Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza moa Andriamanitra?

Iza moa Andriamanitra?

Toko Faha-3

Iza moa Andriamanitra?

1. Nahoana moa no misy hevitra mikorontana be mikasika an’Andriamanitra?

 TSY mbola nisy nilan’ny olombelona an’Andriamanitra sy ny fanampiany toy ny amin’izao fotoana izao. Tsy maintsy mamantatra azy isika; miankina amin’izany ny fiainantsika! Nefa tsy araka izany fa amin’izao androntsika izao dia mbola be ny hevitra mikorontana mikasika azy satria amin’izao fotoana izao, toy ny taloha ihany, ny olona dia manompo izao karazan’andriamanitra rehetra izao, arakaraka ny tany onenany. Milaza marina anefa ny Baiboly fa tokana ihany no Andriamanitra marina. — I Korintiana 8:5, 6.

2. a) Moa ve ny teny hoe “Andriamanitra” no anarana manokan’ilay Andriamanitra marina? b) Iza moa no anarany manokana?

2 Mba hiavahany amin’ireo andriamani-diso marobe, ilay Andriamanitra marina dia naka anarana manokana ho an’ny tenany. Izany anarana izany dia manavaka azy amin’ny andriamanitra hafa rehetra. “Noheveriko fa hoe Andriamanitra fotsiny no anarany”, hoy angamba ny sasany. Tsy izany anefa no izy satria ny hoe “Andriamanitra” dia anaram-boninahitra fotsiny, toy ny hoe “prezidà” na “mpanjaka” na “mpitsara”. Tamin’ny alalan’ny Teniny, dia ny Baiboly, no nampahafantaran’Andriamanitra antsika ny anarany manokana, dia: JEHOVAH. Io anarana io dia voatonona ao amin’ny Salamo 83:18 izay amakiantsika hoe: “Aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.” Saika ao amin’ny fandikana ny Baiboly rehetra mihitsy dia ahitana an’io anarana io, ao amin’ny Apokalypsy na Fanambarana 19:1-6, ao anatin’ny teny hoe “Haleloia”, izay ny heviny dia hoe “Miderà an’i Jah” (fanafohezana ny hoe Jehovah). Ilay boky katolika atao hoe Dictionnaire de la Bible nataon’i Vigouroux (1912, boky III, laharana 1220), dia manambara toy izao mikasika ny Anaran’Andriamanitra: “JEHOVAH, anarana manokan’Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Taloha.” Ny fandikan-teny katolikan’ny Baiboly ho amin’ny fiteny malagasy dia manonona ny anaran’Andriamanitra hoe “Iaveh” ary ny Baiboly hafa vao haingana dia manoratra azy hoe “Yahweh” (Iahoeh). Fa nahoana?

3. a) Amin’ny endriny ahoana moa no isehoan’ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Soratra hebreo? b) Nahoana moa no tsy mety ho fantatra mihitsy ny tena fomba fanonon’ireo Hebreo fahiny ny anaran’Andriamanitra?

3 Amin’ny teny hebreo, fiteny nanoratana an’ireo boky sivy amby telopolo voalohany ao amin’ny Baiboly (ary mbola manampy an’izany koa ireo boky “deoterokanonika” fito ao amin’ny Baiboly katolika), ny anaran’Andriamanitra dia hita an’arivony maro amin’ny endriky ny litera hebreo efatra hoe YHWH. Tamin’ny voalohany, ny teny hebreo dia nosoratana tsy amin-janatsoratra, fa dia ny mpamaky ihany no nanampy ireo rehefa namaky teny. Ny manahirana dia ny tsy fahafantarantsika izay tena zanatsoratra notononin’ny Hebreo niaraka tamin’ny renisoratra YHWH. Misy amin’ireo mpahay fiteny hebreo mihevitra fa ny anaran’Andriamanitra dia notononina hoe “Yahweh” (Iahoeh); “Jehovah” anefa no endriny nahazatra izay nampiasaina efa nandritra ny taon-jato maro.

4. a) Nahoana moa no tsy manaraka ny rariny ny hevitry ny mpitondra fivavahana sasany izay milaza fa noho ny tsy fahalalana ny tena fomba fanonona ny anaran’Andriamanitra dia tokony tsy hanonona azy mihitsy isika? b) Inona moa no mbola ratsy lavitra noho ny tsy fanononana tsara ny anaran’Andriamanitra? d) Araka ny Asan’ny Apostoly 15:14, nahoana moa no zava-dehibe ny hampiasana ny anaran’Andriamanitra?

4 Noho ny fisalasalana mikasika ny tena fanononana marina ny anarana manokan’Andriamanitra dia misy mpitondra fivavahana milaza fa tsy tokony hotononina izy io ka dia soloany amin’ny hoe “Andriamanitra” na “Tompo”. Nefa ny hevitra arahiny amin’izany dia tsy mitovy amin’ny ataony amin’ny hoe “Jesosy” sy “Jeremia”. Hafa dia hafa anefa ny fanononana an’ireo teny ireo noho ny endriny amin’ny teny hebreo hoe “Yeshoah” sy “Irmeyâho”. Tsy izay fomba fanonona ny Anaran’Andriamanitra akory no zava-dehibe, na “Iahoeh” izany, na “Jehovah”, na izay fomba hafa mahazatra kokoa ao amin’ny fiteninao. Ny tena ratsy dia ny tsy fetezana hanonona an’io anarana io. Fa nahoana? Ny antony dia satria ireo izay tsy mampiasa mihitsy an’io anarana io dia tsy azo lazaina fa anisan’ny kristiana izay nofidin’Andriamanitra mba ho “olona (...) hankalazana ny anarany”. (Asan’ny Apostoly 15:14.) Isika dia tsy vitan’ny hoe tsy maintsy mahalala ny anaran’Andriamanitra fotsiny, fa tsy maintsy manome voninahitra sy midera azy koa eo anatrehan’ny mpiara-belona amintsika, toy ny nataon’ilay Zanak’Andriamanitra fony izy nivahiny tetỳ an-tany. — Matio 6:9; Jaona 17:6, 26.

IREO TOETR’ANDRIAMANITRA SY NY ANTONY TSY TOKONY HIVAVAHANA AFA-TSY AMINY IRERY IHANY

5. Nahoana moa no tsy nisy olona nahita an’Andriamanitra mihitsy?

5 Inona moa no ampahafantarin’ny Baiboly antsika mikasika an’Andriamanitra? Ampahafantariny antsika fa “Andriamanitra dia Fanahy”. (Jaona 4:24.) Ny fanahy (esprit) akory tsy mba nofo aman-dra na miforona amin’ny zavatra hafa azo tsapaina na zahan’ny fomba fitsapan’ny olombelona. (I Korintiana 15:44, 50). Noho izany dia tsy mbola nisy mason’olombelona nahita an’Andriamanitra mihitsy (Jaona 1:18). Izy dia ambony noho izay rehetra mety ho hitan’ny masontsika. Ny fijoalajoalan’ny tendrombohitra sy ny famirapiratry ny masoandro, ary na dia ny fanjelajelatry ny lanitra feno kintana aza dia tsinontsinona daholo raha ampitahaina aminy. — Isaia 40:25, 26.

6. a) Teny ahoana sy ahoana avy moa no ilazan’ny Baiboly, ao amin’ny Apokalypsy 15:3, 4 ny toetr’Andriamanitra? b) Moa va nanam-piandohana Andriamanitra?

6 Koa tsy mahagaga àry raha ventesina any an-danitra izao hira izao: “Lehibe sy mahatalanjona ny asanao Tompo [Jehovah, MN ] ô, Andriamanitra Tsitoha; mahitsy sy marina ny làlanao, ry Mpanjaka mandrakizay. Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo [Jehovah, MN ] ô? Fa Hianao ihany no masina.” (Apokalypsy 15:3, 4). Noho izy Mpamorona ny zavatra rehetra, Jehovah Andriamanitra, ilay “Mpanjaka mandrakizay”, dia nisy talohan’ny manan-tsaina hafa rehetra. Izy dia efa “nisy mandrakizay ka ho mandrakizay”; izany hoe tsy nanam-piandohana izy sady tsy hanam-piafarana mihitsy. — I Timoty 1:17; Salamo 90:2, Kat.

7. a) Araka ny Apokalypsy 4:11, nahoana moa no mety ny tsy hanompoantsika afa-tsy Jehovah irery ihany? b) Tamin’ny alalan’ny inona moa no namoronan’Andriamanitra ny zavatra rehetra?

7 Noho izany dia Andriamanitra irery ihany no tokony hiantefan’ny fanompoam-pivavahantsika. Rehefa dinihintsika ny asany dia tsy afaka ny tsy hiray feo amin’ireo izay mihiaka toy izao isika: “Hianao, Tomponay [Jehovah, MN ] sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao no naha-nisy sy nahary azy.” (Apokalypsy 4:11). Tsy mba tamin’ny fiasana toy ny fampiasan’ny olombelona no nanatanterahan’Andriamanitra ny asa famoronany fa tamin’ny alalan’ny fanahiny masina, dia ny heriny miasa tsy hita maso (Genesisy 1:2: Salamo 104:30). Tamin’ny alalan’io fanahy masina io ihany koa, taty aoriana, no nampanoratany ny Baiboly mba hahalalantsika ny sitrapony amam-pikasany mikasika ny olombelona etỳ ambonin’ny tany. — II Petera 1:21.

8. a) Nahoana moa isika no hadinina eo anatrehan’Andriamanitra? b) Noho izany, inona moa no fanontaniana tsara hoheverintsika manokana?

8 Koa satria ‘noho ny sitrapony’ no nahariana ny zavatra rehetra, ireo izany dia tsy maintsy miara-manatanteraka ny fikasany avokoa. Jehovah dia nampahafantatra an’i Adama sy Eva, ilay lehilahy voalohany sy ilay vehivavy voalohany, ny fikasany mikasika azy ireo, ary ireo dia hadinina eo anatrehany ny amin’ny fomba hanatanterahany azy. Ary isika, moa ve isika hadinina eo anatrehan’Andriamanitra? Eny, satria Andriamanitra no Loharanon’ny fiainantsika. Izany dia marina, satria aloha isika rehetra dia samy avy amin’ireo olombelona mpivady voalohany, ary ny fiainan’ireo dia azony avy tamin’Andriamanitra, ary faharoa manaraka izany, satria ny fiainantsika dia miankina isan-andro amin’ny masoandro sy ny ranonorana ary ny rivotra aman-tsakafo izay samy avy amin’i Jehovah koa (Salamo 36:9; Matio 5:45). Koa hatraiza àry ny fetra ifanarahan’ny fomba fiainantsika amin’ny fikasan’Andriamanitra mikasika antsika? Tsara hoheverintsika manokana mihitsy io fanontaniana io satria miankina amin’izany ny fanantenantsika ny ho velona mandrakizay.

9. a) Amin’ny heviny ahoana moa no tokony hatahorantsika an’Andriamanitra? b) Nahoana moa isika no tokony hifaly satria tsitoha Jehovah?

9 Moa ve isika tokony hatahotra an’Andriamanitra tokoa? Izany dia izany tokoa, nefa izany dia tahotra mahavonjy, tahotra sao mikomy amin’ny sitrapony, ary ny sitrapony dia ara-drariny. Na dia amin’ny raharaha tsy dia manao ahoana loatra aza, moa ve isika tsy matahotra sao maradratra na matimaty foana? Koa vao mainka isika tokony hatahotra sao tsy mahazo sitraka amin’i “Jehovah, Andriamanitra Tsitoha”! Nefa isika dia afaka mifaly noho ny maha-tsitoha azy, satria “ny mason’i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy”. (II Tantara 16:9; jereo koa Isaia 40:29-31). Mahazo matoky koa isika fa Jehovah dia mampiasa hatrany ny heriny noho ny antony tsara ary mba hanasoavana an’ireo sakaizan’ny rariny, satria “Andriamanitra dia fitiavana”. — I Jaona 4:8.

10. Noho ny toetr’i Jehovah manao ahoana avy moa no mahafaly antsika ny maha-Andriamanitsika azy?

10 Tsy mba Andriamanitra lozabe àry Jehovah. “Fa ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa.” (Deoteronomia 32:4). Marina fa izy dia “Andriamanitra mitaky firaiketana tanteraka” aminy, kanefa koa izy dia “Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana”. (Eksodosy 20:5, Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao [anglisy]; 34:6.) “Fa Izy mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika.” (Salamo 103:14). Azontsika ifaliana manokana ny fananantsika Andriamanitra be famindrampo toy izany ho Mpitsara tampony sady Mpanome lalàna ary Mpanjaka. — Isaia 33:22.

11. Na dia tsy azontsika aza ny antony amoahan’Andriamanitra lalàna iray, nahoana moa isika no hanaraka izany ihany?

11 Ao amin’i Jehovah no misy ny “fahendrena sy hery; Izy no manana hevitra sy fahalalana”. (Joba 12:13.) Mibaribary eo amin’izay rehetra noforoniny ny porofon’ny fahendreny, na eny an-danitra izany, na etỳ an-tany, hany ka ho azo atao ny hilaza hoe: “Ahoana no mety hisalasalana ny amin’ny fahendren’Andriamanitra?” Ny Baiboly dia mampiseho fa ny lalàny dia navoaka mba ho fahasoavana ho antsika, ary ho fiarovana ny tombontsoantsika mandrakizay. Noho ny maha-voafetra ny fahalalantsika sy ny fahazarantsika manao zavatra dia mety ho tsy azontsika tanteraka indraindray ny antony maha-zava-dehibe indrindra ny lalàn’Andriamanitra iray sy ny fomba tena hitondrany tombontsoa ho antsika. Nefa raha inoantsika mafy fa hendry lavitra sy mahery lavitra noho isika Andriamanitra sady ho fanasoavana antsika mandrakizay no anaovany izany, dia hanaraka ny teniny amin’ny fontsika rehetra isika. — Salamo 19:8-12; Mika 6:8.

MOA VE “TRINITE” ANDRIAMANITRA?

12. a) Inona moa no lazain’ny fanekem-pinoan’i Athanase mikasika an’Andriamanitra? b) Inona moa ny fanontaniana tsara hapetraka mikasika an’io fampianarana io?

12 Antokom-pinoana marobe ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana no mampianatra fa “Trinite” (telo izay iray) Andriamanitra, na dia tsy misy ahitana an’io fitenenana io mihitsy aza ao amin’ny Baiboly. Vao haingana foana izay ny “Conseil œcuménique des Eglises” dia nanapa-kevitra fa ny fivavahana rehetra mivondrona ao aminy dia tsy maintsy mino fa misy “Andriamanitra tokana, Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina”, izany hoe, Andriamanitra tokana misy persona telo. Ireo izay mampianatra io fampianarana io dia manaiky fa “mistery” na “zava-miafina masina” izany. Ny fanekem-pinoan’i Athanase izay nosoratana tany amin’ny taon-jato faha-8 amin’ny fanisan-taona iraisana dia manizingizina fa mitovy ny zavatra irafetan’ny tenan’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mandrakizay izy telo ireo (noho izany dia tsy nanam-piandohana) ary samy tsitoha. Araka ny voalaza ao amin’io fanekem-pinoana io, “amin’izany trinite izany dia tsy misy azo atao hoe voalohany na farany, tsy misy lehibe kokoa na kely kokoa” a. Moa ve ara-dalàna izany? Ary ny mbola zava-dehibe kokoa aza, moa ve izany mifanaraka amin’ny Baiboly?

13. Araka ny “encyclopédie catholique” iray, moa ve ireo mpaminany hebreo sy ireo kristiana voalohany nino ny “Trinite”?

13 Na ireo mpaminany hebreo na ireo apostoly kristiana dia samy tsy nisy nahalala an’io fampianarana io. Ny Nouvelle encyclopédie catholique (anglisy, 1967, boky XIV, pejy faha-306) dia miaiky fa “ny fampianarana ny amin’ny Trinite Masina dia tsy mba ampianarina ao amin’ny T.T. [ny Testamenta Taloha]”. Io boky io dia manaiky koa fa io fampianarana io dia nanomboka tokony ho teo amin’ny dimampolo amby telon-jato taona taorian’ny nahafatesan’i Jesosy Kristy. Hita àry fa ireo kristiana voalohany izay nanana ny tenan’i Jesosy ho Mpampianatra azy dia tsy nino an’Andriamanitra ho “Trinite”.

14. Ahoana moa no nanehoan’i Jesosy fa tsy nitovy tamin’ny Rainy izy akory?

14 Fony izy nivahiny tetỳ ambonin’ny tany, Jesosy dia tsy nitovy velively tamin’ny Rainy satria nanambara izy fa nisy zavatra sasany tsy fantany no sady tsy fantatry ny anjely koa kanefa Andriamanitra irery ihany no nahafantatra azy. (Marka 13:32). Izy koa dia nivavaka tamin’ny Rainy ary nangataka azy mba hanampy azy teo amin’ny fitsapana nihatra taminy. (Lioka 22:41, 42). Nanizingizina toy izao Jesosy: “Ny Ray dia lehibe noho Izaho.” (Jaona 14:28). Izany no antony niantsoany ny Rainy hoe: “Andriamanitro” sy “Andriamanitra tokana sady marina”. — Jaona 20:17; 17:3.

15. Nahoana moa no mazava fa na dia hatramin’ny nitsanganany tamin’ny maty aza dia tsy nitovy tamin’Andriamanitra Jesosy?

15 Taorian’ny nahafatesan’i Jesosy dia nanangana azy tamin’ny maty Andriamanitra ary dia nanafy azy voninahitra lehibe noho ny nananany teo aloha. Na dia izany aza anefa dia tsy mbola nitovy tamin’ny Rainy ihany izy. Ahoana no ahazoantsika matoky ny amin’izany? Satria taona maro taty aoriana, ny Soratra Masina azo tamin’ny tsindrimandry dia nanambara fa mbola Andriamanitra ihany “no lohan’i Kristy”. (I Korintiana 11:3.) Milaza amintsika koa ny Baiboly fa Jesosy dia tsy maintsy manjaka mandra-panaon’Andriamanitra, izay nampanjaka azy, ny fahavalony rehetra ho eo ambanin’ny tongony, ary aorian’izany, “ny tenan’ny Zanaka koa aza no hanaiky Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy, mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra ihany [mba ho zavatra rehetra amin’izy rehetra Andriamanitra, MN ]”. (I Korintiana 15:28). Hita miharihary amin’izany fa na dia hatramin’ny nitsanganany tamin’ny maty aza, dia tsy mitovy amin’ny Rainy Jesosy Kristy.

16. a) Moa ve Jesosy nampianatra ny “Trinite” raha nilaza hoe: “Izaho sy ny Ray dia iray ihany”? b) Inona no tian’i Jesosy holazaina?

16 Nefa moa ve Jesosy indray andro tsy nilaza hoe: “Izaho sy ny Ray dia iray ihany”? (Jaona 10:30). Marina izany, kanefa io teny voarafitra io akory tsy manohana velively ny “Trinite”. Eo mantsy tsy misy filazana persona telo fa roa ihany. Tsy mandiso an’ireo andalan-teny ao amin’ny Soratra Masina vao avy novakintsika teo akory Jesosy. Ny tenany ihany no nanazava ny tiany holazaina tamin’io teny voarafitra io, taty aoriana, raha nivavaka ho an’ireo mpianany izy ka nangataka tamin’Andriamanitra “mba ho iray izy, tahaka ny mahiray antsika”. (Jaona 17:22.) Jesosy sy ny Rainy dia “iray” ihany noho Jesosy mifanaraka tanteraka amin’ny Rainy. Ary dia nivavaka izy mba hahatonga ireo mpianany koa hifanaraka tanteraka amin’ny Rainy sy amin’ny tenany ary amin’izy samy izy.

17. Amin’ny ahoana no tsy ampianaran’ny Jaona 1:1 ny “Trinite”?

17 Fa ahoana kosa no tokony handraisana ny Jaona 1:1 izay iantsoan’ilay apostoly an’i Jesosy hoe “Teny” ka ilazany hoe: “Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra”? Moa ve io tsy porofon’ny “Trinite”? Tsy izany velively! Mariho kely aloha fa tsy milaza persona telo Jaona eo fa roa ihany. Manaraka izany koa, ny andininy faharoa amin’io toko io dia milaza fa ny Teny “dia tao [niaraka tamin’, MN ] amin’Andriamanitra tamin’ny voalohany”. Fanampin’izany koa, ny andininy faha-18 dia milaza amintsika fa “tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana”, kanefa dia olona marobe no nahita an’i Jesosy Kristy. Noho ireo antony ireo, sy mifanaraka koa amin’ny teny grika no andikan’ny fandikan-teny sasany ny andininy voalohany toy izao: “Ny Teny dia teo anilan’Andriamanitra, ary ny Teny dia andriamanitra”, izany hoe, ny Teny dia andriamanitra mahery (Bible du Centenaire; MN ). Io andinin-teny ao amin’ny Baiboly io àry dia mifanaraka amin’ny sisa amin’ny Soratra Masina; izy io dia tsy mampianatra ny “Trinite”. b

18. Amin’ny fomba ahoana no anaporofoan’ny fitantaran’ny Baiboly ny zava-niseho tamin’ny Pentekosta tamin’ny taona 33 fa tsy mety ho persona akory ny fanahy masina?

18 Ary raha ny amin’ny “Fanahy Masina” kosa, izay lazaina fa “persona fahatelo ao amin’ny Trinite”, izy io dia efa hitantsika fa tsy persona akory fa hery miasan’Andriamanitra (Mpitsara 14:6). Nilaza Jaona Mpanao-batisa fa Jesosy dia hanao batisa olona sasany amin’ny fanahy masina toy ny nanaovan’ny tenany batisa tamin’ny rano. Ary ny rano anefa dia tsy persona, toy izany koa ny amin’ny fanahy masina (Matio 3:11). Ny faminanian’i Jaona dia tanteraka rehefa niasa tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany Andriamanitra ka nampandatsaka ny fanahy masina teo amin’ireo apostoly sy mpianatra vory tamin’ny andron’ny Pentekosta tamin’ny taona 33, hany ka “samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra”. Moa ve izy ireo nanjary “feno” persona iray? Tsia, fa ny hery miasan’Andriamanitra no nameno azy. — Asan’ny Apostoly 2:4, 33.

19. a) Ho famaranana, moa ve azo lazaina fa fampianarana ao amin’ny Baiboly ny “Trinite”? b) Tao amin’ny tany tamin’ny andro fahagola aiza moa no nisy mpanompo sampy nino fitambaran-telon’andriamanitra maro?

19 Raha fintinina àry, inona moa no hamarinin’ny zava-miseho mikasika ny “Trinite”? Na io teny io, na ny hevitra ambarany dia samy tsy misy hita ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly. Tsy avy amin’Andriamanitra io fampianarana io. Tsara kosa anefa ny manamarika (jereo Babylonian Life and History nosoratan’i sir E. A. Wallis Budge, 1925 pejy faha-146, 147) fa ireo mpanompo sampy tany Babylona fahiny dia nanana an’io finoana io; hita mihitsy fa “triades” na fitambaran-telon’andriamanitra maro no nivavahany.

NY FOMBA FIVAVAKA AMIN’ANDRIAMANITRA “AMIN’NY FANAHY SY NY FAHAMARINANA”

20. Araka ny Romana 12:2, inona moa no tsy maintsy ataontsika mba hanehoana fandavan-tena tsy mizarazara ho an’Andriamanitra?

20 Mba hitiavana sy hanajana olona iray, dia ilaina ny fahalalana azy amin’ny maha-tena izy azy. Mba hanolorana ho an’Andriamanitra ny fandavan-tena tsy mizarazara mendrika azy, dia tsy maintsy mianatra ny Teniny hianao ary ‘mamantatra ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina’. (Romana 12:2.) Ny zava-dehibe dia ny hahalalana, tsy ny fomba itiavan’ny olona kokoa hanompoana an’Andriamanitra akory fa ny fomba tian’Andriamanitra hanompoantsika azy.

21. Araka ny filazan’ny Zanak’Andriamanitra mihitsy, amin’ny fomba ahoana moa no tian’Andriamanitra hivavahana aminy?

21 Angamba ireo fombafombam-pivavahana sy ireo “fiasana enti-manompo” mety hahafinaritra ery eo imason’ny mpiangona sasany, fa ahoana kosa no fihevitr’Andriamanitra azy? Tsy maintsy manintona ny sainao tokoa ny amin’io hevitra io satria hianao maniry hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra. Ary anefa dia ilay Zanak’Andriamanitra mihitsy no nilaza tamintsika fa “ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy (esprit) sy ny fahamarinana”. (Jaona 4:23.) Moa àry ve fivavahana “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana” ny fivavahana amin’ny sary, ohatra? Moa ve Andriamanitra mankasitraka izany fomba izany?

22. a) Ao amin’ny Eksodosy 20:4, 5, inona moa no ambaran’ny Baiboly mikasika ny sary “masina”? b) Teny ahoana moa no ampiasain’ny Tenin’Andriamanitra hanehoana fa tsy anisan’ny fivavahana marina ny fampiasana sary ho “fiasana enti-manompo”?

22 Hoy Andriamanitra tao amin’ny iray amin’ireo Didy Folo: “Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anao, na sary (...). Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny na hanompo azy akory hianao.” (Eksaody 20:4, 5, Kat). Misy mpino mihevitra fa hanampy azy hivavaka tsaratsara kokoa amin’Andriamanitra ny sary masina iray noho izy hitany sy azony tsapain-tanana. Nefa Andriamanitra dia nampanoratra ny apostoly Paoly teo ambanin’ny tsindrimandry hoe: “Finoana no andehanantsika fa tsy fahitana.” (II Korintiana 5:7). Tsy misy fihambahambana mihitsy ny filazan’i Jehovah amintsika fa tsy mety ho anisan’ny fivavahana marina ny fampiasana sary; izany fanao izany dia antsoiny hoe “lainga” (Isaia 44:14-20; Salamo 115:4-8.) Na toy inona na toy inona filazana fa kely lavitra noho ny voninahitra omena an’Andriamanitra ny omena an’ilay sary, Jehovah dia mampahafantatra marina fa tsy ekeny ny hizara ny voninahiny na ny haja tokony ho azy amin’izay sary, na inona izany na inona. — Isaia 42:8.

23. Noho ny fanarahana ny tenin’ny apostoly Jaona hoe ahoana moa no tokony handinihantsika ny tranontsika?

23 Milaza amintsika amim-pitiavana toy izao ny apostoly Jaona: “Anaka, arovy ny tenanao amin’ny sampy.” (I Jaona 5:21). Diniho ny tranonao mba hahafantarana tsara raha manaraka izany didy izany hianao (Deoteronomia 7:25). Raha ampifanarahinao amin’ny sitrapon’ilay Andriamani-pitiavana, dia Jehovah, ny fiainanao sy ny fanompoam-pivavahanao dia mety hahazo fitahiana mandrakizay avy amin’ny tanany hianao. — I Korintiana 10:14.

24. Raha maniry hanatona an’Andriamanitra amim-pahatsorana isika, inona moa no tokony hataontsika?

24 Mianara hatrany mba hahalalanao ny fahambonian’i Jehovah mbamin’ireo fikasany maneho fitiavana; amin’izany dia tsy hitsahatra hitombo ny fitiavanao azy. Aza avela hisy andro iray handalo foana ka tsy ho nisaoranao azy noho ny zava-tsoa ahitanao fifaliana noho ny hatsaram-pony. Arakaraka ny hahalalanao azy tsaratsara kokoa, dia ataovy tsara soritra ao am-ponao ny maha-zava-dehibe ny ho mahatoky azy, satria izy no ilay Andriamanitra lehibe eo amin’izao rehetra izao. Raha tia azy koa sady manaraka ny teniny hianao dia hizotra ho amin’ny lalana mitondra ho amin’ny fiainana mandrakizay. — Efesiana 4:23, 24; Salamo 104:33-35.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Cyclopœdia of Biblical, Theological and Ecclesiastical Literature nataon’i J. M’Clintock sy J. Strong, boky II, pejy faha-561.

b Ireo mpanohana ny fampianarana momba ny “Trinite” dia tsy mampiasa loatra intsony ny teny hoe: “Ny Ray sy ny Teny ary ny Fanahy Masina; ary izy telo ireo dia mifanaraka” izay hita ao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly sasany (I Jaona 5:7, Kat). Ireo mpandinika dia samy manaiky fa teny nasisika ireo ka tsy misy ao amin’ny teny azo tamin’ny tsindrimandry.

[Fanontaniana]