Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 33

Fiampitana ny Ranomasina Mena

Fiampitana ny Ranomasina Mena

JEREO izay mitranga! I Mosesy io, maninjitra ny tehiny eo ambonin’ny Ranomasina Mena. Ireo miaraka aminy tsy manana ahiahy eo amin’ny ilany iray dia ny Israelita. Nefa i Farao sy ny tafiny rehetra dia maty safotry ny rano. Aoka hojerentsika ny nahatonga izany.

Araka ny nianarantsika, dia nilazan’i Farao ny Israelita mba handao an’i Ejipta taorian’ny fandefasan’Andriamanitra ny loza faha-10 teo amin’ny Ejipsianina. Lehilahy israelita eo amin’ny 600 000 no niainga, ary koa vehivavy sy ankizy maro be. Nisy koa olon-kafa be dia be, izay tonga mpino an’i Jehovah, niainga niaraka tamin’ny Israelita. Nitondra ny ondry aman’osiny sy ny ombiny niaraka taminy izy rehetra.

Talohan’ny hiaingany, dia nangataka fitafiana ary zavatra vita amin’ny volamena sy ny volafotsy tamin’ny Ejipsianina ny Israelita. Natahotra be ny Ejipsianina, noho ny loza farany nihatra taminy. Koa dia nomeny izay rehetra nangatahiny ny Israelita.

Tonga teo amin’ny Ranomasina Mena ny Israelita rehefa afaka andro vitsivitsy. Niala sasatra teo izy. Nandritra izany fotoana izany dia nanomboka nalahelo i Farao sy ny olony noho ny nandefasany ny Israelita. ‘Navelantsika handeha ireo mpanompontsika!’, hoy izy.

Niova hevitra indray mandeha indray àry i Farao. Nanomana haingana ny fiadiany sy ny tafiny izy. Avy eo dia nanomboka nanenjika ny Israelita izy tamin’ny kalesy manokana 600, ary koa tamin’ny kalesy hafa rehetra tany Ejipta.

Rehefa nahita an’i Farao sy ny tafiny avy ao aoriany ny Israelita, dia natahotra mafy. Tsy nisy lalana azo nandosirana. Ny Ranomasina Mena no teo anilan’izy ireo, ary indreo ny Ejipsianina tamy avy amin’ny lafiny hafa. Nefa nasian’i Jehovah rahona teo anelanelan’ny olony sy ny Ejipsianina. Koa dia tsy afaka nahita ny Israelita ny Ejipsianina mba hamelezana azy.

Dia nilazan’i Jehovah i Mosesy mba haninjitra ny tehiny tambonin’ny Ranomasina Mena. Rehefa nataony izany, dia nataon’i Jehovah izay hisian’ny rivotra mahery nitsoka avy tany atsinanana. Voasaraka ny ranomasina ary voahazona teo amin’ny andaniny roa ny rano.

Avy eo dia nanomboka nandeha an-tongotra namakivaky ny ranomasina teo amin’ny tany maina ny Israelita. Ho an’ireo olona an-tapitrisany maro niaraka tamin’ny bibiny rehetra, dia naka ora maro ny famakivakiana tamin’ny tsy fananana ahiahy ny ranomasina mba hahatongavana erỳ ampita. Farany dia azon’ny Ejipsianina notazanina indray ny Israelita. Teo am-pandosirana ireo mpanompony! Koa dia nirohotra tao amin’ny ranomasina izy nanenjika azy.

Rehefa nanao izany izy, dia nataon’Andriamanitra izay hampisaraka ny kodiaran’ny kalesiny. Natahotra aoka izany ny Ejipsianina ary nanomboka niantsoantso hoe: ‘I Jehovah no miady amintsika ho an’ny Israelita. Andeha hiala eto isika!’ Diso aoriana loatra anefa izany.

Tamin’izay i Jehovah no nilaza tamin’i Mosesy mba haninjitra ny tehiny eo ambonin’ny Ranomasina Mena, araka ny ahitanao azy eo amin’ny sary. Ary rehefa nanao izany i Mosesy, dia nanomboka nikatona ireo rano toy ny fefy ary nanarona ny Ejipsianina sy ny kalesiny. Nanaraka ny Israelita tao amin’ny ranomasina ny tafika manontolo. Ary tsy nisy niangana na dia Ejipsianina iray aza!

Endrey ny fahasambaran’ny vahoakan’Andriamanitra nahazo famonjena! Nihira fihirana iray ireo lehilahy ho fisaorana an’i Jehovah, nanao hoe: ‘Nahazo fandresena lehibe i Jehovah. Ny soavaly sy ny mpitaingina azy natsipiny ao amin’ny ranomasina.’ Naka ny ampongatapany i Miriama anabavin’i Mosesy, ary nanaraka azy ny vehivavy rehetra nitondra ampongatapaka. Raha mbola teo am-pandihizana tamim-pifaliana izy ireo, dia nihira koa ilay fihirana nohirain’ny lehilahy ary nanao hoe: ‘Nahazo fandresena lehibe i Jehovah. Ny soavaly sy ny mpitaingina azy natsipiny ao amin’ny ranomasina.’

Eksodosy 12-15 toko faha-12 ka hatramin’ny faha-15.