Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 6

Eo Amin’ny Fahaterahan’i Jesosy ka Hatreo Amin’ny Fahafatesany

Eo Amin’ny Fahaterahan’i Jesosy ka Hatreo Amin’ny Fahafatesany

Nirahina ho any amin’ny zazavavy soa nantsoina hoe Maria ny anjely Gabriela. Nilaza taminy io fa hanan-janaka izay hanapaka ho mpanjaka mandrakizay izy. Ilay zaza, i Jesosy, dia teraka tao an-tranon’omby, izay nitsidihan’ny mpiandry ondry azy. Tatỳ aoriana, ny kintana iray dia nitarika olona avy any Atsinanana ho any amin’ilay zazakely. Hianarantsika hoe iza no nahatonga azy ireo hahita ilay kintana, ary ahoana no namonjena an’i Jesosy tamin’ny fiezahana hamono azy.

Avy eo, dia hitantsika i Jesosy, fony izy 12 taona, miresaka amin’ireo mpampianatra ao amin’ny tempoly. Valo ambin’ny folo taona tatỳ aoriana dia natao batisa i Jesosy, ary avy eo izy dia nanomboka ny asa fitoriana sy fampianarana an’ilay Fanjakana izay nanirahan’Andriamanitra azy mba hatao teto an-tany. Mba hanampiana azy teo amin’io asa io, i Jesosy dia nifidy lehilahy 12 ary nanao azy ireo ho apostoliny.

Nanao fahagagana maro koa i Jesosy. Namahana olona an’arivony maro izy tamin’ny hazandrano madinika sy ny mofo vitsivitsy monja. Nanasitrana ny marary izy ary nanangana ny maty mihitsy aza. Farany, dia hianarantsika ny amin’ny zavatra maro izay nitranga tamin’i Jesosy nandritra ny andro farany niainany, sy ny fomba namonoana azy. Nitory nandritra ny telo taona sy tapany teo ho eo i Jesosy, noho izany ny Fizarana FAHENINA dia mahafaoka fe-potoana 34 taona mahery kely.