Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 10

Ny Safodrano Lehibe

Ny Safodrano Lehibe

TANY ivelan’ny fiara dia nanohy ny fiainany sahala amin’ny taloha ny olona. Mbola tsy nino ihany izy ireo fa ho avy ny Safodrano. Nety ho nihomehy mbola tsy nisy toy izany aza izy. Nefa vetivety dia nitsahatra ny fihomehezany.

Nanomboka nilatsaka tampoka ny rano. Niraraka avy any an-danitra izany sahala amin’ny rehefa mandraraka rano avy amin’ny siny ianao. Marina ny filazan’i Noa! Nefa tara loatra izao ho an’izay te hiditra ao amin’ny fiara. Efa nohidian’i Jehovah mafy ny varavarana.

Vetivety dia rakotra ny toerana iva. Tonga sahala amin’ny renirano be ny rano. Natosiny ny hazo ary nakodiany ny vato be, no sady nanao tabataba be izy. Natahotra ny olona. Nananika ho amin’ny toerana avo kokoa izy. Raha izay mantsy izy ireo no mba nihaino an’i Noa sy niditra tao amin’ny fiara raha mbola nisokatra ho azy ireo ny varavarana! Diso aoriana loatra anefa izany izao.

Nihanisondrotra hatrany ihany ny rano. Niraraka avy any an-danitra ny rano 40 andro sy 40 alina. Niakatra hatramin’ny sisin’ny tendrombohitra izany, ary tsy ela dia rakotra na dia ireo tendrombohitra avo indrindra aza. Koa araka ny nolazain’Andriamanitra, ny olona sy ny biby rehetra tany ivelan’ny fiara dia maty. Fa izay rehetra tao anatiny kosa dia voaro.

Nanao asa tsara i Noa sy ny zanany lahy tamin’ny fanamboarana ny fiara. Ningain’ny rano izany ary nitsinkafona teo ambonin’ny rano. Indray andro àry, taorian’ny fitsaharan’ny orana, dia nanomboka namiratra ny masoandro. Endrey ny fahitan-javatra tamin’izay! Ranomasimbe midadasika iray no hita hatraiza hatraiza. Ary ny hany zavatra azo nojerena dia ny fiara nitsinkafona teo amboniny.

Nanjavona koa izao ireo olona goavana. Tsy ho hita intsony eny ho eny izy ireny mba hanimba ny olona. Maty avokoa izy rehetra, niaraka tamin’ireo reniny sy ny sisa tamin’ny olona ratsy. Fa inona kosa no nitranga tamin’ireo rainy?

Tsy tena olombelona tahaka antsika akory ny rain’ireo olona goavana. Anjely nidina tetỳ an-tany mba ho velona toy ny olona izy ireny. Noho izany, rehefa tonga ny Safodrano, dia tsy maty niaraka tamin’ny sisa amin’ny olona izy. Nitsahatra tsy nampiasa ny vatan’olombelona nananany izy ary niverina ho any an-danitra tamin’ny naha-anjely azy. Nefa tsy navela intsony ho anisan’ny fianakavian’ny anjelin’Andriamanitra izy. Nanjary lasa anjelin’i Satana àry izy. Antsoina hoe demonia izy ireny ao amin’ny Baiboly.

Nisy rivotra nalefan’Andriamanitra mba hitsoka tamin’izay, ka dia nanomboka nihena ny ranon’ny Safodrano. Dimy volana tatỳ aoriana, ny fiara dia nipetraka teo an-tampon’ny tendrombohitra iray. Mbola nandalo ny andro maromaro, ary dia afaka nijery sy nahita ireo tampon’ny tendrombohitra ny olona tao anatin’ny fiara. Nihanidina hatrany ny rano.

Dia namoaka tany ivelan’ny fiara, vorona mainty iray antsoina hoe goaika i Noa. Nanidina tany vetivety izy io ary niverina, satria tsy nahita toerana tsara azony nipetrahana. Toy izany foana no nataony, ary isaky ny niverina izy io, dia niala sasatra tao amin’ny fiara.

Tian’i Noa ny hahita raha niala tamin’ny tany ny rano, ka dia nandefa indray voromailala iray tany ivelan’ny fiara izy. Niverina koa anefa ilay voromailala satria tsy nahita toerana hipetrahana. Nalefan’i Noa fanindroany izy io, ary niverina nitondra ravin’oliva teo am-bavany. Fantatr’i Noa àry fa efa nihena be ny rano. Nalefan’i Noa fanintelony ilay voromailala, ary farany izy dia nahita tany maina mba hipetrahana.

Niresaka tamin’i Noa izao Andriamanitra. Hoy izy: ‘Mivoaha amin’ny sambofiara ianao. Ento miaraka aminao ny fianakavianao manontolo sy ny biby.’ Efa ho herintaona mahery izao izy ireo no tao anatin’ny sambofiara. Koa azontsika alaina sary an-tsaina àry ny hafalian’izy rehetra tafavoaka soa aman-tsara avy ao indray!