Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Velona ny Tenin’Andriamanitra’

‘Velona ny Tenin’Andriamanitra’

Toko Faha-13

‘Velona ny Tenin’Andriamanitra’

Tao amin’ny toko teo aloha isika dia nahita fa afaka manampy antsika handamina zava-manahirana sy hanalavitra fahadisoana ny torohevitra ao amin’ny Baiboly. Ny fahendrena tsy tontan’ny ela asehon’ny torohevitra ao amin’ny Baiboly dia porofo maherin’ny maha-ara-tsindrimandry azy. Milaza toy izao mihitsy ny Baiboly: “Ny Soratra rehetra dia ara-tsindrimandrin’Andriamanitra sady mahasoa ho fampianarana, ho fananarana, ho fandaminan-javatra, ho fifehezana amin’ny rariny”. (2 Timoty 3:16, NW ). Ny Baiboly anefa dia manao mihoatra noho ny manome antsika torohevitra feno fahendrena fotsiny. Amin’ny maha-Tenin’Andriamanitra azy, dia tena manova olona tokoa izy io.

1-3. a) Ahoana no anantitranteran’ny Baiboly ny ilana hiova toetra? b) Fanandraman-javatra inona no mampiseho ny herin’ny Baiboly hanova toetra?

TENA afaka manova olona tokoa ve ny Baiboly? Eny, afaka manova ny toetra maha-izy azy ireo mihitsy izy io. Diniho itỳ torohevitra voarakitra ao amin’ny Baiboly itỳ: “Mba hialanareo ny toetrareo taloha araka ny fitondrantenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny filan’ny fitaka; fa mba hohavaozina kosa hianareo amin’ny fanahin’ny sainareo, ary mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.” — Efesiana 4:22-24.

2 Tena azo atao marina ve ny mitafy ny toetra vaovao? Eny, azo atao izany! Raha ny marina, ny fahatongavana ho Kristiana indraindray dia mitaky fanitsiana tena lalina eo amin’ny toetra. (1 Korintiana 6:9-11). Ohatra, ny ankizilahy iray tany Amerika Atsimo dia nanjary kamboty fony izy sivy taona. Rehefa nihalehibe tsy nisy fitarihan-dray aman-dreny izy, dia nanjary nanana zava-nanahirana lehibe teo amin’ny toetrany. Mitantara toy izao izy: “Fony aho 18 taona dia nandevozin’ny zava-mahadomelina tanteraka aho ary efa tany an-tranomaizina noho ny halatra mba hanohizana ny fahazarako.” Vavolombelon’i Jehovah anefa ny nenitoany, ary tamin’ny farany izy io dia afaka nanampy azy.

3 Manazava toy izao izy: “Nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamiko ny nenitoako, ary taorian’ny fito volana dia afaka nanapaka ilay fahazarana nampiasa zava-mahadomelina aho.” Nampitsahatra ny fifandraisany tamin’ireo namany taloha koa izy ary nahazo sakaiza vaovao teo amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah. Manohy ny teniny toy izao izy: “Ireny namana vaovao ireny, niaraka tamin’ny fianarako ny Baiboly tsy tapaka, dia nahafahako nanao fandrosoana sy nanokana ny fiainako mba hanompoana an’Andriamanitra, tamin’ny farany.” Eny, io olona nandevozin’ny zava-mahadomelina sady mpangalatra taloha io dia tonga Kristiana iray narisika, ary izany fiovana lehibe izany dia tanteraka noho ny herin’ny Baiboly. Eny tokoa, araka ny nolazain’ny apostoly Paoly, dia hoe: “Velona sy mampihatra hery ny tenin’Andriamanitra”. — Hebreo 4:12NW.

Miova noho ny fahalalana

4, 5. Araka ny Kolosiana 3:8-10, inona no ilaina mba hambolena ny toetra vaovao?

4 Ahoana no anovan’ny Baiboly ny olona? Ny valiny dia hita ao amin’itỳ andalan-teny ao amin’ny Baiboly itỳ: “Esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin’ny vavanareo. Aza mifandainga hianareo, fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin’ny asany; ary efa notafinareo ny toetra vaovao, izay havaozina [noho ny fahalalana araka ny marina, NW ] araka ny endrik’Izay nahary azy.” — Kolosiana 3:8-10.

5 Mariho ny anjara lehibe raisin’ny fahalalana ny Baiboly araka ny marina. Ny Baiboly dia manazava ireo lafin-toetra ilaina hariantsika sy ireo tokony hambolentsika. Ny fahalalana toy izany fotsiny dia efa misy heriny lehibe, araka ny hitan’ny tovolahy iray tany amin’ny faritra atsimon’i Eoropa. Nanana tena zava-nanahirana izy: toetra nahery setra. Fony izy nihalehibe, dia niady tamin’olona mandrakariva izy, ary mba hamoahana ny herisetrany, dia nanomboka nanao ady totohondry izy; mbola tsy afaka nifehy ny toetrany mahery setra ihany anefa izy. Fony tany amin’ny tafika izy, dia nahita fahasahiranana noho ny famelezana miaramila iray. Rehefa niala tamin’ny tafika izy dia nanambady, nefa tamin’izay dia namely ny vadiny. Tamin’ny fifamaliana ara-pianakaviana iray, dia namely ny rainy mihitsy aza izy, ka nandavo azy tamin’ny tany. Tena tovolahy mora tezitra sy nahery setra marina izany!

6, 7. Ahoana no nanampian’ny fahalalana araka ny marina ny tovolahy iray tany amin’ny faritra atsimon’i Eoropa hanova ny toetrany?

6 Tamin’ny farany anefa, dia niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ary nahare torohevitra toy izao manaraka izao: “Aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza. (...) Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra. Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana”. (Romana 12:17-19). Izany dia nanampy azy hahatakatra fa fahalemena tena ratsy ny toetrany nahery setra. Niala tamin’ny fanaovana ady totohondry, izay takany fa tsy afaka niaraka tamin’ny toetra kristiana tia fihavanana, izy. Tsy maintsy mbola niady mafy tamin’ny toetrany nahery setra ihany anefa izy.

7 Nampian’ny fahalalany nihanitombo ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly anefa izy. Izany dia nanatsara ny feon’ny fieritreretany, ka io indray kosa dia niasa mba hanohitra ny toetrany saro-po. Indray mandeha, taorian’ny nanaovany fandrosoana teo amin’ny fianarany Baiboly, dia nisy olon-tsy fantany iray tezitra sady nanompa azy. Nahatsapa ilay fahatezerana nahazatra nisondrotra tao anatiny ilay tovolahy. Avy eo, dia nahatsapa hery hafa iray izy: fahatsiarovana fahamenarana; ary izany dia nisakana azy tsy ho resin’ny fahatezerany. Tsy ‘namaly ny ratsy’ izy, fa nifehy ny toe-tsainy kosa. Ankehitriny izy dia olona niova, manana toetra vaovao, noho ny fahalalana araka ny marina avy ao amin’ny Baiboly.

Fahatongavana ho amin’ny fahalalana an’Andriamanitra

8. a) Tahaka ny endrik’iza no anaovana ny toetra vaovao? b) Tsy maintsy mahafaoka ny fahalalana an’iza ny fahalalana araka ny marina izay mamolavola ny toetra vaovao?

8 Marina fa olona maro no mahafantatra ny zavatra marina tokony hatao, nefa dia resin’ny fahalemen’ny nofo izy ireo. Mazava fa tsy ny fahalalana araka ny marina izay marina sy diso fotsiny no hany ilaina. Nisy zavatra hafa nanampy ireo olona roa voalazalaza tetsy ambony, hiova. Inona izany? Ilay andalan-teny nasiana firesahana tetsy aloha kokoa dia nilaza toy izao: “Notafinareo ny toetra vaovao, izay havaozina [noho ny fahalalana araka ny marina, NW ] araka ny endrik’Izay nahary azy.” (Kolosiana 3:10, izahay no manao sora-mandry.) Mariho fa, tsy misy hafa amin’ny nanaovana an’i Adama tahaka ny endrik’Andriamanitra tany am-boalohany, dia toy izany koa fa ny toetra vaovao dia atao tahaka ny endrik’Andriamanitra. (Genesisy 1:26). Noho izany, dia tsy maintsy tafiditra ao amin’ny fahalalana an’Andriamanitra ilay fahalalana araka ny marina izay nanampy ireo tovolahy roa ireo. Izany dia mampahatsiahy antsika ny tenin’i Jesosy hoe: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” — Jaona 17:3.

9. Ahoana no nanampian’ny fahalalana an’Andriamanitra antsika hanova ny toetrantsika?

9 Ahoana no anampian’ny fahalalana an’Andriamanitra antsika hanova ny toetrantsika? Izy io dia manome antony manosika antsika hanao izany. Rehefa manjary mahafantatra an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fianarantsika ny Baiboly isika, dia mianatra ny amin’ireo toetrany araka an’Andriamanitra ary mahita ny fitiavana nasehony antsika. Izany dia mitarika antsika ho tia azy ho setriny. (1 Jaona 4:19). Avy eo isika dia afaka mankato izay lazain’i Jesosy fa didy voalohany sady lehibe indrindra: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.” (Matio 22:37). Ny fitiavana an’Andriamanitra dia mahatonga antsika haniry hitafy ny toetra vaovao izay mampifaly azy. Izy io dia mahatonga antsika haniry ho tahaka azy bebe kokoa, na dia mety tsy maintsy hiady mafy toy inona aza isika mba hanaovana izany.

Ireo fahalemena latsa-paka lalina

10, 11. Ahoana no nanampian’ny fahalalana araka ny marina ny tovovavy iray tany Amerika Avaratra hanomboka hanova ny toetrany?

10 Amin’ny toe-javatra sasany, dia tena ady tokoa izany. Ny tovovavy iray tany Amerika Avaratra dia tsy maintsy nanao ady mafy mba hiovana. Izy io dia niharan’ny fametavetana fony ankizy ary nihalehibe teo anivon’ny fianakaviana nahery setra, ka tamin’ny farany dia nitodika tany amin’ny zava-mahadomelina. Lafo anefa ny zava-mahadomelina, koa nivaro-tena àry izy mba handoavana ny laniny amin’ny fahazarany. Tsy nitsahatra nanakantsakana sy nangalatra tamin’ny mpizaha tany koa izy, hany ka tamin’ny farany dia nandany fotoana bebe kokoa tany an-tranomaizina sy tany amin’ireo efitra filokana noho ny tany an-tranony.

11 Rehefa nihaona taminy ny Vavolombelon’i Jehovah, dia tonga renin’ny zaza sary iray izy — taorian’ny fanalan-jaza maromaro. Na dia izany aza dia tiany izay reny avy tao amin’ny Baiboly, ka nanomboka nianatra azy io izy. Tsy ela dia nanorina fifandraisana tamin’Andriamanitra izy ary nitondra fanitsiana teo amin’ny fiainany.

12, 13. Lazalazao hoe ahoana no iasan’ny fahalalana araka ny marina toy ny hery manova, rehefa latsa-paka.

12 Ady mafy anefa no niandry azy satria latsa-paka lalina ilay toetra taloha. Tamin’ny fotoana iray izy dia sosotra noho ny torohevitra nokasaina tsara nomena azy, ka nitsahatra tsy nianatra ny Baiboly, ary niverina tamin’ireo fanaony naloto. Tsy afaka nanadino ny fahamarinana tao amin’ny Baiboly izay efa naorina tao aminy anefa izy, ka niaiky toy izao: “Indraindray aho dia nahatsiaro ho meloka, ary nihelina haingana tao an-tsaiko ny tenin’ny 2 Petera 2:22 manao hoe: ‘Ny amboa miverina indray amin’ny loany, ary ny kisoavavy efa nisasa dia mihosim-potaka indray.’ ”

13 Tamin’ny farany, dia nanosika azy hanao fiezahana hafa feno fahatapahan-kevitra io fahalalana io. Hoy izy: “Nanomboka namela an’i Jehovah hiditra aho ary nivavaka matetika mba hahazo fanampiana.” Tamin’io fotoana io, dia nanjary voaorina mafy kokoa ny toetra vaovao, na dia mbola tsy maintsy niady mafy ihany aza izy. Indray mandeha, nandritra ny fotoam-pahalemena iray, dia latsaka tao amin’ny fimamoana sy ny fahalotoam-pitondran-tena indray izy. Tamin’io fotoana io anefa, ny fihetsiny dia nampiseho fa tena niova marina izy. Nahatsiaro rikoriko tamin’ny tenany izy ary nilaza hoe: “Nanao vavaka sy fianarana be dia be aho.” Tamin’ny farany, ny Tenin’Andriamanitra dia nampihatra hery aoka izany teo amin’ny fiainany, hany ka nanjary Kristiana narisika izy, nanana fiainana madio sy mendri-kaja. Efa hatramin’ny taona maromaro izy izao no olona hafa tanteraka noho ilay olona novetavetaina, nandevozin’ny zava-mahadomelina, sy tsy nahafehy tena teo amin’ny fiainana, naha-izy azy teo aloha.

Vahoaka voaovan’ny Tenin’Andriamanitra

14, 15. a) Hery inona avy amin’Andriamanitra no miasa amin’ny alalan’ny Baiboly? b) Inona avy ireo lafin-toetra sasany mampiavaka ny Kristiana marina amin’izao andro izao?

14 Ny hery ampiharin’ny Baiboly eo amin’ny fiainan’ny olona manetry tena dia mampiseho fa mihoatra noho ny asa soratr’olombelona fotsiny izy io. Amin’ny maha-Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra azy io, dia fitaovana nampitana ny fiasan’ny fanahin’Andriamanitra izy io. Io fanahy io ihany, izay nahatonga hety ireo fahagagana notontosain’i Jesosy, no manampy antsika amin’izao andro izao, handresy ireo toetra ratsy sy hamboly ny toetra kristiana. Eny tokoa, ireo toetra fototra ilaina hambolen’ny Kristiana — ny fitiavana, ny fifaliana, ny fiadanana, ny fahari-po, ny hatsaram-panahy, ny hatsaram-po, ny finoana sy ny fahalemem-panahy ary ny fifehezan-tena — dia antsoin’ny Baiboly hoe “ny vokatry ny fanahy”. — Galatiana 5:22, 23NW.

15 Amin’izao andro izao, io fanahy io dia miasa, tsy eo amin’ny olona vitsivitsy monja, fa eo amin’ny olona an-tapitrisany maro izay “nampianarin’i Jehovah” sady mahita ‘fiadanana be’ avy Aminy. (Isaia 54:13). Iza moa ireo olona ireo? I Jesosy dia nanome fomba iray ahafantarana azy ireo rehefa nanao hoe: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:35). Ny fitiavana kristiana dia anisan’ny vokatry ny fanahy ary tapany fototra amin’ny toetra vaovao kristiana. Misy ve antokon’olona mampiseho fitiavana araka ny nolazain’i Jesosy?

16, 17. Manonòna teny an-gazety izay manampy hamantatra ireo izay ‘ampianarin’i Jehovah’ sy ireo izay ‘be fiadanana’.

16 Vakio izao teny nalaina avy tamin’ny taratasy iray nalefa tany amin’ny gazety iray atao hoe New Haven Register mivoaka any Amerika Avaratra izao: “Na nanjary sosotra ianao na tezitra, sahala amiko, noho ny fampiovany finoana olona, dia tsy maintsy talanjona noho ny fandavan-tenany, ny fahadiovany amin’ny lafiny rehetra, ny ohatra miavaka omeny raha ny amin’ny fitondran-tena amin’ny maha-olombelona sy ny fomba fiainany madio.” Ilay gazety alemanina atao hoe Münchner Merkur dia niresaka momba io antokon’olona io ihany rehefa nilaza toy izao: “Izy ireo no mpandoa hetra marina indrindra sy ara-potoana indrindra eto amin’ny Repoblika Federal[in’i Alemaina]. Ny fankatoavany ny lalàna dia hita amin’ny fomba familiny fiara, ary koa amin’ireo statistika momba ny heloka bevava.”

17 Iza moa no noresahin’ireo gazety roa ireo? Ilay antokon’olona izay voaresaka tao amin’ny Herald any Buenos Aires, Arzantina, ihany. Nanambara toy izao io gazety io: “Ny Vavolombelon’i Jehovah dia hita nandritra ireo taona rehetra ho olom-pirenena miasa mafy, mahalala onony, sy mahay mitsitsy ary matahotra an’Andriamanitra, dia ilay karazany izay miharihary fa ilain’ny firenena.” Ny fanadihadiana sosiolojika iray avy tany Zambia, navoakan’ny American Ethnologist, dia manisy firesahana ny amin’io antokon’olona io ihany. Hoy izy: “Ny Vavolombelon’i Jehovah dia mahita fahombiazana lehibe kokoa noho ny mpikambana ao amin’ireo fandaminana ara-pivavahana hafa, raha ny amin’ny fihazonana fatoram-panambadiana tsy mihozongozona.”

18, 19. Ahoana no nilazalazana ny Vavolombelon’i Jehovah tany Italia sy tatsy Afrika Atsimo?

18 Ny gazety La Stampa any Italia koa dia niresaka momba ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa nilaza hoe: “Izy ireo no olom-pirenena mpanara-dalàna indrindra mety ho azo irina: izy ireo dia tsy mihodivitra ny fandoavan-ketra na mitady hidify amin’ireo lalàna manelingelina azy noho ny tombontsoany manokana. Ireo filamatra ara-pitondran-tena ny amin’ny fitiava-namana, ny tsy fetezana handray fahefana, ny tsy fampiasana herisetra, ny fanaovan’ny tenan’ny tsirairay ny marina (izay ho an’ny ankamaroan’ny Kristiana dia ‘fitsipika alahady’, tsara hotorina avy eny amin’ny polipitra fotsiny) dia miditra ao amin’ny fomba fiainany ‘andavanandro’.”

19 Ny profesora iray ao amin’ny oniversite iray atsy Afrika Atsimo izay niharan’ny fanavakavahana teo ambanin’ireo lalàna ara-pirazanan’io tany io, dia miantso ny Vavolombelon’i Jehovah ho “vahoaka nobeazin’ireo fari-pitsipika ambony ao amin’ny Baiboly mba ho tena ‘tsy hahita loko tokoa’ marina”. Rehefa nanazava an’io izy, dia nanampy teny toy izao: “Indro misy olona mahita ny maha-izy ny hafa amin’ny ao anatiny, fa tsy ny volon-kodiny fotsiny. Ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao dia mahaforona ny hany fianakavian’ny mpirahalahy olombelona marina.”

20. Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no miavaka amin’ny hafa?

20 Ireny teny ireny dia mampiseho fa misy antokon’olona manokatra ny fony amin’ny Baiboly ary iasan’ny fanahin’Andriamanitra. Mendrika ny homarihina fa ireo olona ireo ihany no nampahafantarintsika tetsy aloha ho mankato ny didin’i Jesosy hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana maneran-tany. (Matio 24:14, NW ). Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no miavaka amin’ireo fomba ireo? Amin’ny lafiny maro izy ireo dia hafa noho ny olona rehetra. Manana fahalemen’ny nofo mitovy amin’ny azy izy ireo, sy zava-manahirana ara-bola mitovy amin’ny azy ary zavatra fototra ilaina mitovy amin’ny azy ireny. Amin’ny maha-antokon’olona anefa, dia tia an’Andriamanitra izy ireo, mandray ny Baiboly ho zava-dehibe, ka mamela azy io hampihatra hery eo amin’ny fiainany.

21. Inona no porofoin’ny fisian’ny vahoaka toy ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny tontolo feno fankahalana amin’izao andro izao?

21 Misy Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany maro any amin’ny tany maherin’ny 200. Anisan’izy ireo dia misy olona avy amin’ny firazanana sy ny fiteny ary ny toerana ara-tsosialy rehetra azo saintsainina. Kanefa izy ireo dia fianakavian’ny mpirahalahy tafaray sy tia fihavanana ary iraisam-pirenena. Olom-pirenena tsara izy ireo any amin’izay tany rehetra onenany, nefa alohan’ny zava-drehetra dia olom-pehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo ary samy tena marisika avokoa izy rehetra amin’ny filazana amin’ny hafa ny vaovao tsaran’io Fanjakana io. Tena miavaka marina ny hoe eto amin’itỳ tontolo voazarazara sy feno fankahalana itỳ, dia mety hisy antokon’olona toy ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny fisiany dia porofo mahery fa mbola miasa eo amin’ny olombelona ny fanahin’Andriamanitra. Ary izany dia porofo fa “velona sy mampihatra hery” tokoa ny Baiboly.

[Fanontaniana]

[Teny notsongaina, pejy 177]

Ny Baiboly dia tena manova ny olona tokoa

[Teny notsongaina, pejy 181]

Ny fahalalana an’Andriamanitra dia mahatonga ny olona iray haniry ho tahaka azy