Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 97

Tonga Amin’ny Maha Mpanjaka i Jesosy

Tonga Amin’ny Maha Mpanjaka i Jesosy

FOTOANA fohy taorian’ny nanasitranany ireo mpangataka jamba roa lahy, i Jesosy dia tonga tao amin’ny tanàna kely iray tsy lavitra an’i Jerosalema. Hoy izy tamin’ny mpianany roa: ‘Mankanesa ao an-tanàna ary hahita zana-boriky iray ianareo. Vahao izy ary ento atỳ amiko.’

Rehefa nentina tany aminy ilay ampondra, dia nitaingenan’i Jesosy. Avy eo dia nankany Jerosalema tsy lavitra loatra avy eo izy. Rehefa nanakaiky ny tanàna izy, dia nisy vahoaka be tonga nanatona azy. Ny ankamaroan’izy ireo dia nanaisotra ny kapaotiny ary nametraka izany teny an-dalana. Ny hafa dia nanapaka rantsan’ny hazo rofia. Napetrany teo amin’ny lalana koa izany, ary niantsoantso izy hoe: ‘Tahin’Andriamanitra ny mpanjaka izay avy amin’ny anaran’i Jehovah!’

Fahiny ela be, ny mpanjaka vaovao teo amin’ny Israely dia nankany Jerosalema nitaingina zana-boriky mba hiseho tamin’ny vahoaka. Izany no ataon’i Jesosy eto. Ary ireo olona ireo dia mampiseho fa maniry an’i Jesosy ho mpanjakany izy. Nefa tsy ny olona rehetra no tia azy. Hitantsika izany tamin’izay nitranga rehefa nankany amin’ny tempoly i Jesosy.

Tao amin’ny tempoly i Jesosy dia nanasitrana olona izay jamba sy nandringa. Rehefa hitan’ny ankizy kely izany, dia niantsoantso nidera an’i Jesosy izy. Nefa nahatezitra ireo mpisorona izany ary hoy izy tamin’i Jesosy: ‘Renao ve izay lazain’ireo ankizy?’

‘Eny, reko izany’, hoy ny navalin’i Jesosy. ‘Tsy mbola novakinareo ve izay voalazan’ny Baiboly manao hoe: “Avy amin’ny vavan’ny ankizy madinika no hitondran’Andriamanitra fiderana?”’ Koa dia nanohy nidera ny mpanjakan’Andriamanitra ireo ankizy.

Tiantsika ny ho sahala amin’ireny ankizy ireny, sa tsy izany? Ny olona sasany dia mety hitady hanakana antsika tsy hiresaka ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Nefa hanohy hiresaka amin’ny hafa ny amin’ireo zava-mahatalanjona hataon’i Jesosy ho an’ny olona isika.

Tsy tamin’izy teto an-tany no fotoana tokony hanombohan’i Jesosy manapaka amin’ny maha mpanjaka. Rahoviana no ho tonga io fotoana io? Naniry hahafantatra izany ireo mpianatr’i Jesosy. Hamaky ny amin’izany isika amin’ny manaraka.