Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 68

Zazalahy Roa Velona Indray

Zazalahy Roa Velona Indray

RAHA maty ianao, ahoana no ho fihetseham-pon-dreninao raha novelomina indray ianao? Ho sambatra aoka izany izy! Mety ho velona indray ve anefa ny olona maty iray? Efa nitranga ve izany taloha?

Jereo ilay lehilahy sy vehivavy ary zazalahy kely. I Elia mpaminany ilay lehilahy. Mpitondratena avy any Zarefata ilay vehivavy, ary zanany ilay zazalahy. Narary ilay zazalahy indray andro. Nihamafy ny aretiny ary maty izy tamin’ny farany. Dia hoy i Elia tamin-dravehivavy: ‘Atolory ahy ny zanakao.’

Nentin’i Elia ho any ambony ny zaza maty ary nampandriany teo am-parafara. Dia nivavaka izy hoe: ‘Jehovah ô, velomy indray ny zaza.’ Nanomboka niaina ilay zazalahy! Nentin’i Elia nidina tamin’izay izy ary hoy izy tamin-dravehivavy: ‘Indro, velona ny zanakao!’ Izany no mahafaly an’ilay reny.

I Elisa dia mpaminanin’i Jehovah hafa iray lehibe koa. Niasa tamin’ny naha mpanampy an’i Elia izy. Nefa nampiasain’i Jehovah hanao fahagagana koa i Elisa tatỳ aoriana. Nankany an-tanànan’i Sonema i Elisa indray andro. Nisy vehivavy tena tsara fanahy taminy tao. Niteraka zazalahy io vehivavy io tatỳ aoriana.

Rehefa nihalehibe ilay zaza, dia nankany amin-drainy izay tany an-tsaha indray andro. Niantsoantso tampoka ilay zazalahy hoe: ‘Marary ny lohako!’ Rehefa nentina nody ilay zazalahy dia maty. Endrey ny alahelon-dreniny! Avy hatrany izy dia lasa naka an’i Elisa.

Rehefa tonga i Elisa, dia nankao amin’ny efitrano nisy ny zaza maty. Nivavaka tamin’i Jehovah izy, ary nandry teo amin’ilay faty. Tsy ela dia nihanafana ny vatan’ilay zazalahy, ary nievina impito izy. Endrey ny hafalian-dreniny rehefa tonga izy ary nahita ny zanany velona!

Olona maro dia maro no efa maty. Nahatonga ny fianakaviany sy ny sakaizany halahelo tokoa izany. Tsy manana fahefana hanangana ny maty isika. I Jehovah no manana izany. Any aoriana dia hianarantsika ny fomba hamerenany olona an-tapitrisany maro ho amin’ny fiainana.