Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 52

Gideona sy ny Olony 300 Lahy

Gideona sy ny Olony 300 Lahy

HITANAO ve izay mitranga eto? Lehilahy mpanafika eo amin’ny Israely avokoa ireo. Ireo lehilahy izay miondrika dia misotro rano. I Gideona mpitsara ilay lehilahy mitsangana eo akaikin’izy ireo. Eo am-pandinihana ny fomba fisotron’izy ireo rano izy.

Jereo akaiky ny fomba samy hafa fisotron’ireo olona ireo. Ny sasany dia manatsoboka ny tarehiny mihitsy ao anaty rano. Ny anankiray kosa dia mandray ny rano amin’ny tanany ka noho izany dia afaka mandinika izay mitranga manodidina azy. Zava-dehibe izany, satria i Jehovah dia nilaza tamin’i Gideona mba tsy hifidy afa-tsy ireo lehilahy izay manohy miambina na dia eo am-pisotroana aza. Ny sisa, hoy Andriamanitra, dia tokony halefa hody any aminy. Aoka hojerentsika hoe nahoana.

Tao anatin’ny fahasahiranana indray ny Israelita. Ny antony dia satria tsy nankatò an’i Jehovah izy. Nahery teo amin’izy ireo ny Midiana ary nampahory azy. Koa dia nitaraina tamin’i Jehovah ny Israelita, ary nihaino ny fitarainany i Jehovah.

Nilazan’i Jehovah i Gideona mba hamory tafika iray, ka dia nanangona lehilahy mpanafika 32 000 i Gideona. Nefa tafika iray nisy lehilahy 135 000 no hanafika ny Israely. Mbola nilaza tamin’i Gideona anefa i Jehovah hoe: ‘Maro loatra ny olonao.’ Nahoana moa i Jehovah no niteny toy izany?

Satria raha maharesy amin’ny ady ny Israely, dia mety hieritreritra fa noho ny heriny no nahazoany fandresena. Mety hieritreritra izy ireo fa tsy nila ny fanampian’i Jehovah mba handresena. Hoy àry i Jehovah tamin’i Gideona: ‘Ilazao ny lehilahy rehetra izay matahotra mba hiverina.’ Rehefa nanao izany i Gideona, dia lehilahy mpanafika 22 000 no nody. Lehilahy 10 000 sisa tavela ho azy mba hiady amin’ireo miaramila rehetra 135 000.

Nefa, henoy izay nolazain’i Jehovah: ‘Mbola maro loatra ihany ny olonao.’ Koa nilazany i Gideona mba hampisotro ny olona eo amin’ny rano mandeha iray ary hampody ny olona rehetra izay manatsoboka ny tarehiny ao anaty rano mba hisotro. ‘Hanome anao ny fandresena aho miaraka amin’ireo lehilahy 300 izay nanohy niambina teo am-pisotroana’, hoy ny fampanantenan’i Jehovah.

Tonga izao ny fotoana hiadiana. Nozarain’i Gideona ho antoko telo ny 300 lahy. Nomeny anjomara iray ny tsirairay avy ary siny misy fanilo ao anatiny. Rehefa nadiva hisasaka ny alina dia niangona nanodidina ny tobin’ny miaramila fahavalo izy rehetra. Avy eo, dia niara-nitsoka ny anjomarany sy namaky ny sininy ny rehetra, ary niantso hoe: ‘Ny sabatr’i Jehovah sy Gideona!’ Rehefa nifoha ireo miaramila fahavalo, dia very hevitra sy natahotra. Nanomboka nandositra izy rehetra, ary nahazo fandresena ny Israelita.

Mpitsara 6-8 toko faha-6 ka hatramin’ny faha-8.