Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 85

Teraka tao An-tranon’omby i Jesosy

Teraka tao An-tranon’omby i Jesosy

FANTATRAO ve hoe iza io zazakely io? Eny, io no Jesosy. Vao teraka tao amin’ny tranon’omby iray izy. Ny tranon’omby dia toerana fametraham-biby. Teo amin’ny fihinanam-bilona, dia toerana fasian-tsakafo mba hohanin’ny ampondra sy ny biby hafa, no niterahan’i Maria an’i Jesosy. Nefa nahoana moa i Maria sy Josefa no eto miaraka amin’ny biby? Tsy toerana natao hiterahan-jaza io, sa tsy izany?

Tsy izany tokoa. Nefa izao no antony naha-eto azy: Ny mpanapaka an’i Roma, i Aogosto Kaisara, dia nanao lalàna iray fa tokony hiverina any amin’ny tanàna nahaterahany ny tsirairay mba hanoratana ny anarany ao amin’ny boky. Eny, i Josefa anefa dia teraka tany Betlehema. Nefa rehefa tonga izy sy Maria, dia tsy nisy efitrano ho azy ireo na taiza na taiza. Koa tsy maintsy nanketo izy niaraka tamin’ny biby. Ary tamin’iny andro iny ihany i Maria dia niteraka an’i Jesosy! Nefa araka ny azonao jerena, dia ara-dalàna ny zaza.

Hitanao ve ireo mpiandry ondry tonga hijery an’i Jesosy? Tany an-tsaha izy tamin’ny alina niandry ny ondriny, ary namirapiratra nanodidina azy ny mazava lehibe. Anjely iray izany! Natahotra aoka izany ny mpiandry ondry. Nefa hoy ilay anjely: ‘Aza matahotra! Manana vaovao tsara ho anareo aho. Androany no teraka ao Betlehema i Kristy Tompo. Hamonjy ny olona izy! Ho hitanareo izy voahodidina lamban-jaza ary mandry eo am-pihinanam-bilona.’ Nisy anjely maro be tonga tampoka ary nanomboka nidera an’Andriamanitra. Avy hatrany àry ny mpiandry ondry dia nandeha faingana nitady an’i Jesosy, ary hitan’izy ireo izy.

Fantatrao ve ny antony mampiavaka erỳ an’i Jesosy? Fantatrao ve hoe iza marina izy? Tsarovy fa niresaka ny amin’ny Zanaka lahimatoan’Andriamanitra isika tao amin’ny tantara voalohany amin’ity boky ity. Niara-niasa tamin’i Jehovah io Zanaka io teo amin’ny fanaovana ny lanitra sy ny tany ary ny zavatra hafa rehetra. Toy izany tokoa i Jesosy!

Eny, noraisin’i Jehovah ny fiainan’ny Zanany avy any an-danitra ary napetrany tao an-kibon’i Maria. Avy hatrany dia nanomboka nitombo tao am-bohokany ny zaza iray tahaka ny fitombon’ny zaza hafa ao an-kibon-dreniny. Nefa io zaza io dia Zanak’Andriamanitra. Farany dia teraka teto amin’ity tranon’omby any Betlehema ity i Jesosy. Hitanao ve izao hoe nahoana ireo anjely no faly erỳ afaka nanambara tamin’ny olona fa teraka i Jesosy?