Ho fanehoana fiheverana an’Andriamanitra dia aoka isika hanaja ny aina sy ny ra
Ho fanehoana fiheverana an’Andriamanitra dia aoka isika hanaja ny aina sy ny ra
1. Na dia mizatra amin’ny herisetra aza izao tontolo izao, ahoana moa no fihevitry ny Baiboly ny aina?
TSY hampidi-doza lavitra noho ny fahitana azy izao tontolo izao, raha ohatra ny olona rehetra mba nanaja ny fahamasinan’ny aina sy ny ra. Marobe anefa ny olona tsy manaja an’ireo zavatra ireo. Zavatra miha-fahita hatrany ihany, hatraiza hatraiza ny herisetra sy ny fandatsahan-dra. Marobe ny tanàna tsy azo andehandehanana intsony eny amin’ny arabe, raha vao maty masoandro, fa mampidi-doza. Efa zatra loatra amin’ny herisetra ny olona, hany ka, na mba hialam-boly fotsiny aza, dia vatrany ny mipetraka hadiny maro eo anoloan’ny vatan’ny televiziona na eo anatrehan’ny sarimihetsika amin’ny sinema, mba hijery tantara mampiseho habibiana. Ny Baiboly kosa anefa dia mampianatra antsika fa masina ny aina. Moa ve hianao mitovy hevitra amin’izany?
2. Nahoana moa no mety hisy olona ho taitra mandre ny fampianaran’ny Baiboly mikasika ny aina sy ny ra?
2 Efa fahita loatra ankehitriny ireo hevitra manohitra ny Soratra Masina, hany ka mety hisy olona ho taitra raha vao mandre voalohany ny fampianaran’ny Baiboly mikasika an’io zavatra io. Ilay Mpanao ny Baiboly sy Mpanao koa ny aina sady Mpamorona ny ra anefa no Fahefana tampony indrindra raha ny amin’io hevitra io. Tsy maintsy hajaina ny lalàny. — Salamo 36:5-9; Isaia 55:8, 9.
“NY RAN’OLONA”
3. a) Iza moa no olona voalohany nilazan’Andriamanitra ny maha-zava-dratsy ny famonoana olona? Nahoana moa izy no niteny toy izany taminy? b) Taorian’ny safo-drano, ahoana moa no nanamafisan’Andriamanitra ny maha-sarobidy ny aina? d) Moa ve io lalàna io efa nofoanana?
3 Kaina, zanak’i Adama, no olona voalohany nilazan’i Jehovah ny maha-ratsy dia ratsy ny famonoana olona eo imasony. Efa nampiomana rahateo an’i Kaina Andriamanitra fa mety hitarika azy hanota ny fahatezerany, kanefa dia tsy niraharaha izany fampiomanana izany io fa namely an’i Abela rahalahiny, ary nahafaty azy. Tamin’izany dia hoy Andriamanitra: “Ny feon’ny ran’ny rahalahinao mitaraina amiko avy amin’ny tany.” Voatery Kaina namaly ny amin’io fandatsahan-dra nataony tsy amim-piraharahana ny lalàna io, teo anatrehan’Andriamanitra (Genesisy 4:6-11). Taorian’ny safo-drano tamin’ny andron’i Noa, dia nosoritan’Andriamanitra indray ny hasarobidin’ny ain’olombelona teo imasony. Izao no nambarany: “Ny ranareo (...) dia hadiniko.” Ary hoy koa no nanampiny: “Izay mandatsaka ny ran’olona, dia mba halatsak’olona kosa ny rany, satria tahaka ny endrik’Andriamanitra no nanaovany ny olona.” (Genesisy 9:5, 6). Tsy mbola nisy mihitsy fanafoanana an’izany didy izany. Izy io dia mbola mihatra amin’ny olombelona rehetra ihany amin’izao andro izao, satria samy taranak’i Noa avokoa isika rehetra. Na toy inona famaizana na tsy famaizana ataon’ny fitondram-panjakan’ny olombelona amin’ireo olo-meloka, ho fanarahana an’io lalàn’Andriamanitra io, Jehovah dia hanadina an’izay rehetra mamono olona fa tsy miraharaha ny lalàna.
4. Raha te-ho velona mandrakizay isika ka hanao izay tsy hahatonga antsika hampidi-doza eo amin’ny fiainan’ny sasany, inona moa no tsy maintsy esorintsika eo amin’ny fiainantsika?
4 Nefa tsy ampy hitoerana ho tsy manan-tsiny eo anatrehan’ilay Mpanome ny aina akory ny fifadiana ny famonoana olona. Hoy ny vakintsika ao amin’ny I Jaona 3:15: “Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny.” Koa raha te-ho velona mandrakizay isika, dia tsy maintsy esorintsika eo amin’ny fiainantsika avokoa izay rehetra mety ho fankahalana ny mpiara-belona amintsika. Andriamanitra akory tsy hamela hiditra ao amin’ny fandehan-javany vaovao, olona izay manao toa an’i Kaina ka tsy miraharaha ny fampiomanan’Andriamanitra ary mety hampidi-doza ny ain’ny sasany amin’ny firehetan’ny fahatezerany tampoka. Takin’Andriamanitra amintsika ny hianarantsika ho tia ny namantsika. — I Jaona 3:11, 12; Matio 5:21, 22.
5. Ahoana moa no fihevitry ny Baiboly ny amin’ny fanalana zaza?
5 Raha maniry hampifanaraka ny hevitsika amin’ny an’Andriamanitra mikasika an’io zavatra io isika dia hanaiky fa tsy mahavery ny fahamasinan’ny ainy akory ny diso fahanteran’ny olona iray na ny fahatanorany loatra. Ny Tenin’Andriamanitra dia mampiseho fa na dia ny ain’ny zaza mbola ao an-kibon-dreniny aza dia sarobidy eo imason’i Jehovah (Eksodosy 21:22, 23; Salamo 127:3). Nefa dia an-tapitrisany maro isan-taona ny fanalana zaza atao eran’izao tontolo izao. Fandikana ny lalàn’Andriamanitra izany satria ny zaza mbola torontoronina dia zava-boahary manana aina, ka noho izany dia tsy tokony hovonoina. Raha misy moa mpivady maniry hametra ny isan’ny zanany, noho ny tsy fananany vola loatra na noho ny fahasalamana na noho ny antony hafa, dia raharahany manokana izany, ary izay fomba ampiasainy hanaovana izany dia raharahany manokana ihany koa, raha ny tena izy. Kanefa kosa ny fanalana zaza dia tsy maintsy ekena fa fanao iray izay tsy miraharaha mihitsy ny fahamasinan’ny aina.
‘MIFADIA NY RA’
6. a) Iza moa no manana zo hanisy fepetra ny amin’ny fampiasana ny ra? b) Rehefa nanome fahefana ny olona hihinana nofom-biby Andriamanitra, inona moa no lalàna mikasika ny ra nomeny azy?
6 Matetika ny Baiboly no mampiasa ny teny hoe “ra” hilazana ny “aina”. Ny antony dia satria ao amin’ny ra no misy ny aina na fanahy (Levitikosy 17:11, Darby). Noho izy Mpamorona ny ra, dia Andriamanitra no mahalala an’io zavatra io mihoatra noho ny olona na iza na iza, sady izy koa no manana ny zo hanisy fepetra amin’ny fampiasana azy. Taorian’ny safo-drano namely an’izao tontolo izao Andriamanitra vao nanome fahefana ny olona hihinana nofom-biby. Niaraka tamin’izay koa no nanomezany ny lalàny mikasika ny ra, ka hoy ny nambarany: “Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinana ho anareo; dia efa nomeko anareo toy ny zava-maitso izy rehetra. Kanefa ny nofo izay mbola misy aina (dia ny rany) no aza haninareo.” (Genesisy 9:3, 4). Ny nofom-biby izany no azony nohanina fa tsy ny rany.
7. a) Inona moa no nosoratan’ny kolejy foiben’ireo kristiana voalohany mikasika ny ra? b) Ahoana moa no anehoan’io fanapahan-kevitra io fa zava-dehibe indrindra izany hoe, ‘mifady ny ra’?
7 Taty aoriana, io lalàna io dia natao ho anisan’ireo didy nomen’Andriamanitra ny firenen’Isiraely, ary taorian’izay ny Tenin’Andriamanitra dia nampihatra azy koa tamin’ny kristiana. Rehefa avy nandinika tsara izay takin’Andriamanitra amin’ny kristiana ny kolejy foiben’ny kongregasiona kristiana voalohany dia nanoratra toy izao manaraka izao tamin’ireo mpino tsy Jiosy: “Fa sitraky ny Fanahy Masina sy izahay tsy hampitondra enta-mavesatra anareo afa-tsy izao zavatra tsy maintsy hotandremana izao ihany: dia ny hifadianareo ny hena aterina amin’ny sampy sy ny ra sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana; raha mahatandrin-tena hifady izany hianareo, dia ho soa. Veloma hianareo.” (Asan’ny Apostoly 15:28, 29). Noho izany, isika koa dia tokony ‘hifady ny ra’. Izany dia zava-dehibe atao mitovy laharana amin’ny fijangajangana sy ny fanompoan-tsampy.
8. Inona moa no nolazain’ny mpanoratra kristiana iray velona teo amin’ireo taon-jato voalohandohany, mikasika a) ny antony nisotroan’ny sasany ra, ary b) ny toerana notanan’ny kristiana voalohany nikasika ny ra?
8 Nazava tsara tamin’ny kristiana voalohany ireo zavatra ireo. Tamin’izany andro izany dia tsy vitsy ireo olona nino fa hanatsara ny fahasalamany ny fisotroana ra, kanefa ny kristiana kosa dia nahalala fa niankina tamin’ny fankatoavana an’Andriamanitra ny fahasalamany ara-nofo sy ara-panahy. Izany no antony nanoratan’i Tertullien, mpanoratra kristiana velona tamin’ny taon-jato II sy III amin’ny fanisan-taona iraisana, hoe: “Ary ireo izay voan’ny androbe, moa va izy ireo tsy hita migoka mba hoe ho fanafodiny, ny ra mbola miboiboika avy amin’ny ratran’ireo olon-dratsy vao avy niala aina eo amin’ny kianja filalaovana? (...) Aoka hameno henatra anareo ny fahajambanareo, eto anatrehanay kristiana izay tsy mba manao akory ny ram-biby ho anisan’ny zavatra fihinana aza, ka noho izany no ifadianay ny biby maty nokendaina na maty ho azy. (...) Noho izany, mba hakana fanahy ny kristiana, hianareo dia manolotra azy “boudins” mizihitry ny ra ao anatiny, satria fantatrareo tsara fa zavatra raràna tsy ho haniny ireny ka izany dia fomba fampihatahana azy hiala amin’ny lala-mahitsy.” Tamin’ireo kristiana voalohany, ny lalàn’Andriamanitra dia nandrara izay rehetra mety ho ra, na am-biby izany, na an’olona.
9. a) Amin’ny alalan’inona moa no tokony hitadiavantsika famonjena? b) Mba ho ‘afaka amin’ny ran’ny olona rehetra’ toy ny apostoly Paoly moa, inona no tsy maintsy ataontsika?
9 Amin’izao fotoana izao dia ilaina maika dia maika tsy mbola nisy toy izany mihitsy ny tokony hianaran’ny olona hatraiza hatraiza ny fomba fihevitr’Andriamanitra ny aina. Ilainy ny fahalalana izay nataon’ny tenan’i Jehovah Andriamanitra mba hamonjena aina. Nirahiny Jesosy Kristy Zanany mba handatsaka ny rany ho an’ireo olona izay hampiasa ny finoana, ary rehefa izany dia natsangany tamin’ny maty izy (Hebreo 13:20, 21). Isika dia mety hahazo ny famonjena amin’ny alalan’ny finoana ny ran’i Jesosy Kristy izay nalatsaka ary ilaina maika ny hahazoana izany finoana izany sady hanaovana ny asa mifanaraka aminy dieny izao, raha tsy mbola tonga ny fifaranan’izao fandehan-javatra ankehitriny izao. Raha efa fantatsika ireo fandaharana mampiseho fitiavana ireo, dia tokony hahatsiaro ho voataona hiresaka ny amin’izany amin’ny hafa isika. Ary vao mainka amin-kafanam-po sy fahasahiana kokoa no hanaovantsika izany raha miahy ny amin’ny fiainan’ny olon-kafa, toy ny ataon’Andriamanitra isika (Ezekiela 3:17-21). Raha manaiky koa an’io andraikitra io isika ka manefa azy mandra-pahatongan’ny mpiara-belona amintsika rehetra ho afaka hihaino azy, dia ho afaka hiteny miaraka amin’ny apostoly Paoly isika hoe: “Afaka amin’ny ranareo rehetra aho. Fa tsy nafeniko anareo, fa notoriko taminareo avokoa ny saina rehetra natolotr’Andriamanitra.” — Asan’ny Apostoly 20:26, 27.
[Fanontaniana]
[Loharanon-kevitra]
^ Fehintsoratra 8, 10, 11, sy 12 ao amin’ny anglisy dia tsy nadika tao amin’ny malagasy.