Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hanova ny tany ho paradisa ny fanapahana marina iray

Hanova ny tany ho paradisa ny fanapahana marina iray

Toko Faha-12

Hanova ny tany ho paradisa ny fanapahana marina iray

1. a) Inona avy moa ny toe-javatra mampiseho fa mila fanapahana marina ny tany manontolo? b) Moa ve Andriamanitra hanova ny tany ho paradisa?

 ZAVATRA ilain’ny olombelona tokoa raha izany hoe fanapahana marina hahay hitondra ny tany manontolo! Hita marina, ary ny rehetra dia samy manaiky izany daholo, fa tsy paradisa velively ny planetantsika. Ny fahantrana sy ny hanoanana no mba anjaran’ny olona an-tapitrisany maro. Trano mifanizina ratsy endrika no manimba ny hakanton’ny tany sady mandoto ny rano sy ny rivotra. Ny tanàn-dehibe dia mihalasa hatrany ho “fonenam-bibi-dia” tsy ahasahian’ny mponina ao aminy mivoaka rehefa alina. Endrey ny fahasamihafan’izany toe-javatra izany sy ny fikasan’Andriamanitra ny amin’ny olombelona tamin’ny voalohany! Nefa moa ve tsy manome hery ny fahalalana fa tsy nafoin’Andriamanitra akory ny fikasany? Manome toky antsika ny amin’izany tokoa mantsy izy araka izao teny izao: “Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: tsy hiverina amiko foana izy.” (Isaia 55:11; jereo koa Genesisy 2:8, 15; 1:28). Tsy maintsy mbola hovan’Andriamanitra ho paradisa midadasika ny tany.

2. Amin’ny fomba ahoana moa no mety tsy haharingana antsika ka hiditra ao amin’ny fandehan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra?

2 Akaiky dia akaiky izao ny handringanan’Andriamanitra tanteraka an’izao fandehan-javatra ratsy izao. Raha mahazo ny fankasitrahany dieny izao hianao, dia angamba hanana tombontsoa manokana tsy ho ringana amin’izany ka hiditra ao amin’ny fandehan-javatra vaovaony. Hitondra inona ho anao moa izany?

FITONDRANA MARINA

3. Amin’ny alalan’inona moa no hamerenan’i Jehovah indray ny rariny eto an-tany?

3 Efa ho enina arivo taona izao, ny zava-dehibe indrindra nilain’ny olombelona dia ny fihavanana indray amin’ny Mpamorona azy, dia Jehovah Andriamanitra (II Korintiana 5:20). Mba hamerenana indray ny rariny eto amin’ny planetantsika, Jehovah dia nanomana “fitondrana hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry”. Io fitondrana na fanapahana io dia hatao amin’ny alalan’ny Fanjakan’i Kristy. Toy ny efa nahitantsika azy teo aloha, ilay Fanjakana dia efa nandray ny fahefana tany an-danitra, ary tsy ho ela dia tsy maintsy handray ny raharaha rehetra eto an-tany izy. Ka inona moa no tena ho zava-kendreny amin’izany? “Hanangonany [indray, a.p.] ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany.” (Efesiana 1:9, 10). Io fitondrana io no ho fomba hampiasain’Andriamanitra mba hahafahan’ny mponina rehetra eto an-tany hifanaraka tanteraka indray amin’ny fanapahany any an-danitra. Izany indrindra no angatahintsika rehefa mivavaka toy izao isika: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” — Matio 6:10.

4. a) Inona moa no fiovana ho entin’ilay Fanjakana eo amin’ny fifandraisan’ny olombelona? b) Nahoana no tsy hisy ady intsony ary hampiseho inona ho an’ny taranak’olombelona moa izany?

4 Inona moa no vokatra haterak’izany eo amin’ny fifandraisan’ny olombelona samy izy? Noho ny firaisany ao amin’ny fivavahana madio amin’ilay Rainy any an-danitra, ny olombelona avy amin’ny firazanana sy ny firenena rehetra dia hiara-monina toy ny fianakaviambe misy mpirahalahy sy mpianadahy. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35; 17:26). Rehefa hotapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ilay “Andrian’ny fiadanana”, ny tany manontolo dia tsy ho voazarazara ara-politika intsony. Tsy hisy intsony izany hoe fireharehana noho ny amin’ny firenen’ny tena enti-mamelona ny fankahalana sy ny fitiavan-kiady ary ny hetahetan-dra mandriaka (Isaia 9:5, 6). Raha mbola misy fiadiana mahafaty aorian’i Haramagedona, ireny dia holevonina haingana ho mandrakizay (Ezekiela 39:9, 10; Salamo 46:9, 10). Amin’izany dia tsy hilain’ireo gazety intsony ny hilaza ny anaran’ireo maty sy ireo naratra ary ireo tsy hita. Tsy hisy amin’izany intsony na mpitondratena na kamboty noho ny ady sady tsy hisy intsony koa trano sy tanàna hiharan’ny zera baomba ka ho potiny. Izany ka ho fitahiana ho an’ny taranak’olombelona!

5. Eo ambany fanapahan’i Kristy, nahoana moa no tsy hisy tsy fahamarinana?

5 Avy eo ambonin’ny seza fiandrianany any an-danitra, dia Jesosy Kristy no hitondra ny raharahan’ny tany mba hahazoan’ny olona fahasoavana maharitra. Moa ve izy tsy efa nampiseho tamin’ny fomba mahatalanjona ny fananany izay toetra ilaina amin’izany, raha tsy nisalasala akory nanolotra ny ainy ho an’ireo izay ho tonga vahoakany? Ny Baiboly dia mampahafantatra koa fa tsy misy na inona na inona mihitsy — na fakam-panahy, na fanerena na latsa, ary na dia ny fahafatesana aza — nahatarika an’i Jesosy hiala tamin’ny lalam-pahitsiana. Koa mahazo matoky àry isika fa eo ambanin’ny fanapahany, dia tsy hisy mihitsy izany hoe fampahoriana na tsy fahamarinana na fandraisana kolikoly. — Isaia 11:2-5.

6. Olona manao ahoana moa Jesosy, ary nahoana no tokony ho velom-pankasitrahana isika manana azy ho Filoha?

6 Moa ve tsy ho tianao raha filoha milaza ny marina foana no mitondra anao? Ary Jesosy anefa no karazan’olona toy izany (Jaona 1:14; 18:37). Ary iza moa no tsy ho voatarika hanatona olona izay manam-piheverana ny hafa amin-kafanam-po sy fahatsorana? Ambaran’ny Baiboly amintsika fa tsy mba nisorona mihitsy Jesosy, nandritra ny fivezivezeny nitory ny vaovao tsara, nampiasa ny fahefana nomen’Andriamanitra azy hanasitrana ny marary, na ara-batana na ara-panahy (Matio 9:35, 36). Eny, tsy maintsy ho nahatalanjona tokoa ny fiainana tamin’ny fotoana nanompoan’i Jesosy teto an-tany, nefa mbola hahatalanjona lavitra noho izany ny fiainana eto an-tany rehefa hampiasa an’izany fahefana izany hanasoavana ny taranak’olombelona iray manontolo izy!

7. Olona manao ahoana moa no hiaraka hanjaka amin’i Jesosy ao amin’ny Fanjakany any an-danitra?

7 Ho lefitr’i Jesosy ao amin’ny Fanjakany any an-danitra dia hisy koa mpanjaka sady mpisorona 144 000 izay ho notsongaina avy tamin’ny taranak’olombelona ka ho nataon’Andriamanitra tonga tanteraka (Apokalypsy 5:10). Izy ireo koa dia ho olona nanaporofo hatramin’ny fahafatesana fa tia ny rariny. — Apokalypsy 14:1, 4, 5; 2:10.

8. a) Moa ve hanana solontena hita maso ny Fanjakan’i Kristy any an-danitra? b) Iza moa no hifidy azy ireny?

8 Moa ve izany fanapahana any an-danitra izany hanana solontena ho hita maso? Izany dia izany tokoa! Dieny izao aza, amin’ny alalan’ny fanahy masin’Andriamanitra, ny fitondrana any an-danitra dia manendry olona mahatoky ho solontenany ao anatin’ny kongregasiona kristiana (Isaia 32:1, 2; Asan’ny Apostoly 20:28). Mahazo matoky àry isika fa harahin’i Kristy maso tsara ny mba hisian’ny olona mahatoky hotendrena hisolo tena an’ilay Fanjakana na fanapahana eto an-tany, satria amin’izany izy dia handray anjara mivantana amin’ny fitantanana ny raharaha eto an-tany. Noho ireny olona ireny ho solontena manokan’ilay Mpanjaka, ny Baiboly dia miantso azy hoe “mpanapaka”. Izy rehetra ireo dia ho efa nanaporofo ny fahatokiany teo anatrehan’Andriamanitra sy ny fitiavany ny namany. Ny fanahin’Andriamanitra izay manetsika an’ilay Mpanjakany any an-danitra dia hanoro lalana azy ireo koa. — Salamo 45:16.

9. Moa ve ireo “mpanapaka” hiraharaha ny amin’ny volon-koditra na ny toerana nahaterahan’ireo mponina amin’ny tany?

9 Eo amin’ny fampiharany ny lalàna marin’Andriamanitra, ireo “mpanapaka” ireo dia tsy hiraharaha akory izay firazanana na volon-koditra na toerana nahaterahan’ny olona (Deoteronomia 10:17; Romana 2:11). Toy ny ataon’ilay Mpanjakany, izy ireo dia hanompo ny namany amim-panetren-tena, ka hitondra fanampiana sy fanamaivanana ho azy. Nefa na dia izany aza dia tsy hilefitra izy rehefa manohana ny fahamarinan’Andriamanitra. — Matio 11:29; 20:25-28.

10. Inona avy moa no toe-javatra hanjaka eo ambany fanapahana marin’i Kristy, ka hifanohitra amin’ny ahiahy sy ny tahotra manjaka matetika loatra ankehitriny?

10 Noho ny tany efa voadio amin’ny ratsy fanahy rehetra, dia tsy ho afaka hamaka intsony mihitsy eo ny fanaovana heloka bevava (Salamo 37:9-11). Amin’izany dia tsy hisy hilana intsony pôlisy, na tranomaizina, na gadra, na fanairana raha misy olon-dratsy, na vata sarotra sokafana (coffres-forts), na hidim-baravarana mafy. Eo ambanin’ny fitondrana marin’ilay Fanjakana dia ho fantatrao fa na iza na iza handom-baravarana anao dia ho sakaiza. Amin’izany, hianao dia ho afaka tanteraka amin’ny tahotra sy ny loza mety hitranga. Tsy hisy mihitsy hatahotra ny handeha alina eny an-jaridaina mba hitaratra ny hakanton’ny andohalambon’ny lanitra, asan-tanan’ilay Mpamorona. Toy ny efa miseho sahady amin’ny heviny ara-panahy ao anatin’ny kongregasionan’Andriamanitra, amin’izany dia “handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra azy” ara-bakiteny ny mponin’ny tany. — Ezekiela 34:28.

HITONDRA FAHASALAMANA SY FIAINANA NY FANAFAHANA AMIN’NY FAHOTANA

11. Afa-tsy ny maha-mpanjaka azy, dia inona koa moa ireo izay anisan’ny fanapahan’i Kristy any an-danitra? Nahoana?

11 Ny fizarana voalohany amin’ny fandaharan’ilay Fanjakana dia haharitra arivo taona. Mandritra izany fe-potoana izany, Jesosy Kristy sy ireo anisan’ny fitondram-panjakany any an-danitra dia tsy ho mpanjaka fotsiny fa ho mpisoron’Andriamanitra koa, hanao ny raharahany ho an’ireo olombelona, vahoakany rehetra eto an-tany (Apokalypsy 20:6). Fa nahoana? Satria mantsy ny mponina rehetra ambonin’ny tany dia samy hila daholo ny “hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalòvana”, mba hahitany “ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra”. (Romana 8:21.) Na dia aorian’ny handevonana an’ireo ratsy fanahy tokoa aza mantsy, ny sisa velona dia mbola tsy ho tanteraka, noho ny fahotana nolovana tamin’i Adama. Mbola hiady ihany amin’ny faniriana marin’ny fo sy ny saina ny filàna ratsy tairin’ny nofo tsy tanteraka. (Romana 7:21-23). Izany no antony mbola hilan’ny olombelona ihany ny fanompoan’ireo mpisoron’Andriamanitra any an-danitra alohan’ny handraisana azy tanteraka ao anatin’ny fianakavian’ireo zanak’Andriamanitra. Fa ho inona avy moa izany fanompoana hataony izany?

12. a) Inona moa no fahefana tsy misy toa azy hananan’ireo ho anisan’ny Fanjakan’i Kristy any an-danitra? b) Ho tonga amin’ny toetra voatahy manao ahoana moa ny olombelona amin’ny farany?

12 Ireo mpisorona ireo dia hanana fahefana tsy mba nananan’ireo fanapahan’olombelona rehetra nisy hatramin’izay mihitsy: dia ny hanadio ny olombelona amin’ny fahotany sy ny tsy fahatanterahana. Hampiasa izany fahefana izany ireo mpisoron’Andriamanitra any an-danitra amin’ny alalan’ny sorom-panavotan’i Jesosy. Ilay Zanak’Andriamanitra sy ireo mpisorona lefiny dia hampihatra mivantana ny soa azo avy amin’io sorona io amin’ny olona mankatò rehetra (Jaona 1:29; I Jaona 2:2). Izany dia asehon’ny Baiboly amin’ny “onin’ny ranon’aina” izay mivoaka avy eo “amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry” ary koa amin’ny “ravin’ny hazo (...) ho fanasitranana ny firenena maro”. (Apokalypsy 22:1, 2.) Arakaraka ny hitomboany ho marina omban’ny fanampian’ireo mpisorona any an-danitra, ny olona dia hihatanora sy hihamatanjaka tsikelikely mandra-pahatrarany ny fahasalamana tanteraka ara-batana sy ara-panahy. Dia hovotsorana tanteraka amin’ny fanandevozan’ny fahotana sy ny fahafatesana nolovana avy tamin’i Adama izy ireo. — Jaona 11:26.

13. a) Ahoana moa no teny ilazalazana ny amin’ny fitahiana ho entin’ilay Fanjakana, ao amin’ny Apokalypsy 21:4? b) Ho fanaporofoana fa ho afaka hizara tokoa an’ireo fahasoavana ireo izy, inona moa no nataon’i Jesosy nandritra ny fandalovany teto an-tany?

13 Amin’izany fomba izany no “hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ary ny fahafatesana dia tsy hisy intsony; ny alahelo amam-pitarainana sy fahoriana koa tsy hisy intsony, fa efa lasa ny toetra taloha”. (Apokalipsa 21:4, Kat.) Moa ve tsy ho kanto loatra izany hoe hanana fahasalamana tonga lafatra? Toy ny nanasitranan’ilay Zanak’Andriamanitra ny boka sy ny mandringa ary ny jamba fony izy teto an-tany, no hampanjavonan’ny fanapahany marina koa ny aretina amam-pahoriana rehetra (Marka 1:40-42; Jaona 5:5-9; Matio 9:35). Amin’izany dia tsy hisy hilana hopitaly na fiantohana ara-tsosialy intsony! Ho tapitra hatreo ny aretina sy ny fahafatesana, ka dia hanjavona ny zavatra iray mahatonga fahalatsahan-dranomaso eo amin’izao tontolo izao (I Korintiana 15:25, 26). Hafaliana toy inona re izany hoe votsotra tanteraka amin’ny ota ka afaka manaja tanteraka ny fitsipika marin’Andriamanitra mikasika ny fiteny sy ny fihevitra ary ny fitondrantena!

NY FANDRAISANA AN’IREO TAFATSANGANA

14. Inona moa no fanantenana ho an’ny maty nampahafantarin’i Jesosy, araka ny Jaona 5:28, 29, MN?

14 Fanantenana mahasambatra mety hanananao koa ny hahita indray an’ireo olo-malalanao efa nodimandry, izay mba ho afaka hanandrana koa an’ireo fitahiana ho entin’ny fanapahana marin’ilay Zanak’Andriamanitra eto an-tany. Nampahafantatra izany fanantenana ho an’ny maty an-tapitrisany maro izany Jesosy raha nilaza hoe: “Aoka hianareo tsy ho gaga amin’izao, satria manatona ny ora izay handrenesan’ireo rehetra ao amin’ny fasam-pahatsiarovana ny feony ka hivoahany avy ao.” (Jaona 5:28, 29, MN ). Ho fotoana kanto tokoa re izany, rehefa hahoraka eran’ny tany vaovao fa “nanomboka nitsangana ny maty”!

15. Nahoana moa no mahazo matoky isika fa hanangana ny maty Jesosy?

15 Mahazo matoky tanteraka isika fa hisy ny fitsanganan’ny maty. Aza hadinoina fa tamin’ny fandalovany teto an-tany Jesosy dia tsy nanasitrana ny marary sy ny kilemaina fotsiny fa nanangana maty koa (Matio 11:2-6). Tamin’izany izy dia nampiseho ny fahefana mahatalanjona ananan’Andriamanitra, dia ny hamelona indray ny maty, ka izany fahefana izany dia nafindrany tamin’ny Zanany. Angamba tadidinao fa nisy fotoana nahatongavan’i Jesosy tao an-tranon’ny lehilahy iray izay vao maty ny zanani-vavy roa ambin’ny folo taona. Dia niteny tamin’ilay zazavavy kely maty Jesosy ka nanao taminy hoe: “Ry zazavavy, hoy Izaho aminao: Mitsangàna.” Inona moa no vokany? Hoy ny avalin’ny Baiboly: “Dia nitsangana niaraka tamin’izay razazavavy ka afa-nandeha.” Inona moa no vokatra naterak’izany fahagagana izany tamin’ny ray aman-drenin-drazazavavy sy ny mpitazana rehetra? “Ary niaraka tamin’izay dia talanjona indrindra ny olona.” Tsy nahatan-toerana intsony ireo, noho ny haravoany loatra! — Marka 5:35, 38-42; jereo koa Jaona 11:38-44; Lioka 7:11-16.

16. Iza moa no hatsangana, ary inona no ho vokatry ny fiverenan’ny maty eo amin’ny velona?

16 Rehefa hiorina indray eto an-tany ny paradisa, dia hampiasain’i Jesosy Kristy ny fahefany hanangana ny maty satria ny Baiboly dia manome toky antsika “fa tsy maintsy hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina”. (Asan’ny Apostoly 24:15, MN.) Ho toy inona re ny haravoana eran’ny tany rehefa hitsangana mitsitokotoko ny maty ka hiverina indray! Mba alao sary an-tsaina ange izany fahasambaran’ireo mpihavana tafakambana indray e! Tsy mba lohateny milaza ny maty intsony no ho hita amin’ny gazety fa mety ho ny filazana mikasika fitsanganana amin’ny maty, izay hameno hafaliana indrindra an’ireo izay nahalala sy tia an’ireo tafatsangana.

17. Nahoana moa no tsy hanahirana an’Andriamanitra mihitsy ny hahatsiaro an’ireo tokony hitsangana rehetra?

17 Marina fa olona an-tapitrisany maro no maty, kanefa dia tsy hisy zava-manahirana akory amin’izany ho an’Andriamanitra na dia kely aza. Azony atao ny hahatsiaro azy rehetra. Moa ve ny Baiboly tsy milaza fa Andriamanitra dia “milaza ny isan’ny kintana (...); samy tononiny amin’ny anarany avy ireny rehetra ireny”? (Salamo 147:4.) Mba hevero kely ny tian’izany holazaina. Voalaza fa hoe misy vahin-danitra an-jato tapitrisany maro ka ny tsirairay avy amin’ireny dia misy kintana an-jato tapitrisany maro avy, ary anefa dia voatonon’Andriamanitra amin’ny anarany avy ny kintana tsirairay! Kely anefa ny isan’ny olona velona teto an-tany raha oharina amin’ireny. Hita àry fa tsy hanahirana an’Andriamanitra mihitsy ny hahatsiaro an’ireo maty rehetra voaray ao anatin’ny sorom-panavotan’i Kristy (Matio 19:26). Izy ireo dia hampodina avy amin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana eto ambonin’ny tany eto ihany. Tombontsoa manokana toy inona re izany hoe hanatrika eo ka ho afaka handray azy ireny!

18. Amin’ny fitsanganan’ny maty, moa ve mety ho fantatrao indray ireo izay fantatrao taloha? Nahoana?

18 Rehefa hitsangana ny maty iray, moa ve mbola ho ilay olona teo aloha iny ihany izy? Moa ve isika ho afaka hahalala azy? Eny! Na ny olona aza mahay mirakitra tsy ho faty mihitsy ao anaty horonam-peo (bande magnétique) ny feo sy ny sarin’ny olona iray izay azo avoaka indray ao amin’ny televiziona. Mbola mahay manao tsara lavitra noho izany Andriamanitra! Amin’ny fitsanganan’ny maty dia samy homeny vatana sahaza azy avy ny maty tsirairay, toy ny nataony raha namorona ny olona voalohany izy ary dia haraikiny indray ao amin’ny atidohany ny fahatsiarovana marina ny zavatra rehetra nianaran’ilay olona sy nataony fony izy velona teo aloha. Amin’izany, ny maha-izy an’iny olona tafatsangana iny dia tsy hisy hafa amin’ilay nananany tamin’ny fotoana nahafatesany, dia toy ny nahitan’i Jesosy indray ny maha-izy azy rehefa nitsangana tamin’ny maty izy (Hebreo 13:8). Koa dia ho fantatrao indray izany ireo tafatsangana izay efa fantatrao taloha. Kanto tokoa lahy izany raha fanantenana! — Joba 14:13-15.

19. Inona moa no ambaran’ny bokin’ny Apokalypsy mikasika ny maty? Ka noho izany, inona no hanjavona?

19 Nahazo fahitana ny amin’ireo zavatra hiseho mahafaly ireo izay hisy mandritra ny fanjakana arivo taonan’i Kristy ny apostoly Jaona. Io fahitana io, izay hita voatantara ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy, dia mampahafantatra antsika fa ny fahafatesana sy ny Hadesy (ny fasana iombonan’ny maty rehetra) ‘dia hamoaka ny maty ao aminy’. Hofoanana tanteraka ireo. Amin’izany dia hanjavona ho mandrakizay ny fahafatesana vokatry ny ota nolovana (Apokalypsy 20:13, 14; Isaia 25:8). Tsy hisy intsony mpianto-draharaha amin’ny fandevenana malaza, na mpanao fasana, amin’izany, tsy hisy tany fandevenana hanimba ny hakanton’ny tany zary paradisa!

20. a) Ny fahafahana hahazo inona moa no hivelatra eo anoloan’ireo izay hatsangana amin’ny maty, nefa inona no tokony hataony? b) Araka ny inona moa no hitsarana azy? d) Inona moa no fiovana hitranga na dia eo amin’ireo izay nahatahotra teo aloha aza?

20 Hivelatra eo anatrehan’ireo izay hatsangana ho amin’ny fiainana eto an-tany ny fahafahana ho velona mandrakizay ao amin’ny paradisa. Izany dia ho fotoana fampianarana azy. Hisy “horonana” na “boky” hosokafana, ary ireo tafatsangana dia tsy maintsy hanaraka an’ireo fampianaran’Andriamanitra ao anatin’ireny, mba hanavao ny sainy hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Izy ireo dia ‘hotsaraina tsirairay araka ny asany’, izany hoe araka ny asa izay hataony aorian’ny hananganana azy sy rehefa avy nianatra izay ao amin’ireo “horonana”. (Apokalypsy na Fanambarana 20:11-13, MN ). Raha ampihariny eo amin’ny fiainany ny fampianarana azony, na dia ny olona izay nahatahotra toy ny bibi-dia masiaka teo aloha aza dia hiova toetra, toy ny efa nataon’olona maro sahady, rehefa nanomboka nifandray tamin’ny kongregasiona kristiana izy. — Isaia 11:9; 26:9; 35:8, 9.

TONGA PARADISA INDRAY NY TANY

21. Inona moa ny soa ho entin’ilay Fanjakana, voalaza ao amin’ny Isaia 25:6?

21 Ireo izay hitombo fahamarinana dia hahazo tombontsoa ara-nofo koa. Ho tanteraka ara-bakiteny tokoa ireto teny ara-paminanian’Isaia 25:6 ireto: “Ary Jehovah, Tompon’ny maro, dia hanao fanasana ho an’ny firenena rehetra eto amin’ity tendrombohitra ity, dia fanasana amin’ny zavatra matavy.” Tsy hisy intsony, amin’izany, mbola hahatsiaro fitambolimbolina ateraky ny hanoanana. Amin’ny fomba ahoana moa no hanaovan’Andriamanitra izany fanasana izany?

22. a) Araka ny Baiboly, fomba ahoana moa no hanaovan’Andriamanitra an’izany fanasana izany? b) Hiova ho inona moa ny tany manontolo?

22 Tamin’ny fotoana mbola naha-olona voafidin’Andriamanitra ny Isiraelita, dia nitondra fanambinana lehibe teo aminy ny fitahiany. Nahazoana vokatra tsara ny taniny. Voankazo tsara erỳ no vokatry ny sahany. Novohan’i Jehovah ho azy ireo “ny lanitra, tranony fitehirizan-tsoa, handatsahany ranonorana amin’ny [taniny] amin’ny fotoany”. (Deoteronomia 28:12; jereo koa ny andininy faha-8.) Hisy fahasoavana toy izany mbola ho be lavitra aza, eo ambanin’ny fitondran’ny Fanjakan’i Kristy (Salamo 67:6, 7). Hotanterahin’ireo vahoakan’ilay Fanjakana eto an-tany amin’izany ilay didy tsy tanterak’i Adama sy Eva. Izy ireo dia “hampanompo” ny tany ka hanova azy manontolo ho paradisa. Izany fanantenana izany sy ny fanantenana ny fitsanganana amin’ny maty no nasian’i Jesosy fitenenana fony izy nanambara toy izao tamin’ilay jiolahy nitsetra azy, niara-novonoina ho faty taminy: “Lazaiko aminao marina tokoa anio: Hihaona amiko any am-paradisa hianao.” — Lioka 23:39-43, MN.

23. Ahoana moa no teny ilazalazan’ny Salamo ny fahasambarana hanjaka ambonin’ny tany amin’izany fotoana izany?

23 Amin’izay dia ho hita taratra amin’ny tany manontolo ny fahasambarana. Dia ho toy ny hoe miara-mifaly noho ny fanapahana marin’i Jehovah ny tany feno ahi-maitso sy ny tendrombohitra ary ny hazo amam-boninkazo sy ny renirano aman-dranomasina (Salamo 96:11-13; 98:7-9). Tsy ho voaloto intsony ny rivotra manga. Rano madio mangarangarana no hameno ny renirano sy sakeli-drano tsirairay avy. Tsy ho simba intsony ny tany.

24. Inona moa no hataon’ny fanapahan’i Kristy mikasika ny fifandraisan’ny olombelona sy ny biby?

24 Ny planeta iray manontolo — na ny alany, na ny tanimboliny, na ny tendrombohiny — dia ho saha midadasika feno an’izao karazam-biby amam-borona rehetra izao, izay samy hanaraka ihany koa ny fitarihana feno fahendren’ilay Zanakalahin’i Jehovah. Ao amin’izany “tany onenana ho avy” izany, izy rehetra ireo dia hampanompoiny ny olombelona izay tsy hatahotra azy ireny intsony. — Hebreo 2:5-8, MN; Salamo 8:5-9.

NY FITSAPANA FARANY NO HANAPAKA NA HO MENDRIKA NY HO VELONA MANDRAKIZAY ISIKA NA TSIA

25. a) Eo amin’ny fifaranan’ny arivo taona voalohany nanjakany, dia inona moa no ho efa vitan’ilay Fanjakana? b) Fitsapana manao ahoana no hatao amin’izany, ary inona no antony?

25 Ny Fanjakan’Andriamanitra sy Kristy dia hanapaka mandrakizay doria. Nefa, eo amin’ny fifaranan’ireo arivo taona voalohany amin’ny fanapahany dia ho efa tanterany ny fizarana iray efa voafaritra tsara amin’ny fikasan’Andriamanitra mikasika ny tany. Ho efa nofafany izay rehetra mety ho endriky ny tsy fahamarinana. Ny olombelona rehetra eto an-tany dia hijoro ho zava-boahary lavorary eo anatrehan’ny seza fiandrianan’ilay Mpitsara tampony indrindra, dia Jehovah Andriamanitra. Izy ireo dia hitovy amin’ny lafiny rehetra amin’izy mivady tanteraka tany Edena (I Korintiana 15:24). Moa àry ve izy ireo hiseho ho mendrika ny hanana zo ho amin’ny fiainana mandrakizay? Ho tsara ny hitsapana an’ireo vahoakan’ilay Fanjakana ireo, mba hahitana raha miraiki-po amin’ny fanapahana marin’Andriamanitra izy ireo. Homen’i Jehovah fotoana izy ireo mba ho azony hanaporofoana ny fahatokiany. Ahoana izany? Amin’ny famahana an’i Satana sy ireo demoniany avy ao amin’ny fanagadrana azy ao amin’ny “lavaka tsy hita noanoa”. (Apokalypsy 20:7.) Noho io fitsapana io, ny tsirairay avy amin’ny fianakavian’Andriamanitra eto an-tany dia hanana ny tombontsoa manokana hampiseho fa lainga ny fanendrikendrehana nentin’i Satana nihantsiana an’ilay Ray any an-danitra.

26. Hanao ahoana moa ny ho fiafaran’izany fitsapana izany ho an’ireo: a) izay hitoetra ho mahatoky eo anatrehan’Andriamanitra, b) izay hikomy amin’Andriamanitra, d) ho an’i Satana sy ny demoniany?

26 Ireo izay hitoetra ho mahatoky eo anatrehan’Andriamanitra dia ho hita fa mendrika hahazo ny fiainana mandrakizay. Homen’i Jehovah azy izany zo izany ka dia nosoratany ao amin’ny “bokin’ny fiainana” ny anarany. Fa izay rehetra hikomy amin’Andriamanitra kosa dia holevonina ao amin’ny “fahafatesana faharoa”. Manaraka izany dia hofoanana tsy hisy mandrakizay doria Satana Devoly mbamin’ireo demoniany (Apokalypsy 20:7-10, 15). Na ny tany na izay faritra hafa rehetra eo amin’izao rehetra izao tsy hita fetran’Andriamanitra dia tsy hisy ho voatabataban’ny fahotana sy ny fikomiana intsony. Rehefa zary paradisa hanjakan’ny fahamarinana ny tany dia ho vatosoa sarobidy mandrakizay ho fiderana ny anaran’i Jehovah.

27. Raha maniry amin’ny fontsika tokoa mba hiaina ao amin’ny paradisa ho eto an-tany isika, inona moa no tokony hataontsika dieny izao?

27 Rehefa fantatrao àry izao ny fikasan’Andriamanitra, dia ny hanova ny tany ho paradisa eo ambany fanapahana marina, moa ve hianao manaja kokoa ny fahamarinan’Andriamanitra? Moa ve tsapanao kokoa ny fahendreny? Ary moa ve izany mitarika anao hampiseho fitiavana azy? Raha izany no izy, dia tokony hanao izay rehetra azonao atao dieny izao hianao mba hanompo azy amin’ny fonao rehetra. Mandraisa anjara amin’ny asa fanambarana ampahibemaso ny anarana amam-pikasan’i Jehovah (Salamo 89:15-17; I Jaona 4:19). Aoka hianao hiaina mifanaraka amin’ny fitsipika marin’Andriamanitra dieny izao, ka amin’izany dia hiomana hahita fifaliana mandrakizay amin’ny fiainana eo amin’ny tany paradisa, eo ambany fanapahana marina: dia ilay Fanjakana.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 108]

Nisy maty natsangan’i Jesosy koa aza