Jesosy Kristy, ilay hitahian’Andriamanitra ny olombelona
Toko Faha-6
Jesosy Kristy, ilay hitahian’Andriamanitra ny olombelona
1. Raha ta-hahazo soa avy amin’ny fiainana mandrakizay isika, inona moa no tsy maintsy inoantsika?
MAMPISEHO fitiavana tokoa lahy, ny fandaharana nataon’i Jehovah tamin’ny alalan’ny Zanani-lahy, mba hitahiana olombelona avy amin’ny karazana sy ny firenena rehetra! Mampanantena antsika fanafahana amin’ny fampahoriana sy ny fahotana ary ny fahafatesana izy. Fanantenana kanto loatra re izany! Tena ilaintsika anefa ny hahafantarana fa tsy mety hahazo an’ireo fahasoavana ireo mihitsy ny taranak’olombelona raha tsy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Izany no antony nanomezan’Andriamanitra tsindrimandry ny apostoly Petera ka nampitenenany azy toy izao mikasika an’i Jesosy: “Ary tsy misy famonjena amin’ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.” (Asan’ny Apostoly 4:12). Raha mahazo fahalalana marina mikasika izany fanafahana izany hianao ka mino ny fikasan’Andriamanitra mikasika an’i Kristy, dia mety ho azonao heverina ny fanantenana hahazo an’ireo tombontsoa kanto ho entin’ny fiainana mandrakizay.
2. a) Inona moa ny fampanantenam-pitahiana nomen’Andriamanitra an’i Abrahama ary iza no hita miharihary fa ‘taranany’? b) Tandindon’iza avy moa ny fisoronana mbamin’ireo sorona araka ny Lalàn’i Mosesy? d) Tamin’ny fomba ahoana moa no nampahafantaran’ny Baiboly an’ilay ho Mpanjaka ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra?
2 Efa hatramin’ny arivo taona maro izao no niandrasan’ny olona nanam-pinoana ny fahatanterahan’io fanantenana io izay miorina mafy amin’ny fampanantenana nataon’Andriamanitra. Jehovah tokoa mantsy no nampanantena an’i Abrahama patriarka filohan’ny Hebreo fa hisy fitahiana “ny firenena rehetra ambonin’ny tany” amin’ny alalan’ny ‘taranany’. Hita niharihary fa Jesosy Kristy no tena lehibe tamin’izany ‘taranany’ izany (Genesisy 22:18; Galatiana 3:14-16, 28, 29). Teo ambanin’ny Lalàna nomeny ny Isiraely, Andriamanitra dia nanangana koa fisoronana sy karazana sorona maro samihafa. Ireny fandaharana ireny dia nanambara mialoha an’i Jesosy. Izy ireny dia nanintona ny sain’ny olona ho aminy izay Mpisoronabe ambony indrindra, sy ho amin’ny soron’ny ainy tamin’ny naha-olombelona azy, izay natolony mba hanesorana tanteraka ny fahotana sy hanomezana fanafahana, na dia amin’ny fahafatesana aza (Galatiana 3:24; Hebreo 9:11, 12; Jaona 1:29). Ankoatr’izany koa, Jehovah dia nampanambara mialoha fa ilay hahazoan’ny olombelona fiadanana tsy hanam-pahataperana dia ho avy amin’ny taranak’i Davida mpanjaka ary dia hatsangana ho Mpanjaka amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ka hanapaka ny tany manontolo. Raha nilaza ny hahaterahan’i Jesosy ho olombelona ny anjely Gabriela dia nanambara hoe: “Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy.” (Lioka 1:32; jereo koa Isaia 9:5, 6; Daniela 7:13, 14). Eny, ny Tenin’Andriamanitra iray manontolo dia mitarika ny saintsika ho amin’i Jesosy Kristy izay hampiasain’i Jehovah Andriamanitra hizarana amin’ny olona ireo soa avy amin’ny fiainana mandrakizay. — Lioka 2:25-32; Filipiana 2:9-11.
NY FISIANY TALOHAN’NY NAHA-OLOMBELONA AZY
3. a) Tamin’ny heviny ahoana moa no naha-Zanak’Andriamanitra “Lahimatoa” an’i Jesosy? b) Nahoana moa ny Baiboly no milaza fa Jesosy dia Zanak’Andriamanitra “Lahitokana”?
3 Moa ve efa fantatrao fa Jesosy dia efa nanana fiainana be voninahitra talohan’ny nahaterahany ho olombelona tetỳ an-tany? Ny Baiboly dia mampahafantatra antsika fa izy no Zanak’Andriamanitra “Lahimatoa”, izany hoe, izy no noharìna talohan’ny zanaka hafa mahaforona ny fianakavian’Andriamanitra. Izy koa no Zanak’Andriamanitra “Lahitokana”, satria izy irery ihany no zanaka noforonin’i Jehovah Andriamanitra mivantana, fa ny zavatra hafa rehetra dia tonga teo amin’ny fiainana tamin’ny alalany satria izy no lehiben’ny Mpanao raharahan’Andriamanitra. Araka izany, elabe talohan’ny nahaterahany ho zazalahy tetỳ an-tany no efa nanompoany an’Andriamanitra tany an-danitra izay nahalalana azy tamin’ny anarana hoe “ny Teny”, dia mpitondra tenin’Andriamanitra. — Jaona 1:3, 10, 14; Kolosiana 1:15-17.
4. Ahoana moa no teny nanambaran’i Jesosy fa efa velona tany an-danitra izy talohan’ny nahatongavany teto an-tany?
4 Izany no antony nahafahan’i Jesosy nilaza tsy nisy diso hoe: “Fony mbola tsy àry Abrahama, dia efa izaho aho”, ary hoe: “Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra.” (Jaona 8:58, Kat.; 6:51). Raha niteny ny amin’ny toerana ambony notanany tany an-danitra izy, dia izao no vavaka nataony: “Ray ô, mankalazà Ahy amin’ny tenanao, dia amin’ny voninahitra niarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao.” — Jaona 17:5.
NY FIAINANY TETY AN-TANY
5. a) Rehefa tonga ny fotoana tsy maintsy hahatongavan’ilay Zanak’Andriamanitra ho olombelona tetỳ an-tany, tamin’ny fomba ahoana moa no nanaovan’Andriamanitra an’izany famindran-toerana izany? b) Nahoana moa Jesosy zaza no nety ho teraka tsy nanana ny ota avy tamin’i Adama?
5 Araka ny fikasan’Andriamanitra izay efa nihevitra mialoha fa hitahy ny olona manam-pinoana, dia nigadona ny fotoana nahatongavan’io Zanaka tany an-danitra io ho olombelona tetỳ an-tany. Mba hisian’izany dia tsy maintsy nanao fahagagana Andriamanitra. Tamin’ny alalan’ny fanahiny masina na heriny miasa, Jehovah dia namindra ny ain’i Jesosy avy tany an-danitra ho ao an-kibon’ny virijina jiosy iray nantsoina hoe Maria. Tamin’ny fampiomanana nataony tamin’i Maria dia izao no nambaran’ny anjely Gabriela: “Ny Fanahy Masina ho tonga aminao, ary hisy herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay hateraka dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra.” (Lioka 1:35). Tsy nananosarotra mihitsy ilay Mpamorona nanao izany famindran-toerana izany. Azon’ilay namorona ny vehivavy voalohany ka nametraka tao aminy ny fahefana hiteraka natao tokoa ny hahatonga vehivavy iray hiteraka tsy tamin’ny alalan’ny ray olombelona. Ny tenan’Andriamanitra no tompon’andraikitra tamin’ny ain’io zaza io. Tsy Andriamanitra akory Jesosy fa Zanak’Andriamanitra. Izy dia lehilahy tanteraka tsy nanana ny otan’i Adama. Fa ahoana izany? Satria mantsy, toy ny efa nanambaran’ilay anjely azy, ny “herin’ny Avo Indrindra” no tompon’andraikitra tamin’ny nahatorontoronina azy, ka nitarika mihitsy koa ny fitomboany tao an-kibon’i Maria.
6. a) Toy ny efa nanambarana azy mialoha, taiza moa Jesosy no teraka? b) Nahoana moa Jesosy no nanolo-tena hatao batisa?
6 Toy ny efa nanambarana azy mialoha, taon-jato maro talohan’izay, Jesosy dia teraka tao amin’ny tanànan’i Davida mpanjaka, tao Betlehema any Jodia (Mika 5:1). Mandra-pahatrarany ny fahatelopolo taonany teo ho eo, dia niara-niaina tamin’ny reniny sy tamin’i Josefa, rainy nitaiza azy, izy, sady nanao ny asan’ny mpandrafitra. Avy eo dia tonga ny fotoana voatendrin’Andriamanitra hiovan’i Jesosy raharaha. Izany no nankanesany ho any amin’i Jaona Mpanao-batisa mba hataony batisa amin’ny fandrobohana azy tanteraka tao anatin’ny ranon’ny Jordana. Tamin’izany asa izany no nanehoany fa niseho teo anatrehan’Andriamanitra izy mba hanatanteraka ny asa izay nanirahan’Andriamanitra azy tetỳ an-tany. Tamin’ny fanekeny hatao batisa, Jesosy dia nanome ny ohatra tokony harahin’ireo izay mampiseho finoana azy; taty aoriana dia nodidiany ny mba hanaovana batisa an’ireo rehetra izay ho tonga mpianany. — Matio 28:19, 20.
7. Inona moa no nataon’Andriamanitra tamin’ny nanaovana batisa an’i Jesosy?
7 Nefa teo Jordana teo dia nisy zavatra hafa koa niseho. Nisokatra ny lanitra, dia nidina tamin’i Jesosy ny fanahin’Andriamanitra, ka niteny avy tany an-danitra Andriamanitra nanao hoe: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako.” (Matio 3:16, 17). Tsy nety hisy fahadisoana mihitsy: Jesosy no tena ilay nolazain’ireo mpaminanin’Andriamanitra rehetra fa ho avy! Koa teo Jordana teo àry izany no nanosoran’Andriamanitra an’i Jesosy tamin’ny fanahy masina, mba ho tonga ilay Mpisoronabe ambony indrindra nambara mialoha, dia ilay Mpanjaka ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary koa mba hitory teny nandritra ny fandalovany tetỳ an-tany (Lioka 4:16-21). Nisy asa tsy maintsy notanterahiny.
8. Moa va Jesosy nanao izay tsy hanononana ny anarana manokan’Andriamanitra na hilazana ny marina? Koa noho izany, inona no adidintsika?
8 Nandritra ny telo taona sy tapany Jesosy dia nitory ny Tenin’Andriamanitra tao amin’ny tany manontolo ary nampianariny koa ny mpianany mba hanao toy izany (Lioka 8:1). Tamin’izany fotoana izany, noho ny finoanoam-poana, ireo Jiosy dia nanao izay tsy hanononana ny anaran’Andriamanitra, fa Jesosy kosa dia tsy nisalasala mihitsy nampahafantatra azy (Jaona 17:26). Ny marina hatrany ihany no nolazainy, na tian’ny vahoaka izany na tsy tiany. Izy no nanome antsika ny ohatra tokony harahina raha ta-hahazo sitraka amin’Andriamanitra. Nefa dia mbola nisy zavatra hafa koa notanterahiny.
NY FANAFAHANA AMIN’NY OTA SY NY FAHAFATESANA
9. a) Araka ny Matio 20:28, inona koa moa no antony hafa iray nahatongavan’i Jesosy tetỳ an-tany? b) Inona moa ny avotra naloan’i Jesosy mba hanafahana antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana?
9 Fantatr’i Jesosy fa nisy fifandraisana mivantana tamin’ny fandaharana nataon’Andriamanitra mba hanafahana ny olombelona amin’ny ota sy ny fahafatesana, ny nahatongavany ho olombelona tetỳ ambonin’ny tany. Noho izany no nanambarany hoe: “Ny Zanak’olona (...) tonga mba (...) hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.” (Matio 20:28). Inona marina no tena tiany holazaina tamin’izany? Ny atao hoe avotra dia izay aloa mba hanafahana olona voatana ho babo iray. Teto, ny vidiny naloa mba hanafahana ny olona tamin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana dia ny fiainan’olombelona tanteraka tao amin’i Jesosy izay natolony ho sorona (I Petera 1:18, 19). Fa ahoana àry no nilaina izany fanafahana izany?
10. Nahoana moa isika no nandova ota sy fahafatesana avy tamin’i Adama?
10 Adama razambentsika rehetra mantsy dia nanota tamin’Andriamanitra. Noho izany dia tonga tsy tanteraka izy ka nahavery ny zony ho amin’ny fiainana. Noho ny nandikany ny lalàn’Andriamanitra tamim-piniavana dia tsy maintsy niharan’ny famaizana voatokana ho an’izany Adama: dia ny fahafatesana. Andriamanitra koa dia efa nanao lalàna mikasika ny fandovàn-toetra izay nanambarana fa isika rehetra dia mandray toetra ara-batana sy ara-tsaina avy amin’ny ray aman-drenintsika. Mifanaraka amin’ireo lalàna ireo, Adama dia tsy afaka namindra tamin’ny taranany afa-tsy izay nananan’ny tenany ihany. Noho izany no nandovantsika ny ota sy ny fahafatesana avy taminy (Romana 5:12). Ny olona rehetra dia iharan’ny sazy noho ny fahotana, amin’ny fahafatesany. Tamin’ny fomba ahoana àry no azo nanesorana izany famaizana ho amin’ny fahafatesana izany sady tsy nanolanana ny rariny?
11. Ahoana moa no nanafahan’Andriamanitra an’ireo taranak’i Adama sady nanajany ny lalàny?
11 Mba hanaovany izany dia tsy nandika ny lalàny akory Andriamanitra. Ho namporisika hanao fikomiana hafa indray koa mantsy izany. Nefa koa izy tsy nahafoy ny olombelona na namela azy tsy hanana fanantenana. Sady nanaja ny lalàny Andriamanitra no nandahatra tamim-pitiavana ny hanafahana, tsy an’i Adama mpanota an-tsitrapo akory, fa ny taranany izay voatery nizaka tsy satry ny vokatry ny fahotany. Andriamanitra dia nanao izany araka ny fitsipika ara-dalàna izay voatonona tao amin’ny lalàn’i Mosesy nanao hoe: “fanahy solon’ny fanahy”. (Deoteronomia 19:21, Dhorme.) Aoka àry hojerentsika ny fomba niharan’io fitsipika io teo amin’ny avotra naloan’i Jesosy.
12. Olona manao ahoana moa no afaka nanavotra izay verin’i Adama? Noho izany, nahoana moa Jesosy no tsy maintsy teraka ho olombelona?
12 Adama, ilay “fanahy velona” izay nanary ny fiainana tokony ho an’ny taranak’olombelona dia lehilahy tanteraka. Ho takalon’ilay veriny dia tsy maintsy nitady fanahy olombelona hafa nifandanja tamin’i Adama, dia fanahy iray vonona ny hanolotra ho sorona ny fiainany tanteraka, ho an’ny olombelona. (I Korintiana 15:45, MN ). Tsy nisy na dia iray aza tamin’ny taranak’i Adama afaka nahafeno ireo fepetra ireo satria izy rehetra dia samy teraka tsy lavorary. Noho izy mpanota, dia maty daholo izy rehetra, ary noho izany dia samy tsy nisy nanana ny zo ho amin’ny fiainan’olombelona mba hanaovany sorona izany ho an’ny mpiara-belona aminy. (Salamo 49:7). Noho izany no nanirahan’Andriamanitra ny Zanany mihitsy ho etỳ an-tany. Jesosy dia teraka ho olombelona satria tsy maintsy nisy fiainan’olombelona natolotra; kanefa, mba hahatongavany ho tanteraka tahaka an’i Adama, dia notorontoronina tsy tamin’ny alalan’ny ray olombelona izy. Andriamanitra irery ihany no Rain’i Jesosy olona toy ny naha-Rain’i Adama azy (Lioka 3:38). Koa Jesosy àry izany dia nahafeno ny fepetra rehetra nilaina mba hahafahany manolotra ny fiainany “ho avotra mifanandrify.” — I Timoty 2:6, MN; Efesiana 1:7.
13. Nahoana moa Jesosy no tsy nanohitra fa nanolotra ny ainy an-tsitrapo?
13 Tamin’ny 14 nisana, taona 33 amin’ny fanisan-taona iraisana, ireo fahavalon’i Jesosy dia namono nahafaty azy teo amin’ny hazo fijaliana. Ho afaka nanohitra an’ireo izy, kanefa dia tsy nanao izany (Matio 26:53, 54). Natolony an-tsitrapo ny ainy mba ho sorona hamonjena antsika. Hoy Petera, anankiray tamin’ireo apostoliny: “Ary Izy nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany teo ambonin’ny hazo, mba ho faty ny amin’ny ota isika, fa ho velona ny amin’ny fahamarinana; ary “ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo”.” — I Petera 2:24; jereo koa Hebreo 2:9.
14. Ao amin’ny Jaona 3:16, inona moa no lazain’ny Baiboly mikasika ny fitiavan’Andriamanitra ny olombelona? Inona moa no tokony ho vokatr’izany amintsika?
14 Izany ka fanehoan’Andriamanitra fitiavana ny olombelona tsy misy toy izany! Ny Baiboly dia manampy antsika mba hahazo tsara izany hevitra izany raha manambara hoe: “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16). Raha ohatra hianao manan-janaka lahy izay maminao indrindra, izany dia hanampy anao hahatakatra kely izay tsapan’Andriamanitra tamin’io sorona io. Tokony hampiraikitra bebe kokoa ny fontsika aminy ny fahalalana fa toy izany ny halalin’ny fitiavan’Andriamanitra antsika. — I Jaona 4:9-11.
15. a) Moa va Jesosy tafatsangana tamin’ny maty nitondra vatan’olombelona? b) Taorian’ny nitsanganany, nahoana moa Jesosy no niseho tamin’ny mpianany? d) Moa va Jesosy tsy maintsy niakatra tany an-danitra? Nahoana?
15 Tsy nafoin’i Jehovah Andriamanitra tao am-pasana akory ny Zanani-lahy; natsangany izy tamin’ny andro fahatelo. Nefa tamin’izay akory Jesosy tsy nandray indray ny fiainan’olombelona nananany teo aloha, satria raha izany dia ho nofoanany ny avotra. Tsia, “fa novelomina tamin’ny fanahy (esprit) izy”. (I Petera 3:18.) Nandritra ny efapolo andro nanomboka teo amin’ny nitsanganany tamin’ny maty, dia niseho imbetsaka tamin’ny mpianany izy, tamin’ny fitafiana vatana ara-nofo, mba hanaporofoany tamin’ireo fa tena efa tafatsangana tamin’ny maty tokoa izy. Rehefa izany, dia niakatra ho any an-danitra teo imason’ireo mpianany izy, ka nisy rahona nanakona azy tsy ho hitan’ireo intsony. Niverina tany an-danitra izy, tamin’ny naha-Mpisoronabe azy nitondra ny vidin’ny sorom-panavotana nataony, “mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ankehitriny ho antsika”. (Hebreo 9:12, 24.) Tanteraka tamin’izay ny rariny araka an’Andriamanitra; nanomboka hatreo dia azo nafahana ny olombelona.
16. a) Hazavao ny fomba azontsika andraisana tombontsoa avy amin’ny fanavotana dieny izao. b) Raha ny amin’ny ho avy, inona moa no ho asan’ny fanavotana ho antsika sy ho an’ny maty?
16 Dieny izao isika dia mety hahazo tombontsoa lehibe avy amin’io sorom-panavotana io. Raha manam-pinoana an’io fanavotana io isika dia mahazo mitana ny toeran’olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra ka mitoetra eo ambany fiarovany feno fitiavana (Apokalypsy 7:9, 10, 13-15). Raha ohatra isika ka sendra manao fahotana noho ny tsy fahatanterahantsika, dia azontsika atao ny miorina amin’io avotra io mba hangatahana amim-pitokiana tanteraka amin’Andriamanitra, ny hamelany antsika, sady matoky fa hihaino antsika izy. (I Jaona 2:1, 2). Afa-tsy izany, ny fanavotana no hitsimbinana antsika amin’ny fahataperan’izao fandehan-javatra ratsy ankehitriny izao. Noho izy io no hahazoana hanangana ny maty. Ary farany, dia noho izy no mety hahazoantsika ny fiainana mandrakizay ao amin’ny fandehan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra ka ao izy dia hiasa ho an’ny olombelona mba hikosoka ny vokatry ny ota nolovana rehetra. — I Korintiana 15:25, 26; Apokalypsy 7:17.
ILAY FILOHAN’NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA
17. a) Ho amin’inona moa no nanintonan’i Jesosy mandrakariva ny sain’ny olombelona, ary inona moa no foto-kevitry ny fitoriany teny? b) Inona moa no nasehon’i Jesosy tamin’ireo fanasitranana mahagaga sy fananganana maty nataony?
17 Nandritra ny fanompoany teto an-tany Jesosy dia nanintona mandrakariva ny sain’ny olona ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nampianariny ireo mpianany mba hivavaka hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” Dia namporisika ireo toy izao koa izy: “Katsaho aloha ny fanjakany.” (Matio 6:10, 33). Marobe tamin’ireo fanoharana nataony no mikasika an’ilay Fanjakana. Ilay Fanjakana no nataony foto-kevitry ny fitoriany teny (Matio 9:35). Raha nanao fanasitranana mahagaga sy nanangana maty izy dia naneho tamin’ny ambaratonga kely, izay zavatra hiseho etỳ an-tany eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Amin’izay dia ho tapitra tsy hisy intsony ny aretina, hahiratra ny jamba, halady ny marenina ary ny tapa-tanana na tapa-tongotra dia ho afaka hampiasa indray ny tanana aman-tongony. Fitahiana re izany! — Apokalypsy 21:3, 4.
18. a) Moa va nanomboka nampihatra ny fahefan’ny mpanjaka izy raha vantany vao tafakatra tany an-danitra? Nahoana? b) Araka ny Matio 25:31, 32, inona moa no tsy maintsy hataon’i Jesosy rehefa ho tafaverina mitafy ny fahefana hanapaka ao amin’ilay Fanjakana izy?
18 Jesosy no ilay voahosotr’Andriamanitra ho filohan’ilay Fanjakana. Nefa, rehefa niakatra ho any an-danitra Jesosy dia tsy mbola tonga ny fotoana hitondrany ny fahefan’ny mpanjaka. Tsy maintsy mbola nandrasany ny fotoana voatokan’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 2:34-36). Jesosy dia naminany fa hiverina indray ny tenany, hanana ny fahefana hanapaka amin’ilay Fanjakana, raha nilaza hoe: “Ary raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, arahin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy; ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy.” (Matio 25:31, 32). Isika izao dia velona amin’ny fotoana fanaovana izany fanavahana izany. Tsy ho ela intsony no hampiasan’i Kristy mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany any an-danitra ny fahefany amin’ny maha-mpanjaka azy amin’ny fandringanany ny ratsy fanahy fa hanafahany kosa ny “ondry” voantso handova ny faritra etỳ an-tany hotapahin’ilay Fanjakana. — Matio 25:34, 41, 46.
19. Raha ta-hahazo fitahiana amin’ny alalan’i Jesosy Kristy isika, inona moa no tsy maintsy ataontsika?
19 Noho Jesosy Kristy, ny olona rehetra dia mety handray fitahiana, nefa mba hahazoana izany, dia tsy maintsy miasa araka ny finoana azy isika. (Jaona 3:36). Ilaina ny hahatongavana ho mpianany sy ny hanoavantsika azy ary ny hanekentsika azy ho Mpanjakantsika any an-danitra. Hanao izany va hianao? Misy fahavalo mitady hanakana anao tsy hanao izany; raha miantehitra tanteraka amin’i Jehovah anefa hianao dia tsy maintsy ho azonao ny fitahiana tehiriziny ho an’ireo izay tia azy. — Salamo 62:7, 8.
[Fanontaniana]