Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 54

Ny Lehilahy Natanjaka Indrindra

Ny Lehilahy Natanjaka Indrindra

FANTATRAO ve ny anaran’ny lehilahy natanjaka indrindra hatramin’izay? Mpitsara iray nantsoina hoe Samsona izy io. I Jehovah no nanome an’i Samsona ny tanjany. Talohan’ny hahaterahan’i Samsona dia nanambara tamin’ny reniny i Jehovah hoe: ‘Tsy ela dia hiteraka zazalahy ianao. Izy no hitarika ny famonjena ny Israely amin’ny Filistinina.’

Ny Filistinina dia olona ratsy fanahy nonina tao Kanana. Nanana lehilahy nahery maro be izy ireo, ary nampahory marina tokoa ny Israelita. Indray andro, raha nandeha ho any amin’izay nitoeran’ny Filistinina i Samsona, dia nanatona azy ny liona nierona iray. Matin’i Samsona anefa ilay liona, tsy nisy na inona na inona teny an-tanany. Nahafaty Filistinina ratsy fanahy an-jatony koa izy.

Tatỳ aoriana dia tia vehivavy iray nantsoina hoe Delila i Samsona. Ireo mpitarika ny Filistinina dia nampanantena fa samy hanome an’i Delila volafotsy 1 100 raha milaza amin’izy ireo ny antony mampahatanjaka aoka izany an’i Samsona izy. Nirin’i Delila ny hahazo izany vola rehetra izany. Tsy tena sakaizan’i Samsona izy, na an’ny vahoakan’Andriamanitra. Koa dia nanontany foana an’i Samsona izay nahatonga azy hatanjaka aoka izany izy.

Farany dia nanambara tamin’i Delila ny tsiambaratelon’ny heriny i Samsona. ‘Tsy mbola nohetezana mihitsy ny voloko’, hoy izy. ‘Hatramin’ny fotoana nahaterahako, dia nofidin’Andriamanitra mba ho mpanompony manokana antsoina hoe Nazirita aho. Raha tapahina ny voloko dia hamoy ny heriko aho.’

Rehefa ren’i Delila àry izany, dia nataony izay hatorian’i Samsona teo am-pofoany. Avy eo dia nantsoiny ny lehilahy iray mba ho tonga hanapaka ny volony. Rehefa nifoha i Samsona, dia veriny ny heriny. Tonga àry ny Filistinina ary nisambotra azy. Nopotsirin’izy ireo ny masony roa, ary nataon’izy ireo mpanompony izy.

Indray andro ny Filistinina dia nandamina andro firavoravoana lehibe mba hanompoana an’i Dagona andriamaniny, ary navoakan’izy ireo avy tao an-tranomaizina i Samsona mba hihomehezany. Teo anelanelan’izany fotoana izany dia naniry indray ny volon’i Samsona. Hoy i Samsona tamin’ilay zazalahy izay nitantana azy: ‘Avelao aho hikasika ireo andry izay mihazona ny trano.’ Dia nivavaka tamin’i Jehovah i Samsona mba hahazo hery, ary nohazoniny ireo andry. Dia niantso mafy izy hoe: ‘Aoka aho ho faty miaraka amin’ny Filistinina.’ Nisy Filistinina 3 000 tao amin’io firavoravoana io, ary rehefa niondrika i Samsona mba hanozongozona ireo andry, dia nirodana ny trano ary maty ireo olona ratsy fanahy rehetra ireo.

Mpitsara 13-16 toko faha-13 ka hatramin’ny faha-16.