Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ireo andro faran’izao fandehan-javatra ratsy izao

Ireo andro faran’izao fandehan-javatra ratsy izao

Toko Faha-11

Ireo andro faran’izao fandehan-javatra ratsy izao

1. Oviana moa no nanomboka ny “andro farany” ary inona no zavatra hiseho ho famaranana azy?

 NY BAIBOLY dia miantso an’izao androntsika izao hoe “andro farany” na “fotoan’ny farany”. (II Timoty 3:1, MN; Daniela 11:40, Segond.) Asehon’ny zava-mitranga fa izany dia fe-potoana voafaritra tsara izay manana fiandohany sy fiafarany efa tsara fetra. Izany andro izany dia nanomboka tamin’ny 1914, fony Jesosy Kristy nasandratra ho amin’ny toeram-piandrianana tany an-danitra. Izany dia hifarana rehefa holevonin’Andriamanitra izao fandehan-javatra ratsy izao. Ho toy inona moa ny fahamaivamaivanana rehefa tsy hisy intsony ireo fandaminana sy olona izay mamitaka sy mampahory ny olombelona ka mahatandindomin-doza ny filaminany!

2. Araka ny Matio 24:34, inona moa no nambaran’i Jesosy mikasika ny fahataperan’ny “fotoan’ny farany”?

2 Rahoviana no hitranga izany? Jesosy Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra mihitsy no nanome antsika ny valiny. Rehefa avy nitarika ny saina ho amin’ny zavatra maro loha izay hanamarika ny “fotoan’ny farany” nanomboka tamin’ny 1914 Jesosy dia mbola nanampy koa hoe: “Tsy mba ho lany [mihitsy, MN ] izao taranaka izao mandra-pahatongan’izany [zavatra, MN ] rehetra izany.” (Matio 24:34). Fa iza no taranaka lazaina amin’izany?

3. a) Araka ny tenin’i Jesosy, ny taranaka manao ahoana moa no tsy ho lany alohan’ny farany? b) Noho izany, ahoana moa no ahafantarantsika fa tena akaikin’ny faran’izao fandehan-javatra ratsy ankehitriny izao isika?

3 Jesosy dia vao nanao teny mikasika an’ireo izay ‘hahita izany zavatra rehetra izany’. Ireo “zavatra” nolazainy dia ny toe-javatra nanomboka niseho tamin’ny 1914, mbamin’ireo izay mbola hiseho koa mandra-pahatapitr’izao fandehan-javatra ratsy izao (Matio 24:33). Na dia ireo olona izay teraka dimampolo taona lasa izay aza, dia tsy afaka nahita “izany zavatra rehetra izany”. Efa niseho sahady tokoa mantsy ireo toe-javatra nolazain’ny faminaniana vao nahita masoandro izy ireny. Mbola misy velona ihany anefa ankehitriny amin’ireo olona izay efa ampy taona tsara tamin’ny 1914 mba ho vavolombelona nahita maso ny zava-niseho tamin’izany fotoana izany sady mbola mahatadidy an’ireny ihany. Ary anefa dia efa manomboka ho antitra izany taranaka izany; marobe tamin’ireo anisan’izany no efa nodimandry. Mazava tsy misy toy izany anefa ny tenin’i Jesosy manao hoe: “Tsy mba ho lany mihitsy izao taranaka izao mandra-pahatongan’izany rehetra izany.” Mbola hisy amin’ireo izay anisany, ho velona ihany rehefa tonga ny faran’izao fandehan-javatra ratsy izao. Milaza izany fa kely sisa ny fotoana tavela alohan’ny farany (Salamo 90:10)! Koa raha tsy te-hiara-ko faty amin’izao fandehan-javatra ratsy izao àry hianao dia tsy maintsy manao zavatra dieny izao.

NAHOANA MOA NO MISY “FOTOAN’NY FARANY”?

4. a) Nahoana moa no tokony ho faly isika noho ny tsy nandevonan’Andriamanitra avy hatrany an’ireo izay tsy nanompo azy, tamin’ny fotoana niorenan’ny Fanjakany tamin’ny 1914? b) Ao amin’ny II Petera 3:9, amin’ny fomba ahoana moa no anampian’ny Baiboly antsika mba hihevitra an’io zavatra io araka ny tena endriny tokoa?

4 Tamin’ny 1914 no nanomezana ny fahefana an’ilay Fanjakana, kanefa tsy avy hatrany Jehovah dia nandevona an’ireo izay tsy nanompo azy. Soa ihany ho antsika! Satria tokoa mantsy ny fahari-pon’Andriamanitra no nahafahantsika mbola hanana fotoana ho azo hararaotina hijoroana ho an’ny Fanjakany ka handosirana ny fandringanana amin’izany. Ny Baiboly dia manampy antsika hihevitra an’io zavatra io araka ny tena endriny tokoa. Hoy ny teniny: “Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra.” — II Petera 3:9; Jereo koa Matio 24:21, 22.

5. a) Ahoana moa no teny nilazalazan’i Jesosy ny asa fanavahana tsy maintsy ataony amin’izao androntsika izao? b) Inona moa no ho anjaran’ireo izay hampiharana ny didim-pitsarana eo amin’ny fifaranan’ny “andro farany”?

5 Mba hisian’izany, Jehovah Andriamanitra dia namela fotoana mba hahafahana manao asa fampisarahana amin’izao “fotoan’ny farany” izao. Raha nilazalaza ny amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” Jesosy dia niresaka mialoha ny amin’izany asa izany tamin’izao teny izao: “Ary raha tonga ny Zanak’olona [Jesosy Kristy] amin’ny voninahiny, arahin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy; ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy; ary hametraka ny ondry eo amin’ny ankavanany Izy, fa ny osy eo amin’ny ankaviany. Ary amin’izany ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo amin’ny ankavanany hoe: Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao (...). Ary dia hilaza indray amin’izay eo amin’ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, hianareo izay voaozona, ho any amin’ny afo maharitra mandrakizay [an’ny fandringanana], izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny (...). Ary ireo dia hiala ho any amin’ny fampijaliana [fanesorana, MN ] mandrakizay; fa ny marina ho any amin’ny fiainana mandrakizay.” (Matio 25:31-46). Rehefa hampiharina ny didim-pitsarana, eo amin’ny fifaranan’izao “andro farany” izao, ireo izay haringana dia hankany amin’ny “fanesorana mandrakizay”. Tsy hisy fitsanganana amin’ny maty ho azy ireo (II Tesaloniana 1:7-9). Izany ankehitriny no antony amelan’Andriamanitra amin-katsaram-po fotoana ho an’ny olombelona hatraiza hatraiza ho azony hararaotina hijoroana ho an’ilay Fanjakana ka ho velona.

6. a) Ahoana moa no fomba fanaovana ny asa fanavahana? b) Noho izany, inona moa no tokony hataontsika dieny izao raha maniry ny ho velona eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra isika?

6 Amin’ny fomba ahoana no anaovany izany? Amin’ny fomba ahoana no anaovana ny asa fanavahana? Eo ambany fitarihan’ny anjely, ireo mpanompo mahatokin’Andriamanitra dia mampiely ny hafatra mikasika ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny tany rehetra mba hahafahan’ny olona mahitsy fo handre azy ka hiasa mifanaraka amin’izany. Izany ilay asa nolazain’i Jesosy mialoha fa ho anisan’ny “famantarana” hanambara ny fahantomoran’ny farany. Hoy ny faminaniany: “Ary koa, ao amin’ny firenena rehetra dia tsy maintsy hotorina aloha ny vaovao tsara.” (Marka 13:10, MN; jereo koa Matio 24:14 sy Apokalypsy 14:6, 7). Araka ny fomba fandraisany an’io hafatra io mbamin’ireo iraka alefan’i Jehovah hampiely azy no hitsarana ny olona ka hitsimbinana ny ainy na handringanana azy (Matio 25:40, 45). Raha maniry hiaina eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra hianao dia tsy maintsy asehonao dieny izao ankehitriny izao izany fanirianao izany, amin’ny fihainoana amim-pankasitrahana ny hafatra mikasika ilay Fanjakana, ary amin’ny fitarihana ny namanao mba hanao toy izany koa. Tsy ho ela intsony mihitsy izao dia hifarana izany asa fitoriana izany. Hikatona ny varavarana. Ho diso aoriana loatra amin’izay! — Ezekiela 33:8, 9.

IZA MOA NO HARINGANA?

7. Ahoana moa ny filazalazana ny amin’ny faran’izao fandehan-javatra ratsy ankehitriny izao, omena ao amin’ny Jeremia 25:33, ary ahoana no anampian’ny Baiboly antsika mba tsy ho anisan’ny voavono?

7 Mampiharihary tsy misy fihambahambana ny Soratra Masina fa amin’ny fandevonana an’izao fandehan-javatra ratsy ankehitriny izao, “ny voavonon’i Jehovah dia hiampatrampatra hatramin’ny faran’ny tany anankiray ka hatramin’ny farany koa”. (Jeremia 25:33.) Tsy voatery ho anisan’ireo ho voavono anefa hianao akory. Ao amin’ny Teniny, ny Baiboly dia hazavain’Andriamanitra tsara izay ho karazana olona sy fandaminana ary fandehan-javatra holevonina. Rehefa mahazo fampiomanana ireo olona mankamamy ny ainy ka maniry amim-pahatsorana hanao izay mahitsy eo imason’Andriamanitra dia afaka mitsoaka miala avy ao amin’ny faritra mampidi-doza.

8. a) Araka ny Tenin’Andriamanitra, iza moa no haringana? b) Karazan’olona manao ahoana moa no lazain’Andriamanitra fa ratsy fanahy? Moa ve izy ireny afaka miova fitondrantena?

8 Fa iza loatra àry izany no efa nanapahan’Andriamanitra hevitra fa haringany? Araka ny tokony hanampoizana azy dia tsy iza fa ireo ratsy fanahy. “Raha mitsiry tahaka ny ahitra ny ratsy fanahy, ary mamony ny mpanao ratsy rehetra, dia izany no ho fandringanana azy mandrakizay.” (Salamo 92:7). Aoka isika tsy ho diso hevitra amin’ny fanarahana ny fiheveran’izao tontolo izao mikasika ny tsara sy ny ratsy. Mampahafantatra antsika mazava Andriamanitra fa maro dia maro tokoa ireo zavatra melohiny kanefa dia heverina ho azo ekena eo imason’izao tontolo izao. Na dia leferin’ny vahoaka amin’ny andro ankehitriny tokoa aza ny fijangajangana sy ny fanitsakitsaham-panambadiana ary ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy na ny vehivavy amin’ny vehivavy, ireo izay mpanaraka izany fanao izany dia tsy hotsimbinin’Andriamanitra, amin’ny fahataperan’izao fandehan-javatra ankehitriny izao. Toy izany koa fa na ny mpandainga na ny mpangalatra na ny mpimamo na ny mpamono olona dia samy tsy misy hanana toerana eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra (I Korintiana 6:9, 10; Apokalypsy 21:8). Noho ny fiarahana amin’ny naman-dratsy dia mety hisy ho nanana fitondrantena toy izany. Nefa amin’izao fotoana izao kosa, izay ahafantarany izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra mikasika ireo zavatra ireo, dia tsy maintsy manova ny fitondrantenany izy raha tiany ny tsy ho ringana. Ao amin’ny fandehan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra dia tsy mba hisy toerana ho an’ireo izay manimba sy manambaka ny mpiara-belona aminy sady mety hampidi-doza amin’ny ain’izy ireny.

9. a) Hanao ahoana moa ireo fivavahana miorina amin’ny fahadisoan-kevitra, ary nahoana? b) Inona moa no tokony hataontsika mba tsy hahatongavana ho anisan’ireo fahavalon’Andriamanitra?

9 Afa-tsy izany koa, dia tsy hisy intsony fandaminana hamitaka ny olona. Ny fandinihantsika ny Baiboly dia efa nahitantsika fa tsy ary ankasitrahan’Andriamanitra avokoa akory ny fivavahana rehetra. Koa tsy dia hahagaga antsika loatra àry izany ny hahare fa hoe voatokana hofoanana izay rehetra mety ho fivavahana miorina amin’ny lainga. Na toy inona na toy inona fireharehan’ny Fiangonana iray noho ny hankaton’ny trano fivavahany sy ny fombam-pivavahany marevaka, raha tsy ny fahamarinana mikasika an’Andriamanitra no ampianariny, dia tsy miasa ho an’iza akory izy raha ny marina fa ho an’ilay fahavalon’i Jehovah, dia Satana Devoly (I Korintiana 10:20; II Korintiana 11:13-15). Mety hampiasa ny Tenin’Andriamanitra ihany angamba izy, kanefa raha ohatra izy mitady ho naman’izao tontolo izao amin’ny fitsabahana amin’ny raharahany, araka ny Baiboly dia “mitsangan-ko fahavalon’Andriamanitra” izy. (Jakoba 4:4, MN; Jaona 15:19.) Moa ve tiantsika ny hisaina ho anisan’ny fahavalon’Andriamanitra? Raha tsy tiantsika ny ho toy izany dia tsy maintsy manaporofo aminy dieny izao isika fa tsy mankasitraka na oviana na oviana an’ireo fahavalony fa tia ny fahamarinana kosa ka manaraka ny “fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray” — Jakoba 1:27.

10. a) Nahoana moa Andriamanitra no handevona ny fitambaran’ny fandehan-javatra ara-politika eto an-tany? b) Koa inona àry izany no fanapahan-kevitra tsy maintsy ataontsika tsirairay avy?

10 Ny fandehan-javatra ara-politika izay nampahory ny taranak’olombelona loatra dia efa voatokana haringana koa. Ampy fotsiny ny famakiana izay rehetra mety ho bokin-tantara, mba hampiaiky volana fa io fandehan-javatra io dia niavaka foana tamin’ny fandatsahan-dra sy ny ady mampiseho fitiavan-karena, natao hahazoana fahefana. Rariny àry ny anoharan’ny Tenin’Andriamanitra ny fitambaran’io fandehan-javatra ara-politika eto an-tany io, amin’ny “bibi-dia” iray ary anazavany ny antony nanehoan’ireo fitondram-panjakana habibiana. Mampahafantatra antsika ny Baiboly fa Satana Devoly, “ilay dragona”, no nanome ho an’ireo fanapahana eto amin’izao tontolo izao ny fahefany ka izy ireo dia miasa eo ambany fifehezany (Apokalypsy 13:2; Daniela 8:20, 21; Lioka 4:5-8). Manome antsika ireo fanazavana ireo Andriamanitra mba hahafahantsika manapaka, amin’ny fahalalana tanteraka, na tokony handray anjara amin’ny raharaha ara-politikan’izao tontolo izao isika na tsia. Ampahafantariny antsika koa ny fikasan’ny tenany. Ao amin’ny Daniela 2:44 dia misy fitenenana fa hisy fotoana, ka amin’izany “Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay”. Izany zavatra izany dia niseho tamin’ny 1914. Ary raha ny amin’izay hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra tsy ho ela ao amin’ny adin’i Haramagedona na Hara-magedona, dia hoy ny anampin’io andinin-teny io ihany, mikasika ilay Fanjakana: “Ireo fanjakana rehetra ireo [izay misy amin’ny fotoan’ny farany] dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” — Jereo koa Apokalypsy 16:14, 16; 19:17-21.

11. a) Rehefa ho torotoro ny faritra hita maso amin’ny fandehan-javatra ankehitriny, dia hitodika amin’iza moa Andriamanitra? b) Ahoana moa no teny ilazalazany izany ao amin’ny Apokalypsy 20:1-3?

11 Raha vao ho torotoro ny fandehan-javatra hita maso iray manontolon’i Satana, Jehovah dia hitodika amin’izay any amin’i Satana Devoly, ilay andriamanitr’izao fandehan-javatra ratsy ankehitriny izao. Dia hotorotoroiny koa io, ary izany dia “tsy ho ela”. (II Korintiana 4:4, MN; Romana 16:20, MN.) Rehefa voaroaka avy tany an-danitra Satana Devoly, taorian’ny niorenan’ilay Fanjakana tamin’ny 1914, dia fantany fa tsy nisy afa-tsy “kely sisa ny androny”. (Apokalypsy 12:12.) Amin’izao fotoana izao dia vao mainka aza mbola fohy kokoa izany fotoana navela ho azy izany. Tsy ho ela intsony izao dia ho tanteraka izao fahitana ara-paminaniana manaraka izao izay voatantara ao amin’ny Apokalypsy 20:1-3: “Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany; dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka (...) nanipy azy ho amin’ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny.” Amin’ny fomba toy izany no hanesorana an’i Satana sy ny demoniany. Ho tapitra hatreo ny heriny mitarika ho amin’ny ratsy. Ho efa samy levona avokoa ny lafiny rehetra amin’izao fandehan-javatra ratsy ankehitriny izao.

12. a) Moa va hanana anjara amin’izany fandringanana izany ireo kristiana marina? Amin’ny alalan’iza moa no hampiharan’Andriamanitra ny didim-pitsarany? b) Rehefa iharam-panenjehana ireo mpanompon’i Jehovah, inona moa no tokony hataony?

12 Tsy handray anjara mihitsy amin’izany fandringanana izany ny kristiana marina eto an-tany. Izany ady izany dia ho adin’Andriamanitra. Amin’ny alalan’ireo tafika anjeliny no hampiharany ny didim-pitsarany. Hotarihiny hifamely amim-pankahalana sy amin-kery koa ireo anisan’ny fandaminana hita mason’i Satana. Ireo mpanompon’i Jehovah eto an-tany anefa dia tsy mba handray anjara amin’izany fanaovana an-keriny izany (II Korintiana 10:3, 4). Na dia rehefa iharam-panenjehana aza izy dia tsy tokony hitady hamaly ratsy an’ireo mpitondra amin’ny fanandramana mandrodana ny fitondram-panjakana. Andriamanitra no ametrahany ny fanantenany. “Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: “Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah.” ” — Romana 12:19.

ZAVATRA TSY MBA HIFARANA MIHITSY

13. Moa ve ho levona ny tany amin’ny fahataperan’izao fandehan-javatra ankehitriny izao?

13 Tsy ho faran’ny planeta Tany akory ny fanjavonan’izao fandehan-javatra ankehitriny izao. Manome toky antsika ny amin’izany ny Tenin’Andriamanitra araka izao teny izao: “Ny tany mbola maharitra mandrakizay.” “Nanorina ny tany tambonin’ny fanorenany Izy, mba tsy hihetsehany mandrakizay doria.” (Mpitoriteny 1:4; Salamo 104:5). Tsy avy amin’ny tany akory ireo fahasahiranana mamely antsika fa avy amin’ny fandehan-javatra ratsy miorina eo amboniny.

14. Karazan’olona manao ahoana moa no ho nanjavona ary iza no tsy ho faty?

14 Manaraka izany koa, dia tsy hoe hifarana hatreo avokoa akory ny fiainan’olombelona rehetra. Ny “ratsy fanahy” no haringana (II Petera 3:7). Ireo olona mahaforona ny izao tontolo izaon’ny tsy mpino dia ho efa nanjavona; fa araka ny anampin’ny I Jaona 2:17 kosa anefa: “Izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” Mba hetezan’izany indrindra no nanomezan’i Jesosy Kristy ny ainy ho an’ny olombelona. — Hebreo 5:9.

15. Raha tiantsika ny tsy ho ringana amin’ny fahataperan’izao fandehan-javatra ankehitriny izao ka ho velona ao amin’ny fandehan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra, inona moa no tokony hataontsika dieny izao?

15 Hivelatra eo anoloan’ireo izay tsy hahita fahafatesana eo amin’ny fahataperan’izao fandehan-javatra ratsy ankehitriny izao ny fanantenana kanto, dia ny ho velona mandrakizay eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra feno ny rariny. Moa ve hianao ho ao? Afaka ho anisan’izany hianao. Nefa, mba hahatafidiranao ao dia “mazotoa” dieny izao mba hahatonga ny Tenin’Andriamanitra hisy vokany lalina eo amin’ny fiainanao rehetra (II Petera 3:13, 14; Romana 12:1, 2). Tokony ho feno fisaorana an’i Jehovah tokoa isika noho ny nanomezany lalam-pamonjena antsika noho ny fitiavany amam-pamindrampony!

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 95]

TARANAKA IRAY IHANY

1914

FAHATAPERAN’NY FANDEHAN-JAVATRA RATSY

Fitomboan’ny faharatsiana

Firenena mamely firenena

Horohorontany

Mosary

Fahorian’ny firenena noho ny fahaverezan-kevitra

Andro mahory

Tsy manoa ray sy reny

Mpanontolo fo

Tsy mahonom-po

“ANDRO FARANY”