Loharanom-pahendrena Ambony Kokoa
Toko Faha-12
Loharanom-pahendrena Ambony Kokoa
“Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; henika ny zavatra nataonao ny tany.” (Salamo 104:24). Eny, manomboka amin’ny hakanton’izao rehetra izao midadasika ka hatramin’ny hatsarana mahafinaritry ny voninkazo iray, ny zavatra noforonina dia manamarina ny fahendrena tsy manam-paharoan’ny Mpamorona azy. Ny haitao amin’izao taonjato faha-20 izao dia tsinontsinona rehefa ampitahaina amin’ireo asan’Andriamanitra. Raha Tenin’Andriamanitra ny Baiboly, dia hampoizintsika koa ny hanomezany porofon’ny fahendrena izay mihoatra noho ny fahaizan’olombelona. Manome izany ve izy io?
1. (Miaraka amin’ny teny fampidirana.) a) Aiza no ahitantsika porofon’ny fahendren’Andriamanitra tsy manam-paharoa? b) Inona no torohevitra omen’ny Baiboly momba ny fahendrena?
NY BAIBOLY dia manamafy ny maha-zava-dehibe ny fahendrena. Hoy izy: “Ny voaloham-pahendrena dia izao: Mahazoa fahendrena; eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara.” (Ohabolana 4:7). Miaiky koa izy io fa isika olombelona matetika dia tsy manam-pahendrena, ka mampirisika antsika toy izao izy io: “Raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra”. — Jakoba 1:5.
2. Ahoana no ahafahan’ny olona iray mampitombo ny fahendreny?
2 Amin’ny fomba ahoana no ‘anomezan’Andriamanitra malalaka fahendrena’? Ny fomba iray dia amin’ny fampirisihana antsika hamaky ny Baiboly sy handray fahalalana Ohabolana 2:1, 2, 5, 6). Rehefa mampihatra ny torohevitra ao amin’ny Baiboly isika ka mahita fa misy vokany izy io, dia takatsika fa tena mampiseho ny fahendren’Andriamanitra marina izy io.
avy amin’izy io. Mampirisika antsika toy izao ny bokin’ny Ohabolana ao amin’ny Baiboly: “Anaka, raha raisinao ny teniko, ary raketinao ao am-ponao ny didiko, ka atongilanao amin’ny fahendrena ny sofinao, (...) dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an’i Jehovah, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra. Fa Jehovah no manome fahendrena”. (Fanambarana feno fahendrena
3, 4. a) Inona no lazain’ny Baiboly ny amin’ny maha-zava-poana ny fitiavam-bola? b) Fahaiza-mandanjalanja marina inona no asehon’ny Baiboly rehefa manoro hevitra antsika ny amin’ny hasarobidin’ny vola izy?
3 Mba hahatakarana izany tsara kokoa, dia aoka isika hijery andininy vitsivitsy ao amin’ny Baiboly. Diniho itỳ fanambarana feno fahendrena itỳ: “Izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra (...). Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra”. (1 Timoty 6:9, 10). Ampitahao amin’ny fomba fihevitra maoderina izany — fara faharatsiny any amin’ny fitambaran’olona tandrefana — izay mampirisika ny olona hikatsaka ny vola ho ny tanjony voalohany. Mampalahelo fa maro no mahazo ilay harena tadiaviny nefa mbola mahatsapa fahabangana sy tsy fahafaham-po ihany. Nanamarika toy izao ny psykology mpizaha marary iray: “Ny fahatongavana ho Voalohany sy manankarena dia tsy mahatonga anao hahatsapa tena ho nahavita izay ilaina, ho afa-po, ho hajaina na ho tiana marina.”1
Mpitoriteny 7:12). Araka izany, ny Baiboly dia manampy antsika hahita fa ny vola, na dia sarobidy aza, dia tsy ny zava-dehibe indrindra. Fomba enti-mahatratra tanjona ihany izy io, ary voafetra ny hasarobidiny raha tsy manana ny fahendrena hampiasa azy araka ny tokony ho izy isika.
4 Tsy hoe afaka miamboho tanteraka amin’ny vola akory ny olona manaraka ny zavatra tena izy. Ny Baiboly dia mampiseho fahendrena voalanjalanja amin’ny fomba marina rehefa manao hoe: “Fialokalofana ny fahendrena, ary fialokalofana ny vola; ary ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain’ny manana azy ny fahendrena.” (5, 6. a) Nahoana no feno fahendrena ny torohevitra ao amin’ny Baiboly milaza mba hanalavitra ny fifaneraserana ratsy? b) Ahoana no andraisantsika soa avy amin’ny ‘fiarahan-dia amin’ny hendry’?
5 Marina koa itỳ fanambarana ao amin’ny Baiboly itỳ: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.” (Ohabolana 13:20). Efa mba nomarihinao ve hoe vokany mahery toy inona no entin’ireo ifaneraserantsika eo amintsika? Ny faneren’ny mitovy taona aminy dia nitarika ireo tanora ho amin’ny fimamoana sy ny fidorohana zava-mahadomelina ary ny faharatsiam-pitondran-tena. Raha mifangaro amin’ireo izay mampiasa fiteny maloto isika, dia hahita ny tenantsika hampiasa fiteny maloto amin’ny farany. Ny fiarahana foana amin’ny olona tsy manao ny marina dia toa hahatonga antsika tsy hanao ny marina. Marina tokoa, araka ny lazain’ny Baiboly koa, fa: “Ny fifaneraserana ratsy manimba ny fahazarana mahasoa.” — 1 Korintiana 15:33, NW.
6 Etsy an-danin’izany, ny fifaneraserana tsara dia mahatonga antsika hihatsara. Amin’ny ‘fiarahantsika dia amin’ny hendry’, dia ho tonga hendry kokoa ny tenantsika. Mifindra ny fahazarana tsara, tsy misy hafa amin’ny fahazaran-dratsy ihany. Eto koa, ny Baiboly dia mampiseho fahendrena amin’ny fampirisihana antsika hifidy amim-pitandremana ireo ifaneraserantsika.
7. Inona no mahatonga ny Baiboly ho tsy misy toa azy amin’ny maha-loharanon’ny torohevitra azy?
7 Ny Baiboly dia manana fitsipika maro toy izany, mba hanampiana antsika hitarika ny fiainantsika. Amin’ny
maha-loharanon’ny torohevitra azy, dia tsy misy toa azy izy io. Ny toroheviny dia mahasoa foana. Tsy teorika velively fotsiny izy io ary tsy mitondra fahavoazana velively ho antsika. Tsy manan-tsahala ny maha-maro karazana ny torohevitra ao amin’ny Baiboly. Ireo izay mampihatra azy io eo amin’ny fiainany, ka mahita fa mitondra soa ho azy foana izy io, dia manjary mankasitraka ny Baiboly ho loharanom-pahendrena tsy misy toa azy.Fotopoto-pitsipika feno fahendrena
8. Ahoana no ahafahan’ny Baiboly manampy antsika na dia rehefa miatrika tarehin-javatra iray tsy voatonona amin’ny fomba voafaritra tsara ao anatiny aza isika?
8 Ahoana anefa raha miatrika tarehin-javatra iray izay tsy voatonona manokana ao amin’ny Baiboly isika? Matetika isika dia mahita fotopoto-pitsipika ankapobe mba hitarika antsika. Ohatra, olona maro, tamin’ny fotoana iray teo amin’ny fiainany, no niatrika fanapahan-kevitra momba ny fahazarana mifoka sigara na mihinam-paraky. Koa satria ny sigara na ny paraky tsy fantatra tany Moyen-Orient tamin’ny andron’i Jesosy, dia tsy manonona azy io ny Baiboly. Na dia izany aza, dia misy fotopoto-pitsipiky ny Baiboly mifanentana, manampy antsika hanao fanapahan-kevitra feno fahendrena amin’io raharaha io.
9-11. Amin’ny fomba ahoana no anampian’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly antsika ho tonga amin’ny fanapahan-kevitra feno fahendrena amin’ny raharaha momba ny fampiasana sigara sy paraky, ary ahoana no andraisantsika soa avy amin’ny fanarahana ireny fotopoto-pitsipika ireny?
9 Ny fifohana sigara, na dia lazaina ho mahafinaritra aza, dia fampidirana raha mandoto ho ao amin’ny havokavoka, raha ny tena izy. Ny mpifoka sigara dia mandoto
ny tenany ary koa ny akanjony sy ny rivotra manodidina azy. Fanampin’izany, dia fahazarana manandevo ny fifohana sigara. Ny olona te hitsahatra dia mahita izany ho tena sarotra matetika. Amin’ny fitadidiana izany ao an-tsaina, dia afaka mitodika amin’ny Baiboly isika mba hahazoana fanampiana, hahatongavana amin’ny fanatsoahan-kevitra feno fahendrena momba ny fifohana sigara.10 Voalohany, dia diniho ny zava-manahirana ny amin’ny fahazarana manandevo. Rehefa niresaka momba ny sakafo i Paoly, dia nanao hoe: “Izaho tsy mety handevozin-javatra na inona na inona.” (1 Korintiana 6:12). Afaka nihinana izay karazan-tsakafo rehetra i Paoly, nefa fantany fa nisy olona sasany tamin’izany nanana feon’ny fieritreretana mora tohina. Koa nilaza àry izy fa tsy ‘andevozin’ny’ sakafo sasany aoka izany ka hoe tsy ho afaka ny hahafoy azy ireny raha toa izy ka tsy maintsy nanao izany mba tsy hanafintohina ny hafa. Raha tsy afaka mitsahatra amin’ny fifohana sigara — na amin’ny fihinanana paraky ny olona iray, dia mazava fa ‘andevozin’izy io’ izy. Koa ny fanambaran’i Paoly momba ny sakafo àry dia toro lalana iray tsara ho an’ny fampiasana sigara na paraky. Tsy tokony hamela ny tenantsika hanjary andevon’ny fahazarana iray isika.
11 Faharoa, dia diniho ny raharaha ny amin’ny fandotoana. Hoy ny Baiboly: “Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy”. (2 Korintiana 7:1). Ny fifohana sigara dia tsy isalasalana fa fahalotoana, na fandotoana, amin’ny nofo. Ny maha-ratsy io fandotoana io dia hita amin’ny hoe, araka ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana, dia mahatonga olona maherin’ny iray tapitrisa ho faty aloha be isan-taona izy io. Raha manaraka ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly momba ny fitoerana ho madio amin’ny fahalotoana amin’ny nofo isika, dia ho voaro amin’ny loza eo amin’ny fahasalamana noho ny fifohana sigara, ary koa noho ny zava-mahadomelina sy ny zavatra mandoto hafa.
Teny mahasoa
12. Nahoana ny torohevitra ao amin’ny Baiboly no mifamatotra foana amin’ny fahasalamantsika ara-batana sy ara-pihetseham-po?
12 Tsy tokony ho gaga isika amin’ny hoe mahasoa antsika Salamo 139:14-16). Ny toroheviny dia mifamatotra foana amin’ny fahasalamantsika ara-batana sy ara-pihetseham-po.
ara-batana ny fanarahana ny torohevitra ao amin’ny Baiboly. Avy amin’Andriamanitra ny torohevitra ao amin’ny Baiboly. Amin’ny maha-Mpamorona antsika azy, dia manana fahalalana lalina ny amin’ny fomba nanaovana antsika sy izay ilaintsika izy. (13, 14. Nahoana no lalan’ny fahendrena ny manaraka ny torohevitra ao amin’ny Baiboly milaza mba tsy handainga?
13 Izany dia hita amin’ilay torohevitra mba tsy hilaza lainga. Ny lainga dia voatanisa ho anisan’ireo zavatra fito izay halan’i Jehovah, ary ny bokin’ny Apokalypsy dia mitanisa ireo mpandainga ho anisan’ireo izay tsy hanana toerana ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. (Ohabolana 6:19; Apokalypsy 21:8). Na dia eo aza izany, dia miely patrana ny lainga. Ny gazetim-pandraharahana iray dia manamarika toy izao: “I Etazonia dia mahita firongatry ny hosoka sy ny famitahana ary ny fanararaotana mifandray amin’izany ratsy indrindra teo amin’ny tantarany.”2
14 Na dia fahita aza izy io, dia ratsy ho an’ny fiaraha-monina sy ny isam-batan’olona ny lainga. Nanamarika toy izao araka ny mety ilay mpanoratra an-gazety atao hoe Clifford Longley: “Ny lainga dia mandratra ilay mpandainga sy ilay andaingany, hatrany amin’ny lalina indrindra amin’ny tenany, amin’ny fanapahana ilay fifandraisana tena ilaina eo amin’ny saina sy ny zava-misy.”3 Manambara toy izao ny The American Journal of Psychiatry: “Ny fiantraikany ara-tsaina eo amin’ny olona iharan’ny lainga dia afaka mandrodana tanteraka. Ireo fanapahan-kevitra lehibe eo amin’ny fiainana dia mety hiorina amin’ny filazana diso, izay inoana ho marina. Ny lainga koa dia mety hisy voka-dratsiny eo amin’ireo mpandainga mihitsy.”4 Tsara kokoa toy inona moa ny milaza ny marina, toy ny anoroan’ny Baiboly hevitra amim-pahendrena!
15, 16. Amin’ny fomba ahoana avy no mahasoa antsika ny manaraka ny torohevitra ao amin’ny Baiboly milaza mba hampiseho fitiavana amin’ny hafa?
15 Eo amin’ny lafiny manorina kokoa, dia milaza amintsika ny Baiboly fa tokony hiahy ny hafa isika, hampiseho Matio 7:12.
fitiavana aminy sy hitondra fanampiana ho azy ireny. Fantatra tsara ny tenin’i Jesosy manao hoe: “Na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany”. —16 Ho tsara kokoa toy inona moa izao tontolo izao raha manaraka io fitsipika io ny olona tsirairay! Ambonin’izany, araka ny fanadihadiana ara-tsaina iray natao tany Etazonia, dia hahatsiaro ho mety kokoa ny olona. Ireo olona 1 700 nanaovana fanadihadiana dia nitatitra fa ny fanampiana ny hafa dia nanome azy ireo fahatsapana fahatoniana sy fanamaivanana tamin’ny faharisarisana mifandray amin’ny fihenjanana, toy ny aretin’andoha sy tsy fahaloaham-peo. Mamaran-kevitra toy izao ilay tatitra: “Hita àry fa ny fiahiana ny hafa dia anisan’ny maha-olombelona antsika, tsy misy hafa amin’ny fiahiana ny tenantsika.”5 Izany dia mampahatsiahy antsika ny didy ao amin’ny Baiboly manao hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” (Matio 22:39; ampitahao amin’ny Jaona 13:34, 35.) Voajanahary ny itiavana ny tenantsika. Mba hahasalama antsika ara-pihetseham-po anefa, dia milaza ny Baiboly fa tsy maintsy mampifandanja izany fitiavana ny tena izany amin’ny fitiavana ny hafa isika.
Ny fanambadiana sy ny fari-pitondran-tena
17. Nahoana no toa lany andro ny torohevitra ao amin’ny Baiboly indraindray?
17 Raha manome porofon’ny fananany fahendrena lalina ny Baiboly, dia tsy milaza foana kosa ireo zavatra tian’ny olona ho re. Matetika izy io dia ampangaina ho lany andro. Fa nahoana? Satria raha mitondra soa maharitra ho antsika ny torohevitry ny Baiboly, ny fampiharana azy kosa matetika dia mitaky fifehezana sy fandavan-tena; ary ireo toetra ireo dia tsy be mpitia amin’izao andro izao.
18, 19. Inona avy ireo fari-pitsipika ao amin’ny Baiboly momba ny fanambadiana sy ny fari-pitondran-tena?
18 Raiso, ohatra, ny raharaha ny amin’ny fanambadiana sy ny fari-pitondran-tena. Tena hentitra eto ireo fari-pitsipika Matio 19:4-6; 1 Korintiana 7:12-15.
ao amin’ny Baiboly. Faritany manokana ny fananana vady tokana, dia lehilahy iray ho an’ny vehivavy iray. Ary raha manonona toe-javatra tafahoatra mety ho azo ampiharana ny fisaraham-panambadiana na ny fisarahan-toerana izy io, amin’ny ankapobeny dia milaza fa maharitra mandritra ny androm-piainana ny fatoram-panambadiana. “Tsy mbola novakinareo va ny teny, fa Izay nahary azy tamin’ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy, ka dia nanao hoe: ‘Ary, noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany izy roroa’? ka dia tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Koa amin’izany, izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona.” —19 Ambonin’izany, dia milaza ny Baiboly fa ny hany faritra tokony hisian’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy dia ao amin’ny fatoram-panambadiana. Izy io dia mandrara ny firaisana rehetra toy izany ivelan’ny fanambadiana. Izao no vakintsika: “Ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’olona sy ny sodomita (...) dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.” — 1 Korintiana 6:9, 10.
20. Amin’ny fomba ahoana avy no minia tsy mahalala ireo fari-pitsipika ao amin’ny Baiboly ny besinimaro amin’izao andro izao?
20 Amin’izao andro izao, dia minia tsy mahalala ireo fari-pitsipika ireo ny besinimaro. Manamarika toy izao ilay profesora momba ny sosiolojia atao hoe David Mace: “Nandritra izao taonjato izao, dia nandia fiovana lehibe ny kolontsaintsika, ary fanao sy zavatra naorina fahiny maro no voahozongozona hatrany amin’ny fotony. Tsy naningana tamin’izany ny fanambadiana.”6 Fahita ireo fanao ara-pitondran-tena tsy voafehy. Ny firaisan’ny lahy sy ny vavy eo amin’ny zatovo roa miaraka dia heverina matetika ho ara-dalàna. Ny fiarahana mipetraka alohan’ny fanambadiana — ‘mba hahazoana antoka fotsiny’ — dia mateti-piseho. Ary rehefa mivady izy ireo, dia tsy zavatra tsy fahita ny firaisan’ny lahy sy ny vavy andrarana.
21. Inona no vokatry ny finiavan’ny besinimaro tsy hahalala ireo fari-pitsipika ao amin’ny Baiboly ho an’ny fanambadiana sy ny fari-pitondran-tena?
21 Nitondra fahasambarana ve io rivo-piainana tsy
voafehy ara-pitondran-tena io? Tsia, tsy nitondra afa-tsy fikorontanana izy io — sady fikorontanana lafo vidy amin’izay — niteraka tsy fahasambarana sy tokantrano rava. Ao koa ny fihanahan’ireo aretina azo amin’ny firaisana izay vokatra mivantan’ny fitondran-tena tsy voafehy. Ny fielezan’ny angatra sy ny tety ary ny chlamydiae, ankoatra ny aretina hafa, dia tsy voafehy intsony. Tato anatin’ireo taona faramparany, dia nanafaingana ny fielezan’ny SIDA ny fivarotan-tena sy ny fanaon’ireo miray amin’ny lehilahy na vehivavy tahaka aza. Mihanaka toy ny valanaretina ny fisian’ireo zazavavy tanora miteraka tsy manambady, nefa zara ny tenany raha nivoaka tamin’ny fahazazana. Nanamarika toy izao ny Ladies’ Home Journal: “Ny fanantitranterana ny firaisana izay nampiavaka ireo taona enimpolo sy ireo taona fitopolo dia nitondra tsy fahasambarana mandrakizay ho an’ny olombelona fa fahoriana mafy teo amin’ny olombelona kosa.”722. Raha ny amin’ny fari-pitondran-tena, inona no mitondra fahasambarana lehibe indrindra?
22 Noho izany, isika ankehitriny dia mandre fanamarihana tahaka izao manaraka izao, nataon’ilay profesora momba ny sosiolojia atao hoe Carlfred B. Broderick: “Angamba isika efa mba lehibe ihany mba handinika raha tsy hahasoa kokoa antsika rehetra na tsia ny mampirisika ny fifadiana firaisana alohan’ny fanambadiana ho paika arahina izay mahaforona valiny hifanentana indrindra amin’izay ilain’ireo olom-pirenentsika sy ny zony ho amin’ny fahafahana: fahafahana amin’ny aretina, fahafahana amin’ny zaza tsy irina.”8 Marina tokoa fa ny fari-pitsipi-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly no voaporofo fa mitondra ny fahasambarana lehibe indrindra amin’ny farany.
Fotopoto-pitsipika izay tena mandaitra
23. a) Raha tsy sambatra ny fanambadiana iray, tsy misy afa-tsy ny fisaraham-panambadiana ve no mety ho fanafodiny? b) Inona avy ny roa amin’ireo fanalahidy mitondra fanambadiana sambatra sy tsy mihozongozona?
23 Koa satria ny fanambadiana natao haharitra mandritra ny androm-piainana, dia mila mahafantatra ny fomba hahatonga azy ho vanona isika. Milaza ny sasany fa tsara 1 Korintiana 11:3; 1 Timoty 2:11-14.
kokoa ny miala amin’ny fanambadiana tsy sambatra iray toy izay hijanona ao ka hahita fahoriana. Misy zavatra hafa azo atao anefa: ny miezaka mandamina ireo zava-manahirana izay mahatonga ilay tsy fahasambarana. Io dia lafiny hafa iray izay anampian’ny Baiboly. Efa hitantsika fa toroany hevitra isika mba hitoetra ho mahatoky amin’ny vadintsika, ary izany dia fanalahidy iray ho amin’ny fanambadiana sambatra sy tsy mihozongozona. Ny fanalahidy hafa iray dia ny miaiky fa tsy afaka ny hisy afa-tsy loha iray ihany ao anatin’ny fanambadiana, ary milaza ny Baiboly fa tsy maintsy ho ny lehilahy izy io. Ny vehivavy dia toroana hevitra mba hanohana ny vadiny ary tsy hihaika ny toerany. Ny lehilahy kosa etsy an-kilany, dia ilazana mba hampiasa ny toerany mba hitondra soa ho an’ny vadiny ary mba tsy ho tia tena. —24, 25. Ahoana no ampirisihan’ny Baiboly ny lehilahy sy ny vehivavy manambady hanatanteraka ny anjara asany manokana ao amin’ny fanambadiana?
24 Hoy ny Baiboly amin’ny lehilahy: “Ny lehilahy dia tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony”. (Efesiana 5:28, 29). Ny lehilahy be fitiavana dia mampihatra ny fahefany amin’ny fomba maneho fiheverana. Tadidiny fa na dia izy aza no lohany, dia tokony hoheverina sy hakana hevitra ny vadiny. Ny fanambadiana dia fiaraha-miasa akaiky, fa tsy fitondrana tsy refesi-mandidy.
25 Ny torohevitra ao amin’ny Baiboly ho an’ny vehivavy dia mahafaoka izao teny izao: “Ny vehivavy dia tokony hanana fanajana lalina ny vadiny.” (Efesiana 5:33, NW ). Manaja ny vadiny noho ny toerany izy ary ny fanajany dia hoporofoin’ny fanohanany azy, tsy misy hafa amin’ny fitiavan’ny lahy azy, izay hoporofoin’ny fiahiany azy. Ho an’ny manana fisainana maoderina, dia tsy azo ekena ny torohevitra toy izany. Ny mpiara-miasa akaiky izay manorina ny fifandraisany amin’ny fitiavana sy ny fanajana anefa — araka ny torohevitry ny Baiboly — dia sambatra foana.
26. Tena mandaitra tokoa ve ireo fari-pitsipika ao amin’ny Soratra Masina ho an’ny fanambadiana? Asehoy amin’ny ohatra.
26 Ny hoe tena mandaitra tokoa ny torohevitra ao amin’ny Baiboly amin’io lafiny io dia hita amin’ny fanandraman-javatra iray avy tany amin’ireo Ranomasina Atsimo. Ny mpivady iray tany, taorian’ny folo taona niarahana, dia niaiky fa tsy nahomby ny fanambadiany. Koa nandamina ny hisaraka àry izy ireo. Tamin’izay no niresaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray ilay vehivavy. Niara-nandinika ny torohevitra ao amin’ny Baiboly ho an’ny olona manambady izy sy ilay Vavolombelona. Manao izao tatitra izao ilay lehilahy: “Arakaraka ny nianaran’ny vadiko ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly, dia nanao ezaka mba hampihatra azy ireny teo amin’ny fiainany izy. Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy, dia nanomboka nahamarika fiovana sasany aho.” Nanitikitika ny sainy izany ka nanaiky hiaraka tamin’ny vadiny tamin’ny fianarana ny Baiboly izy ary niara-nandinika ny torohevitra ao amin’ny Baiboly ho an’ny lehilahy manambady. Ny vokany? Hoy izy: “Ankehitriny izahay dia nahita ny fototra ho amin’ny fiainam-pianakaviana tena sambatra tokoa.”
27. Ny fampiharana ny fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly inona avy no afaka manampy ny Kristiana izay miaritra fahantrana ara-toe-karena?
27 Ny fahazakana ny fahantrana dia mbola lafiny hafa iray koa izay nahitana fa mahasoa ny torohevitra ao amin’ny Baiboly. Ohatra, ny fifohana sigara sy ny fimamoana, izay samy mifanohitra amin’ny fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly, dia mandany ny vola miditra efa voafetra. (Ohabolana 23:19-21). Ankoatra izany, dia mampirisika ny fahazotoana miasa ny Baiboly, satria ny olona miasa mafy iray dia mahita matetika kokoa fomba hamelomana ny fianakaviany noho ny olona iray kamo na ny olona iray miraviravy tanana. (Ohabolana 6:6-11; 10:26). Ambonin’izany, ny fanarahana ny torohevitra milaza mba tsy “hialona ny mpanao meloka” dia miaro ny olona iray amin’ny fanaovan-javatra toy ny heloka bevava na ny filokana ho fomba hanamaivanana ny fahantrana. (Salamo 37:1). Ny fanao toy izany dia mety ho toa hanolotra fanafodiny haingana amin’ireo fahasahiranana ara-bola, nefa ny vokany maharitra dia tena mangidy.
28-30. a) Tamin’ny ahoana ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly no nanampy ny vehivavy kristiana iray hiatrika ny fahantrana? b) Inona no hamarinin’ireo fanandraman-javatra hitan’ny Kristiana an’arivony maro ao anatin’ny fahantrana ara-toe-karena?
28 Tena manampy an’ireo izay tena mahantra tokoa ve io torohevitra io, sa teoria raisina ho filamatra fotsiny? Ny valiny dia hoe misy vokany ilay torohevitra, araka ny asehon’ny fanandraman-javatra maro maneran-tany. Mba hakana ohatra iray monja: ny vehivavy kristiana iray tany Azia dia nanjary maty vady, sady tsy nanana fidiram-bola no tsy maintsy nikarakara zanakalahy tanora iray. Ahoana no nanampian’ny Baiboly azy sy ny zanany lahy?
29 Izy dia nazoto niasa, araka ny torohevitry ny Baiboly, ka nanomboka nanjaitra akanjo sy nivarotra azy ireny. Noho izy nanao ny marina sy azo nitokiana, araka ny torohevitry ny Baiboly koa, tsy ela dia nanana clients tsy tapaka izy. (Kolosiana 3:23). Avy eo, dia navadiny ho toeram-pisakafoana kely ny efitrano kely iray tao an-tranony, ka nifoha tamin’ny efatra teo ho eo isa-maraina izy mba hanomana sakafo hamidy, ary izany dia nanampy tamin’ny fidiram-bolany. “Na dia izao aza”, hoy izy, “dia tsy maintsy miaina amin’ny fomba tsotra izahay.” Tadidiny anefa ny torohevitra ao amin’ny Baiboly manao hoe: “Raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany.” — 1 Timoty 6:8.
30 Manampy teny toy izao izy: “Na dia kely foana aza ny tsy maha-faran’izay mahantra ahy, dia tsy mahatsapa fahatezerana na mahatsapa tena ho tsy faly na kivy mafy aho. Ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly dia manome ahy fomba fihevitra manorina.” Ho fanampin’izany, dia hitany fa tena nisy vokany taminy tokoa ny fampanantenana miavaka iray nomen’i Jesosy. Hoy i Jesosy: “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany [zavatra tena ilaina ara-nofo] rehetra izany.” (Matio 6:33). Ny fanandraman-javatra hitany dia hoe amin’ny fametrahana ny fanompoany an’Andriamanitra ho eo amin’ny toerana voalohany amin’ny fiainany, dia mahazo foana ny zavatra ilaina ara-nofo izy, na amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa. Ny fanandraman-javatra hitan’io ramatoa kristiana io, miaraka amin’ny an’ireo Kristiana mahantra ara-toe-karena tsy tambo isaina hafa, dia mampitombo ny porofo manamarina fa tena mandaitra tokoa ny torohevitra ao amin’ny Baiboly.
31. Inona no mitranga rehefa manaraka ny torohevitra ao amin’ny Baiboly isika, ary inona no porofoin’io zava-misy io?
31 Tao amin’itỳ toko itỳ isika dia nikasika kely fotsiny ilay tahirin-torohevitra sy fanoroan-dalana be dia be raketin’ny Baiboly, ary nahita toe-javatra vitsivitsy monja nahitan’izany torohevitra izany vokany mandaitra. Ireo fanandraman-javatra notononina dia ho azo ampitomboina avo an’arivony heny. Imbetsaka mihitsy, rehefa manaraka ny Baiboly ny olona, dia mandray soa izy ireo. Rehefa minia tsy mahalala azy io izy, dia iharam-pahavoazana. Tsy misy mihitsy fitambarana torohevitra hafa, tranainy na maoderina, izay mahasoa hatrany hatrany aoka izany no sady mihatra amin’ny olona avy amin’ny firazanana rehetra. Tsy mety ho fahendrena nentim-paharazana fotsiny ny torohevitra feno fahendrena toy izany. Ny maha-rakitra feno fahendrena toy izany ny Baiboly dia porofo mahery fa izy io dia ny Tenin’Andriamanitra.
[Fanontaniana]
[Teny notsongaina, pejy 168]
Ny fihetsika tia manampy dia mitondra soa ho an’ny tsirairay avy
[Sary, pejy 163]
Ny fiaraha-mandeha amin’ny hendry dia mahatonga antsika ho hendry, fa ny fifaneraserana amin’ny adala kosa dia hisy fiantraikany ratsy eo amintsika
[Sary, pejy 165]
Ny fifohana sigara dia tokony hohalavirina satria mifanohitra amin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly
[Sary, pejy 171]
Ireo izay manaraka ny torohevitra ao amin’ny Baiboly ao amin’ny faritry ny fanambadiana dia manana fototra mafy orina ho amin’ny fahasambarana
[Sary, pejy 173]
Ny fampiharana ny torohevitra ao amin’ny Baiboly dia manampy ny olona hiatrika ireo zava-manahirana mafy ny amin’ny fahantrana