Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 62

Fahasahiranana tao An-tranon’i Davida

Fahasahiranana tao An-tranon’i Davida

TAORIAN’NY nanombohan’i Davida nanapaka tao Jerosalema, i Jehovah dia nanome ho an’ny tafiny fandresena maro tamin’ireo fahavalony. Nampanantena i Jehovah fa nanome ny tany Kanana ho an’ny Israelita. Ary noho ny fanampian’i Jehovah izao, dia lasan’izy ireo ny tany rehetra nampanantenaina azy.

Mpanjaka tsara i Davida. Tia an’i Jehovah izy. Koa ny voalohany amin’ireo zavatra nataony taorian’ny famaboana an’i Jerosalema dia ny fitondrana ny fiaran’ny faneken’i Jehovah ho ao. Ary niriny ny hanorina tempoly iray mba hametrahana izany tao anatiny.

Rehefa nihazokiolona i Davida, dia nanao fahadisoana lehibe iray. Fantany fa ratsy ny maka zavatra iray an’olon-kafa. Nefa indray hariva, raha teo an-tampon’ny lapany izy, dia nahatazana terỳ ambany, vehivavy tsara tarehy tokoa iray. Batseba no anarany, ary ny vadiny, nantsoina hoe Oria, dia iray tamin’ireo miaramilan’i Davida.

Naniry fatratra loatra an’i Batseba i Davida ka nampaka azy ho ao an-dapany. Lasa tany an’ady ny vadin’i Batseba. Nampiseho fitiavana taminy i Davida, ary tatỳ aoriana dia hitan-dravehivavy fa hanan-janaka izy. Tena very hevitra i Davida ary nampitondra teny ho any amin’i Joaba mpitari-tafika, mba hametraka an’i Oria eny alohan’ny ady, ka amin’izay dia ho faty izy. Rehefa maty i Oria, dia nanambady an’i Batseba i Davida.

Tezitra aoka izany tamin’i Davida i Jehovah. Koa nirahiny i Natana mpanompony mba hilaza aminy ireo fahotany. Hitanao eto i Natana miresaka amin’i Davida. Nalahelo mafy i Davida noho ny nataony, ka dia tsy novonoin’i Jehovah izy. Nefa hoy i Jehovah: ‘Satria nanao ireo zava-dratsy ireo ianao, dia hahita fahasahiranana maro ao an-tranonao.’ Ary endrey tokoa ny fahasahiranana hitan’i Davida!

Voalohany dia maty ny zanakalahin’i Batseba. Avy eo i Amnona zanaka lahimatoan’i Davida dia naka an’i Tamara anabaviny irery ary nanao fitiavana an-keriny taminy. Tezitra loatra i Absaloma zanakalahin’i Davida noho izany, hany ka novonoiny i Amnona. Tatỳ aoriana i Absaloma dia nahazo ny fankasitrahan’ny maro tamin’ny vahoaka ary nanao ny tenany ho mpanjaka. Farany, i Davida dia nandresy an’i Absaloma izay novonoina. Nahita zava-nanahirana maro be i Davida.

Teo anelanelan’izany rehetra izany dia niteraka zazalahy nantsoina hoe Solomona i Batseba. Rehefa antitra sy narary i Davida, dia nanandrana nanao ny tenany ho mpanjaka i Adonia zanany lahy. Tamin’izay dia nasain’i Davida nararak’i Zadoka mpisorona teo amin’ny lohan’i Solomona ny diloilo, mba hampisehoana fa ho mpanjaka i Solomona. Fotoana fohy taorian’izay dia maty i Davida rehefa 70 taona. Nanapaka nandritra ny 40 taona izy, nefa i Solomona izao no mpanjakan’ny Israely.