Ny anaran’Andriamanitra tao anatin’ireo taona
Ny anaran’Andriamanitra tao anatin’ireo taona
TIAN’I Jehovah Andriamanitra ny hahafantaran’ny olona sy hampiasany ny anarany. Miharihary izany amin’ny nanambarany ny Anarany amin’ireo olona roa voalohany teto an-tany. Fantatsika fa nahalala tsara ny anaran’Andriamanitra ry Adama sy Eva satria rehefa avy niteraka an’i Kaina i Eva, araka ny soratra hebreo tany am-piandohana, dia hoy izy: “Efa nahazo zazalahy tamin’i Jehovah aho.” — Genesisy 4:1.
Atỳ aoriana dia mamaky isika fa nisy lehilahy nahatoky sahala amin’i Enoka sy Noa ‘niara-nandeha tamin’ilay Andriamanitra marina’. (Genesisy 5:24; 6:9). Izy ireo koa àry dia tsy maintsy ho nahafantatra ny anaran’Andriamanitra. Tafita velona tamin’ny Safodrano lehibe ilay anarana niaraka tamin’i Noa lehilahy marina sy ny fianakaviany. Na dia tao aza ny fikomiana lehibe tsy ela tatỳ aoriana tao Babela, ny mpanompon’Andriamanitra marina dia nanohy nampiasa ny anarany. Miseho an-jatony maro izany ao amin’ireo lalàna nomen’Andriamanitra ny Isiraely. Ao amin’ny bokin’i Deoteronomia fotsiny, dia miseho in-551 izany.
Tamin’ny andron’ireo mpitsara, ny Isiraelita dia tsy menatra mihitsy nampiasa ny anaran’Andriamanitra. Nampiasa izany mihitsy aza izy teo amin’ny fifampiarahabany. Vakintsika (ao amin’ny teny hebreo tany am-piandohana) ny amin’i Boaza niarahaba ireo mpijinjany hoe: “Jehovah anie ho aminareo.” Namaly ny fiarahabany ireo tamin’ny fitenenana hoe: “Hitahy anao anie Jehovah.” — Rota 2:4.
Nandritra ny tantaran’ny Isiraelita ka hatramin’ny fotoana niverenany tany Joda taorian’ny fahababoany tany Babylona, ny anaran’i Jehovah dia nampiasaina hatrany. Davida mpanjaka, lehilahy araka ny fon’i Jehovah, dia nampiasa be dia be ny anaran’Andriamanitra — miseho in-jatony maro izany ao amin’ny salamo nosoratany. (Asan’ny Apostoly 13:22) Tafiditra koa tao amin’ny anarana manokan’ny Isiraelita maro ny anaran’Andriamanitra. Araka izany no amakiantsika ny amin’i Adonia (“Jah no Tompoko” — “Jah” dia fanafohezana ny hoe Jehovah), Isaia (“Famonjen’i Jehovah”), Jonatana (“Jehovah no nanome”), Mika (“Iza no tahaka an’i Jah?”) ary Josoa (“Jehovah no famonjena”).
Ivelan’ny Baiboly
Misy koa porofo avy amina loharano ivelan’ny Baiboly ny amin’ny fampiasana betsaka tokoa ny anaran’Andriamanitra tamin’ny andro fahiny. Tamin’ny 1961 dia nisy zohy fandevenana taloha hita tsy lavitra teo atsimo andrefan’i Jerosalema, araka ny filazana tao amin’ny Israel Exploration Journal (Boky faha-13, No 2). Eo amin’ny rindriny dia nahitana soratra hebreo izay toa efa hatramin’ny tapany faharoa amin’ny taonjato fahavalo alohan’ny fanisan-taona iraisana. Ireo soratra dia mirakitra fanambarana toy ny hoe “Jehovah no Andriamanitry ny tany rehetra.”
Tamin’ny 1966 dia nisy tatitra navoaka tao amin’ny Israel Exploration Journal (Boky faha-16, No 1) momba ny vakivakim-bilany tanimanga nisy soratra hebreo teo aminy izay hita tany Arada, any Isiraely atsimo. Izany dia nosoratana tamin’ny tapany faharoa amin’ny taonjato fahafito alohan’ny fanisan-taona iraisana. Ny iray amin’izany dia taratasy manokana ho an’ny lehilahy iray nantsoina hoe Eliasiba. Manomboka toy izao ilay taratasy: “Ho an’i Eliasiba tompoko: Enga anie Jehovah hangataka ny fiadananao.” Ary mifarana toy izao izany: “Mitoetra ao an-tranon’i Jehovah izy.”
Tamin’ny 1975 sy 1976, ireo arkeology niasa tao Negeba dia nahita fitambaran-tsoratra hebreo sy fenisiana teo amin’ny rindrina platira, teo amin’ny sinibe ary ny fanaka momba
ny lakozia vita amin’ny vato. Ireo soratra dia nahitana hoe Andriamanitra, ary koa ny anaran’Andriamanitra YHWH, amin’ny litera hebreo. Tany Jerosalema mihitsy, dia hita vao haingana ny horonam-bolafotsy kely, izay toa efa talohan’ny fahababoana tany Babylona. Milaza ireo mpikaroka fa rehefa novelarina izany, dia hita voasoratra teo aminy ny anaran’i Jehovah amin’ny teny hebreo. — Biblical Archeology Review, martsa/aprily 1983, pejy faha-18.Ny ohatra hafa iray ny amin’ny fampiasana ny anaran’Andriamanitra dia hita ao amin’izay antsoina hoe “taratasin’i Lakisy”. Ireo taratasy ireo, nosoratana teo amin’ny vakivakin-tanimanga, dia hita teo anelanelan’ny taona 1935 sy 1938 tao amin’ny sisan-javatra rava tao Lakisy, tanàna mimanda izay niseho ho niavaka teo amin’ny tantaran’ny Isiraely. Izany dia toa nosoratan’ny manamboninahitra iray tao amin’ny antoko miaramila jodiana ho an’ny filohany, nantsoina hoe Yaosh, tany Lakisy, toa nandritra ny ady nifanaovan’ny Isiraely sy Babylona tany amin’ny faran’ny taonjato fahafito alohan’ny fanisan-taona iraisana.
Amin’ireo taratasy valo azo vakina, ny fito dia manomboka ny hafany amin’ny fiarahabana toy ny hoe: “Enga anie Jehovah hampahita ny tompoko ity fizaran-taona ity ao anatin’ny fahasalamana tsara!” Amin’ny fitambarany, ny anaran’Andriamanitra dia miseho in-11 ao amin’ireo hafatra fito, manondro mazava fa ny anaran’i Jehovah dia nampiasaina isan’andro tamim-pifaliana tany amin’ny faran’ny taonjato fahafito alohan’ny fanisan-taona iraisana.
Na dia ireo mpanapaka mpanompo sampy aza dia nahafantatra sy nampiasa ny anaran’Andriamanitra rehefa niresaka ny amin’ny Andriamanitry ny Isiraelita. Araka izany, eo amin’ny Vato moabita, Mesa mpanjakan’i Moaba dia nirehareha ny amin’ireo fanafihany ara-tafika namelezany ny Isiraely ary, ankoatra ny zavatra hafa, dia nanambara izy hoe: “Nilaza tamiko Kemosy hoe, ‘Mandehana, esory amin’ny Isiraely Nebo!’ Koa nandeha tamin’ny alina aho ary niady taminy nanomboka tamin’ny vao mazava ratsy ka hatramin’ny mitataovovonana, naka izany ary namono ny rehetra (...). Ary noraisiko avy teo ny [fanak’i] Jehovah, ka notarihiko teo anatrehan’i Kemosy izany.”
Mifandray amin’ireny fampiasana tsy araka ny Baiboly ny anaran’Andriamanitra ireny, ny Theologisches Wörterbuch zum Alten Testament (Diksionera teolojika ho an’ny Testamenta Taloha), ao amin’ny Boky faha-3, laharana faha-538, dia milaza hoe: “Araka izany, dia tahirin-kevitra 19 mitondra ny Tetragrama amin’ny endriny hoe jhwh no manaporofo amin’io lafiny io ny maha-azo antoka ny S[oratra] M[asoretika]. Azo atao ny mbola miandry hafa, indrindra fa ireo taratasy filazan-draharaham-panjakana avy any Arada”.
Tsy nohadinoina ny anaran’Andriamanitra
Izany fifankazarana tamin’ny anaran’Andriamanitra izany sy ny fampiasana azy dia nitohy hatramin’ny andron’i Malakia, izay velona teo amin’ny 400 taona talohan’ny andron’i Jesosy. Ao amin’ny boky ao amin’ny Baiboly mitondra ny anarany, Malakia dia manome vidiny lehibe ny anaran’Andriamanitra, amin’ny fampiasana izany in-48 amin’ny fitambarany.
Rehefa nandeha ny fotoana, dia Jiosy maro no nanjary nonina lavitra ny tanin’ny Isiraely, ary ny sasany dia tsy afaka namaky intsony ny Baiboly tamin’ny fiteny hebreo. Noho izany, tamin’ny taonjato fahatelo alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia natomboka ny fandikana ny tapany ao amin’ny Baiboly izay nisy tamin’izay (ny “Testamenta Taloha”) ho amin’ny teny grika, ny fiteny vaovao niraisam-pirenena. Nefa tsy natao tsirambina ny anaran’Andriamanitra. Nohazonin’ireo mpandika teny izany, ka nosoratany tamin’ny endriny hebreo. Kopia tranainy amin’ny Septante grika izay voatahiry hatramin’ny androntsika no manamarina izany.
Nanao ahoana anefa ny toe-javatra fony nandalo teto an-tany i Jesosy? Ahoana no ahafantarantsika raha nampiasa ny anaran’Andriamanitra izy sy ny apostoliny na tsia?
[Sary, pejy 12]
Ao amin’io soratra io, dia natao teo amin’ny vakivakim-bilany tanimanga tamin’ny tapany faharoa amin’ny taonjato fahafito amin’ny fanisan-taona iraisana, dia miseho indroa ny anaran’Andriamanitra.
[Sary nahazoan-dalana]
(Sary natao noho ny fanomezan-dalan’ny ministera isiraelian’ny Andron’ny ntaolo sy ny Rakitry ny ela)
[Sary, pejy 13]
Hita koa ao amin’ireo taratasin’i Lakisy sy eo amin’ny Vato moabita ny anaran’Andriamanitra.