Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 35

Omen’i Jehovah ny Lalàny

Omen’i Jehovah ny Lalàny

ROA volana taorian’ny nandaozany an’i Ejipta, ny Israelita dia tonga teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, izay antsoina koa hoe Horeba. Teo amin’io toerana io ihany no nitenenan’i Jehovah tamin’i Mosesy avy ao amin’ny roimemy mirehitra. Nitoby teo ny vahoaka ary nijanona fotoana kelikely.

Raha mbola niandry teny ambany ny olona, dia nananika ny tendrombohitra i Mosesy. Tao an-tampon’ny tendrombohitra i Jehovah dia nilaza tamin’i Mosesy fa niriny ny hankatoavan’ny Israelita Azy sy ny hahatongavany ho vahoakany manokana. Rehefa nidina i Mosesy, dia nanambara tamin’ny Israelita izay nolazain’i Jehovah. Ary nilaza ny olona fa hankatò an’i Jehovah, satria naniry ny ho tonga vahoakany.

Nanao zavatra mahagaga izao i Jehovah. Nataony nivoa-tsetroka ny tampon’ny tendrombohitra, ary nahatonga kotroka mafy izy. Hoy koa izy tamin’ny vahoaka: ‘Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta.’ Hoy ny didiny avy eo: ‘Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.’

Nomen’Andriamanitra didy sivy fanampiny na lalàna, ny Israelita. Natahotra be ny vahoaka. Hoy izy tamin’i Mosesy: ‘Aoka ihany ianao no hiteny aminay, fa aza Andriamanitra no miteny aminay, fandrao maty izahay.’

Tatỳ aoriana dia niteny tamin’i Mosesy i Jehovah hoe: ‘Miakara atỳ amiko atỳ an-tendrombohitra. Izaho dia hanome anao vato fisaka roa izay nanoratako ireo lalàna tiako hotandreman’ny vahoaka.’ Koa dia niakatra indray tany an-tendrombohitra i Mosesy. Nijanona tany nandritra ny 40 andro sy 40 alina izy.

Nanome lalàna maro dia maro ho an’ny vahoakany Andriamanitra. Nataon’i Mosesy an-tsoratra ireny lalàna ireny. Nomen’Andriamanitra an’i Mosesy koa ny vato fisaka roa. Andriamanitra mihitsy no nanoratra teo amin’ireo ny lalàna folo izay noteneniny tamin’ny vahoaka rehetra. Antsoina hoe ny Didy Folo izy ireo.

Ny Didy Folo dia lalàna lehibe. Nefa toy izany koa ny lalàna maro hafa izay nomen’Andriamanitra ny Israelita. Toy izao ny iray amin’ireny lalàna ireny: ‘Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra, amin’ny sainao rehetra, amin’ny fanahinao rehetra ary amin’ny herinao rehetra.’ Ny hafa iray dia manao hoe: ‘Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.’ I Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, dia nilaza fa ireo no lalàna roa lehibe indrindra izay nomen’i Jehovah ny Israely vahoakany. Any aoriana any dia hianatra zavatra maro momba ny Zanak’Andriamanitra sy ny fampianarany isika.