Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 1

Ny Famoronana ka Hatramin’ny Safodrano

Ny Famoronana ka Hatramin’ny Safodrano

Avy aiza no niavian’ny lanitra sy ny tany? Ahoana no fomba nisian’ny masoandro, ny volana sy ny kintana, ary koa ny zavatra maro eto an-tany? Manome ny valiny marina ny Baiboly rehefa milaza fa noforonin’Andriamanitra izy ireny. Noho izany, ny bokintsika dia manomboka amin’ireo fitantarana avy ao amin’ny Baiboly momba ny famoronana.

Hianarantsika fa ireo zavaboary voalohany nataon’Andriamanitra dia olona ara-panahy mitovitovy aminy ihany. Anjely izy ireo. Nefa ny tany dia noforonina ho an’ny olona tahaka antsika. Nanamboatra ny lehilahy sy ny vehivavy antsoina hoe Adama sy Eva àry Andriamanitra, dia nametraka azy tao amin’ny zaridaina tsara tarehy iray. Nefa tsy nankatò an’Andriamanitra izy ary nanary ny zony ho velona hatrany.

Amin’ny fitambarany dia misy 1 656 taona hatreo amin’ny famoronana an’i Adama ka hatramin’ny Safodrano lehibe. Olona ratsy maro be no niaina nandritra io fotoana io. Tany an-danitra, dia nisy ireo olona ara-panahy tsy hita maso, i Satana sy ny anjely ratsiny. Tetỳ an-tany, dia tao i Kaina sy ny olona ratsy maro hafa koa, anisan’izany ny lehilahy sasany nanan-kery tsy fahita. Nefa nisy olona tsara koa teto an-tany: Abela, Enoka ary Noa. Ao amin’ny Fizarana VOALOHANY no hamakiantsika momba ireo olona sy ireo fisehoan-javatra rehetra ireo.