Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mifanipaka ve ny ao Amin’ny Baiboly?

Mifanipaka ve ny ao Amin’ny Baiboly?

Toko Faha-7

Mifanipaka ve ny ao Amin’ny Baiboly?

Ny fiampangana matetika atao amin’ny Baiboly dia hoe mifanipaka ny ao amin’izy io. Tsy namaky manokana ny Baiboly mazàna ny olona manao io fiampangana io; mamerina fotsiny izay reny izy ireo. Ny sasany anefa nahita izay toa fifanipahan-javatra marina ary voahelingelin’izy ireny.

1, 2. (Miaraka amin’ny teny fampidirana.) a) Fiampangana inona no atao matetika amin’ny Baiboly? b) Rehefa mampitaha andalan-teny samy hafa ao amin’ny Baiboly isika, inona no tokony hotadidintsika? d) Inona avy ireo antony sasany mahatonga ny fisian’ny fahasamihafana indraindray eo amin’ny fomba fitantaran’ireo mpanoratra ao amin’ny Baiboly ny fisehoan-javatra iray ihany?

RAHA tena Tenin’Andriamanitra tokoa ny Baiboly dia tokony hirindra, fa tsy hifanipaka. Nahoana àry ny andalan-teny sasany no toa mifanipaka amin’ny hafa? Mba hamaliana izany, dia ilaintsika ny mitadidy fa, na dia Tenin’Andriamanitra aza ny Baiboly, izy io dia nosoratan’ny olona maromaro nandritra ny fe-potoana naharitra taonjato maromaro. Nanana fiaviana, fomba fanoratra sy talenta samy hafa ireny mpanoratra ireny, ary hita taratra ao amin’ilay asa soratra ireny fahasamihafana rehetra ireny.

2 Ambonin’izany, raha miresaka momba ny fisehoan-javatra iray ihany ny mpanoratra roa na mihoatra, ny iray dia mety hampiditra tsipiriany izay tsy resahin’ny iray hafa. Fanampin’izany, ny mpanoratra samy hafa dia mampiseho ny foto-kevitra dinihina amin’ny fomba samy hafa. Ny iray dia mety hanoratra izany araka ny fandaharan-taona, ary etsy an-daniny, ny iray hafa dia mety hanaraka fomba fandaharana hafa. Ao amin’itỳ toko itỳ isika dia hanolotra sasany amin’izay lazaina fa fifanipahan-javatra ao amin’ny Baiboly, ary handinika ny fomba azo ampifanarahana azy ireny, amin’ny fiheverana ireo hevitra teo aloha.

Vavolombelona tsy mifampiankina

3, 4. Raha ny amin’ilay kapiteny izay narary ny ankizilahiny, toa fifanipahan-javatra inona no misy ao amin’ny fitantaran’i Matio sy ny an’i Lioka, ary ahoana no ahafahantsika mampifanaraka ireo fitantarana ireo?

3 Ny “fifanipahan-javatra” sasany dia mipoitra rehefa manana fitantarana roa na mihoatra momba ny zava-niseho iray ihany isika. Ohatra, ao amin’ny Matio 8:5 isika dia mamaky fa rehefa niditra tao Kapernaomy i Jesosy, dia “nisy kapiteny anankiray nankao aminy ka nitaraina taminy”, ary nangataka tamin’i Jesosy mba hanasitrana ny ankizilahiny. Ao amin’ny Lioka 7:3 anefa isika dia mamaky fa io kapiteny io “dia naniraka loholon’ny Jiosy hankeo aminy [Jesosy] hangataka Azy mba ho avy ka hanasitrana ny mpanompony”. Niresaka tamin’i Jesosy ve ilay kapiteny, sa naniraka ny loholona kosa izy?

4 Ny valiny mazava dia hoe naniraka ny loholon’ny Jiosy ilay lehilahy. Nahoana àry i Matio no milaza fa ilay lehilahy mihitsy no nitaraina tamin’i Jesosy? Satria, raha ny marina, ilay lehilahy dia nangataka an’i Jesosy tamin’ny alalan’ireo loholona jiosy. Niasa toy ny mpitondra teniny ireo loholona.

5. Nahoana ny Baiboly no milaza fa i Solomona no nanao ny tempoly, kanefa mazava fa nataon’olon-kafa ilay tena asa?

5 Mba hampisehoana izany amin’ny ohatra, dia izao no vakintsika ao amin’ny 2 Tantara 3:1: “Ary Solomona nanomboka nanao ny tranon’i Jehovah tany Jerosalema”. Atỳ aoriana dia izao no vakintsika: “Toy izany no nahavitan’i Solomona ny tranon’i Jehovah”. (2 Tantara 7:11). I Solomona mihitsy ve no nanao ilay tempoly nanomboka tamin’ny niantombohany ka hatramin’ny nahavitany? Mazava ho azy fa tsia. Ny tena asa fanorenana dia nataon’ireo mpandrafitra sy ireo mpiasa. I Solomona anefa no mpandamina ny asa, ilay tompon’andraikitra tamin’izany. Noho izany, dia milaza ny Baiboly fa izy no nanao ilay trano. Toy izany koa no ilazan’ny Filazantsaran’i Matio amintsika fa ilay komandy miaramila no nanatona an’i Jesosy. I Lioka anefa dia manome ilay tsipiriany fanampiny hoe nanatona azy tamin’ny alalan’ny loholona jiosy izy.

6, 7. Ahoana no ahafahantsika mampifanaraka ny fitantaran’ny Filazantsara roa samy hafa ny amin’ny fangatahan’ireo zanakalahin’i Zebedio?

6 Indro misy ohatra iray mitovy amin’izany. Ao amin’ny Matio 20:20, 21 isika dia mamaky toy izao: “Nanatona an’i Jesosy ny renin’ny zanak’i Zebedio mbamin’ny zananilahy, dia niankohoka ka nangataka zavatra taminy.” Ny nangatahiny dia ny hahazoan’ireo zanany lahy toerana misy tombontsoa indrindra rehefa ho tonga ao amin’ny Fanjakany i Jesosy. Ao amin’ny fitantaran’i Marka io fisehoan-javatra io ihany isika dia mamaky toy izao: “Jakoba sy Jaona, zanak’i Zebedio, nanatona an’i Jesosy ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tianay mba hataonao aminay izay angatahinay aminao.” (Marka 10:35-37). Ireo zanak’i Zebedio mirahalahy ve sa ny renin’izy ireo no nanao ilay fangatahana tamin’i Jesosy?

7 Mazava fa, ny zanak’i Zebedio mirahalahy no nanao ilay fangatahana, araka ny ambaran’i Marka. Tamin’ny alalan’ny reniny anefa no nanaovan’izy ireo izany. Izy no mpitondra tenin’izy ireo. Izany dia tohanan’ny tatitra ataon’i Matio hoe rehefa ren’ireo apostoly hafa izay nataon’ny renin’ny zanakalahin’i Zebedio, dia tezitra izy ireo, tsy tamin’ny reniny akory, fa ‘tamin’izy mirahalahy’. — Matio 20:24.

8. Ahoana no mety tsy hitovian’ny fitantarana roa samy hafa momba ny fisehoan-javatra iray ihany, kanefa sady ho samy marina?

8 Efa mba nandre olona roa nitantara fisehoan-javatra iray izay samy hitan’izy ireo maso ve ianao? Raha izany no izy, moa ve voamarikao fa ny tsirairay avy dia nanantitrantitra tsipiriany izay nanaitra azy? Ny iray dia mety ho namela tsipiriany izay nampidirin’ilay iray hafa. Samy nilaza ny marina anefa izy ireo. Mitovy amin’izany ny amin’ny fitantaran’ireo Filazantsara efatra ny fanompoan’i Jesosy, ary koa ireo fisehoan-javatra ara-tantara hafa tantarain’ny mpanoratra ny Baiboly mihoatra ny iray. Nanoratra filazana araka ny marina ny mpanoratra tsirairay na dia rehefa nitana tsipiriany izay navelan’ilay iray hafa aza ny iray. Amin’ny fandinihana ny fitantarana rehetra, dia azo atao ny mahazo hevi-javatra feno kokoa momba izay nitranga. Manaporofo ny fahasamihafana toy izany fa tsy mifampiankina ireo fitantaran’ny Baiboly. Ary ny firindrany anaty dia manaporofo fa marina izy ireo.

Vakio ny teny manodidina

9, 10. Amin’ny fomba ahoana no anampian’ny teny manodidina antsika hahita hoe taiza no nahazoan’i Kaina ny vadiny?

9 Matetika dia azo hazavaina ireo toa fifanoherana raha mijery ny teny manodidina isika. Diniho, ohatra, ilay olana apoitra matetika momba ny vadin’i Kaina. Ao amin’ny Genesisy 4:1, 2 isika dia mamaky toy izao: “Dia nanan-anaka Eva ka niteraka an’i Kaina, ary hoy izy: Efa nahazo zazalahy tamin’i Jehovah aho. Ary niteraka an’i Abela rahalahiny koa izy.” Araka ny efa fantatra tsara, i Kaina dia namono an’i Abela; eo aorian’izany anefa isika dia mamaky fa nanam-bady aman-janaka i Kaina. (Genesisy 4:17). Raha tsy nanana afa-tsy zanaka mirahalahy i Adama sy i Eva, taiza i Kaina no nahita ny vadiny?

10 Ny vahaolana dia mipetraka amin’ny hoe nanan-janaka nihoatra ny roa i Adama sy i Eva. Araka ny teny manodidina, dia maro anaka ny fianakavian’izy ireo. Ao amin’ny Genesisy 5:3 isika dia mamaky fa niteraka zanakalahy hafa iray nantsoina hoe Seta i Adama, ary avy eo, eo amin’ny andininy manaraka isika dia mamaky toy izao: “Niteraka zazalahy sy zazavavy izy.” (Genesisy 5:4). Koa i Kaina àry dia nety ho nanambady ny iray tamin’ireo anabaviny na ny iray tamin’ireo zanak’olo-mpiray tam-po taminy aza. Tamin’io fe-potoana tany am-boalohany tamin’ny tantaran’olombelona io, fony mbola akaikin’ny fahalavorariana aoka izany ny olombelona, ny fanambadiana toy izany dia niharihary fa tsy nampidi-doza toy ny amin’izao andro izao ho an’ireo zanaka avy amin’izany firaisana izany.

11. Inona no lazaina fa tsy fitovian-kevitra nisy teo amin’i Jakoba sy ny apostoly Paoly izay tondroin’ny sasany?

11 Ny fandinihantsika ny teny manodidina koa dia manampy antsika hahatakatra izay lazain’ny sasany hoe tsy fitovian-kevitra teo amin’ny apostoly Paoly sy i Jakoba. Ao amin’ny Efesiana 2:8, 9, dia milaza i Paoly fa vonjena amin’ny alalan’ny finoana ny Kristiana fa tsy amin’ny alalan’ny asa. Hoy izy: ‘Novonjena amin’ny finoana ianareo, fa tsy avy amin’ny asa.’ I Jakoba anefa dia manizingizina ny maha-zava-dehibe ny asa. Izao no nosoratany: “Maty ny tena, raha tsy misy fanahy, ary maty toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa.” (Jakoba 2:26). Ahoana no azo ampifanarahana ireo fanambarana roa ireo?

12, 13. Amin’ny ahoana ny tenin’i Jakoba no mifameno, fa tsy mifanohitra kosa amin’ny an’ny apostoly Paoly?

12 Rehefa dinihina ny teny manodidina amin’ny tenin’i Paoly, dia hitantsika fa mifameno ireo fanambarana roa ireo. Ny apostoly Paoly dia manisy firesahana ny amin’ny fiezahan’ireo Jiosy hitandrina ny Lalàn’i Mosesy. Nino izy ireo fa raha nitandrina ny Lalàna tamin’ny an-tsipiriany rehetra izy ireo, dia ho olo-marina. Nasehon’i Paoly fa tsy nety izany. Tsy afaka ny ho olo-marina na oviana na oviana isika — ka hoe ho mendrika ny famonjena — amin’ny alalan’ny asa ataontsika manokana, satria tandra vadin-koditra amintsika ny fahotana. Amin’ny alalan’ny finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy ihany no hahavoavonjy antsika. — Romana 5:18.

13 Kanefa i Jakoba kosa dia manampy ilay hevitra tena lehibe hoe tsy misy vidiny ny finoana fotsiny raha tsy tohanan’ny asa. Ny olona iray izay milaza fa manana finoana an’i Jesosy dia tokony hanaporofo izany amin’izay ataony. Ny finoana tsy miasa dia finoana maty ary tsy hitondra ho amin’ny famonjena.

14. Ao amin’ny andalan-teny inona avy no ampisehoan’i Paoly fa nanaiky tanteraka ilay fotopoto-pitsipika hoe tsy maintsy aseho amin’ny asa ny finoana velona ny tenany?

14 Nitovy hevitra tanteraka tamin’izany ny apostoly Paoly, ary matetika izy no miresaka ny amin’ny karazana asa tokony hataon’ny Kristiana mba hampisehoana ny finoany. Ohatra, nanoratra toy izao ho an’ny Romana izy: “Amin’ny fo no anehoana finoana hahazoana fahamarinana, fa amin’ny vava kosa no anaovana fanambarana ampahibemaso hahazoana famonjena.” Ny fanaovana “fanambarana ampahibemaso” — fizarana ny finoantsika amin’ny hafa — dia tena zava-dehibe mba hahazoana famonjena. (Romana 10:10, NW; jereo koa ny 1 Korintiana 15:58; Efesiana 5:15, 21-33; 6:15; 1 Timoty 4:16; 2 Timoty 4:5; Hebreo 10:23-25.) Kanefa, tsy misy asa azon’ny Kristiana iray atao, ary indrindra tsy misy fiezahana mba hanatanteraka ny Lalàn’i Mosesy, ka ho tambin’izany ny zo ho amin’ny fiainana mandrakizay. Izy io dia “fanomezana omen’Andriamanitra” ho an’ireo izay maneho finoana. — Romana 6:23, NW; Jaona 3:16.

Fomba fijery samy hafa

15, 16. Ahoana no samy ananan’i Mosesy sy i Josoa ny marina rehefa nilaza ny iray fa ny atsinanan’i Jordana dia ‘etỳ an-dafin’ilay’ ony kanefa ilay iray hafa dia nilaza fa ‘any an-dafiny’ izy io?

15 Indraindray ireo mpanoratra ao amin’ny Baiboly dia nanoratra momba ny fisehoan-javatra iray ihany amin’ny fomba fijery samy hafa, na nampiseho ny fitantarany tamin’ny fomba samy hafa izy ireo. Rehefa heverina ireny fahasamihafana ireny, dia mora hazavaina ireo toa fifanipahan-javatra hafa koa. Ohatra iray ny amin’izany ny ao amin’ny Nomery 35:14, izay iresahan’i Mosesy ny amin’ny faritany atsinanan’i Jordana ho “etỳ an-dafin’i Jordana etỳ”. Kanefa, rehefa niresaka ny tany teny atsinanan’i Jordana i Josoa dia niantso azy io hoe “any an-dafin’i Jordana”. (Josoa 22:4). Iza no marina?

16 Raha ny marina, dia samy marina izy ireo. Araka ny fitantarana ao amin’ny Nomery, ny Isiraelita dia mbola tsy nita ny Onin’i Jordana mba hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina, koa taminy àry, ny atsinanan’i Jordana dia “etỳ an-dafin’i Jordana etỳ”. I Josoa anefa dia efa nita an’i Jordana. Raha ara-batana, izao izy dia tany andrefan’ilay ony, tao amin’ny tany Kanana. Koa ny atsinanan’i Jordana àry taminy dia “any an-dafin’i Jordana”.

17. a) Inona no lazaina fa fifanoherana tondroin’ny sasany ao amin’ireo toko roa voalohany amin’ny Genesisy? b) Inona no antony fototra mahatonga ilay heverina fa tsy fitoviana?

17 Fanampin’izany, ny fomba nandrafetana ny fitantarana iray dia mety hitarika ho amin’ny toa fifanipahan-javatra. Ao amin’ny Genesisy 1:24-26, dia mampiseho ny Baiboly fa noforonina talohan’ny olona ny biby. Ao amin’ny Genesisy 2:7, 19, 20, anefa, dia toa milaza izy fa noforonina talohan’ny biby ny olona. Nahoana no misy tsy fitoviana? Satria ireo fitantarana roa momba ny famoronana dia miresaka azy io avy amin’ny fomba fijery roa samy hafa. Ilay voalohany dia milazalaza ny famoronana ny lanitra sy ny tany ary ny zavatra rehetra ao. (Genesisy 1:1–2:4). Ilay faharoa dia mifantoka amin’ny famoronana ny taranak’olombelona sy ny nahalavoany tao amin’ny fahotana. — Genesisy 2:5–4:26.

18. Ahoana no ahafahantsika mampifanaraka ny toa tsy fitoviana ao amin’ny fitantarana roa momba ny famoronana ao amin’ireo toko voalohany amin’ny Genesisy?

18 Narafitra araka ny fandehan’ny fotoana ilay fitantarana voalohany, nozaraina ho “andro” enina nifanarakaraka. Nosoratana araka ny maha-zava-dehibe ny foto-kevitra ilay faharoa. Aorian’ny teny fampidirana fohy izy io, araka ny lojika, dia miresaka mivantana momba ny famoronana an’i Adama, satria izy sy ny fianakaviany no foto-kevitra manaraka. (Genesisy 2:7). Nampidirina araka izay nilana azy avy eo ny filazana hafa. Ianarantsika fa taorian’ny namoronana azy i Adama dia natao hiaina tao amin’ny sahan’i Edena. Koa tononina àry ankehitriny ny nanaovana ny sahan’i Edena. (Genesisy 2:8, 9, 15). Milaza amin’i Adama i Jehovah mba hanome anarana “ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra”. Ankehitriny àry no fotoana hanononana ny hoe “tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra” ireo zavamananaina rehetra ireo, na dia nanomboka ela talohan’ny nisehoan’i Adama an-tsehatra aza ny famoronana azy ireo. — Genesisy 2:19; 1:20, 24, 26.

Vakio amim-pitandremana ilay fitantarana

19. Toa fisafotofotoana inona no misy ao amin’ny fitantaran’ny Baiboly momba ny fandresena an’i Jerosalema?

19 Indraindray ny hany ilaina mba hanazavana ny toa fifanipahan-javatra dia ny mamaky ilay fitantarana amim-pitandremana ary ny manjohy hevitra momba ilay filazana omena. Izany no izy rehefa mandinika ny nandresen’ny Isiraelita an’i Jerosalema isika. Tanisaina ho anisan’ny lovan’i Benjamina i Jerosalema, nefa isika dia mamaky fa tsy afaka naharesy azy io ny fokon’i Benjamina. (Josoa 18:28; Mpitsara 1:21). Mamaky koa isika fa tsy afaka naharesy an’i Jerosalema i Joda — toy ny hoe tapany amin’ny lovan’io foko io izany. Tamin’ny farany, i Joda dia nandresy an’i Jerosalema, ka nandoro azy tamin’ny afo. (Josoa 15:63; Mpitsara 1:8). Kanefa, an-jatony taona maro tatỳ aoriana, dia voarakitra an-tsoratra ho nandresy an’i Jerosalema koa i Davida. — 2 Samoela 5:5-9.

20, 21. Amin’ny fandinihana amim-pitandremana ireo tsipiriany tsara homarihina rehetra, inona no manjary miharihary ho tantaran’ny nakan’ny Hebreo ny tanànan’i Jerosalema?

20 Amin’ny voalohany, dia mety ho toa misafotofoto izany rehetra izany, nefa raha ny tena izy, dia tsy misy fifanipahan-javatra. Raha ny marina, ny sisin-tany nanelanelana ny lovan’i Benjamina sy ny an’i Joda dia nanaraka ny Lohasahan’i Hinoma, ka namakivaky ny tanàna tranainin’i Jerosalema mihitsy. Izay nanjary nantsoina hoe Tanànan’i Davida tatỳ aoriana raha ny tena izy dia tao amin’ny faritanin’i Benjamina, tsy misy hafa amin’ny lazain’ny Josoa 18:28. Azo inoana anefa fa ny tanàna jebositan’i Jerosalema dia nihoatra ny Lohasahan’i Hinoma ka dia nifanindry tamin’ny faritanin’i Joda, hany ka tsy maintsy niady tamin’ireo mponina kananita tao aminy koa i Joda.

21 Tsy afaka naharesy ilay tanàna i Benjamina. Indray mandeha, i Joda dia tena nandresy an’i Jerosalema ka nandoro azy. (Mpitsara 1:8, 9). Niharihary anefa fa nanohy ny diany ny tafik’i Joda, ary naka ilay tanàna indray ny sasany tamin’ireo mponina tany am-boalohany. Tatỳ aoriana izy ireo dia nahaforona antokon’olona mpanohitra izay tsy azon’i Joda na i Benjamina nesorina. Araka izany, ny Jebosita dia nitoetra tao Jerosalema foana mandra-pandresin’i Davida ilay tanàna, an-jatony taona maro tatỳ aoriana.

22, 23. Iza no nitondra ny hazo fijalian’i Jesosy hatrany amin’ny toerana famonoana ho faty?

22 Mahita ohatra iray faharoa isika ao amin’ireo Filazantsara. Raha ny amin’ny nitarihana an’i Jesosy hatrany amin’ny toerana nahafatesany, dia izao no vakintsika ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona: “Izy nitondra ny hazofijaliany, dia [nivoaka, NW ]”. (Jaona 19:17). Kanefa, isika dia mamaky toy izao ao amin’ny Lioka: “Ary raha nitondra an’i Jesosy izy, dia nitana lehilahy Kyreniana anankiray atao hoe Simona, izay vao avy any an-tsaha, ka nampitondra iny ny hazofijaliana hanaraka an’i Jesosy.” (Lioka 23:26). Nitondra ilay fitaovana namonoana azy ve i Jesosy, sa i Simona no nitondra azy io ho azy?

23 Tamin’ny voalohany dia niharihary fa i Jesosy no nitondra ny hazo fijaliany manokana, araka ny marihin’i Jaona. Tatỳ aoriana anefa, araka ny hamarinin’i Matio sy i Marka ary i Lioka, dia i Simona kyreniana no nasaina nitondra azy io ho azy teny amin’ny lalana sisa nankany amin’ny toerana famonoana.

Porofon’ny tsy fifampiankinana

24. Nahoana isika no tsy gaga mahita toa fifanoherana sasany ao amin’ny Baiboly, nefa inona no tsy tokony ho famaranan-kevitsika avy amin’izany?

24 Marina fa misy toa fifanoherana sasany izay sarotra ampifanarahina ao amin’ny Baiboly. Tsy tokony hihevitra anefa isika fa fifanipahan-javatra izy ireny. Matetika izany dia fisehoan’ny tsy fahampian’ny filazana feno fotsiny. Manome fahalalana ampy mba hanomezana fahafaham-po amin’ny zavatra ilaintsika ara-panahy ny Baiboly. Raha toa izy io ka hanome antsika ny tsipiriany rehetra momba ny fisehoan-javatra rehetra tononina, dia ho fitambaram-boky iray makadiry sy tsy mora ampiasaina, fa tsy ho ilay boky mora ampiasaina sy mora entina izay ananantsika amin’izao andro izao.

25. Inona no lazain’i Jaona momba ny firaketana an-tsoratra ny fanompoan’i Jesosy, ary ahoana no anampian’izany antsika hahazo ny antony tsy anomezan’ny Baiboly antsika ny tsipiriany rehetra momba ny fisehoan-javatra rehetra?

25 Rehefa niresaka momba ny fanompoan’i Jesosy ny apostoly Jaona, dia nanoratra tamin’ny teny nampitombo nefa azo alana tsiny toy izao: “Ary misy zavatra maro hafa koa izay nataon’i Jesosy, ka raha voasoratra tsirairay avokoa izany rehetra izany, ataoko fa izao tontolo izao aza dia tsy omby ny boky voasoratra.” (Jaona 21:25). Mbola vao mainka tsy ho azo atao aza ny hirakitra an-tsoratra ny tsipiriany rehetra amin’ny tantaran’ny vahoakan’Andriamanitra naharitra ela, nanomboka tamin’ireo patriarika ka hatramin’ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany!

26. Mirakitra filazan-javatra ampy mba hahazoantsika antoka ny amin’ny zava-misy tena lehibe inona moa ny Baiboly?

26 Raha ny tena izy, ny Baiboly dia fahagagana iray raha ny amin’ny fahaiza-mamintina. Mirakitra filazana ampy izy io mba hahafahantsika hamantatra azy ho mihoatra noho ny asa soratr’olombelona fotsiny. Izay fahasamihafana rehetra voarakitra ao dia manaporofo fa tena vavolombelona tsy nifampiankina marina ireo mpanoratra. Etsy an-danin’izany, ny maha-iray ny Baiboly amin’ny fomba miavaka — izay horesahina amin’ny an-tsipiriany kokoa ao amin’ny toko iray any aoriana — dia mampiseho tsy misy isalasalana ny maha-avy amin’Andriamanitra azy io. Tenin’Andriamanitra izy io fa tsy tenin’olona.

[Fanontaniana]

[Teny notsongaina, pejy 89]

Ireo toa tsy fitoviana ao amin’ny Baiboly dia manaporofo fa tena vavolombelona tsy nifampiankina marina ireo mpanoratra

[Teny notsongaina, pejy 91]

Ny fandinihana ny teny manodidina matetika dia manampy handamina ireo lazaina fa fifanipahan-javatra

[Efajoro, pejy 93]

Tsy Voatery ho Fifanipahan-javatra ny “Tsy Fitoviana”

I Kenneth S. Kantzer, teolojiana iray, indray mandeha, dia nampiseho hoe amin’ny ahoana ny fitantarana roa momba ny fisehoan-javatra iray ihany no afaka ny ho toa mifanipaka no sady samy ho marina. Izao no nosoratany: “Fotoana kelikely lasa izay, dia maty ny renin’ny namana tsy foinay iray. Ny nahafatesany dia renay voalohany tamin’ny namana iombonana sy itokiana iray, izay nitantara fa nijoro teo amin’ny kihon-dalana niandry aotobisy ny renin’ilay namanay, voadonan’ny aotobisy hafa iray nandalo, ka naratra mafy, ary maty minitra vitsivitsy tatỳ aoriana.”

Tsy ela taorian’izay izy dia nandre fitantarana iray hafa dia hafa. Hoy izy: “Renay tamin’ny zafikelin’ilay ramatoa maty fa voan’ny lozam-piarakodia iray izy, nipitika avy tao amin’ny fiara nandehanany, ary maty teo no ho eo. Azon’ilay ankizilahy antoka mihitsy ny nolazainy.

“Ela be tatỳ aoriana (...) dia namotopototra izahay mba hahitana ny fifandrindran’ireo. Renay fa niandry aotobisy ilay mamabe, voadonan’ny aotobisy hafa iray, ka naratra mafy. Noraisin’ny fiara iray nandalo izy ary nentina faingana hankany amin’ny hopitaly, nefa tamin’ny fahamaikany, dia nifandona tamin’ny fiara hafa iray ilay fiara nitondra azy nankany amin’ny hopitaly. Nipitika avy tao amin’ilay fiara izy ary maty teo no ho eo.”

Eny, ny fitantarana roa momba ilay fisehoan-javatra iray ihany dia mety ho samy marina, na dia toa tsy mifanaraka aza izy ireo. Izany indraindray no izy ny amin’ny Baiboly. Ny vavolombelona tsy mifampiankina dia mety hilazalaza tsipiriany samy hafa momba ny fisehoan-javatra iray ihany. Tsy mifanipaka anefa izay soratan’izy ireo, fa mifameno, ary raha mihevitra ny fitantarana rehetra isika, dia hanana fahazoan-kevitra tsara kokoa ny amin’izay nitranga.