Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 91

Mampianatra eo An-tendrombohitra i Jesosy

Mampianatra eo An-tendrombohitra i Jesosy

JEREO i Jesosy mipetraka eto. Mampianatra ireo olona rehetra ireo izy teo amin’ny tendrombohitra iray tany Galilia. Ireo nipetraka akaikiny dia ny mpianany. Nifidy 12 tamin’ireo izy mba ho apostoly. Ny apostoly dia mpianatra manokan’i Jesosy. Fantatrao ve ny anaran’izy ireo?

Ao i Simona Petera sy Andrea rahalahiny. Avy eo dia i Jakoba sy Jaona, izay mpirahalahy koa. Nisy apostoly hafa iray nantsoina koa hoe Jakoba, ary ny hafa iray dia nantsoina koa hoe i Simona. Apostoly roa no nantsoina hoe Jodasy. Ny iray dia i Jodasy Iskariota, ary ny Jodasy hafa iray dia nantsoina hoe Tadeo. Avy eo dia i Filipo sy Natanaela (antsoina koa hoe Bartolomeo), ary i Matio sy Tomasy.

Rehefa niverina avy any Samaria i Jesosy, dia nanomboka nitory voalohany indrindra hoe: ‘Akaiky ny fanjakan’ny lanitra.’ Fantatrao ve hoe inona io fanjakana io? Tena fitondram-panjakan’Andriamanitra izany. I Jesosy no mpanjakany. Hanapaka avy any an-danitra izy ary hitondra fiadanana eto an-tany. Hataon’ny fanjakan’Andriamanitra lasa paradisa iray tsara tarehy ny tany manontolo.

Mampianatra ny olona ny amin’ilay fanjakana i Jesosy eto. ‘Tokony hivavaka toy izao ianareo’, hoy ny fanazavany. ‘Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.’ Olona maro no miantso izany hoe ‘Ny vavaka nampianaran’ny Tompo.’ Ny hafa dia miantso azy hoe ny ‘Rainay.’ Hainao ve ilay vavaka manontolo?

I Jesosy dia nampianatra koa ny olona ny fomba tokony hifampitondran’izy ireo. ‘Ataovy amin’ny hafa izay tianao hataon’izy ireny aminao’, hoy izy. Tsy tianao ve rehefa mitondra anao amin-katsaram-panahy ny hafa? Koa tokony hitondra ny olon-kafa amin-katsaram-panahy isika, hoy i Jesosy. Tsy hahavariana ve ao amin’ny paradisa an-tany rehefa hanao izany ny rehetra?

Matio 5-7 toko faha-5 ka hatramin’ny faha-7; Mt 10:1-4.