Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 79

Daniela tao An-davaky ny Liona

Daniela tao An-davaky ny Liona

OADRAY, oadray! Toa ao anatin’ny fahasahiranana be i Daniela. Nefa tsy maninona azy ireo liona! Fantatrao ve hoe nahoana? Iza no nametraka an’i Daniela teto miaraka amin’ireo liona rehetra ireo? Aoka hofantarintsika.

Ny mpanjakan’i Babylona izao dia lehilahy iray natao hoe Dariosy. Tiany aoka izany i Daniela satria tsara fanahy sy hendry tokoa i Daniela. Nifidy an’i Daniela ho komandy lehibe tao amin’ny fanjakany i Dariosy. Nahatonga ny lehilahy hafa tao amin’ny fanjakana hialona an’i Daniela izany, koa izao no nataon’izy ireo.

Nankany amin’i Dariosy izy ary niteny hoe: ‘Nifanaraka izahay, ry mpanjaka ô, fa tokony hanao lalàna iray ianao milaza fa mandritra ny 30 andro dia tsy misy olona tokony hangataka amin’ny andriamanitra na amin’olona afa-tsy aminao irery ihany, ry mpanjaka ô. Raha misy tsy mankatò, dia tokony hatsipy ao amin’ireo liona izy.’ Tsy fantatr’i Dariosy ny antony nanirian’izy ireo hanaovana io lalàna io. Nefa noheveriny fa hevitra tsara izany, ka dia nataony an-tsoratra ilay lalàna. Izao dia tsy azo ovana ilay lalàna.

Rehefa fantatr’i Daniela ny momba ilay lalàna, dia nankany an-tranony izy ary nivavaka, tahaka ny efa fanaony hatramin’izay. Fantatr’ireo lehilahy ratsy fanahy fa tsy hitsahatra hivavaka amin’i Jehovah i Daniela. Faly izy ireo, satria toa hahomby ny fikasany hanafoana an’i Daniela.

Rehefa fantatr’i Dariosy ny antony nanirian’ireo lehilahy ireo hanaovana ilay lalàna, dia nalahelo tokoa izy. Nefa tsy azony novana ny lalàna, ka dia nanome baiko izy mba hanipazana an’i Daniela ao an-davaky ny liona. Nefa hoy ny mpanjaka tamin’i Daniela: ‘Manantena aho fa hamonjy anao ny Andriamanitrao izay tompoinao.’

Very hevitra loatra i Dariosy ka tsy nahita tory tamin’iny alina iny. Ny ampitso maraina dia nihazakazaka nankany an-davaky ny liona izy. Azonao jerena izy eto. Niantso izy hoe: ‘Ry Daniela, mpanompon’Andriamanitra velona ô! Moa ve ny Andriamanitra izay tompoinao afaka namonjy anao tamin’ny liona?’

‘Naniraka ny anjeliny Andriamanitra’, hoy ny navalin’i Daniela, ‘ary nakombony ny vavan’ny liona mba tsy handratran’ireo ahy.’

Faly indrindra ny mpanjaka. Nandidy izy mba hakarina avy ao an-davaka i Daniela. Avy eo dia nasainy natsipy tao amin’ny liona ireo lehilahy ratsy fanahy izay nitady hamono an’i Daniela. Na dia mbola tsy nipaka tamin’ny fanambanin’ny lavaka akory aza ireo, dia efa norambasan’ireo liona ary notapatapahiny ny taolany rehetra.

Avy eo dia nanoratra ho an’ny vahoaka rehetra tao amin’ny fanjakany i Dariosy Mpanjaka hoe: ‘Mandidy aho fa tokony hanaja ny Andriamanitr’i Daniela ny olona rehetra. Manao fahagagana lehibe izy. Namonjy an’i Daniela mba tsy ho lanin’ny liona izy.’