Faminaniana Izay Tanteraka
Toko Faha-9
Faminaniana Izay Tanteraka
Ny olombelona dia tsy afaka manambara mialoha ny hoavy amin’ny fomba azo antoka mihitsy. Imbetsaka ny fiezahany haminany no tsy nahomby tamin’ny fomba nampahonena. Koa tsy maintsy hanintona ny saina àry ny boky iray misy faminaniana izay tanteraka tokoa. Boky toy izany ny Baiboly.
1. (Miaraka amin’ny teny fampidirana.) Inona no porofoin’ny firaketan’ny Baiboly an-tsoratra faminaniana efa tanteraka?
FAMINANIANA maro ao amin’ny Baiboly no tanteraka tamin’ny an-tsipiriany aoka izany, hany ka milaza ireo mpanao tsikera fa nosoratana taorian’ny nahatanterahany izy ireny. Tsy marina anefa ny filazana toy izany. Andriamanitra, amin’ny maha-tsitoha azy, dia tena afaka manao faminaniana. (Isaia 41:21-26; 42:8, 9; 46:8-10). Ireo faminaniana ara-baiboly izay tanteraka dia porofon’ny maha-ara-tsindrimandrin’Andriamanitra azy, fa tsy avy amin’ny mpanoratra vao haingana. Hojerentsika izao ny faminaniana niavaka sasantsasany izay tanteraka — ka manome porofo fanampiny fa ny Baiboly dia Tenin’Andriamanitra, fa tsy an’ny olona fotsiny.
Ny sesitany tany Babylona
2, 3. Inona no nitarika an’i Hezekia Mpanjaka hampiseho ny harena rehetra tao amin’ny tranony sy ny fanjakany tamin’ireo iraka avy tany Babylona?
2 I Hezekia dia mpanjaka tao Jerosalema nandritra ny tokony ho 30 taona. Tamin’ny 740 al.f.i. izy dia vavolombelona nahita maso ny nandravana ny Isiraely teo akaikiny, tany avaratra, teo an-tanan’i Asyria. Tamin’ny Isaia 37:33-38.
732 al.f.i., dia nahita ny hery fiarovan’Andriamanitra izy, rehefa tsy nahomby ny fanandraman’ny Asyriana handresy an’i Jerosalema, ka nitondra loza amin’antambo ho an’ilay mpanafika. —3 Izao i Hezekia dia teo am-pandraisana solontenan’i Merodakabaladana, mpanjakan’i Babylona. Rehefa nojerena avy tetỳ ivelany, dia tonga mba hiarahaba an’i Hezekia noho ny nahasitranany tamin’ny aretina mafy iray ireo ambasadaoro. Azo inoana anefa fa i Merodakabaladana dia nahita an’i Hezekia nety ho mpiray dina azo antenaina hamely ny herim-panjakana asyriana. Tsy nanao na inona na inona hanilihana izany hevitra izany i Hezekia rehefa nampiseho tamin’ireo Babyloniana tonga nitsidika ny harena rehetra tao amin’ny tranony sy ny fanjakany. Angamba koa izy nitady mpiray dina taminy hanoherana ny nety ho fiverenan’ny Asyriana. — Isaia 39:1. 2.
4. Vokany nampahonena inona, nateraky ny fahadisoan’i Hezekia no voalaza tao amin’ny faminanian’i Isaia?
4 I Isaia no mpaminany niavaka tamin’izany fotoana izany, ary takany haingana ny tsy fahamalinan’i Hezekia. Fantany fa ny fiarovana azo antoka indrindra ho an’i Isaia 39:5, 6.
Hezekia dia i Jehovah, fa tsy i Babylona, ary nilaza taminy izy fa hitarika ho amin’ny loza ny nampisehoany ny hareny rehetra tamin’ireo Babyloniana. “Avy ny andro”, hoy i Isaia, “ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin’ny razanao ka voatahiry mandraka andro-any”. Nandidy toy izao i Jehovah: “Tsy hisy sisa hijanona na inona na inona”. —5, 6. a) Inona no nolazain’i Jeremia ho fanamafisana ny faminanian’i Isaia? b) Tamin’ny fomba ahoana no nahatanterahan’ireo faminanian’i Isaia sy i Jeremia?
5 Tamin’ny taonjato fahavalo al.f.i., dia nety ho toa tsy azo ninoana ny hahatanterahan’izany faminaniana izany. Kanefa, zato taona tatỳ aoriana, dia niova ny tarehin-javatra. Naka ny toeran’i Asyria tamin’ny naha-herim-panjakana i Babylona, fa ny Joda kosa nanjary nikororosy aoka izany ara-pivavahana, hany ka nesorin’Andriamanitra taminy ny fitahiany. Izao, dia nahazo tsindrimandry mba hamerina ny fampitandreman’i Isaia ny mpaminany hafa iray, dia i Jeremia. Nanambara toy izao i Jeremia: “Ho entiko hamely ity tany ity sy ny mponina eto [ny Babyloniana] (...) Ary ity tany rehetra ity dia ho foana sy lao, ary ireto firenena rehetra ireto hanompo ny mpanjakan’i Babylona fito-polo taona.” — Jeremia 25:9, 11.
6 Tokony ho efa-taona taorian’ny nanononan’i Jeremia izany faminaniana izany, ny Babyloniana dia nanao ny Joda ho tapany tamin’ny empirany. Telo taona taorian’izay izy ireo dia naka babo jiosy sasany, niaraka tamin’ny sasany tamin’ny harena tao amin’ny tempolin’i Jerosalema, nankany Babylona. Valo taona tatỳ aoriana, dia nikomy ny Joda ary notafihin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, indray. Tamin’itỳ indray mitoraka itỳ, dia rava ny tanàna sy ny tempoliny. Ny hareny rehetra sy ny tenan’ireo Jiosy, dia nentina tany Babylona lavitra, tsy misy hafa amin’ny nambaran’i Isaia sy i Jeremia mialoha. — 2 Tantara 36:6, 7, 12, 13, 17-21.
7. Ahoana no anamarinan’ny arkeolojia ny fahatanterahan’ny faminanian’i Isaia sy i Jeremia momba an’i Jerosalema?
7 Marihin’ny The Archaeological Encyclopedia of the Holy Land fa rehefa tapitra ilay fanafihana babyloniana, “ny faharavan’ilay tanàna [Jerosalema] dia faharavana tanteraka”.1 Manambara toy izao i W. F. Albright arkeology: “Ny famongarana sy ny fihadiana ny vohon-tany tany Joda dia nanaporofo fa tsy vitan’ny hoe noravan’ireo Kaldeana tanteraka tamin’ny fanafihana roa nataony ireo tanànan’i Joda, fa tsy nonenana intsony nandritra ny taranaka maro — matetika no tsy nonenana intsony mihitsy teo amin’ny tantara.”2 Araka izany, ny arkeolojia dia manamarina ny fahatanterahana manaitran’io faminaniana io.
Ny niafaran’i Tyro
8, 9. Faminaniana inona, izay nanameloka an’i Tyro, no notononin’i Ezekiela?
8 I Ezekiela dia mpanoratra fahiny hafa iray izay nirakitra an-tsoratra faminaniana ara-tsindrimandrin’Andriamanitra. Izy dia naminany nanomboka tamin’ny faran’ny taonjato fahafito al.f.i. ka hatramin’ny fahenina — izany hoe nandritra ireo taona nitarika ho amin’ny fandravana an’i Jerosalema ary avy eo, nandritra ireo am-polony taona voalohany tamin’ny fanaovana sesitany ny Jiosy tany Babylona. Na dia ireo mpanao tsikera maoderina aza dia manaiky fa nosoratana sahabo ho tamin’io fotoana io ilay boky.
9 I Ezekiela dia nirakitra an-tsoratra faminaniana iray nanaitra momba ny fandravana ny teo akaikin’ny Isiraely, teo avarany, dia i Tyro, izay nisakaiza tamin’ny vahoakan’Andriamanitra teo aloha nefa lasa fahavalony. (1 Mpanjaka 5:15-23; Salamo 83:2-8). Toy izao no nosoratany: “Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Indro, hamely anao Aho, ry Tyro, ka hampiakatra ny firenena maro hiady aminao, tahaka ny fampiakatry ny ranomasina ny onjany. Ary horavan’ireo ny màndan’i Tyro, sady harodany ny tilikambony; dia hofafako hiala aminy ny vovotaniny, ka hataoko tahaka ny vatolampy mangadihady izy (...); ary ny vatonao sy ny hazonao sy ny vovokao dia hataony any amin’ny rano.” — Ezekiela 26:3, 4, 12.
10-12. Oviana no nahatanterahan’ny faminanian’i Ezekiela tamin’ny farany, ary tamin’ny fomba ahoana?
10 Tena nitranga tokoa ve izany? Taona vitsivitsy taorian’ny nanononan’i Ezekiela ilay faminaniana, dia nanao fahirano an’i Tyro i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona. (Ezekiela 29:17, 18). Kanefa, tsy mora io fanaovana fahirano io. Ny tapany iray tamin’i Tyro dia teo amin’ny kontinenta (ilay tapany nantsoina hoe Tyro Fahiny). Ny tapany hafa tamin’ilay tanàna anefa dia teo amin’ny nosy iray tokony ho 800 metatra avy teo amin’ny moron-tsiraka. I Nebokadnezara dia nanao fahirano ilay nosy nandritra ny 13 taona, talohan’ny nilavoan’izy io lefona teo anatrehany tamin’ny farany.
11 Kanefa, tamin’ny 332 al.f.i. no tanteraka tamin’ny an-tsipiriany rehetra ny faminanian’i Ezekiela tamin’ny farany. Tamin’izany fotoana izany, dia nanafika an’i Azia i Aleksandra Lehibe, ilay mpandresy avy tany Makedonia. I Tyro, tsy nanana ahiahy teo amin’ilay nisy azy, dia nahavita nanohitra azy. Tsy ta hamela izay nety ho fahavalo tao aoriany i Aleksandra, nefa tsy ta handany taona maro tamin’ny fanaovana fahirano an’i Tyro, toy ny nataon’i Nebokadnezara.
12 Ahoana no nandaminany io olana ara-tafika io? Nanamboatra tetezana tany, na fefiloha iray tonga hatreo amin’ilay nosy izy, mba hahafahan’ireo miaramilany hiampita sy hanafika ilay tanàna anosy. Mariho anefa izay nampiasainy mba hanamboarana ilay fefiloha. Izao no tatitra ataon’ny The Encyclopedia Americana: “Avy tamin’ireo poti-javatra tavela tamin’ny tapany teo amin’ny kontinenta tamin’ilay tanàna izay noravany, dia nanamboatra fefiloha goavana iray izy tamin’ny 332 mba hampitohizana ilay nosy tamin’ny kontinenta.” Taorian’ny fahirano azo lazaina ho fohy ihany, dia rava ilay tanàna teo amin’ny nosy. Ambonin’izany, dia tanteraka tamin’ny an-tsipiriany rehetra ny faminanian’i Ezekiela. Na dia ny ‘vato sy ny hazo ary ny vovok’i’ Tyro Fahiny aza dia ‘natao tany amin’ny rano’.
13. Tamin’ny fomba ahoana no nilazalazan’ny mpanao dia iray tamin’ny taonjato faha-19 ny toerana nisy an’i Tyro fahiny?
13 Nanazava izay tavela tamin’i Tyro fahiny tamin’ny androny ny mpanao dia iray tamin’ny taonjato faha-19, ka nilaza toy izao: “Tamin’ilay Tyro tany am-boalohany fantatr’i Solomona sy ireo mpaminanin’ny Isiraely, dia tsy nisy soritra tavela afa-tsy ireo fasana voalavaka tao anatin’ny vatolampy teo amin’ny lafin’ny tendrombohitra, sy ireo rindrina fototra (...) Na dia ilay nosy aza, izay novan’i Aleksandra Lehibe ho tanjona iray, tamin’ny fanotofana ny rano nanelanelana azy tamin’ny kontinenta teo am-panaovany fahirano ilay tanàna, dia tsy nahitana sisan-javatra azo fantarina avy tamin’ny fe-potoana aloha kokoa noho ny tamin’ny an’ny Kroazada. Ilay tanàna maoderina, izay azo lazaina ho vao haingana ihany ny rehetra aminy, dia eo amin’ny tapany avaratr’ilay nosy teo aloha, fa saika ny sisa rehetra tamin’ilay velaran-tany dia rakotr’ireo sisan-javatra tsy azo fantarina.”3
Anjaran’i Babylona
14, 15. Faminaniana inona avy, izay nanameloka an’i Babylona, no noraketin’i Isaia sy i Jeremia an-tsoratra?
14 Tamin’ny taonjato fahavalo al.f.i., i Isaia, ilay mpaminany Isaia 13:17-20.
nampitandrina ny Jiosy ny amin’ny fandresena ho avy hampiharin’i Babylona taminy, dia nanambara mialoha koa zavatra mahatalanjona: ny fanafoanana tanteraka an’i Babylona mihitsy. Nanambara mialoha izany tamin’ny an-tsipiriany velombelona izy: “Indro, hamporisihiko hamely azy ny Mediana (...). Ary Babylona, ravaky ny fanjakana maro, tabiha sy reharehan’ny Kaldeana, dia ho rava tahaka ny nandravan’Andriamanitra an’i Sodoma sy Gomora; tsy honenana mandrakizay izy ary tsy hitoerana intsony hatramin’ny taranaka fara mandimby”. —15 Ny mpaminany Jeremia koa dia nanambara mialoha ny hianjeran’i Babylona, izay hitranga taona maro tatỳ aoriana. Ary nampiditra tsipiriany iray mahaliana izy: “Ny fihantonan’ny andro no mahatankina ny ranony (...). Nitsahatra tamin’ny ady ny lehilahy maherin’i Babylona, nitoetra tao amin’ny batery fiarovana izy, lany ny heriny”. — Jeremia 50:38; 51:30.
16. Oviana i Babylona no resy, ary iza no nandresy azy?
16 Tamin’ny 539 al.f.i., dia nifarana ny fotoana nanapahan’i Babylona tamin’ny naha-herim-panjakana ambony indrindra azy, fony nandroso mba hamely ilay tanàna i Kyrosy, ilay mpanapaka persiana natanjaka niaraka
tamin’ny tafik’i Media. Kanefa, nahatahotra ny zavatra hitan’i Kyrosy. Voahodidin’ny rindrina goavam-be i Babylona ary toa tsy azo nalaina. I Eofrata, ilay ony lehibe, koa dia namakivaky ilay tanàna ka nandray anjara lehibe tamin’ny fiarovana azy io.17, 18. a) Tamin’ny fomba ahoana no nisian’ny ‘fihantonan’ny ranon’i Babylona’? b) Nahoana no “nitsahatra tamin’ny ady ny lehilahy maherin’i Babylona”?
17 Ilay mpanoratra tantara grika atao hoe Hérodote dia milazalaza ny fomba nandaminan’i Kyrosy ilay olana: “Nametraka ny tapany tamin’ny tafiny teo amin’ny toerana nidiran’ilay ony tao an-tanàna izy, ary antoko miaramila hafa teny amin’ny ilany, teo amin’ny toerana nivoahany, sady nanome baiko hiditra tao an-tanàna tamin’ny fanambanin’ilay renirano, raha vao nanjary narivo tsara ny rano (...) Nampivily an’i Eofrata izy tamin’ny alalan’ny lakan-drano iray nankao amin’ny deboka [farihy voatr’olombelona nolavahan’ny mpanapak’i Babylona iray teo aloha], izay heniheny tamin’izay, ka tao no nihenan’ilay ony, mandra-pahatongan’ny fanambany voajanaharin’ilay renirano ho azo nitana. Tamin’izay, ireo Persiana izay niniana navela tao Babylona, teo amoron’ilay ony, dia niroboka an’ilay renirano, izay nihena tokony ho hatreo amin’ny antsasa-pen’ny lehilahy iray izao, ka niditra tao an-tanàna.”4
18 Tamin’izany fomba izany no nianjeran’ilay tanàna, tsy misy hafa amin’ny nampitandreman’i Jeremia sy i Isaia. Mariho anefa ny fahatanterahan’ilay faminaniana tamin’ny an-tsipiriany. Ara-bakiteny, dia nisy ‘fihantonan’ny andro ka tankina ny ranony’. Ny fihenan’ny ranon’i Eofrata no nahafahan’i Kyrosy niditra tao amin’ilay tanàna. Moa ve “nitsahatra tamin’ny ady ny lehilahy maherin’i Babylona” araka ny nambaran’i Jeremia? Ny Baiboly — ary koa i Hérodote sy i Xénophon, mpanoratra tantara grika — dia mirakitra an-tsoratra fa teo am-panaovana fanasam-be indrindra ny Babyloniana fony nitranga ny fanafihan’ny Persiana.5 Ny Tantaran’i Nabonida,
soratra ofisialy tamin’ny litera cunéiforme, dia milaza fa niditra tao Babylona “tsy niady” ireo andian-tafik’i Kyrosy, ka azo inoana fa izany dia midika hoe tsy nisy fanafihana lehibe natao.6 Miharihary fa tsy nanao zavatra firy mba hiarovana azy ny lehilahy maherin’i Babylona.19. Tanteraka ve ilay faminaniana milaza fa tsy “honenana mandrakizay” i Babylona? Hazavao.
19 Ahoana ny amin’ilay filazana mialoha hoe “tsy honenana mandrakizay” i Babylona? Tsy tanteraka avy hatrany izy io tamin’ny 539 al.f.i. Tanteraka tamin’ny fomba tsy nisy diso anefa ilay faminaniana. Taorian’ny nianjerany, dia foiben’ny fikomiana maromaro i Babylona, mandra-pahatongan’ny 478 al.f.i., rehefa noravan’i Ksersesy izy. Tamin’ny faran’ny taonjato fahefatra, dia nikasa ny hamerina azy tamin’ny laoniny i Aleksandra Lehibe, nefa maty izy raha mbola tsy nandroso firy akory ny asa. Nanomboka tamin’izay dia nikororosy fotsiny ilay tanàna. Mbola nisy olona nipetraka tao, tamin’ny taonjato voalohany amin’ny Fanisan-taona Iraisana, nefa amin’izao andro izao, ny hany sisa miangana amin’i Babylona fahiny dia antontan-javatra rava any Irak. Na dia haverina amin’ny laoniny aza ireo sisan-javatra rava aminy, dia ho zava-mahagaga haranty amin’ny mpizaha tany fotsiny i Babylona, fa tsy tanàna velombelona, feno aina. Ny toerana foana misy azy dia manamarina ny fahatanterahana faran’ireo faminaniana ara-tsindrimandry nanameloka azy.
Ny fizotran’ireo herim-panjakana
20, 21. Faminaniana inona, ny amin’ny fizotran’ireo herim-panjakana no hitan’i Daniela, ary tamin’ny fomba ahoana no nahatanterahany?
20 Tamin’ny taonjato fahenina al.f.i., nandritra ny fanaovana sesitany ny Jiosy tany Babylona, dia nahazo tsindrimandry i Daniela, mpaminany hafa iray, mba handrakitra an-tsoratra fahitana niavaka sasany, izay nanambara mialoha ny fandehan’ny fisehoan-javatra ho avy eo amin’izao tontolo izao. Ao amin’ny iray aminy, i Daniela dia nilazalaza biby ara-panoharana maromaro izay Daniela 8:20-22.
mifandimby toerana eo amin’ny sehatr’izao tontolo izao. Manazava ny anjely iray fa mampiseho mialoha ny fizotran’ireo herim-panjakana nanomboka tamin’izany fotoana izany ireny biby ireny. Rehefa miresaka momba ireo biby roa farany izy dia izao no lazainy: “Ilay ondrilahy hitanao nanana tandroka roa dia ny mpanjakan’i Media sy Persia. Ary ny osilahy lava volo dia ny mpanjakan’i Grisia; ary ny tandroka lehibe teo anelanelan’ny masony dia ny mpanjaka voalohany. Ary ny amin’ilay efa tapaka, ka nisy efatra nitsangana nandimby azy, dia hisy fanjakana efatra hitsangana avy amin’ny jentilisa, nefa tsy mitovy hery aminy.” —21 Tanteraka araka ny marina io fahitana mialoha ara-paminaniana io. Ny Empira Babyloniana dia naongan’ny Mediana sy ny Persiana, izay, 200 taona tatỳ aoriana, dia namela ny toerana ho an’ny herim-panjakana
grika. Ny Empira Grika dia notarihin’i Aleksandra Lehibe, ilay “tandroka lehibe”. Kanefa, taorian’ny nahafatesan’i Aleksandra, ireo jeneraliny dia niady mba hahazo ny fahefana, ary tamin’ny farany ilay empira niely patrana dia nivakivaky ho empira kely kokoa efatra, “fanjakana efatra”.22. Ao amin’ny faminaniana iray mifandray amin’ny fizotran’ireo herim-panjakana, herim-panjakana fanampiny iza no voalazan’ny faminaniana?
22 Ao amin’ny Daniela toko faha-7, ny fahitana iray mitovitovy amin’io dia mijery any amin’ny hoavy lavitra koa. Ny herim-panjakana babyloniana dia nasehon’ny liona iray, ny herim-panjakana persiana nasehon’ny bera iray, ny herim-panjakana grika nasehon’ny leoparda nanana elatra efatra teo an-damosiny sy loha efatra. Avy eo, i Daniela dia nahita biby dia hafa iray “mahatsiravina sady matanjaka sy mahery indrindra (...) sady nanana tandroka folo”. (Daniela 7:2-7). Io biby dia fahefatra io dia nampiseho mialoha ny Empira Romana nahery, izay nanomboka niseho tokony ho taonjato telo taorian’ny nandraketan’i Daniela an-tsoratra io faminaniana io.
23. Tamin’ny heviny ahoana no “hafa noho ny fanjakana rehetra” ilay biby dia fahefatra ao amin’ny faminanian’i Daniela?
23 Naminany mikasika an’i Roma toy izao ilay anjely: “Ilay fahefatra amin’ny biby dia fanjakana fahefatra etỳ ambonin’ny tany izay ho hafa noho ny fanjakana rehetra sady handrava ny tany rehetra ary hanosihosy sy hanorotoro azy.” (Daniela 7:23). Hoy i H. G. Wells ao amin’ny bokiny hoe A Pocket History of the World: “Io herim-panjakana romana vaovao io, izay nipoitra mba hanapaka ny tontolo tandrefana tamin’ny taonjato voalohany sy faharoa al.J.K., dia zavatra hafa noho izay empira lehibe rehetra nanjaka teo amin’ny tontolo nandroso hatramin’io fotoana io, tamin’ny lafiny maromaro.”7 Repoblika izy io fony nanomboka, ary fanjakana tatỳ aoriana. Tsy mba tahaka ireo empira teo alohany izy io, fa tsy noforonin’ny mpandresy iray na iza na iza, fa nitombo tamin’ny fomba tsy an-kiato nandritra ny taonjato maro. Naharitra ela be ary nifehy faritany be dia be lavitra noho izay empira rehetra teo alohany izy io.
24, 25. a) Ahoana no nisehoan’ireo tandroka folon’ilay biby dia? b) Ady inona teo amin’ireo tandrok’ilay biby dia no hitan’i Daniela mialoha?
24 Ahoana anefa ny amin’ireo tandroka folon’io biby goavam-be io? Hoy ilay anjely: “Ary ny tandroka folo dia mpanjaka folo izay hitsangana avy amin’izany fanjakana izany; ary hisy iray koa hitsangana manaraka azy; hafa noho ny voalohany izy ary handresy mpanjaka telo.” (Daniela 7:24). Ahoana no nahatanterahan’io?
25 Rehefa nanomboka nikororosy ny Empira Romana tamin’ny taonjato fahadimy am.f.i., dia tsy naka ny toerany avy hatrany akory ny herim-panjakana hafa iray. Nisamatsamaka ho fanjakana maromaro, dia “mpanjaka folo”, kosa izy io. Tamin’ny farany, ny Empira Britanika dia nandresy ny empira telo nifandrafy taminy, dia i Espaina sy i Frantsa ary i Pays-Bas, ka tonga ny herim-panjakana lehibe indrindra. Tamin’izany fomba izany no nampietren’ilay “tandroka” vao tonga “mpanjaka telo”.
Ireo faminanian’i Daniela — Nosoratana taorian’ireo zava-nisy ve?
26. Oviana no lazain’ireo mpanao tsikera fa nanoratana ny Daniela, ary nahoana?
26 Ny Baiboly dia manondro fa nosoratana tamin’ny taonjato fahenina al.f.i. ny bokin’i Daniela. Kanefa, ny fahatanterahan’ireo faminaniana ao aminy dia araka ny marina aoka izany, hany ka milaza ireo mpanao tsikera fa tsy maintsy ho nosoratana tokony ho tamin’ny 165 al.f.i. izy io, fony efa tanteraka ny maromaro tamin’ireo faminaniana.8 Na dia hoe ny tena hany antony hanaovana izany filazana izany aza dia noho ireo
faminanian’i Daniela tanteraka, io daty aorian’ny fotoana naroso ho an’ny fanoratana ny Daniela io dia aseho ho toy ny zava-misy voaorina ao amin’ny asa soratra fakan-teny maro.27, 28. Inona avy no sasany amin’ireo zava-misy manaporofo fa tsy nosoratana tamin’ny 165 al.f.i. ny Daniela?
27 Eo anoloan’ny teoria toy izany anefa, dia tsy maintsy mihevitra ireto zava-misy manaraka ireto isika. Voalohany, ilay boky dia nasiana teny tao amin’ireo asa soratra jiosy vita nandritra ny taonjato faharoa al.f.i., toy ny boky voalohany amin’ny Makabeo. Afa-tsy izany koa, izy io dia nampidirina tao amin’ny Septante dikan-teny grika, dia fandikan-teny natomboka tamin’ny taonjato fahatelo al.f.i.9 Fahatelo, dia nisy tapatapa-kopia amin’ny Daniela anisan’ireo asa soratra hita matetika kokoa tao amin’ireo Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty — ary inoana fa tokony ho tamin’ny 100 al.f.i. no natao ireny tapatapany ireny.10 Mazava fa tsy ela taorian’izay noheverina fa nanoratana ny Daniela no efa fantatra sy nohajaina hatraiza hatraiza izy io: porofo mahery fa vita ela talohan’ny lazain’ireo mpanao tsikera fa nanoratana azy izy io.
28 Ankoatra izany, ny Daniela dia mirakitra tsipiriany ara-tantara izay tsy ho fantatry ny mpanoratra iray tamin’ny taonjato faharoa. Miavaka ny momba an’i Belsazara, ilay mpanapaka an’i Babylona izay novonoina fony nianjera i Babylona tamin’ny 539 al.f.i. Ireo loharanon-kevitra tsy ara-baiboly lehibe iorenan’ny fahalalantsika momba ny fianjeran’i Babylona dia i Hérodote (taonjato fahadimy) sy i Xénophon (taonjato fahefatra sy fahadimy) ary i Bérose (taonjato fahatelo). Tsy misy amin’izy ireo nahafantatra ny amin’i Belsazara.11 Tsy azo inoana toy inona moa àry ny hoe hahazoan’ny mpanoratra iray tamin’ny taonjato faharoa fanazavana izay tsy azon’ireny mpanoratra taloha kokoa ireny akory! Ny firaketana an-tsoratra momba an’i Belsazara ao amin’ny Daniela toko faha-5, dia porofo mahery fa nanoratra ny bokiny *
talohan’ny nanoratan’ireny mpanoratra hafa ireny ny azy i Daniela.29. Nahoana no tsy nety ho nosoratana taorian’ny fahatanterahan’ireo faminaniana ao anatiny ny bokin’i Daniela?
29 Farany, dia misy faminaniana maromaro ao amin’ny Daniela, izay tanteraka ela tatỳ aorian’ny 165 al.f.i. Ny iray amin’ireny dia ny faminaniana momba ny Empira Romana, voatonona tetsy aloha. Ny hafa iray dia ny faminaniana mahavariana nanambara mialoha ny hahatongavan’i Jesosy, ilay Mesia.
Ny fahatongavan’ilay Voahosotra
30, 31. a) Faminanian’i Daniela inona no nilaza mialoha ny fotoana hisehoan’ny Mesia? b) Miorina amin’ny faminanian’i Daniela, ahoana no ahafahantsika manisa ny taona tsy maintsy nisehoan’ny Mesia?
30 Io faminaniana io dia voarakitra ao amin’ny Daniela toko faha-9, ary amakiana toy izao manaraka izao: “Fitopolo herinandro[n-taona, na sivifolo amby efajato taona] no andidiana ny vahoakanao sy ny tanàna masinao.” * (Daniela 9:24, The Amplified Bible). Inona no tsy maintsy hitranga nandritra ireo 490 taona ireo? Izao no vakintsika: “Manomboka amin’ny hivoahan’ny didy hamerenana amin’ny laoniny sy hanamboarana an’i Jerosalema hatramin’ny [fahatongavan’ilay] voahosotra, zanakalahin’ny mpanjaka, dia hisy fito herinandro[n-taona], sy roa amby enimpolo herinandro[n-taona]”. (Daniela 9:25, AB). Koa io faminaniana io àry dia momba ny fotoana hahatongavan’ilay “voahosotra”, dia ny Mesia. Ahoana no nahatanterahan’izy io?
31 Ny didy mba hamerenana amin’ny laoniny sy hanamboarana an’i Jerosalema dia ‘nivoaka’ tamin’ny “taona faharoa-polo nanjakan’i Artaksersesy”, mpanjakan’i Persia, izany hoe, tamin’ny 455 al.f.i. (Nehemia 2:1-9). Tamin’ny faran’ireo 49 taona (7 herinandron-taona), dia be dia be tamin’ny voninahitr’i Jerosalema no efa naverina tamin’ny laoniny. Ary avy eo, rehefa isaina nanomboka tamin’ny 455 al.f.i. ireo 483 taona katroka (7 ampiana 62 herinandron-taona), dia tonga amin’ny 29 am.f.i. isika. Io, raha ny marina, dia “ny taona fahadimy ambin’ny folo nanjakan’i Tiberio Kaisara”, dia ny taona nanaovan’i Jaona Mpanao Batisa, batisa an’i Jesosy. (Lioka 3:1). Tamin’io fotoana io no nampahafantarana ampahibemaso an’i Jesosy ho Zanak’Andriamanitra sy nanombohany ny fanompoany nitoriana ny vaovao tsara tamin’ny firenena jiosy. (Matio 3:13-17; 4:23). Tonga ilay “voahosotra”, na Mesia, izy.
32. Araka ny faminanian’i Daniela, hafiriana no haharetan’ny fanompoan’i Jesosy eto an-tany, ary inona no hitranga amin’ny faran’izy io?
32 Manampy teny toy izao ilay faminaniana: “Ary aorian’ny roa amby enimpolo herinandro[n-taona] dia hofongorana ilay voahosotra”. Hoy koa izy io: “Ary izy dia hiditra ao amin’ny fanekena mafy sy hentitra iray amin’ny maro mandritra ny herinandro iray [fito taona]; ary eo antenatenan’ny herinandro izy dia hampitsahatra ny sorona sy ny fanatitra.” (Daniela 9:26, 27, AB). Mifanaraka amin’izany, dia nankany amin’ny “maro”, dia ny Jiosy ara-nofo irery ihany i Jesosy. Indraindray izy dia nitory koa tamin’ireo Samaritana, izay nino ny sasany tamin’ny Soratra Masina, nefa namorona antokom-pivavahana iray nisaraka tamin’ny fironana ankapoben’ny Jodaisma. Avy eo, ‘teo antenatenan’ny herinandro’, taorian’ny telo taona sy tapany nitoriany, dia namoy ny ainy ho sorona izy, ka araka izany dia ‘nofongorana’. Izany dia nidika ho faran’ny Lalàn’i Mosesy niaraka tamin’ireo fanatitra sy sorona. (Galatiana 3:13, 24, 25). Koa amin’izany, tamin’ny alalan’ny fahafatesany, dia “nampitsahatra ny sorona sy ny fanatitra” i Jesosy.
33. Haharitra hafiriana i Jehovah no hifampiraharaha amin’ny Jiosy irery ihany, ary fisehoan-javatra inona no nanamarika ny faran’io fe-potoana io?
33 Na dia izany aza, nandritra ny telo taona sy tapany fanampiny, dia tsy nanao fanambarana afa-tsy tamin’ny Jiosy irery ihany ilay kongregasiona kristiana vao niforona, ary tatỳ aoriana, dia tamin’ny Samaritana izay nanana fihavanana taminy. Kanefa, tamin’ny 36 am.f.i., tamin’ny faran’ny 70 herinandron-taona, ny apostoly Petera dia notarihina mba hitory tamin’ny Jentilisa iray, dia i Kornelio. (Asan’ny Apostoly 10:1-48). Tsy voafetra tamin’ny Jiosy intsony izao ny ‘fanekena tamin’ny maro’. Notorina tamin’ny Jentilisa tsy voafora koa ny famonjena.
34. Mifanaraka amin’ny faminanian’i Daniela, inona no nitranga tamin’ny Isiraely ara-nofo noho ny nandavan’izy ireo ny Mesia?
34 Noho ny firenena jiosy nanda an’i Jesosy sy nioko mba hampamono azy, dia tsy niaro azy ireo i Jehovah rehefa tonga mba handrava an’i Jerosalema ny Romana tamin’ny 70 am.f.i. Araka izany, dia tanteraka ireo tenin’i Daniela fanampiny manao hoe: “Ary ny vahoakan’ilay zanakalahin’ny mpanjaka hafa izay ho avy dia handrava ny tanàna sy ny fitoerana masina. Ny farany dia ho avy amin’ny tondra-drano, ary hatramin’ny farany mihitsy aza dia hisy ady”. (Daniela 9:26b, AB). Io “zanakalahin’ny mpanjaka” faharoa io dia i Titus, ilay jeneraly romana nandrava an’i Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i.
Faminaniana izay ara-tsindrimandry
35. Faminaniana fanampiny inona avy momba an’i Jesosy no efa tanteraka?
35 Tamin’izany fomba izany, dia tanteraka tamin’ny fomba niavaka ireo faminanian’i Daniela momba ny 70 Mika 5:1; Lioka 2:1-7; Zakaria 11:12; 12:10; Matio 26:15; 27:35; Salamo 22:18; 34:20; Jaona 19:33-37.
herinandro. Maro tamin’ireo faminaniana voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Soratra Hebreo no tanteraka nandritra ny taonjato voalohany, ary maromaro tamin’izy ireny no nisy ifandraisana tamin’i Jesosy. Ny toerana nahaterahan’i Jesosy, ny zotom-pony ho an’ny tranon’Andriamanitra, ny asa fitoriany, ny namadihana azy tamin’ny sekely 30, ny fomba nahafatesany, ny nanaovana filokana ny akanjony — ireny tsipiriany rehetra ireny dia tao amin’ny faminanian’ny Soratra Hebreo. Ny fahatanterahany dia nanaporofo tsy misy isalasalana fa i Jesosy no ilay Mesia, ary nasehon’izy io indray koa fa ara-tsindrimandry ireo faminaniana. —36, 37. Inona no ianarantsika avy amin’ny efa nahatanterahan’ireo faminaniana ara-baiboly, ary toky inona no omen’io fahalalana io antsika?
36 Raha ny marina, ny faminaniana rehetra ao amin’ny Baiboly izay tokony ho tanteraka dia efa tanteraka. Nitranga marina tamin’ny fomba nolazain’ny Baiboly fa hitrangany ny zava-drehetra. Izany dia porofo mahery fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly. Tsy maintsy ho nisy mihoatra noho ny fahendren’olombelona tao ambadik’ireo fanambarana ara-paminaniana ireo mba hahatonga azy ireny ho araka ny marina aoka izany.
37 Misy faminaniana hafa anefa ao amin’ny Baiboly izay tsy tanteraka tamin’izany fotoana izany. Nahoana? Satria izy ireo tokony ho tanteraka amin’ny androntsika manokana, sy amin’ny hoavy mihitsy aza. Ny maha-azo ianteherana ireny faminaniana fahiny ireny dia mahatonga antsika hatoky fa ho tanteraka tsy misy diso ireo faminaniana hafa ireo. Araka ny ho hitantsika ao amin’ny toko manaraka, dia izany tokoa no izy.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 28 Jereo ny Toko Faha-4 hoe: “Azo Inoana ve ny ‘Testamenta Taloha’? ”, fehintsoratra faha-16 sy faha-17.
^ feh. 30 Ao amin’io fandikan-teny io, ireo teny ao anatin’ny fononteny mahitsy dia nampian’ny mpandika teny mba hampahazava ny heviny.
[Fanontaniana]
[Teny notsongaina, pejy 133]
Efa tanteraka ireo faminaniana rehetra tokony ho tanteraka. Nitranga marina tamin’ny fomba nolazain’ny Baiboly fa hitrangany, ny zava-drehetra
[Sary, pejy 118]
Ireo arkeology dia nahita fa ny fandravan’i Nebokadnezara an”i Jerosalema dia fandravana tanteraka
[Sary, pejy 121]
Sarin’i Tyro maoderina. Zara raha misy soritra tavela amin’ilay Tyro fantatr’ireo mpaminanin”ny Isiraely
[Sary, pejy 123]
Vavolombelon’ny fahatanterahan’ny faminaniana nanameloka ilay tanàna ireo mpizaha tany izay mitsidika ny toerana nisy an’i Babylona fahiny
[Sary, pejy 126]
Tanteraka araka ny marina aoka izany ireo faminanian’i Daniela momba ny fizotran’ireo herim-panjakana, hany ka mihevitra ireo mpanao tsikera maoderina fa nosoratana taorian’ny nahatanterahany izy ireo
BABYLONA
PERSIA
GRISIA
ROMA
GRANDE-BRETAGNE
[Sary, pejy 130]
Naminany ny fotoana marina hisehoan’ny Mesia teo amin’ny Isiraely i Daniela