Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 20

Mahita Fahasahiranana i Dina

Mahita Fahasahiranana i Dina

HITANAO ve hoe handeha hitsidika an’iza i Dina? Handeha hijery ny sasany amin’ireo zazavavy nonina tao amin’ny tany Kanana izy. Ho faly amin’izany ve i Jakoba rainy? Mba hamaliana an’io fanontaniana io, dia manandrama mitadidy izay noheverin’i Abrahama sy Isaka ny amin’ireo vehivavy tao Kanana.

Moa ve i Abrahama naniry ny hanambadian’i Isaka zanany zazavavy avy tao Kanana? Tsia, tsy naniry izany izy. Moa ve i Isaka sy Rebeka naniry ny hanambadian’i Jakoba zanak’izy ireo zazavavy kananita iray? Tsia, tsy naniry izany izy. Fantatrao ve ny antony?

Satria nivavaka tamin’ny andriamani-tsy izy ireny olona ireny. Tsy olona tsara azo nekena sy nalaina ho vady izy ireny ary tsy olona tsara azo noraisina ho namana akaiky. Azontsika antoka àry fa tsy nankasitrahan’i Jakoba ny fisakaizan’ny zanany vavy tamin’ireo zazavavy kananita ireo.

Tsy isalasalana mihitsy fa nahita fahasahiranana i Dina. Hitanao ve eo amin’ny sary ilay lehilahy kananita izay eo am-pijerena an’i Dina? Sekema no anarany. Indray andro, rehefa tonga mba hitsidika i Dina, dia noraisin’i Sekema i Dina ary notereny handry miaraka aminy. Ratsy izany, satria ny lehilahy sy vehivavy mpivady ihany no afaka miara-mandry. Nitondra fahasahiranana hafa koa io zava-dratsy nataon’i Sekema tamin’i Dina io.

Rehefa ren’ireo anadahin’i Dina izay nitranga, dia tezitra mafy izy ireo. Ny roa taminy, i Simeona sy Levy, dia tezitra loatra ka nandray ny sabany, nankany an-tanàna ary nanatratra ireo lehilahy tamin’ny fomba tsy nampoizina. Novonoin’izy ireo sy ny rahalahiny i Sekema sy ny lehilahy hafa rehetra. Tezitra i Jakoba satria nanao izany zavatra ratsy izany ireo zanany lahy.

Ahoana no fomba nanombohan’izany fahasahiranana rehetra izany? Izany dia satria nisakaiza tamin’olona izay tsy nankatò ny lalàn’Andriamanitra i Dina. Tsy ho tiantsika ny hanana sakaiza toy izany, sa tsy izany?