“Aoka handroso ho amin’ny fahamasahana isika”!
“Aoka handroso ho amin’ny fahamasahana isika”!
Efa voadinikao izao ny sasany amin’ireo fahamarinana fototra ao amin’ny Babioly, ary dia mila ny hitombo hatrany ara-panahy hianao. Tsy isalasalana fa hianao dia maniry hanaraka ny torohevitry ny apostoly Paoly manao hoe: “Rehefa nilaozantsika izao ny abidim-pianarana ny amin’i Kristy, dia aoka handroso ho amin’ny fahamasahana isika.”—Hebreo 6:1, MN.
Mba hanampiana anao amin’izany, dia mamporisika anao indrindra izahay mba hamaky ilay boky mitondra ny lohateny hoe:
Eo Amin’ny Paradisa Very Ka Hatreo Amin’ny Paradisa Azo Indray
Io mpitari-dalana amin’ny fianarana ny Baiboly tena tsara dia tsara io dia hanampy anao handroso ho matotra kokoa. Anisan’ny ho hitanao ao:
◆ Ny fomba namoronan’Andriamanitra ny paradisa voalohany;
◆ Ny namoronan’Andriamanitra ny olona voalohany;
◆ Ny fomba hiafaran’izao fandehan-javatra izao;
◆ Ny fomba hamerenan’Andriamanitra indray ny paradisa ho eto an-tany;
◆ Fanondroam-pejin’ireo filazan-teny avy amin’ny Baiboly ampiasaina ao anatiny.
Izy io dia boky mifono baoritra misy pejy 256 ary sary be dia be.
Manoratra amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy atsy am-badika.