Aiza moa ireo maty?
Toko Faha-5
Aiza moa ireo maty?
1. Inona avy moa no fanontaniana fametraky ny olona mikasika ny maty?
ANGAMBA hianao efa nahatsiaro ny fahabangana tsapa rehefa misy sakaiza-malalan’ny tena nindaosin’ny fahafatesana. Ny ankamaroan’ny olona, rehefa misy ny toe-javatra toy izany, dia mahatsiaro tena ho malahelo sy tsy manan-kery. Koa amin’ny fotoana toy izany, dia tonga ho azy ny fanontaniana hoe: Manjary inona moa ny olona iray rehefa maty? Moa ve izy mbola mahatsiaro tena any ho any? Moa ve azo atao tokoa ny manantena fa mbola ho velona indray ny maty? Ny Baiboly dia manome valin’ireo fanontaniana ireo mampahery.
2. Araka ny Baiboly, tonga inona moa Adama lehilahy voalohany, rehefa maty, ka noho izany, inona no atao hoe fahafatesana?
2 Raha lazaina amin’ny teny tsotra, ny fahafatesana dia ny mifanohitra amin’ny fiainana. Rehefa nanonona ny teny fitsarany an’i Adama, lehilahy voalohany, noho ny tsy fankatoavany an-tsitrapo, Andriamanitra dia niteny taminy hoe: Hianao hiverina “any amin’ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao”. (Genesisy 3:19). Aoka isika hisaina kely! Taiza moa Adama fony Andriamanitra tsy mbola namorona azy avy tamin’ny vovoky ny tany ka tsy mbola nanome azy ny fiainana? Tsy taiza tsy taiza satria tsy mbola ary izy! Rehefa maty àry Adama dia niverina ho amin’ny tsy fananana aina sy ny tsy fahatsiarovan-tena. Tsy nidina tany amin’izay afobe mirehitra na tany an-danitra akory Adama fa maty fotsiny, — araka ny efa nampiomanan’Andriamanitra azy rahateo. — Genesisy 2:17.
3. Inona no voalaza ao amin’ny Mpitoriteny 9:5, 10 mikasika ny maty ary manjary inona ny fisainan’ny olona rehefa maty izy?
3 Mampianatra mazava tsara ny Baiboly fa ny maty dia tsy mahatsiaro tena sady tsy miaina ao am-pasana. Mariho ny voasoratra ao amin’ny Mpitoriteny 9:5, 10 mikasika ny maty: “Fa fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy. (...) Izay rehetra azon’ny tànanao atao dia ataovy amin’ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.” Koa ny maty àry izany dia tsy afaka manao na mahatsiaro na inona na inona. Tsy misaina intsony izy toy ny ilazan’ny Baiboly azy indrindra amin’izao teny izao: “Aza mametraka ny fitokianareo amin’ny mpanapaka, na amin’ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy; fa miala ny fofon’ainy, dia miverina amin’ny vovony izy, ary amin’izay andro izay ihany dia levona ny hevitra kasainy.” — Salamo 146:3, 4, Kat.
MOA VE MANANA FANAHY TSY METY MATY NY OLOMBELONA?
4. Inona no ambaran’ny bokin’i Nomery (31:28) mikasika ny teny hoe “fanahy”?
4 Fa inona no holazaina ny amin’ny fanahy? Moa ve izy io tsy ny tapany amin’ny olona izay misaraka amin’ny tenany rehefa maty izy ka mbola velona hatrany ihany? Mba hamaliana an’io fanontaniana io dia tsara aloha ny hamantarantsika izay atao hoe fanahy. Angamba hahagaga anao ny hahalala fa ao amin’ny Soratra Masina azo tamin’ny tsindrimandry, ny teny hoe “fanahy” dia ampiharina koa amin’ny biby fa tsy amin’ny olona ihany. Ohatra, ao amin’ny Nomery 31:28 (araka ny fandikan-teny katolikan’i Glaire amin’ny fiteny frantsay), dia misy fitenenana ny amin’ny “fanahy [hebreo: nèphesch] iray isaky ny diman-jato, na amin’ny olona na amin’ny omby sy ny ampondra ary ny ondry”. — Jereo koa Apokalypsy 16:3 (MN; Darby a.p.), izay ahitana ny teny grika nadika hoe “fanahy”: psukhê.
5. Ahoana no teny ilazalazan’ny Baiboly ny amin’ny fanahy?
5 Fa inona àry no atao hoe fanahy? Aoka hodinihintsika ny voalazan’ny Tenin’ilay Mpamorona voasoratra, mikasika izany. Izao no vakintsika ao amin’ny Genesisy 2:7 (AC a.p.): “Jehovah Andriamanitra namorona ny olona tamin’ny vovoky ny tany, ka nitsoka fofonaina tao am-bavorony, ary dia tonga fanahy velona ny olona.”
6. Zavatra inona aseho ao amin’ny Baiboly ary mikasika ny fanahy olombelona, no manaporofo fa izy io dia tsy mety ho zavatra tsy azo tsapaina mety hisy misaraka amin’ny tenan’ny olona iray? Noho izany, inona moa ny fanahy olombelona?
6 Mariho tsara fa rehefa avy nomen’Andriamanitra ny fofonaina izy, dia “tonga fanahy velona ny olona”. Araka izany, ny olona dia fanahy, toy ny olona iray tonga dokotera dia dokotera (I Korintiana 15:45, MN ). Koa satria ny olona ihany no fanahy olombelona, izy io izany dia tsy mety ho zavatra tsy azo tsapaina mitoetra ao anatin’ny vatana ka mety hisy ihany na dia misaraka aminy aza. Mifanaraka amin’izany hevitra izany no anehoan’ny Baiboly fa ny fanahy olombelona dia manana toetra fananan’ny zavatra hita maso. Asehony, ohatra, fa ny fanahy dia mety hahatsiaro ho mila hihinana zavatra mivaingana. “Maniry hihinan-kena ny fanahinao.” (Deoteronomia 12:20; jereo koa Levitikosy 17:12, Darby a.p.; Dhorme a.p.). Ny Baiboly dia mampiseho koa fa ny fanahy olombelona dia misy ra mikoriana ao amin’ny lalan-drany satria izy dia miteny ny amin’ny “ran’ny fanahin’ireo mahantra tsy manan-tsiny”. (Jeremia 2:34, Darby a.p.) Eny, hianao ihany no fanahinao, ao anatin’izany ny toetrao ara-batana sy ara-tsaina rehetra. — Ohabolana 2:10.
7. Rehefa mampiasa ny teny hoe “ny fanahiko” ny Baiboly, inona no lazainy amin’izany?
7 Fa ahoana no tokony handraisana ny hevitr’ireo andalan-teny izay miresaka ny amin’ny “fanahiko”, na ny amin’ny fanahy toy ny hoe ao anatin’ny olona iray izy io? Hita aloha fa tsy maintsy ampifanarahina amin’ireo andalan-teny efa voalaza tetsy ambony izany satria tsy mety hifandaka ny Tenin’Andriamanitra. Rehefa vakina ireo andininy maro ireo dia hita fa misy heviny maro ny teny hoe “fanahy”. Indraindray izy dia manondro ny maha-isika antsika amin’ny maha-fanahy antsika. Araka izany, dia toy ny ahafahana milaza hoe “ny tenako” no ahafahana miteny hoe “ny fanahiko”, ka ireo teny roa ireo dia milaza zavatra iray ihany. Izany no nahafahan’ny mpanao salamo iray nilaza hoe: “Azon’alahelo ny fanahiko ka latsa-dranomaso.” — Salamo 119:28, Kat.
8. a) Amin’ny heviny hafa ahoana no azo ampiasana ny teny hoe “fanahy”, noho izany moa ve mety ny hilazana fa “manana fanahy” ny olona velona iray? b) Ny andalan-teny ao amin’ny Baiboly aiza moa ny milaza fa mety ho very ny fiainana na fanahy?
8 Ny teny hoe “fanahy” dia manondro koa ny fiainana ananantsika amin’ny maha-olona na fanahy velona antsika. Ary anefa atao ho iray ihany ny filazana ny olona iray fa izy dia velona (ny tiana holazaina amin’izany dia hoe eo amin’ny fiainana izy) sy ny filazana fa manana ny fiainana izy (amin’ny maha-olona velona azy). Toy izany koa, araka ny Baiboly dia fanahy ny olombelona; nefa raha mbola velona koa izy, dia azo lazaina fa “manana fanahy”. Araka izany, toy ny ilazana ny olona iray fa namoy ny fiainany izy no ho azo ilazana koa fa namoy ny fanahiny izy. Izao no nambaran’i Jesosy: “Inona no soa ho azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny?” (Matio 16:26, Kat, ary koa ny fanazavana ambany pejy amin’ny fandikan-teny protestanta). Rehefa saro-piterahana Rahely fony izy niteraka an’i Benjamina, ny fanahiny (na ny fiainany amin’ny maha-fanahy azy) dia nihalasa, ary dia maty izy. (Genesisy 35:16-19, AC). Nitsahatra tsy ho olona velona intsony izy ka dia tonga vatana maty. Toy izany koa, rehefa natsangan’i Elia mpaminany tamin’ny fomba mahagaga ny zaza iray, ny fanahy (na fiainany tamin’ny maha-fanahy azy) dia “niverina tao anatiny, ary dia naverina ho amin’ny fiainana izy”. Tonga fanahy velona indray izy. — I Mpanjaka 17:17-23, AC.
9. a) Moa ve ny Baiboly milaza fa tsy mety maty ny fanahy olombelona? b) Inona avy moa ireo teny mampiseho fa mety maty ny fanahy olombelona?
9 Koa satria àry ny olona ihany no fanahy, manjary inona ny fanahy rehefa maty ny olona? Ny Baiboly dia milaza tsy misy fihambahambana fa maty ny fanahy; hoy ny teniny: “Ny fanahy izay manota no ho faty.” (Ezekiela 18:4, 20). Raha nilaza ny teny nosoratan’i Mosesy mikasika an’i Jesosy ny apostoly Petera dia toy izao no nambarany: “Raha ny marina, ny fanahy rehetra izay tsy mihaino an’io Mpaminany io dia haringana tanteraka tsy ho eo amin’ny vahoaka.” (Asan’ny Apostoly 3:23, MN ). Mifanaraka amin’izany fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly izany, ny Baiboly dia tsy milaza mihitsy na aiza na aiza fa misy fanahy olombelona na biby tsy mety maty na tsy mety simba. Hita kosa aza fa misy andinin-teny am-polony maro manondro fa mety maty ny fanahy (Levitikosy 23:30, Darby; Jakoba 5:20). Mikasika ny tenan’i Jesosy Kristy dia hoy ny Baiboly: “Nanolotra ny fanahiny ho amin’ny fahafatesana izy.” (Isaia 53:12, AC). Miharihary àry fa ny fanahy olombelona dia ilay olona mihitsy, ary rehefa maty ilay olona dia ny fanahy olombelona no maty.
10. Inona moa no fifangaroan-kevitra mikasika ny teny roa samihafa, mahatonga fisafotofotoana, mikasika ny fahalalana ny toetry ny maty?
10 Ny fifangaroan-kevitra mikasika ny toetry ny maty dia avy amin’ny fampifangaroan’ny olona ny “fanahy” (âme) sy ny “fanahy” (esprit) indrindra. Ny Baiboly dia mampiseho fa tsy milaza zavatra iray ihany akory ireo teny roa ireo.
INONA MOA NY FANAHY (ESPRIT) AO AMIN’NY ZAVA-BOAHARY VELONA?
11. a) Araka ny Joba 34:14, 15, inona moa ny zavatra roa tsy maintsy ananan’ny olona mba hahavelomany? b) Hazavao ny amin’ireo zavatra roa ireo.
11 Rehefa mamaky ny Joba 34:14, 15 isika, dia fantatsika fa, mba hahavelomana, ny olona sy izay zava-boahary mahatsiaro tena rehetra ambonin’ny tany dia tsy maintsy manana zavatra roa: ny fanahy (esprit) sy ny fofonaina. Izao no ambaran’io andinin-teny io: “Raha tàhiny ny tenany [Andriamanitra] ihany no heveriny, ka hangoniny ho ao aminy ny fanahiny (esprit) [heb. rouakh] sy ny fofonainy [heb. neschamah], dia hiala avokoa ny ain’ny nofo rehetra, ary hiverina amin’ny vovoka ny olona.” Hitantsika fa Andriamanitra namorona ny olona voalohany “tamin’ny vovoky ny tany”, izany hoe tamin’ny foto-javatra nalaina avy tamin’ny tany. Tamin’ny fotoana nahariany an’i Adama, Andriamanitra dia nametraka ny aina na herim-piainana tao amin’ireo efitrefitra bitika (cellules) an-arivo tapitrisany maro tao amin’ny vatana. Ny herim-piainana miasa no tondroina ao amin’ny andinin-teny nolazaina tetsy ambony amin’ny teny hoe “fanahy” (esprit) (rouakh). Nefa mba hampaharitra izany herim-piainana izany tao amin’ny tsirairay avy tamin’ireo efitrefitra bitika an-arivo tapitrisany maro tao amin’i Adama, dia tsy maintsy nisy “oxygène” ary ny fiainana (respiration) no hahazoany izany zavatra nilaina izany. Noho izany, Andriamanitra dia “nitsoka fofonaina [neschamah] tao am-bavorony”. Dia nanomboka niasa ny avokavok’i Adama ka nampaharitra hatrany tamin’ny alalan’ny fiainana, ny herim-piainana tao amin’ireo efitrefitra bitika tao amin’ny vatany. — Genesisy 2:7, AC a.p.
12. Amin’ny fampiasana ny ohatra ny amin’ny zaza vao teraka, asehoy ny atao hoe “fofonaina mahavelona”.
12 Izany dia mitovy amin’izay hita eo amin’ny zaza vao teraka sasany. Rehefa latsaka izy dia velona nefa tsy avy hatrany dia miaina. Voatery ny dokotera mpampivelona mikapoka azy kely mba hanery azy hiaina, raha tsy izany dia ho faty izy. Toy izany koa no tsy maintsy nampaharetana ny fahavelomana tao amin’ireo efitrefitra bitika tamin’ny vatan’i Adama, tamin’ny alalan’ny fiainana mba hahatongavany ho olona velona afaka mihetsika.
13. a) Moa ve ny fanahy “esprit” manana ny maha-izy azy? b) Amin’ny fakana ho ohatra ny amin’ny aotomobilina iray, amin’ny inona no azo ampitahana ny fanahy (esprit)?
13 Ny fanahy olombelona (âme) àry dia ilay olona velona mihitsy, fa ny fanahy (esprit) kosa dia ny herim-piainana izay ahafahany mivelona fotsiny. Tsy manana ny maha-izy azy akory ny fanahy (esprit) ary tsy afaka manao ny zavatra hain’ny olona iray atao. Izy io dia tsy afaka misaina na miteny na mahare na mahita na mahatsapa. Ny fanahy (esprit) dia ho azo ampitahaina amin’ny herim-baratra ao amin’ny “batterie” amin’ny aotomobilina. Ny herim-baratra azo dia ampy hampandefasana ny môtera sy handrehetana ny jiro ary hampandehanana ny kaorina na hampamoahana feon-javamaneno ao amin’ny radio. Nefa, moa ve io herim-baratra io ho afaka hanao ireo zavatra ireo raha tsy eo ny môtera sy ny jiro ary ny kaorina na ny radio? Tsia satria io herim-baratra io dia hery fotsiny izay ahafahan’ireo fiasana samihafa ireo manao izany asa izany.
14. Moa ve ny biby manana fanahy (esprit) na herim-piainana toy ny olombelona?
14 Ny fanahy (esprit) na herim-piainana dia ao amin’ny zava-boahary miaina rehetra ary mifindra avy amin’ny ray aman-dreny ho amin’ny taranany rehefa torontoronina ireo. Toy izany no nampahafantaran’Andriamanitra an’i Noa fa hahatonga safo-drano izy “mba handringanana (...) ny nofo rehetra izay misy fanahin’aina [rouakh]” na olona izany na biby. — Genesisy 6:17, Darby; jereo koa 7:15, 22, Darby a.p.
15. Amin’ny teny ahoana no ampisehoan’ny andalan-teny ao amin’ny Mpitoriteny 3:19, 20 fa ny olona sy ny biby dia samy hetsehin’io fanahy (esprit) na herim-piainana io?
15 Koa satria fanahy (esprit) na herim-piainana iray ihany no manetsika ny olona sy ny biby, dia mitovy ihany ny fomba fahafatin’izy roroa. Mikasika izany dia hoy ny voasoratra ao amin’ny Mpitoriteny 3:19, 20, AC: “Ny anjaran’ny zanaky ny olona dia ny anjaran’ny biby: mitovy ny fiafarany; toy ny ahafatesan’ny iray no ahafatesan’ny iray koa; fanahy [rouakh] mitovy no manetsika azy (...). Izy rehetra mankany amin’ny toerana iray ihany; izy rehetra dia nivoaka avy tamin’ny vovoka, ary izy rehetra dia miverina ho amin’ny vovoka.”
16. a) Amin’ny fomba ahoana no andaozan’ny fanahy (esprit) ny tena rehefa maty? b) Amin’ny fomba ahoana no iverenan’ny fanahy (esprit) ho amin’Andriamanitra?
16 Satria Andriamanitra no Mpanome ny fiainana, ny Teniny dia manambara fa rehefa maty ny olona iray, “ny vovoka dia hiverina amin’ny tany ho toy ny teo, fa ny fanahy (esprit) kosa hiverina amin’Andriamanitra izay nanome iny”. (Mpitoriteny 12:7.) Rehefa maty ny olona, ny herim-piainana dia mandao tsikelikely ny efitrefitra bitika ao amin’ny tena izay manomboka mihalò. Manjavona daholo ny hevitra sy asa atao amim-pahatsiarovan-tena rehetra (Salamo 104:29, AC, NW). Amin’ny heviny ahoana moa no ilazana fa ny fanahy (esprit) dia “hiverina amin’Andriamanitra izay nanome iny”? Moa va ny herim-piainana mandao ara-bakiteny tokoa ny tany ary mita ny habakabaka mba ho tonga hatreo anatrehan’Andriamanitra? Tsia, fa izy io dia miverina amin’Andriamanitra amin’ny heviny hoe manomboka hatreo dia miankina amin’Andriamanitra irery sisa ny fanantenan’ilay olona ho velona indray. Izy irery ihany no afaka manome indray ny fanahy (esprit), ka mamerina ny aina amin’ilay olona.
17. a) Moa ve ny maty iray afaka manisy ratsy ny velona, ary ny velona ve afaka manampy ny maty iray? b) Hiaro antsika amin’ny fanarahana fanompoana demonia ahoana moa ny fahalalana ny fahamarinana mikasika ny toetry ny maty?
17 Misy olona miaina ao amin’ny fahatahorana ny maty ka manao fanatitra mba hampitonena ireo razany. Manome hery anefa ny fahalalana fa, noho izy tsy mahatsiaro tena, ny maty dia tsy afaka hanisy ratsy ny velona. Noho izany, araka ny Tenin’Andriamanitra, na dia lehibe tokoa aza ny fitiavan’ny tena olona maty iray, dia tsy afaka manampy azy ny tena amin’ny fampanaovana fombafombam-pivavahana ho azy, izay matetika andaniana vola be. (II Samoela 12:21-23). Rehefa fantatsika toy izany ny tena toetry ny maty dia ho voaro isika amin’ny fanao natao hanandramana hiresaka amin’ny maty. Ny Baiboly dia mampitandrina an’ireo izay mihambo ho miantso ny maty fa raha ny marina, izy ireny dia mifandray amin’ny demonia, dia ireo fanahy ratsy izay mandainga amin’ny fisehoana ho olona iray efa maty. — Deoteronomia 18:10-12.
INONA MOA NY AFOBE NA FIAINAN-TSI-HITA?
18. Inona moa no ampianarin’ny fivavahana maro mikasika ny afobe na fiainan-tsi-hita, ary inona avy no fanontaniana mipetraka mikasika izany?
18 Maro ireo fivavahana mampianatra fa ny ratsy fanahy dia hampijalijalina mandrakizay ao amin’ny afobe mirehitra. Nefa moa ve izany finoana izany miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra? Tsy isalasalana fa fantatrao ny hevitra omen’ny Fiangonana ny teny hoe “afobe” na fiainan-tsi-hita, nefa moa ve mba efa notadiavinao izay hahafantarana ny hevitra ampiasan’ny Soratra Masina an’io teny io? Inona moa ny afobe na fiainan-tsi-hita araka ny Baiboly?
19. a) Inona moa no teny hebreo nadika hoe “afobe” na “fiainan-tsi-hita” ary ahoana koa no andikana an’io teny io ao amin’ny fandikan-teny samihafa amin’ny Baiboly? b) Inona moa no teny grika adika indraindray hoe “afobe” na “fiainan-tsi-hita”?
19 Ao amin’ny Soratra hebreo, dia ny teny hoe sheola no adikan’ny Baiboly sasany hoe “afobe” na fiainan-tsi-hita. Io fiteny hebreo io dia hita in-65 ao amin’ny soratra tany am-boalohany. Ny Baiboly nadikan’i Glaire, izay fandikan-teny katolika, dia mandika in-50 ny teny hoe sheola amin’ny hoe “afobe”, ary in-14 amin’ny hoe “ireo afobe” ary indray mandeha amin’ny hoe “ny fahafatesana”. Ny fandikan-teny malagasy indray kosa dia mandika an’io teny io hoe “fiainan-tsi-hita” ary indraindray ny fandikan-teny katolika no milaza azy fotsiny hoe: “seoly”. Ao amin’ny Soratra grika kristiana kosa dia ny teny grika hoe hadesy no adikan’ny Baiboly sasany hoe “afobe” na fiainan-tsi-hita. Ny hoe hadesy dia hita impolo ao amin’ny soratra tany am-boalohany ary ny Bible de Glaire dia mandika azy intsivy amin’ny hoe ny “afobe” ary indray mandeha amin’ny hoe “ireo afobe”.
20. a) Nahoana moa ny afobe na fiainan-tsi-hita no tsy toeram-pijaliana? b) Moa ve Jesosy tsy mbola mba tany amin’ny afobe na fiainan-tsi-hita mihitsy?
20 Moa va ny afobe toerana misy afo mirehitra mandrakizay? Moa ve ny teny hoe sheola sy hadesy manondro ny toerana izay ijalian’ny ratsy fanahy aorian’ny fahafatesana? Tsia no valin’izany, ary izany tokoa, satria efa hitantsika fa tsy mahatsiaro tena ny maty ary noho izany izy dia tsy mety hampijalina. Tsy manohitra ny voalazany ihany akory ny Baiboly raha ny mikasika ny toetr’ireo izay ao amin’ny afobe na fiainan-tsi-hita. Ny porofon’izany dia ny ilazan’ny Baiboly fa ny tenan’i Jesosy koa aza mba tany amin’ny afobe na fiainan-tsi-hita. (Asan’ny Apostoly 2:31, Glaire). Izany zavatra izany dia nohamarinin’i Petera tamin’ny andro Pentekosta, ka tamin’izany io apostoly io dia te-hilaza fa tao am-pasana Jesosy fa tsy tao amin’ny toeram-pijaliana iray akory. (I Korintiana 15:3, 4). Raha ny tena izy, Petera dia nandray ny teny tao amin’ny Salamo 16:10 (15:10, Glaire). Ary anefa io salamo io dia mampiasa ny teny hoe sheola izay nadika tamin’ny teny grika hoe hadesy, ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:31. Izany dia manaporofo fa ny teny hoe sheola sy hadesy dia milaza zavatra iray ihany. Hita amin’izany fa ny “afobe” na fiainan-tsi-hita ao amin’ny Baiboly dia tsy inona fa ny fasan’ny olombelona.
21. a) Tamin’ilay Joba nahatoky, moa ve ny afobe toeram-pijaliana? b) Inona àry no atao hoe afobe na fiainan-tsi-hita araka ny Baiboly?
21 Ho porofo fanampin’izany dia aoka hoheverintsika ny niseho tamin’i Joba, mpanompo mahatokin’Andriamanitra izay nijaly mafy. Hoy ny teniny tao amin’ny vavaka iray nataony tamin’Andriamanitra: “Enga anie ka hanafina ahy any amin’ny fiainan-tsi-hita [sheola; ny fonenan’ny maty, Kat.] Hianao ka hampiery ahy mandra-pahafaky ny fahatezeranao! Ary hanendry fetr’andro ho ahy, dia hahatsiaro ahy!” (Joba 14:13). Moa ve rariny ny hiheverana fa nangataka mba harovana any amin’ny fiainan-tsi-hita Joba raha fantany fa toeram-pijaliana io? Miharihary tsara fa ny “afobe” na “fiainan-tsi-hita” dia ny fasana tsotra izao, ary Joba dia naniry hankany mba hanafohy ny fijaliany. Ny tsara sy ny ratsy dia mankany amin’ny “afobe” na fiainan-tsi-hita araka ny Baiboly, dia ny fasana iraisan’ny maty rehetra.
ILAY MPANAN-KARENA SY LAZAROSY
22. Ahoana no ahafantarantsika fa ny tenin’i Jesosy nikasika an’ilay mpanan-karena sy Lazarosy dia sary?
22 Misy andalan-teny iray ahitana ny teny hoe hadesy anefa, nahatonga ny sasany hino fa ny afobe na ny fiainan-tsi-hita araka ny Baiboly dia toeram-pijaliana ara-batana. Ao Jesosy dia miteny ny amin’ny lehilahy manan-karena sy Lazarosy, ary nilaza fa maty ilay mpanan-karena ary nijaly tao amin’ny hadesy. (Lioka 16:22-31). Nahoana ity teny ity eto no ampiasaina amin’ny heviny hafa dia hafa noho ny any amin’ny toeran-kafa? Satria Jesosy nanonona fanoharana na fampitahana ary tsy niteny ara-bakiteny ny amin’ny toeram-pijaliana iray. (Matio 13:34). Mieritrereta! Moa ve mifanaraka amin’ny fisainana marina na amin’ny Baiboly ny finoana fa ny olona iray dia hampijalina satria fotsiny nanan-karena izy, nitafy tsara sy nihinam-be? Moa ve ny Soratra Masina mamela antsika hihevitra fa hankany an-danitra ny olona iray noho izy mpangataka fotsiny? Hevero koa ireto fanontaniana manaraka ireto: Oharina amin’ny lanitra, moa ve ny afobe ho takatry ny feo ka ny resaka toy izany dia mety hisy ara-bakiteny tokoa? Ankoatr’izany, raha ohatra ilay mpanan-karena tao amin’ny lelafo mandrakizay tokoa, Abrahama ve ho afaka hampangatsiatsiaka ny lelany amin’ny fanirahana an’i Lazarosy ho any aminy mitondra rano indray mitete monja eo amin’ny tendron’ny rantsan-tanany? Raha tsy izany, inona no tian’i Jesosy haseho tamin’io fitenenana ara-panoharana io?
23. Inona no hevitr’io fanoharana io raha: a) ny amin’ilay mpanan-karena, b) ny amin’i Lazarosy, d) ny amin’ny fahafatesan’ny tsirairay, e) ny amin’ny fijalian’ilay mpanan-karena?
23 Tao amin’io fanoharana io, ilay mpanan-karena dia nampiseho ny kilasin’ny filoha ara-pivavahana izay nanda an’i Jesosy ary taty aoriana dia nampamono azy. Lazarosy dia sary nampiseho an’ireo olona avy amin’ny sarambabem-bahoaka izay nandray ilay Zanak’Andriamanitra. Ahariharin’ny Baiboly fa ny fahafatesana indraindray dia fanoharana ny fiovana lalina iray miseho eo amin’ny fiainana na ny fitondrantena arahin’ny olona iray. (Jereo Romana 6:2, 11-13; 7:4-6). Fahafatesana na fiovan’ny toe-javatra no niseho rehefa nofahanan’i Jesosy ara-panahy ireo anisan’ny kilasin’i Lazarosy, izay nahazo ho an’ny tenany ny fankasitrahan’ilay Abrahama Lehibe, dia Jehovah Andriamanitra. Niaraka tamin’izay, ny filohan’ny fivavahan-diso dia “maty” raha ny amin’ny fananana ny fankasitrahan’Andriamanitra. Noho izy nolavina, dia nijalijaly izy nanomboka tamin’ny Pentekosta, rehefa nanomboka nanala sarona tamin-kery ny asa ratsiny ireo mpianatr’i Kristy (Asan’ny Apostoly 7:51-57). Araka izany, io fanoharana io dia tsy mampianatra fa ny maty sasany dia ampijalina ao amin’ny afobe mirehitra.
NY GEHENA SY NY AFO FANDIOVANA
24. a) Rehefa misy fandikan-teny tranainy sasany mampiasa ny fitenenana hoe “helo mirehitra afo”, inona moa eo ny teny grika adikany hoe “helo”? b) Inona no notondroin’ny teny hoe Gehena tamin’ny andro naha-tetỳ an-tany an’i Jesosy?
24 Ny mpamaky iray angamba hamaly fa ny Baiboly dia miteny amin’ny toerana sasany ny amin’ny “helo mirehitra afo”. (Matio 5:22.) Marina fa misy fandikan-teny tranainy sasantsasany mampiasa an’io teny io, kanefa eto ny teny hoe “helo” dia tsy mandika ny teny grika hoe hadès fa géénna. Ny teny hoe “gehena” dia hita indroa ambin’ny folo ao amin’ny Soratra grika kristiana, ary io teny io dia nanambara ny lohasahan’i Hinoma, tany ivelan’ny mandan’i Jerosalema. Tamin’ny andro naha-tetỳ ambonin’ny tany an’i Jesosy, io lohasaha io dia nampiasaina ho fanariam-pakom-bahoaka izay nandorona ny fako niaraka tamin’ny solifara mba haharetan’ny afo. Ny Dictionnaire encyclopédique de la Bible nataon’i Westphal (boky I, pejy faha-466), dia manambara fa io lohasaha resahina eo io dia tonga “toerana nandevonan’ny afo ny fako tao an-tanàna sy ny fatin’ny biby ary ny fatin’ireo olo-meloka novonoina”.
25. a) Sarin’inona mety tsara moa ny Gehena? b) Inona no teny ampiasaina ao amin’ny Apokalypsy na Fanambarana, mampiseho an’io zavatra io ihany koa?
25 Koa inona àry no tian’i Jesosy holazaina rehefa nilaza izy fa hisy olona sasany hatsipy ao amin’ny Gehena noho ny asa ratsiny? Tsy nilaza akory izy fa hampijalina mandrakizay ireo. Izy dia nampiasa an’io lohasahan’afo sy solifara io ho ohatra mety tsara ny amin’ny fandringanana mandrakizay. Tamin’ny taon-jato voalohany, io teny io dia tsy nilaza zavatra hafa ho an’ny mpihaino azy. Ny “farihy afo” voalaza ao amin’ny Apokalypsy na Fanambarana dia fanoharana mitovy amin’izany koa, mampiseho, tsy ny fijalijaliana tsapa akory, fa ny “fahafatesana faharoa”, dia ny fahafatesana na fandevonana mandrakizay. Miharihary fa io “farihy” io dia ara-panoharana, satria ny fahafatesana sy ny afobe (hadesy) dia atsipy ao. Ary anefa tsy azo dorana ara-bakiteny ireo zavatra ireo, fa azo foanana, azo levonina. — Apokalypsy 20:14; 21:8.
26. Moa ve ny Baiboly miteny ny amin’ny afo fandiovana iray?
26 Manomboka eo àry, ahoana no tokony hiheverana ny amin’ny afo fandiovana? Izy io dia heverina fa ny toerana izay anoneran’ny fanahin’olombelona amin’ny afo ny fahotany, aorian’ny fahafatesana. Koa satria ny Baiboly mampiseho mazava fa tsy mahatsiaro tena ny maty, ahoana moa no hahafahan’Andriamanitra mampahory azy ao amin’ny afo fandiovana (Salamo 146:4)? Raha ny marina, na ny teny hoe “afo fandiovana” na ny hevitra hoe “afo fandiovana” akory aza dia tsy hita ao amin’ny Baiboly.
HO VELONA INDRAY VE NY MATY?
27. Inona no fanantenana ho an’ny maty?
27 Izay ampianarin’ny Baiboly mikasika ny tena toetry ny maty dia manaisotra ny tahotra sy fanahiana be eo amintsika, mikasika ireo havantsika maty. Ny fahalalana fa tsy mijaly akory izy ireny, dia manampy antsika hahalala be lavitra kokoa ny amin’ny fitiavana sy ny fahamarinan’Andriamanitra. Mety anefa ny mpamaky hametraka izao fanontaniana manaraka izao: Raha toa ka midina fotsiny any am-pasana ny olona rehefa maty, inona no fanantenana misy ho an’ny maty? Ny Baiboly dia milaza fanantenana kanto dia kanto ho azy: ny ho velona indray!
28. a) Tamin’ny fananganana maty, nanome ohatra ny amin’inona moa Jesosy? b) Ho amin’ny karazam-piainana manao ahoana moa no hananganana ny ankabeazan’ny maty?
28 Nandritra ny nanaovany ny fanompoany tetỳ an-tany Jesosy Kristy dia nampiseho ny fahefany eo amin’ny fahafatesana, tamin’ny famerenana olona efa maty, avy tao amin’ny fahafatesana, ho amin’ny fiainan’olombelona. (Lioka 7:11-16; Jaona 11:39-44). Nanome ohatra izy tamin’izany, ny amin’izay hataony amin’ny lafiny lehibe, ao amin’ny fandehan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra. Manome hery ny fahalalana fa amin’izay ny afobe na fiainan-tsi-hita, izany hoe ny fasan’olombelona, dia ho foana tsy hisy maty tsy mahatsiaro tena (Apokalypsy 20:13). Ny maty sasany dia atsangana ho amin’ny voninahitra any an-danitra, amin’ny maha-zava-boahary ara-panahy azy, toy ny natao tamin’i Jesosy Kristy (Romana 6:5). Nefa ny tena ankabeazan’ny maty dia hatsangana ho velona ao amin’ny paradisa voaorina indray etỳ ambonin’ny tany. — Asan’ny Apostoly 24:15; Lioka 23:43, MN.
29. Tokony hamporisika antsika hanao inona moa ny fandaharana kanto nataon’i Jehovah ho fitahiana ny taranak’olombelona?
29 Ao amin’ny fandehan-javatra vaovao araka an’Andriamanitra, ireo hatsangana amin’ny maty dia mety tsy ho faty intsony, raha mitandrina koa ny lalàna marin’Andriamanitra. (Isaia 25:8). Io fandaharana kanto indrindra mba ho fitahiana ny taranak’olombelona io dia tsy isalasalana fa antony iray tokony hamporisika antsika handray fahalalana bebe kokoa mikasika an’i Jehovah sy ny Zanani-lahy, Jesosy Kristy. Izany fahalalana izany dia mety hitondra fitahiana ho antsika sy hitarika antsika ho amin’ny fiainana mandrakizay.
[Fanontaniana]