Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 1

Manomboka Mamorona Andriamanitra

Manomboka Mamorona Andriamanitra

AVY amin’Andriamanitra ny zavatra tsara rehetra ananantsika. Nanao ny masoandro izy mba hanome antsika hazavana amin’ny andro, ary ny volana sy ny kintana mba hahazoantsika hazavana sasany amin’ny alina. Nataon’Andriamanitra koa ny tany mba hipetrahantsika.

Nefa tsy ny masoandro, ny volana, ny kintana ary ny tany akory no zavatra voalohany nataon’Andriamanitra. Fantatrao ve ny nataony voalohany? Olona tahaka azy ihany no nataon’Andriamanitra voalohany. Tsy afaka mahita ireny olona ireny isika, sahala amin’ny tsy fahafahantsika mahita an’Andriamanitra. Antsoina hoe anjely ireny olona ireny ao amin’ny Baiboly. Nataon’Andriamanitra hiaina miaraka aminy any an-danitra ny anjely.

Hafakely tokoa ny anjely voalohany nataon’Andriamanitra. Izy io dia Zanaka voalohan’Andriamanitra, ary niara-niasa tamin’ny Rainy. Nanampy an’Andriamanitra hanao ny zavatra hafa rehetra izy. Nanampy an’Andriamanitra izy hanao ny masoandro, ny volana, ny kintana ary koa ny tanintsika.

Nitovy tamin’inona moa ny tany tamin’izay? Tamin’ny voalohany dia tsy azo nonenana teto an-tany. Tsy nisy afa-tsy ranomasimbe no nandrakotra ny tany rehetra. Nefa nirin’Andriamanitra ny hipetrahan’ny olona teto an-tany. Noho izany, dia nanomboka nanoman-javatra ho antsika izy. Inona no nataony?

Nila hazavana aloha ny tany. Noho izany, dia nataon’Andriamanitra namirapiratra tetỳ an-tany ny hazavan’ny masoandro. Nataony izay hisian’ny alina sy ny andro. Taorian’izay dia nasehon’Andriamanitra avy tao amin’ny ranomasimbe ny tany.

Tsy nisy na inona na inona teo amin’ny tany. Sahala amin’ny sary hitanao eto no fijery azy. Tsy nisy na voninkazo na hazo na biby. Tsy nisy hazandrano akory tao amin’ireo ranomasina. Mbola nanana asa be tokony hatao Andriamanitra mba hahatonga ny tany hahafinaritra tokoa ny biby sy ny olona ny fipetrahana eo aminy.