nanoratra tamim-pahatsorana miavaka i Luther hoe: “Raha milaza izy ireo [ny Jiosy] izao fa tsy azo tononina ny anaran’i Jehovah, dia tsy fantany izay resahiny (...) Raha azo soratana amin’ny penina sy ny ranomainty izany, nahoana no tsy ho azo tononina, dia zavatra izay tsara lavitra noho ny fanoratana amin’ny penina sy ny ranomainty? Nahoana izy ireo no tsy miantso izany koa hoe tsy azo soratana, tsy azo vakina na tsy azo saintsainina? Rehefa dinihina ny zava-drehetra, dia misy zavatra tsy azo hamarinina.” Na izany aza anefa, dia tsy nanitsy ny toe-javatra tao amin’ny fandikany ny Baiboly i Luther. Taona maro tatỳ aoriana anefa, ny Baiboly alemanina hafa dia nirakitra ilay anarana ao amin’ny andalan-teny ao amin’ny Eksodosy 6:3.

Tao anatin’ireo taonjato nisesy, ireo mpandika tenin’ny Baiboly dia nandeha tamin’ny iray amin’ny lalana roa. Ny sasany dia nanalavitra izay mety ho fampiasana ny anaran’Andriamanitra, ny hafa kosa nampiasa izany be dia be tao amin’ny Soratra hebreo, na tamin’ny endriny hoe Jehovah, na tamin’ny endriny hoe Yahweh. Andeha isika handinika fandikan-teny roa izay nanalavitra ilay anarana sy hijery hoe nahoana no nanao izany ireo mpandika teny.

Nahoana no nanaisotra izany izy ireo

Rehefa namoaka fandikan-tenin’ny Baiboly ankehitriny i J. M. Powis Smith sy Edgar J. Goodspeed tamin’ny 1935, ireo mpamaky dia nahita fa nampiasaina ny hoe TOMPO sy ANDRIAMANITRA tamin’ny toerana maro ho solon’ny anaran’Andriamanitra. Hazavaina ao amin’ny sasin-teny ny antony: “Ao amin’ity fandikan-teny ity izahay dia nanaraka ny lovantsofina ortodoksa jiosy ary nosoloanay hoe ‘ny Tompo’ ny anarana hoe ‘Yahweh’ ary [nosoloanay] ny fombam-pitenenana hoe ‘ny Tompo Andriamanitra’ ny fombam-pitenenana hoe ‘ny Tompo Yahweh’. Amin’ny toe-javatra rehetra ampisehoan’ny hoe ‘Tompo’ na ‘Andriamanitra’ ny ‘Yahweh’ tany am-boalohany dia ampiasaina ny soratra kapitaly madinika.

Avy eo, ao amin’ny fitsimbadihana tsy mahazatra amin’ny lovantsofin’ny Jiosy izay mamaky hoe YHWH nefa manonona izany hoe “Tompo”, ny sasin-teny dia milaza hoe: “Noho izany, na iza na iza maniry hihazona ny hanitry ny teny tany am-boalohany dia mila mamaky fotsiny hoe ‘Yahweh’ isaky ny mahita hoe TOMPO na ANDRIAMANITRA”!

Rehefa mamaky izany, dia tonga avy hatrany ao an-tsaina ny fanontaniana hoe: Raha mihazona ny “hanitry ny teny tany am-boalohany” ny famakiana hoe “Yahweh” fa tsy “TOMPO”, nahoana ireo mpandika teny no tsy nampiasa ny hoe “Yahweh” ao amin’ny fandikan-teniny? Nahoana izy ireo, amin’ny fiteniny manokana, no ‘nanolo’ amin’ny teny hoe “TOMPO” ny anaran’Andriamanitra ka amin’izany dia nanamatroka ny hanitry ny teny tany am-boalohany?

Milaza ireo mpandika teny fa nanaraka ny lovantsofina ortodoksa jiosy izy. Kanefa fahendrena ve izany ho an’ny kristiana? Tsarovy fa ny Fariseo, ireo mpitahiry ny lovantsofina ortodoksa jiosy, no nanda an’i Jesosy ary nilazany hoe: “Koa dia foananareo ny tenin’Andriamanitra noho ny fampianarana [lovantsofina, MN] voatolotra anareo.” (Matio 15:6) Ny fanoloana toy izany dia manalefaka marina tokoa ny Tenin’Andriamanitra.

Tamin’ny 1951 dia navoaka amin’ny teny anglisy ny Revised Standard Version avy tamin’ny Soratra hebreo, ary io Baiboly io koa dia nampiasa solony ho an’ny anaran’Andriamanitra. Mendrika homarihina izany satria ny American Standard Version, izay fanavaozana azy io, dia nampiasa ny anarana hoe Jehovah ao amin’ny Soratra hebreo manontolo. Araka izany, ny fanesorana ilay anarana dia fiaingana niavaka. Nahoana no natao izany?

Ao amin’ny sasin-teny amin’ny Revised Standard Version, dia mamaky isika hoe: “Noho ny antony roa ny Komity dia niverina ho amin’ny fampiasana mahazatra kokoa ny King James Version [izany hoe, ny fanesorana ny anaran’Andriamanitra]: 1) ny teny hoe ‘Jehovah’ dia tsy mampiseho marina tokoa izay mety ho endrik’ilay Anarana nampiasaina tamin’ny teny hebreo; ary 2) ny fampiasana anarana manokana mba hanondroana ny Andriamanitra tokana sy miavaka, toy ny hoe misy andriamanitra hafa izay tsy maintsy nampiavahana azy, dia natsahatra tao amin’ny jodaisma talohan’ny andro kristiana ary tsy mety tanteraka ho an’ny finoana manerana izao rehetra izao an’ny Eglizy kristiana.”

Fanaporofoan-kevitra mafy orina ve ireo? Eny, araka ny naseho taloha kokoa, ny anaran’i Jesosy dia tsy mampiseho marina tokoa ny endriny tany am-boalohany amin’ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra nampiasain’ireo mpianany. Kanefa izany dia tsy nampiaiky ilay Komity hanalavitra ny fampiasana io anarana io ka hampiasa ho solony, anaram-boninahitra toy ny hoe “Mpanalalana” na “Kristy”. Marina fa ireo anaram-boninahitra ireo dia ampiasaina, nefa ho fanampin’ny anarana hoe Jesosy, fa tsy ho solony.

Fa raha ny hevitra hoe tsy misy andriamani-kafa izay tokony hampiavahana ilay Andriamanitra marina, izany dia tsy marina tanteraka. Misy andriamanitra an-tapitrisany maro ivavahan’ny olombelona. Nanamarika ny apostoly Paoly hoe: “Misy andriamanitra maro”. (I Korintiana 8:5; Filipiana 3:19) Mazava ho azy fa tokana ihany ny Andriamanitra marina, araka ny tohin’ny tenin’i Paoly. Noho izany, ny tombony lehibe iray amin’ny fampiasana ny anaran’Andriamanitra dia ny fihazonana azy hiavaka amin’ny andriamani-diso rehetra. Fanampin’izany, raha ohatra ny fampiasana ny anaran’Andriamanitra ka “tsy mety tanteraka”, nahoana izy io no miseho efa ho im-7000 ao amin’ny Soratra hebreo tany am-boalohany?

Ny marina dia izao, mpandika teny maro no tsy nihevitra fa ilay anarana, miaraka amin’ny fanononana azy ankehitriny, dia tsy manan-toerana ao amin’ny Baiboly. Nampiditra izany tao amin’ny fandikan-teniny izy ireo, ary ny vokany hatrany dia fandikan-teny izay manome voninahitra bebe kokoa ilay Loharanon’ny Baiboly ary mifikitra amim-pahatokiana kokoa amin’ny soratra tany am-boalohany. Ny fandikana sasany ampiasaina be tokoa izay mampiasa ilay anarana dia ny fandikan-teny Valera (espaniola, navoaka tamin’ny 1602), ny fandikan-teny Almeida (portiogay, navoaka tamin’ny 1681), ny fandikan-teny voalohany Elberfelder (alemanina, navoaka tamin’ny 1871), ary koa ny American Standard Version (anglisy, navoaka tamin’ny 1901). Ny fandikan-teny sasany, indrindra fa ny Jerusalem Bible, dia mampiasa be koa ny anaran’Andriamanitra nefa amin’ny fanoratana hoe Yahweh.

Vakio izao ny fanamarihan’ny mpandika teny sasany izay nampiditra ilay anarana ao amin’ny fandikan-teniny ary ampitahao amin’ny an’ireo izay nanaisotra izany ny famakafakany.

Nahoana ny hafa no nampiditra ilay anarana

Izao no fanazavan’ireo mpandika ny American Standard Version navoaka tamin’ny 1901: “[Ireo mpandika teny] dia tonga tamin’ny fiaraha-miaiky fa ny finoanoampoana jiosy iray, izay nihevitra ny Anaran’Andriamanitra ho masina loatra ka tsy azo tononina, dia tsy tokony hanapaka intsony eo amin’ny fandikana amin’ny teny anglisy na amin’ny teny hafa ny Testamenta Taloha (...) Io anarana fahatsiaro io, hazavaina ao amin’ny Eks. iii. 14, 15 ary antitranterina ho toy izany hatrany hatrany ao amin’ny soratra tany am-boalohan’ny Testamenta Vaovao, dia manondro an’Andriamanitra ho ilay Andriamanitra manokana, ho Andriamanitry ny fanekena, Andriamanitry ny fanambarana, ilay Mpanafaka, ilay Sakaizan’ny vahoakany (...) Io anarana manokana io, miaraka amin’ny fahatsiarovana maro be mifamatotra aminy, dia averina ankehitriny ao amin’ny soratra masina izay ananany toerana tsy azo iadian-kevitra.”

Toy izany koa, ao amin’ny sasin-teny amin’ny Eberfelder Bibel alemanina tany am-boalohany dia mamaky isika hoe: “Jehova. Nohazoninay io anaran’ilay Andriamanitry ny Fanekena an’ny Isiraely io satria zatra izany ny mpamaky nandritra ny taona maro.”

Steven T. Byington, mpandika ny Bible in Living English, dia manazava ny antony ampiasany ny anaran’Andriamanitra: “Tsy ny fanoratana na ny fanononana no tena zava-dehibe. Ny tena zava-dehibe dia ny hahafantarana mazava fa anarana manokana izany. Misy andalan-teny maromaro tsy mety ho takatra amin’ny fomba tsara raha adikantsika amin’anarana iombonana toy ny hoe ‘Tompo’ io anarana io, na, ny mbola ratsiratsy kokoa, amina mpamaritra anarana novana ho anarana [ohatra, ny Mandrakizay].

Mahaliana koa ny fandikan-teny hafa iray, dia ny an’i J. B. Rotherham. Nampiasa ny anaran’Andriamanitra izy ao amin’ny fandikan-teniny, nefa tiany kokoa ny endriny hoe Yahweh. Kanefa, tao amin’ny bokiny iray tatỳ aoriana atao hoe Studies in the Psalm (Fianarana ny Salamo), navoaka tamin’ny 1911, dia niverina amin’ny endriny hoe Jehovah izy. Nahoana? Manazava izy hoe: “JEHOVAH: Raha nampiasa io endriny anglisy amin’ilay anarana fahatsiaro io izahay (Eks. 3:18) ao amin’ny fandikana ankehitriny ny Salamo, dia tsy hoe satria nisalasala izahay fa ny fanononana hoe Yahweh dia marina kokoa. Izany kosa eto dia safidy manokana miorina amin’ny fiheverana azo ampiharina. Mihevitra mantsy izahay fa tsaratsara koa ny hifandraisana hatrany amin’ny sofina sy ny mason’ny vahoaka amin’ny raharaha iray karazan’izany. Ny zava-dehibe indrindra, dia ny hahafahana mora foana mahafantatra ny anaran’Andriamanitra.”

Ao amin’ny Salamo 34:3 dia alefa ho an’ny mpanompon’i Jehovah izao antso manaraka izao: “Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika.” Nefa ahoana moa no ahafahan’ireo izay mamaky ny Baiboly amin’ny fandikan-teny anesorana ny anaran’Andriamanitra, mamaly amin’ny fomba feno izany fanasana izany? Soa ihany ny mpandika teny sasany fa mba nanana herim-po ihany nampiasa ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny Soratra hebreo mba hiarovana izay nantsoin’i Smith sy Goodspeed hoe “ny hanitry ny soratra tany am-boalohany”.

Kanefa, ny ankamaroan’ny fandikan-teny, anisan’izany ireo izay mampiseho ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Soratra hebreo, dia manaisotra izany ao amin’ny Soratra grika kristiana na “Testamenta Vaovao”. Nahoana? Moa ve misy antony ara-drariny hamerenana koa ny anarana manokan’Andriamanitra ao amin’io tapany faharoa amin’ny Baiboly io?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Ny fanontana hafa amin’i boky i niseho taonjato vitsivitsy tatỳ aoriana dia hampiseho ny anaran’Andriamanitra amin’ny endriny hoe Jehova.

[Teny notsongaina, pejy 17]

Ireo mpandika ny Authorized Version dia tsy nihazona ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah afa-tsy ao amin’ny andininy efatra. Hatraiza hatraiza izany dia nosoloany tamin’ny teny hoe ANDRIAMANITRA na TOMPO.

[Teny notsongaina, pejy 22]

Raha “tsy misy ifandraisana amin’ny finoana” ny fampiasana ny anaran’Andriamanitra, nahoana izy io no miverina efa ho im-7000 ao amin’ny soratra hebreo ao amin’ny Baiboly?

[Efajoro/Sary, pejy 21]

Fankahalana ny anaran’ Andriamanitra ve?

Amin’izao fotoana izao aloha, dia tsy misy fandikana maoderina ny Baiboly amin’ny teny “afrikaans” (ny fitenin’ireo Afrikana Tatsimo manana fiaviana holanday) mirakitra ny anaran’ Andriamanitra. Mety toa hahagaga izany, satria fandikan-teny maro nosoratana amin’ireo fitenim-poko atsy Afrika Atsimo no zatra mampiasa izany. Aoka hojerentsika àry ny anton’izany toe-javatra tsy manara-dalàna izany.

Tamin’ny 24 aogositra 1878, nandritra ny fivorian’ny Fikambanan’ny tena “Afrikaners” (G.R.A.), dia maro no nangataka ny hanombohana ny fandikana ny Baiboly amin’ny teny “afrikaans”. Enin-taona tatỳ aoriana dia niverina nipoitra indray ilay raharaha, hany ka tamin’ny farany dia noraisina ny fandaharana mba handikana ny Baiboly avy amin’ireo fiteny tany am-boalohany. Izany asa izany dia nankinina tamin’i S. du Toit, tompon’andraikitra amin’ny fanabeazana any Transval.

Tao amin’ny taratasy iray nalefa ho azy momba izany, dia naharay izao toromarika manaraka izao i S. du Toit: “Havela amin’izao ny anarana manokan’ny Tompo, Jehovah na Jahve, na aiza na aiza isehoany, ka tsy hadika izany [izany hoe: tsy hosoloana ny teny hoe ‘Tompo’ na ‘Andriamanitra’].” Mifanaraka amin’io toromarika io, S. du Toit dia nandika boky fito ao amin’ny Baiboly tamin’ny fitehirizana ny anaran’Andriamanitra amin’ny endriny hoe Jehovah isaky ny nahita izany izy.

Boky hafa any Afrika Atsimo koa no nirakitra ny anaran’Andriamanitra. Ohatra, ao amin’ny boky De Korte Catechismus (Katekisma voafintina, 1914) nataon’i J. Malherbe, dia nahitana izao fanontaniana izao: “Iza no anarana lehibe indrindran’Andriamanitra?” Izao no valiny: “Jehovah; ao amin’ny Baibolintsika, dia aseho amin’ny hoe TOMPO izy io, amin’ny litera kapitaly. Tsy nomena zavaboary na iza na iza io [anarana] io.

Ao amin’ny Die Katkisasieboek (katekisma natontan’ny Fikambanan’ny Fiangonana nohavaozina holanday atsy Afrika Atsimo ho an’ny sekoly alahady), dia novakina izao manaraka izao: “Tsy azo ampiasaina mihitsy àry ve ny anarana hoe Jehovah na TOMPO? Izany no inoan’ny Jiosy (...). Nefa tsy izany no hevitry ny didy (...). Azo atao ny mampiasa ny anarany, raha tsy ataotao foana izany.” Tsy ela ihany koa, ao amin’ny fitambaran-kira mitondra ny lohateny hoe Die Halleluja dia nirakitra ny anaran’i Jehovah ny hira sasany.

Tsy nahafaly ny rehetra anefa ny fandikan-tenin’i S. du Toit, hany ka nankinina tamin’ny komity iray tamin’ny 1916 ny fanaraha-maso ny fandikana ny Baiboly amin’ny teny “afrikaans”. Kanefa ilay komity voalaza dia nametra ho fitsipika ny fampanjavonana ny anarana hoe Jehovah ao amin’ny Soratra masina. Tamin’ny 1971, ny Fikambanana ara-Baiboly atsy Afrika Atsimo dia namoaka “fandikana vonjimaika” ny boky sasantsasany ao amin’ny Baiboly. Voaresaka tsara tao amin’ny sasin-teny ny anaran’Andriamanitra, nefa tsy hita na taiza na taiza tao amin’ny soratra. Tamin’ny 1979 dia tokony hiseho ny fandikana vaovao ny “Testamenta Vaovao” sy ny Salamo izay nanao toy izany koa ny anaran’Andriamanitra.

Ankoatra izany, nanomboka tamin’ny 1970 dia nesorina tamin’ny boky Die Halleluja izay mety ho firesahana ny anaran’i Jehovah. Raha ny amin’ny fanaovana pirinty fahenina ny fanontana nohavaozina amin’ny Katkisasieboek navoakan’ny Fiangonana nohavaozina holanday atsy Afrika Atsimo, dia tsy miresaka intsony ny anaran’Andriamanitra izany.

Afa-tsy izany koa, dia tsy voafetra ho amin’ny faritry ny boky ireo fiezahana natao hanafoanana ny teny hoe Jehovah. Ny tempoly iray an’ny Fiangonana nohavaozina holanday any Paarl dia nitondra teo amin’ny vato fehizoro iray ny soratra hoe JEHOVAH JIREH (“Hanome Jehovah”). Ny sarin’io tempoly io sy ny vatony nosokirina dia navoaka tao amin’ny Réveillez-vous!, fanontana amin’ny teny “afrikaans” tamin’ny 22 oktobra 1974. Hatramin’izay, ilay vato fehizoro dia nosoloana hafa iray, izay mitondra ny soratra hoe DIE HERE SAL VOORSIEN (“Hanome ny TOMPO”). Tsy niova ny fakàn-teny ao amin’ny Baiboly sy ny daty voasoratra eo amin’ny vato, nefa tsy eo intsony ny anaran’i Jehovah.

Noho izany, amin’izao andro izao dia “Afrikaners” maro no tsy mahalala hatramin’ny fisian’ny anaran’Andriamanitra. Tsy tian’ireo mpino vitsy dia vitsy mahalala izany ny mampiasa azy. Ny sasany aza manohitra izany tsotra izao. Mino mafy izy ireny fa Andriamanitra dia antsoina hoe TOMPO ary miampanga ny Vavolombelon’i Jehovah ho namorona tsotra fotsiny izao ny anarana hoe Jehovah izy.

[Sary]

Tempoly iray an’ny Fiangonana nohavaozina holanday any Paarl, atsy Afrika Atsimo. Voasokitra teo amin’ny vato fehizoro ny anarana hoe Jehovah (ambony ankavanana), nefa tsy hita eo intsony izany (ambony ankavia).

[Sary, pejy 18]

Tamin’ny 1278, ny anaran’Andriamanitra dia miseho amin’ny endriny hoe Yohoua ao amin’ny boky hoe Pugio fidei, araka ny asehon’io sora-tanana tamin’ny taonjato faha-13 na faha-14 voatahiry ao amin’ny fitehirizam-bokin’i Sainte-Geneviève, any Paris, Frantsa, io (folio 162b).

[Sary, pejy 19]

Ao amin’ny fandikany ny boky dimy voalohany amin’ny Baiboly navoaka tamin’ny 1530, William Tyndale dia nampiasa ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Eksodosy 6:3. Manome fanazavana momba io lafiny io izy ao amin’ny fanamarihana iray amin’ny fandikan-teny

[Sary nahazoan-dalana]

(sary natao indray noho ny fanomezan-dalan’ny American Bible Society Library any New York).