Nahoana Isika no Tokony Hamaky ny Baiboly?
Toko Voalohany
Nahoana Isika no Tokony Hamaky ny Baiboly?
Miaina ao amin’ny tontolo iray feno zava-manahirana maro loatra sy valiny vitsy kely loatra isika. Misy olona an-tapitrisany maro tsy tapaka no noana. Mitombo ny isan’ireo andevozin’ny zava-mahadomelina. Mihabetsaka ny fianakaviana rava. Re amin’ny vaovao tsy an-kijanona ny amin’ny fandriana amin’ny havana akaiky sy ny herisetra eo anivon’ny fianakaviana. Ny rivotra fohintsika sy ny rano sotrointsika dia mihavoapoizina tsikelikely. Miaraka amin’izany koa, dia mihamaro amintsika no iharan’ny heloka bevava. Heverinao ve fa ho voalamina ny zava-manahirana toy ireo indray andro any?
1. (Miaraka amin’ny teny fampidirana.) Zava-manahirana maoderina inona avy no mampiseho fa mila fitarihana ny olombelona?
FANAMPIN’IZANY, isika dia miaina amin’ny taonjato misy safidy manahirana. Maro, ohatra, no manohitra mafy ny fanalana zaza, ka miantso azy io hoe famonoana ny zaza mbola tsy teraka. Ny hafa kosa mihevitra mafy koa fa ny vehivavy dia manana fahefana amin’ny vatany ary ny tenany no tokony hanapa-kevitra ny amin’izany raharaha izany. Maro no mihevitra fa ny firaisan’ny samy lehilahy sy ny samy vehivavy, ny fanitsakitsaham-bady ary ny firaisana alohan’ny fanambadiana dia fahalotoam-pitondran-tena maharikoriko. Ny hafa kosa mino fa ireo fanao ireo dia raharaha momba ny safidin’ny tena manokana. Iza no tokony hilaza hoe iza no manana ny marina ary iza no manana ny diso?
2, 3. Manao ahoana ny fihevitry ny maro ny Baiboly amin’izao andro izao?
2 Ny Baiboly dia manolotra tari-dalana eo amin’ny raharaha momba ny fitondran-tena, ary milazalaza vahaolana mandaitra ho an’ny heloka bevava sy ny hanoanana ary ny fandotoana. Ny manahirana dia noho ny ankamaroan’ny olona tsy mihevitra intsony ny Baiboly ho fahefana amin’ireo
raharaha ireo. Nisy fotoana nihainoana azy tamim-panajana — tany amin’ireo tany tandrefana fara faharatsiny. Na dia nosoratan’olombelona aza ny Baiboly, tamin’ny lasa ny ankamaroan’ny olona tao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia nanaiky azy io ho ny Tenin’Andriamanitra ary nino fa Andriamanitra mihitsy no nanome tamin’ny alalan’ny tsindrimandry ny zavatra raketin’izy io.3 Kanefa amin’izao andro izao, dia lamody ny misalasala momba ny zava-drehetra: ny fanao mahazatra, ny hevitra, ny fitondran-tena, ary na dia ny fisian’Andriamanitra aza. Ary ny tena isalasalan’ny olona dia ny hasarobidin’ny Baiboly. Ny ankamaroan’izy ireo dia toa mihevitra azy io ho lany andro sy tsy azo ampiharina. Olona nandalim-pahaizana maoderina vitsy no mihevitra azy io ho Tenin’Andriamanitra. Aleon’ny ankamaroan’ny olona mitovy hevitra amin’ilay manam-pahaizana manokana atao hoe James Barr, izay nanoratra toy izao: “Ny fandinihako ny amin’ny niforonan’ny lovantsofina ara-baiboly dia fandinihana ny amin’ny asa nataon’olombelona. Fanambaran’olona ireo zavatra inoany izy io.”1
4, 5. Nahoana no tena zava-dehibe ny fahafantarana raha ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ny Baiboly na tsia? Inona no zava-kendren’itỳ boky itỳ?
4 Izany ve no fomba fihevitrao? Mihevitra ve ianao fa
tenin’Andriamanitra ny Baiboly, sa tenin’olona? Na ahoana na ahoana amalianao izany fanontaniana izany, dia diniho izao hevitra izao: Raha tenin’olona fotsiny ny Baiboly, araka ny fandrindran-kevitra àry dia tsy misy valiny mazava ho an’ireo zava-manahirana ny olombelona ao anatiny. Ho voatery hitady valiny amim-pisavorovoroana araka izay azony atao fotsiny ny olombelona, amin’ny fanantenana ny tsy hampanjavon-tena amin’ny alalan’ireo poizina ataon’ny tenany na ny tsy handringan-tena ao anatin’ny ady niokleary iray. Fa raha Tenin’Andriamanitra kosa ny Baiboly, dia izy io indrindra no zavatra ilaintsika mba hamakivakiana izao fotoan-tsarotra izao.5 Itỳ boky itỳ dia hanolotra porofo fa ny Baiboly dia tena Tenin’Andriamanitra. Ary manantena ireo mpampanonta fa rehefa ho avy nandinika izany porofo izany ianao, dia ho takatrao fa ny Baiboly dia mirakitra ireo hany valiny marim-pototra ho an’ireo zava-manahirana ny olombelona. Voalohany anefa, dia ho tianay ny hisarika ny sainao ho amin’ny zava-misy sasany, izay, na dia izy ireo fotsiny aza, dia mahatonga ny Baiboly ho mendrika ny hodinihinao.
Ny boky fatra-piely indrindra hatramin’izay
6, 7. Zava-misy mahavariana momba ny Baiboly inona avy no tsy maintsy misarika ny saintsika?
6 Voalohany aloha, dia boky fatra-piely indrindra izy io, dia ny boky niely indrindra teo amin’ny tantara rehetra. Araka ny fanontan’ny Guinness Book of World Records tamin’ny 1988, dia tombanana ho 2 500 000 000 ny Baiboly vita pirinty teo anelanelan’ny 1815 sy 1975. Isa goavana izany. Tsy misy boky hafa teo amin’ny tantara manakaiky akory ny Baiboly aza, raha ny amin’ny isan’ny fielezany.
7 Etsy an-danin’izany, dia tsy misy boky hafa nadika tamin’ny fiteny be dia be toy izany. Ny Baiboly ankehitriny dia azo vakina, manontolo na tapatapany, amin’ny fiteny maherin’ny 2 000 samy hafa. Mitatitra ny Fikambanana Amerikana Mpampiely Baiboly fa mety ho azon’ny 98 isan-jaton’ny mponina amin’ny planetantsika izy io ankehitriny. Alao sary an-tsaina ny ezaka goavana tafiditra amin’ny famoahana fandikan-teny be dia be toy izany! Boky hafa inona no mahazo ny fitandreman’ny olona toy izany?
Boky manan-kery
8, 9. Teny nataon’ny olona sasany inona avy no mampiseho ny fitaomana nananan’ny Baiboly?
8 Ny The New Encyclopædia Britannica dia miantso ny Baiboly hoe “ny fitambaram-boky manan-kery indrindra eo amin’ny tantaran’ny olombelona angamba”.2 Nitsotra toy izao ilay poety alemanina tamin’ny taonjato faha-19 atao hoe Heinrich Heine: “Ny fahazavana ananako dia azoko tsotra fotsiny avy amin’ny famakiana boky iray (...) ny Baiboly. Tena araka ny rariny ny fiantsoana azy io hoe Soratra Masina. Ilay olona namoy ny Andriamaniny dia afaka mahita Azy indray ao amin’io boky io.”3 Tamin’io taonjato io ihany, ilay mpanao ezaka ho fanafoanana ny fanandevozana atao hoe William H. Seward dia nanambara toy izao: “Ny fanantenana manontolon’ny fandrosoan’ny olombelona dia mihantona amin’ny hery tsy mitsaha-mitombo ananan’ny Baiboly.”4
9 I Abraham Lincoln, ny prezidàn’i Etazonia faha-16, dia niantso ny Baiboly hoe “ny fanomezana tsara indrindra nomen’Andriamanitra ny olombelona. (...) Raha tsy nisy azy io, dia tsy ho afaka ny hahafantatra ny tsara sy ny ratsy isika”.5 Nanasongadina ny hery ananan’ny Baiboly ilay mpahay lalàna britanika atao hoe Sir William Blackstone, rehefa nilaza hoe: “Amin’ireo fanorenana roa ireo, izany hoe ny lalàn’ny natiora sy ny lalàn’ny fanambarana [ny Baiboly], no iankinan’ireo lalàn’olombelona rehetra, izany hoe tsy misy lalàn’olombelona tokony holeferina raha manipaka azy ireo.”6
Nisy nankahala, nisy tia
10. Ahoana no nanehoana ny fanoherana ny Baiboly?
10 Miaraka amin’izany koa, dia voatery manamarika isika fa tsy misy boky hafa tonga lasibatry ny fanoherana tamin-kalozana be toy izany, ary fankahalana mihitsy aza, teo amin’ny tantara manontolo. Nisy Baiboly nodorana tamin’ny afo narehitra an-kalamanjana, nanomboka tamin’ny Moyen Âge ka hatramin’izao taonjato faha-20 misy antsika izao. Ary ny famakiana sy ny fizarana ny Baiboly dia nahatonga famaizana tamin’ny sazy vola na tamin’ny fanaovana
an-tranomaizina, na dia tamin’izao andro maoderina izao aza. Tamin’ireo taonjato lasa, ny “heloka” toy izany matetika dia nitarika ho amin’ny fampijalijaliana sy ny fahafatesana.11, 12. Ahoana no nampisehoan’i Tyndale ny fitiavany ny Baiboly?
11 Nifanitsy tamin’izany ny fandavan-tena nateraky ny Baiboly tao amin’ny olon-kafa. Maro no nikiry namaky azy io na dia teo aza ny fanenjehana tsy an-kijanona. Diniho i William Tyndale, lehilahy anglisy tamin’ny taonjato faha-16, izay nobeazina tao amin’ny Oniversiten’i Oxford ary tonga mpampianatra nohajaina tao amin’ny Oniversiten’i Cambridge.
12 Tia ny Baiboly aoka izany i Tyndale. Tamin’ny androny anefa, ireo nanam-pahefana ara-pivavahana dia nanizingizina ny hihazona azy io tamin’ny teny latina, izay fiteny maty na hoe tsy nisy nampiasa intsony. Koa mba hahatonga ny Baiboly ho azon’ireo mpiray tanindrazana taminy, i Tyndale dia nanapa-kevitra ny handika ny Baiboly tamin’ny teny anglisy. Koa satria fandikana ny lalàna izany, dia voatery namoy ny asan’ny mpampianatra nampiadana nananany sy nandositra nankany Eoropa i Tyndale. Nanaraka ny fiainana sarotry ny mpandositra nandritra ny fotoana ampy tsara mba handikana ny Soratra Grika (ny “Testamenta Vaovao”) sy ny sasany tamin’ny Soratra Hebreo (ny “Testamenta Taloha”) tamin’ny fiteniny izy; voasambotra anefa izy tamin’ny farany, nomelohina ho nivadika tamin’ny Eglizy ary nokendaina ho faty, ary nodorana ny fatiny.
13. Zavatra inona no mahatonga ny Baiboly ho tena tsy manam-paharoa?
13 I Tyndale dia iray monja amin’ireo olona maro be izay nahafoy ny zava-drehetra mba hamakiana ny Baiboly na mba hahatonga azy io ho azon’ny hafa. Tsy misy boky hafa niteraka herim-po toy izany tao amin’ny lehilahy sy vehivavy tsotra maro. Amin’io lafiny io, dia tena tsy manan-tsahala ny Baiboly.
Ny filazana fa hoe Tenin’Andriamanitra izy io
14, 15. Filazana inona no nataon’ireo nanoratra ny Baiboly matetika?
14 Tsy manam-paharoa koa ny Baiboly noho ny filazan’ny maro amin’ireo nanoratra azy. Olona 40 teo ho eo, anisan’izany ny mpanjaka, mpiandry ondry, mpanarato, mpiasam-panjakana, mpisorona, jeneraly iray fara faharatsiny, ary dokotera iray, no nanana anjara tamin’ny fanoratana ireo tapany samy hafa ao amin’ny Baiboly. Namerimberina nanao izao filazana mitovy izao anefa ireo mpanoratra ireo: tsy nanoratra ny hevitry ny tenany manokana izy ireo, fa ny an’Andriamanitra.
15 Araka izany, ao amin’ny Baiboly isika dia mamaky matetika fitenenana toy ny hoe: “Ny Fanahin’i Jehovah no mampiteny ahy, ary ny teniny no eo amin’ny lelako”, na hoe: “Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro”. (2 Samoela 23:2; Isaia 22:15). Tao amin’ny taratasy iray nalefany ho an’ny mpampiely ny filazantsara iray tahaka azy, ny apostoly Paoly dia nanoratra toy izao: “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” — 2 Timoty 3:16, 17.
16. Fanontaniana inona avy no dinihin’ny Baiboly?
16 Mifanaraka amin’ny filazana fa izy io dia tenin’Andriamanitra, fa tsy tenin’olona, ny Baiboly dia mamaly fanontaniana izay Andriamanitra irery no afaka mamaly azy. Hazavainy, ohatra, ny antony tsy ahafahan’ny fitondram-panjakan’olombelona mitondra fandriampahalemana maharitra, ny fomba ahitan’ny olombelona ny fahafaham-po lalina indrindra eo amin’ny fiainana, ary izay
miandry ny tany sy ny olombelona eo aminy amin’ny hoavy. Izao àry, amin’ny maha-olona mieritreritra anao, dia tsy maintsy ho efa nanontany tena momba ireo zavatra ireo sy ny mitovy amin’ireo imbetsaka ianao. Nahoana ianao raha mandinika fara faharatsiny ny maha-mety ho Tenin’Andriamanitra ny Baiboly, ka noho izany dia ny mety hahaizan’izy io irery hanome valiny amim-pahefana?17, 18. a) Inona avy no sasany amin’ireo fiampangana navantana tamin’ny Baiboly ka hodinihina ato amin’itỳ boky itỳ? b) Foto-kevitra fanampiny inona avy no hovelabelarina?
17 Mampirisika anao izahay mba handinika amim-pitandremana ny porofo atolotr’itỳ boky itỳ. Ny sasany amin’ireo toko ato dia handinika ireo fanakianana momba ny Baiboly fandre matetika. Tsy mifanaraka amin’ny siansa ve ny Baiboly? Misy mifanipaka ve ao aminy? Mirakitra tantara tena nisy ve izy io sa angano fotsiny? Tena nitranga ve ireo fahagagana voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Baiboly? Misy porofo araka ny fandrindran-kevitra atolotra mba hamaliana ireo fanontaniana ireo. Aorian’izany, dia dinihina ny fanaporofoana mahery ny amin’ny maha-ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ny Baiboly: ireo faminaniany sy ny fahendrena lalina asehony ary ny vokatra mahavariana aterany eo amin’ny fiainan’ny olona. Farany, dia ho hitantsika ny mety ho vokatra hateraky ny Baiboly eo amin’ny fiainanao.
18 Voalohany anefa, dia handinika ny fomba nahazoantsika ny Baiboly isika. Na dia ny tantaran’io boky mampitolagaga io aza dia manome porofo fa manana loharano hafa noho ny loharano olombelona fotsiny izy io.
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 4]
[Sary, pejy 6]
Ny Baiboly no boky naely be indrindra sy nadika tamin’ny fiteny betsaka indrindra teo amin’ny tantara rehetra
[Sary, pejy 9]
Araka ny asehon’itỳ sary sokitra tamin’ny taonjato faha-15 itỳ, dia maro no nodorana velona noho izy ireo “meloka” ho namaky ny Baiboly
[Sary, pejy 11]
Ireo nanoratra ny Baiboly dia nilaza fa nahazo tsindrimandry tamin’Andriamanitra ny tenany