Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 57

Nifidy An’i Davida Andriamanitra

Nifidy An’i Davida Andriamanitra

HITANAO ve izay mitranga eto? Namonjy an’io zanak’ondry kely io tamin’ny bera ilay zazalahy. Tonga ilay bera ary nitondra an’ilay zanak’ondry nandositra ary handeha hihinana azy. Nefa nanenjika azy ireo ilay zazalahy ary namonjy ilay zanak’ondry avy teo am-bavan’ilay bera. Ary rehefa nitsangana ilay bera dia nohazonin’ilay zazalahy izy ary nasiany ho faty! Tamin’ny fotoana hafa dia namonjy ondry iray tamin’ny liona izy. Moa ve tsy zazalahy mahery fo izy? Fantatrao ve hoe iza izy io?

Io no Davida zatovo. Nonina tao amin’ny tanànan’i Betlehema izy. Ny raibeny dia i Obeda, zanakalahin-dRota sy Boaza. Tsaroanao ve ireo olona ireo? Ary ny rain’i Davida dia i Jese. Nikarakara ny ondrin-drainy i Davida. I Davida dia teraka folo taona taorian’ny nifidianan’i Jehovah an’i Saoly ho mpanjaka.

Dia tonga ny fotoana nilazan’i Jehovah tamin’i Samoela hoe: ‘Makà diloilo manokana ary mandehana any amin’ny tranon’i Jese any Betlehema. Efa nifidy ny iray amin’ireo zanany lahy ho mpanjaka aho.’ Rehefa hitan’i Samoela ny lahimatoan’i Jese atao hoe i Eliaba, dia niteny anakampo izy hoe: ‘Ity marina no ilay nofidin’i Jehovah.’ Nefa hoy i Jehovah taminy: ‘Aza mijery ny halavany na ny tarehiny. Fa tsy nifidy azy ho mpanjaka aho.’

Ary niantso an’i Abinadaba zanany lahy i Jese ka nitondra azy teo amin’i Samoela. Nefa hoy i Samoela: ‘Tsia, tsy ity koa no nofidin’i Jehovah.’ Manaraka, dia nentin’i Jese i Sama zanany lahy. ‘Tsia, tsy nifidy an’ity koa i Jehovah’, hoy i Samoela. Nentin’i Jese teo amin’i Samoela ny fito tamin’ireo zanany lahy, nefa tsy nifidy na iza na iza tamin’ireny i Jehovah. ‘Izay avokoa va ny zazalahy rehetra?’, hoy ny fanontanian’i Samoela.

‘Ny faralahy no sisa’, hoy i Jese. ‘Fa miandry ondry izy.’ Rehefa nentina teo i Davida, dia hitan’i Samoela fa zazalahy tsara tarehy izy. ‘Io no izy’, hoy i Jehovah. ‘Araraho eo aminy ny diloilo.’ Ary izany no nataon’i Samoela. Ho tonga ny fotoana izay haha mpanjaka an’i Davida eo amin’ny Israely.