Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 106

Nafahana avy tao An-tranomaizina

Nafahana avy tao An-tranomaizina

JEREO ilay anjely mihazona ny varavaran’ny tranomaizina hivoha. Ireo lehilahy afahany dia ny apostolin’i Jesosy. Aoka hojerentsika izay nitarika ny fanaovana azy ireo an-tranomaizina.

Vao fotoana fohy no lasa hatramin’ny nandatsahana ny fanahy masina teo amin’ireo mpianatr’i Jesosy. Ary izao no nitranga: Nankany amin’ny tempolin’i Jerosalema i Petera sy Jaona indray tolakandro. Tao, teo akaikin’ny varavarana, dia nisy lehilahy iray nalemy nandritra ny fiainany manontolo. Entin’ny olona eto izy isan’andro mba hahafahany hangata-bola amin’ireo izay mankao amin’ny tempoly. Rehefa nahita an’i Petera sy Jaona izy, dia nangataka taminy mba hanome zavatra ho azy. Inona no hataon’ireo apostoly?

Nijanona izy ary nibanjina an’ilay mahantra. ‘Tsy manam-bola aho’, hoy i Petera, ‘nefa homeko anao izay ananako. Amin’ny anaran’i Jesosy, mitsangàna ary mandehana!’ Avy eo dia noraisin’i Petera tamin’ny tanany ankavanana ilay lehilahy, ary nitsambikimbikina avy hatrany izy ka nanomboka nandeha. Rehefa hitan’ny olona izany, dia talanjona izy ary faly aoka izany noho io fahagagana mahatalanjona io.

‘Avy amin’ny herin’Andriamanitra, izay nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty, no nanaovanay izao fahagagana izao’, hoy i Petera. Raha mbola niteny izy sy Jaona, dia tonga ny filoha ara-pivavahana sasany. Tezitra izy ireo satria nanambara tamin’ny olona ny amin’i Jesosy natsangana tamin’ny maty i Petera sy Jaona. Koa dia nisambotra azy izy ary nanao azy an-tranomaizina.

Ny andro nanaraka dia nanana fivoriana lehibe iray ny filoha ara-pivavahana. Nentina teo i Petera sy Jaona, niaraka tamin’ilay lehilahy nositraniny. ‘Fahefana avy aiza no nanaovanareo izao fahagagana izao?’, hoy ny fanontanian’ireo filoha ara-pivavahana.

Nolazain’i Petera taminy fa izany dia avy amin’ny herin’Andriamanitra, izay nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty. Tsy fantatr’ireo mpisorona izay tokony hataony, satria tsy azony nolavina fa nitranga marina tokoa io fahagagana mahatalanjona io. Koa dia nampitandrina ny apostoly izy mba tsy hiresaka ny amin’i Jesosy intsony, ary namela azy handeha avy eo.

Araka ny fandehan’ny fotoana no nanohizan’ny apostoly nitory an’i Jesosy sy nanasitrana marary. Niely ny vaovao momba ireny fahagagana ireny. Noho izany, na dia ny vahoaka avy amin’ireo tanàna manodidina an’i Jerosalema aza dia nitondra marary mba hositranin’ny apostoly. Nahatonga ireo filoha ara-pivavahana hialona izany, koa dia nosamboriny ny apostoly ary nataony an-tranomaizina. Nefa tsy nijanona ela tao izy.

Nandritra ny alina dia nosokafan’ny anjelin’Andriamanitra ny varavaran’ny tranomaizina, araka ny hitanao eto. Hoy ilay anjely: ‘Mandehana ka mitsangàna ao amin’ny tempoly, ary mitenena foana amin’ny olona.’ Ny ampitso maraina, rehefa naniraka lehilahy tany an-tranomaizina ireo filoha ara-pivavahana mba haka ny apostoly, dia efa lasa izy ireo. Tatỳ aoriana dia hitan’ireo lehilahy nampianatra tao amin’ny tempoly izy ary nentiny ho any amin’ny efitranon’ny Synedriona.

‘Efa nanome didy hentitra anareo izahay mba tsy hampianatra ny amin’i Jesosy intsony’, hoy ireo filoha ara-pivavahana. ‘Nefa nofenoinareo tamin’ny fampianaranareo i Jerosalema.’ Namaly avy eo ny apostoly hoe: ‘Andriamanitra no tokony hekenay ho mpanapaka mihoatra noho ny olona.’ Koa dia nanohy nampianatra ny “vaovao tsara” izy. Moa ve izany tsy ohatra tsara dia tsara mba harahintsika?

Asan’ny Apostoly 3-5 toko faha-3 ka hatramin’ny faha-5.