Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanaon’ny olona tsy ankasitrahan’Andriamanitra

Fanaon’ny olona tsy ankasitrahan’Andriamanitra

Toko Faha-16

Fanaon’ny olona tsy ankasitrahan’Andriamanitra

1. Inona moa no mety ho azontsika na hafointsika raha manao izay hankasitrahan’Andriamanitra antsika isika?

 TSY mety hisy zava-tsarobidy hafointsika mihitsy amin’ny fitadiavana ny fankasitrahan’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra fa vao mainka kosa aza zavatra marobe no mety ho azontsika amin’izany. Hoy ny mpanao Salamo raha niteny tamin’Andriamanitra izy: “Hampahafantatra ahy ny lalan’aina Hianao; fahavokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tànanao ankavanana mandrakizay.” (Salamo 16:11). Satana Devoly anefa dia mitady hanodina ny olona hiala amin’ny fanompoam-pivavahana marina mba hitarika azy amin’ny làlana izay tsy ankasitrahan’i Jehovah Andriamanitra. Ny iray amin’ireo fomba ampiasainy mba hanaovana izany dia ny fanarahana fanaom-bahoaka mifanipaka amin’ny fampianaran’ny Baiboly.

2. Ahoana moa no ahafantarantsika na tsara na ratsy ny fanao iray?

2 Tsy ary ho ratsy avokoa akory ny fanaom-bahoaka rehetra. Tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny fanao iray raha avy amin’ny fivavahan-diso na mandika fitsipika iray ao amin’ny Baiboly (Matio 15:6). Tsara ny manamarika fa ny ankamaroan’ireo fanao izay naharitra mandraka androany dia avy tamin’ny fivavahana. Ary efa hitantsika anefa fa ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao dia niala tamin’ny fanompoam-pivavahana madio aseho ao amin’ny Baiboly. Tsy tokony hahagaga antsika àry ny fandrenesana fa marobe amin’ireo fanaom-bahoaka no miorina amin’ny fomba ara-pivavahan’ny mpanompo sampy.

3. a) Nahoana moa Jehovah no nampitandrina ny olony tamin’ny fanao ara-pivavahan’ny mpanompo sampy? b) Inona moa no hanampy antsika hampihatra an’ilay torohevitra omena ao amin’ny Romana 12:2?

3 Raha nampitandrina ny Isiraelita tamin’ny fanao ara-pivavahana teo amin’ireo firenena manodidina azy Jehovah dia nilaza taminy hoe: “Aza mianatra ny fanaon’ny jentilisa.” (Jeremia 10:2). Izany dia fampitandremana natao mba hahasoa azy satria ireo fanaon’ny mpanompo sampy ireo dia niorina tamin’ny fahadisoan-kevitra ary tsy nampiseho an’Andriamanitra sy ny fikasany tamin’ny tena endriny. Matetika izany fanao izany no manimba ny fitondrantenan’ireo izay nitandrina azy. Noho ny mbola fisian’izany loza mananontanona izany ihany mandraka ankehitriny, dia manoro hevitra antsika toy izao ny Baiboly: “Ary aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.” (Romana 12:2). Hanampy antsika hanaraka izany torohevitra izany ny faniriantsika amim-pahatsorana hahazo sitraka amin’Andriamanitra.

NY FANKAMASINANA NY LAKROA NA VOKOVOKO

4. Inona moa no eken’ny “encyclopédie” katolika iray mikasika ny lakroa?

4 Marobe ireo mpivavaka miambozona lakroa na mametaka lakroa iray ao amin’ny efitranony. Misy lakroa hatraiza hatraiza koa ao amin’ireo fiangonana na eglizy. Nefa moa ve fantatrao fa avy amin’ny mpanompo sampy ny lakroa? Ny zavatra misy dia manamarina fa tsy marika hita eo amin’ny kristianisma irery ihany velively ny lakroa fa efa nankamasinina taon-jato maro talohan’ny nahaterahan’i Kristy. Mikasika izany no aneken’ny Encyclopédie catholique (anglisy, 1908, boky IV, pejy faha-517) an’izao teny izao:

 “Ny famantarana ny lakroa, izay ny endriny tsotra indrindra dia ny tsipika roa mifanapaka manao zoro sokera, dia nialoha elabe mihitsy ny nahaterahan’ny kristianisma, na tany Atsinanana izany na tany Andrefana. Efa hatrany amin’ny fotoana tena lavitra eo amin’ny sivilizasionan’ny olombelona no niandohan’ny lakroa.”

5. Ahoana moa no anamafisan’ny boky hafa iray koa ny maha-avy amin’ny mpanompo sampy ny lakroa?

5 Manamafy koa ny maha-avy amin’ny mpanompo sampy ny lakroa ilay mpitondra fivavahana atao hoe W. D. Killen, ao amin’ny bokiny hoe, Ny Eglizy voalohany (anglisy, 1859, pejy faha-316), raha niteny hoe:

 “Efa hatrany amin’ny taloha fahagola indrindra no nankamasinana ny lakroa tany Egypta sy Syria; ireo bodista tany Atsinanana dia nanaja azy toy izany koa; (...) tokony ho teo amin’ny fiandohan’ny fanisan-taonantsika, dia fanaon’ireo mpanompo sampy ny nanao mariky ny lakroa teo amin’ny handriny rehefa nankalaza ny misitery masiny sasany.”

6. Ahoana moa no niandohan’ny lakroa ary iza no andriamanitra nasehony?

6 Nilaza ny amin’ny fifandraisana misy amin’ny lakroa sy ny fivavahan’i Babylona W. E. Vine tao amin’ny Diksionera fanazavana ny teny ao amin’ny Testamenta Vaovao (anglisy, boky I, pejy faha-256) nosoratany. Lazainy marina fa ny lakroa “dia niandoha tany Kaldea [Babylonia] fahiny; izy io dia nampiasaina ho fampisehoana an’i Tamoza andriamanitra (satria nanana ny endriky ny litera ara-pivavahana Tao [na T], litera voalohany tamin’ny anarany”.

7. a) Moa ve lakroa narafitra tamin’ny vatan-kazo roa no namonoana an’i Jesosy ho faty, araka ny bokin’ny Asan’ny Apostoly ao amin’ny Baiboly? b) Tamin’ny heviny ahoana moa no nampiasan’ireo mpanoratra grika fahizay ny teny nadikan’ny Baiboly sasany hoe “lakroa”?

7 Nefa, moa ve tsy teo ambony lakroa natao tamin’ny sakamandimby roa no namonoana an’i Jesosy ho faty? Raha araka ny Baiboly dia tsia. Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 5:30 sy 10:39, ny Baiboly amin’ny fiteny malagasy, na ny protestanta, na ny katolika dia samy milaza fa Jesosy dia maty nahantona tamin’ny “hazo”, izay teny nandikana ny teny grika hoe xylon (na xulon). Mikasika an’io teny io sy ny hoe stauros izay nadika hoe “lakroa” ao amin’ny fandikan-teny sasany, dia toy izao no vakintsika (The Companion Bible, Fanampiny, pejy faha-186):

 “Homère [poeta grika] dia mampiasa ny teny hoe stauros mba hilazana tsato-kazo na andry na sakamandimby hazo tsotra fotsiny, ary toy izany no ampiasana an’io teny io ao amin’ireo mpampiasa rehetra ny grika klasika. Izy io dia tsy manondro mihitsy vatan-kazo roa nifampitsivalana ka nanao zoro, na toy inona izany, na toy inona, fa vatan-kazo iray hatrany ihany. Izany no nahatonga ny nampiasana ny teny hoe xulon [na xylon, hazo] rehefa mitantara ny nahafatesan’ny Tompo (...) Koa misy porofo feno maro àry manamarina fa tsato-kazo mijoro fotsiny no namonoana ho faty ny Tompo, fa tsy vatan-kazo roa manao zoro, na toy inona, na toy inona akory.”

8. Oviana, ary nahoana moa ireo kristiana sandoka no nandray ny lakroan’ny mpanompo sampy ho marika ara-pivavahana?

8 Raha manazava ny fotoana sy ny fomba nandraisan’ny kristiana sandoka ny lakroa ho marika famantarana i Vine dia nanoratra toy izao ao amin’ny diksionerany:

 “Tokony ho teo antenantenan’ny taon-jato III, ireo Eglizy dia nihataka tamin’ny fampianaran’ny finoana kristiana sasany, na nanova azy. Mba hampitomboana ny lazan’ny fandaminan’ireo mpitondra fivavahana nivadika, ireo Eglizy dia nandray mpanompo sampy ho ao anatiny, na dia tsy mbola nohavaozin’ny finoana akory aza ireo, sady navelany hitana hatrany ihany ny ankamaroan’ireo famantarana sy marika avy amin’ny mpanompo sampy. Avy tamin’izay no nahazoana ny Tao na T (...) misy hazo mitsivalana midina natao ho fanehoana ny lakroan’i Kristy.” — boky I, pejy faha-256.

9. a) Moa ve zavatra ara-dalàna izany hoe, mankamasina ny fiasana natao hamonoana ny olona iray izay tian’ny tena? b) Inona àry no fanapahan-kevitra tokony hataon’ireo izay manana lakroa na vokovoko? Inona moa no hanampy azy hanao fanapahan-kevitra tsara?

9 Tsy dia ara-dalàna izany hoe mankamasina ny fiasana natao hamonoana ho faty ny olona iray tian’ny tena. Moa ve isika hihevitra ny hanoroka na hiambozona ny basy poleta nentina namono ny olon-tiantsika iray? Azo antoka fa tsia! Koa raha izany no izy, sady hita koa fa ny lakroa dia marika ara-pivavahana fampiasan’ny mpanompo sampy, ireo izay miambozona azy na ireo izay manana lakroa ao an-tranony, ka mino fa manaja an’Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany amin’ny fanaovana izany, dia tokony hanao fanapahan-kevitra lehibe. Moa ve izy mbola hankamasina ihany an’ireo zavatra ireo, na mbola hitahiry azy akory aza? Hanampy azy hanao ny fanapahan-kevitra tsara tokony hatao ny fitiavany ny fahamarinana sy ny faniriany hahazo sitraka amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.Deoteronomia 7:26.

SARY MASINA SY FAMPISEHOAN-JAVATRA ARA-PIVAVAHANA

10. a) Nanomboka oviana moa ny fivavahana tamin’ny tsangambato sy sary ara-pivavahana? b) Mikasika izany, inona moa no fanontaniana mendrika ny hotandremantsika tsara?

10 Vao tamin’ny andron’i Egypta sy Babylona fahizay dia efa niely tokoa ny fivavahana tamin’ny tsangambato sy ny sary ara-pivavahana natao tao an-trano. Nankamasinina ireny fampisehoan-javatra ireny satria ninoana fa nitondra fiarovana sy fitahiana tao an-trano. Nefa moa ve Jehovah mankasitraka an’izany fanao izany mbamin’ireo izay mino zavatra ivavahana fa tsy matoky tanteraka azy izay tena Andriamanitra velona?

11. a) Moa ve Andriamanitra namela ny Isiraelita hampiasa sary masina mba hanampy azy eo amin’ny fivavahana? b) Nahoana moa ireo kristiana voalohany no tsy nampiasa sary?

11 Ho fanehoany ny tena tsy fankasitrahany an’ireo sary ara-pivavahana nampiasaina mba hanampy eo amin’ny fivavahana, Andriamanitra dia namoaka lalàna nandrara ny Isiraelita tsy hampiasa azy ireny. Fanampin’izany koa dia nafatrafarany izy ireny mba tsy hitsiriritra ny volamena sy ny volafotsy nandravaka an’ireo sarin’ny firenena mpanompo sampy izay horeseny (Eksodosy 20:4, 5; Deoteronomia 7:25). Moa ve niova fihetsika Andriamanitra rehefa tonga ny kristianisma? Tsia, fa lazain’ny Baiboly fa ireo kristiana voalohany dia tsy mba nampiasa sary (Asan’ny Apostoly 17:29). Noho ny fananaran’i Jaona azy hoe: “Arovy ny tenanareo amin’ny sampy”, izy ireo dia nandeha tamin’ny “finoana (...), fa tsy fahitana”. Andriamanitra izay tsy hita maso no nametrahany ny fitokiany tanteraka. — I Jaona 5:21; II Korintiana 5:7.

12. Oviana no nisy nanomboka nanao sarin’i Kristy? Moa ve ireo kristiana voalohany nanana sarin’ny renin’i Jesosy?

12 Manamafy izany indrindra ny tantara tsy ara-pivavahana. Toy izao no vakintsika mikasika izany ao amin’ny “Encyclopédie” nosoratan’i M’Clintock sy Strong (anglisy, boky IV, pejy faha-503): “Tsy mba fantatra mihitsy teo amin’ny fivavahan’ireo kristiana voalohany izany hoe sary.” Koa raha tsy mba nitahiry sary masina tao an-tranony àry ireo kristiana tao amin’ny Fiangonana voalohany, oviana no nanombohana nanao sary mampiseho an’i Kristy? Hoy ny boky hoe Tantaran’ny fivavahana sy ny Fiangonana kristiana nandritra ny taon-jato telo voalohany, nosoratan’i Neander (fanontana faha-2 amin’ny teny anglisy, tamin’ny 1848, pejy faha-183) mikasika izany: “Ireo mpanompo sampy, toa an’i Alexandre Sévère [emperora romana tamin’ny taon-jato III amin’ny fanisan-taona iraisana], izay nahita endrik’andriamanitra tao amin’i Kristy ary koa ireo antoko nampifangaro ny fanompoan-tsampy sy ny kristianisma, no voalohany nampiasa sarin’i Kristy.” Raha tsy nampiasa sarin’i Kristy akory ireo kristiana voalohany, dia miharihary ho azy koa fa tsy nanana sarin’i Maria renin’i Jesosy izy.

13. a) Ahoana moa no ahafantarantsika raha ankasitrahan’Andriamanitra na tsia ny tsangambato na ny sary iray? b) Ahoana moa no niandohan’ny “auréole” na “nimbe”?

13 Moa ve izany milaza fa tsy tsara ny hananana zavatra fandravahana trano toy ny sary hoso-doko na tsangambato? Tsia, satria tsy mitovy ny hoe zavatra fandravahana trano sy ny zavatra fivavahana. Ahoana moa no hahafantaranao raha tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny tsangambato na sary iray? Manontania tena hoe: Moa ve izy io tolorana fanompoam-pivavahana ka ametrahana labozia mirehitra na fanatitra sakafo mihitsy aza eo anoloany, toy ny fanao amin’ny tany sasany? Moa ve izy io manipaka ny Baiboly? Moa ve mampiseho marika fampiasan’ny mpanompo sampy izy? Efa voamarikao koa angamba fa matetika Jesosy Kristy no aseho misy fahazavana manao fari-bolana manodidina ny lohany. “Auréole” na “nimbe” no iantsoana an’iny fari-bolana iny. Raha mijery “encyclopédie” iray eo amin’ny teny hoe “nimbe” anefa hianao, dia ho hitanao ao fa io marika io dia hita koa ao amin’ireo sary masin’ny mpanompo sampy Egyptiana sy Grika ary Romana. Ny niandohan’ny “auréole” dia ny fivavahana babyloniana tamin’ny masoandro ka hita eo amin’ireo fampisehoana ny andriamanitr’i Babylona izy io.

14. Inona moa no nataon’ireo mpanompon’Andriamanitra nahatoky fahizay rehefa hitany fa nisy fitaovana ara-pivavahana fampiasan’ny fivavahan-diso tao aminy?

14 Moa ve eo amin’ny fotoan-dasa misy ohatra mety hahafantarantsika izay tokony hataontsika raha manana sary masina na “zavatra fampiasa hivavahana” hafa isika? Misy dia misy tokoa! Inona ohatra no nataon’i Jakoba nahatoky rehefa hitany fa nisy andriamani-tsi-izy tao amin’ireo anisan’ny ankohonany? Nariany ireny (Genesisy 35:2-4). Ary inona moa no nataon’i Josia mpanjaka tanora rehefa nanomboka nitady an’Andriamanitra marina izy? Nodioviny tamin’ny sary sokitra izay notorotoroiny ho vovoka ny tanin’i Joda (II Tantara 34:3, 4). Ohatra tsara tokoa ireo raha ny amin’ny zotom-po aseho mba hanomezam-boninahitra an’i Jehovah Andriamanitra! — Salamo 115:1-8, 18.

HAJA OMENA OLONA SY FIKAMBANANA NAORIN’OLOMBELONA

15. a) Moa ve ankasitrahan’Andriamanitra ireo fety fankalazana zava-boahary? b) Amin’ny fampianaran-diso manao ahoana no miorina ny fankalazana ny fety fahatsiarovana ny “fanahin’ny maty”? Koa ahoana àry izany ny amin’ny Andron’ny Maty?

15 Misy fanao tena miely iray koa, dia ny fitandremana andro sasany ho fanajana “olo-masina” na olo-malaza, na efa maty na mbola velona. Moa ve ankasitrahan’Andriamanitra izany fanao izany? Ny Baiboly dia mandrara antsika tsy hankamasina zava-boahary; noho izany, izay andro firavoravoana ankalazaina mba hanaovana izany dia tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra (Asan’ny Apostoly 10:25, 26; 14:11-15; Romana 1:25; Apokalypsy 19:10). Ireo fety atao ho fahatsiarovana ny “fanahin’ny maty” dia miorina amin’ny fampianaran-diso ny amin’ny tsy fetezan’ny fanahin’olombelona ho faty. Koa tsy mahagaga mihitsy àry, raha izany no izy, ny mahare fa araka ny Encyclopédie britannique (fanontana tamin’ny 1946, boky I, pejy faha-666, “dia misy finoan’ny olona mikasika ny Andron’ny Maty, avy amin’ny fanompoan-tsampy”. Izay rehetra tia ny fahamarinana dia hitandrin-tena mba tsy hanaraka ny fanao toy ireny.

16. a) Inona moa no zava-dratsy amin’ny fankalazana fety fanomezam-boninahitra ny firenena na fikambanana iray naorin’olombelona? b) Araka ny Soratra Masina, inona moa no fitsipi-pitondrantena harahin’ny kristiana?

16 Misy koa fety na fanao hafa ankalazaina mba hanomezam-boninahitra firenena na fikambanana iray eto amin’izao tontolo izao. Ny zava-dratsy eo dia ny fanomezam-boninahitra fandaminan’olombelona noho ny fahasoavana izay avy tamin’Andriamanitra no tena nahazoana azy, na ny filazana fa avy aminy ny famonjena sy ny fiarovana izay Andriamanitra irery ihany no afaka hanome azy. (Jeremia 17:5-7). Izay mandray anjara amin’ireny fety ireny dia mamadika an’Andriamanitra. Ny tena kristiana marina dia manaiky hotarihin’ilay fitsipika milaza fa “tsy naman’izao tontolo izao” izy. (Jaona 15:19). Tsy manahaka velively an’izao tontolo izao izy ireo fa tsy “manaraka ny fanaon’izao tontolo izao” intsony. — Romana 12:2.

17. a) Iza moa no mahazo voninahitra amin’ny fankalazana ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana? b) Ny an’iza moa ny hany fankalazana fitsingerenan’ny andro nahaterahana voatantara ao amin’ny Baiboly? d) Ahoana moa no niheveran’ireo kristiana voalohany ny fankalazana fitsingerenan’ny andro nahaterahana?

17 Misy fanao mety hoheverina ho tsy mampaninona mihitsy kanefa ny iafarany dia tsy misy hafa amin’ny an’ireo fanao efa voalaza tetsy aloha ihany. Araka izany, na dia toa tsy maninona akory aza, ohatra, ny fankalazana ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana, raha ny marina, izy io dia manome voninahitra ny zava-boahary iray ka manintona ny saina ho aminy fa tsy ho amin’ilay Mpamorona. Tsara koa ny manamarika fa ny hany fankalazana fitsingerenan’ny andro nahaterahana voalaza ao amin’ny Baiboly dia ny an’ny farao iray tany Egypta sy ny an’i Heroda Antipasy, izay samy mpanaraka fivavahan-diso (Genesisy 40:20-22; Matio 14:6-10). Nanao ahoana tokoa moa ny fomba fihetsik’ireo kristiana voalohany mikasika izany? Hoy Neander mpanao tantara (pejy faha-190) hoe: “Ny fankalazana fitsingerenan’ny andro nahaterahana dia tena tsy mba anisan’ny hevitra kristiana tamin’izany fotoana izany mihitsy.” Nohalaviriny ny fanaovana fankalazana toy izany satria avy tamin’ny mpanompo sampy. Amin’izao androntsika izao, izay rehetra maniry amim-pahatsorana hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra dia hitandrin-tena mba tsy hanaraka ny fanao izay manome voninahitra zava-boahary iray na avy tao amin’ny fivavahan-diso. — Jaona 5:44.

PAKA SY NOELY

18. a) Moa ve ireo kristiana voalohany nankalaza ny Paka? b) Ahoana moa no niandohan’ireo fanaon’ny olona mifandray amin’ny Paka? d) Moa ve misy fanohanana azy akory ny fetin’ny Paka, ao amin’ny Baiboly?

18 Ny Paka no fety ara-pivavahana lehibe indrindra eo amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana izay milaza fa mankalaza amin’io ny fahatsiarovana ny nitsanganan’i Kristy tamin’ny maty. Nefa moa ve Jesosy mba efa nandidy ny hanaovana fahatsiarovana ny nitsanganany tamin’ny maty? Tsia. Ireo bokin-tantara dia mampahafantatra antsika fa ireo kristiana voalohany dia tsy mba nankalaza ny Paka ary io fety io dia avy tamin’ny fanaon’ny mpanompo sampy. Izao no ampahafantarin’ny Encyclopédie britannique:

 “Tsy ahitana filazana na dia kely aza ny amin’ny fitandremana ny fetin’ny Paka ao amin’ny Testamenta Vaovao. (...) Hevitra tsy mba fantatr’ireo kristiana voalohany mihitsy izany hoe andro masina a.”

 Ary izao no nosoratan’i Alexander Hislop mikasika ny fetin’ny Paka:

 “Ireo fanaom-bahoaka izay mbola mampiavaka ny fotoana fankalazana azy, dia manamafy tsara ny filazan’ny tantara ny amin’ny endriny babyloniana. Ireo mofo fisaka mafana voamarika lakroa iray rehefa Zoma Masina, mbamin’ireo atody milokon’ny Paka, dia efa nisy koa teo amin’ireo fombam-pivavahana kaldeana [babyloniana], tsy misy hafa amin’ny amin’izao fotoana izao b.”

 Ny teny hoe Paka enti-manondro fety lazaina fa kristiana dia tsy mba hita mihitsy ao amin’ny Baiboly, na ao amin’ny fandikan-teny katolika na ao amin’ny fandikan-teny protestanta c. Koa tsy miorina amin’ny Baiboly àry izany ny fety lehibe indrindra eo amin’ireo fivavahana lazaina fa kristiana. Izy io dia avy tamin’ny mpanompo sampy ka noho izany dia tsy ankasitrahan’Andriamanitra.

19. a) Moa ve ireo kristiana voalohany nankalaza ny fetin’ny Noely na Krisimasy? b) Ny fahatsiarovana inona moa no nasain’i Jesosy notandreman’ny mpianany?

19 Andeha indray hojerentsika ny amin’ny fetin’ny Noely na Krisimasy. Raha mijery boky fizahana ao amin’izay fitahirizam-boky rehetra alehanao hianao, dia ho hitanao fa io fety io dia tsy fantatr’ireo kristiana voalohany. Jesosy dia nandidy ny mpianany hitandrina ny fahatsiarovana ny nahafatesany fa tsy ny fahatsiarovana ny nahaterahany (I Korintiana 11:24-26). Ny Encyclopédie catholique dia manaiky izao manaraka izao: “Ny Noely dia tsy anisan’ireo fety voalohany tao amin’ny Eglizy. (...) Ny voalohany nahitana nikasika an’io fety io dia tany Egypta d.”

20. a) Araka ny zava-nitranga, nahoana moa no tsy nety ho teraka teo amin’ny tena herin’ny ririnina Jesosy? b) Oviana, ary nahoana moa no nifidianana ny datin’ny 25 desambra?

20 Koa raha izany àry no izy dia mifanitsy amin’inona moa ny datin’ny 25 desambra ankalazain’ny maro ho fitsingerenan’ny nahaterahan’i Kristy? Tsy mety ho ny datin’ny nahaterahan’i Jesosy io satria, araka ny Baiboly, tamin’io alina io ny mpiandry ondry dia niari-tory tany an-tsaha. Ny Encyclopédie britannique (1907, boky V, pejy faha-611) dia mampahafantatra antsika fa ireo olona ireo dia tsy ho nijanona tany ivelany nandritra ny alina eo amin’ny ririnina be izay fizaran-taona mangatsiaka sady manorana eo amin’io toerana io (Lioka 2:8-12). Ary raha ny amin’ny nihavian’io daty io kosa, dia hoy ny “encyclopédie” hafa iray:

 “Tamin’ny 354, Libère, evekan’i Roma, dia nandidy ny olona mba hankalaza ny 25 desambra. Azo inoana fa nifidy an’io daty io izy satria ireo mponina tany Roma dia efa nitandrina azy ho fetin’i Saturne ka nankalaza ny fitsingerenan’ny fahaterahan’ny masoandro e.”

21. Inona moa no asehon’ny zava-nitranga ara-tantara, mikasika ny niandohan’ny ankamaroan’ireo fanao amin’ny Krisimasy?

21 Koa satria ny datin’ny Noely avy amin’ny mpanompo sampy, dia tsy hahagaga ny hahare fa ireo fanao mifandraika amin’io fety io dia avy tamin’ny fanompoan-tsampy koa. Ny Encyclopédie de la religion et de l’éthique (anglisy) dia manome izao fanazavana izao ho antsika:

 “Ny ankabeazan’ireo fanao amin’ny Noely fahita amin’izao fotoana izao (...), dia tsy tena fomba kristiana marina fa fomban’ny mpanompo sampy izay noraisin’ny Eglizy na noleferiny. (...) Ireo Satornaly romana no nakana tahaka ny ankamaroan’ireo fomba mampifalifaly fanao amin’ny andron’ny Noely f.”

 Ny Encyclopédie américaine kosa etsy an-daniny, dia milaza fa anisan’ireo fanao nindramina avy tamin’ireo Satornalin’ny mpanompo sampy tany Roma ny “fifanakalozana fanomezana g.”

22. a) Ahoana moa no anoroan’ny andalan-teny ao amin’ny Galatiana 5:9 an’izay fomba fihetsika tokony haseho mikasika ny Krisimasy? b) Noho ny antony hafa inona koa moa no itandreman’ny tena kristiana mba tsy hankalaza an’io fety io?

22 Koa miharihary àry ny famaranan-kevitra: Ny Noely na ny Krisimasy dia avy tamin’ny mpanompo sampy. Rehefa fantatsika izany, dia tokony hohenointsika ny apostoly Paoly izay mampitandrina antsika mba tsy ho azon’ny loza ateraky ny fampifangaroana ny marina sy ny diso. Ambarany fa “ny masirasira kely dia mahatonga ny vongana rehetra ho masirasira avokoa”. (Galatiana 5:9). Nisy tamin’ireo kristiana voalohany notsininy noho izy ireo nitandrina andro fankalazana teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy, izay efa nofoanan’Andriamanitra ka tsy nihatra tamin’ny kristiana (Galatiana 4:10, 11). Koa vao mainka lavitra ny tena kristiana tokony hanalavitra ny fankalazana fety izay tsy nasain’Andriamanitra natao mihitsy ary nanana fiandohana avy tamin’i Babylona mpanompo sampy sady manala baraka ny anaran’i Kristy!

MISY ZAVATRA TSARA LAVITRA NOHO NY FETIN’NY MPANOMPO SAMPY

23. Inona moa no ananan’ny kristiana ka mbola tsara lavitra noho ny “toe-tsaina amin’ny Noely” mody asehon’ny olona, indray mandeha isan-taona?

23 Misy zavatra ananan’ny tena kristiana, tsara lavitra noho ny fetin’ny mpanompo sampy. Izy dia manana ny “vokatry ny Fanahy”, dia “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana [finoana, MN ], fahalemem-panahy, fahononam-po”. (Galatiana 5:22, 23.) Io vokatra io dia mahatonga fahalalahan-tanana izay tsara lavitra sady tena vokatry ny fo tokoa noho ny “toe-tsaina amin’ny Noely” mody asehon’ny olona indray mandeha isan-taona. Ny fanahin’Andriamanitra dia mahatonga hatsaram-panahy sy tsy fitiavan-tena izay miharihary isan-andro isan-andro ao anatin’ny taona. Io fanahin’Andriamanitra io no manosika ny kristiana hanome, tsy noho ny fanantenana hahazo valiny na hoe satria izany no fomba ka tsy maintsy manao izany izy, fa noho ny fitiavana kristiana tsy mihatsaravelatsihy. — Lioka 6:35, 36; Asan’ny Apostoly 20:35.

24. a) Amin’ny fotoana toy inona moa ny kristiana no mahazo mifanolotra fanomezana sy miara-miriaria amin’izay fotoana ihaonany? b) Amin’ny ahoana moa no mahatsara lavitra an’izany fomba izany noho ny tsy maintsy fiandrasana ihany ny fety fankalaza eo amin’izao tontolo izao?

24 Ny tena kristiana dia mahazo mifanolotra fanomezana sy miara-miriaria amin’izay fotoana ihaonany mandritra ny taona manontolo (Lioka 6:38). Tsy ilaina hiandry amin’ny andro nitsingerenan’ny nahaterahany na amin’ny Krisimasy ihany akory ny ray aman-dreny vao hanolotra fanomezana ho an’ireo zanany. Izany dia azony atao na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona ao anatin’ny taona. Noho izany, ny fotoam-pifaliana toy ireny dia mety hitranga, tsy indray mandeha na indroa monja ao anatin’ny taona fa imbetsaka. Ankoatr’izany, ireo ankizy dia mahalala fa avy amin’ny ray aman-dreniny tokoa ireo fanomezana ireo, ho fanehoany ny fitiavany azy. Amin’izany, ny fitiavana dia tonga “kofehy mampiray” eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Etsy an-daniny koa, ny ankizy dia tsy ho anisan’ireo tsy mahay misaotra ny ray aman-dreniny sy Andriamanitra amin’ny fiheverana fa misy fotoana ao anatin’ny taona mahavoatery tsy maintsy manolotra fanomezana azy. — Kolosiana 3:14, MN.

25. Manafaka antsika amin’inona moa ny fahamarinana mikasika ny fanaon’ny olona, ary inona no fanantenana misokatra eo anoloantsika?

25 Mahafaka antsika tsy ho andevon’ny zavatra maro tokoa ny fahamarinana mikasika ny maha-avy amin’ny mpanompo sampy ny fanaon’ny olona marobe. Amin’izany isika dia tsy mahatsiaro tena intsony ho tsy maintsy mitandrina fanao zary enta-mavesatra sy mandany vola, toy ny fanaon’ny olon’izao tontolo izao. Ary farany, sady ity no tena lehibe indrindra, ny fahalalana ny fahamarinana dia hahafahantsika hanaraka ny lalana izay ankasitrahan’i Jehovah ka mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny fandaminana vaovao sy marina nampanantenainy. — Jaona 8:32; Romana 6:21, 22.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Encyclopédie britannique, 1910, boky VIII, pejy faha-828.

b Les deux Babylones, fanontana frantsay, pejy faha-157; fanontana amin’ny teny anglisy, pejy faha-107, 108.

c Jereo ireo konkordansa sy diksioneran’ny Baiboly.

d Catholic Encyclopedia, 1908 boky III, pejy faha-724.

e World Book Encyclopedia, 1966, boky III, pejy faha-416.

f Encyclopœdia of Religion and Ethics nataon’i James Hastings, boky III, pejy faha-608 sy 609.

g The Encyclopedia Americana, 1956, boky VI, pejy faha-622.

[Fanontaniana]