Misy fitahiana kanto avy amin’Andriamanitra efa antomotra izao!
Toko Voalohany
Misy fitahiana kanto avy amin’Andriamanitra efa antomotra izao!
1. Noho ny toe-javatra manjaka ankehitriny eo amin’izao tontolo izao, inona avy moa no fanontaniana mipetraka?
MOA VA HIANAO maniry hiaina ao anatin’ny fiadanana sy ny fahasambarana? Moa va hianao mikatsaka fahasalamana tsara sy fiainana maharitra ho an’ny tenanao sy ho an’ireo olo-malalanao? Moa va tsy andrinao ny andro tsy hisian’ny faharatsiana sy ny fijaliana intsony? Ny olona tso-po rehetra dia mitady ireo zavatra ireo daholo. Amin’izao fotoana izao anefa, hatraiza hatraiza etỳ ambonin’ny tany, dia tsy mitsaha-mitombo ny fanaovana an-keriny sy ny heloka bevava ary ny mosary sy ny aretina. Nahoana ny tany no dia feno loza toy izao? Inona loatra no hevitr’izao toe-javatra izao? Moa va misy antony tsara hahatonga hino fa hihatsara ny toe-javatra amin’ny andro ahavelomantsika?
2. a) Boky inona moa no manome antsika antony hananana fanantenana? b) Nahoana no rariny ny hiheverana fa ilay Mpamorona dia hamarana ny toe-javatra mahatonga izao fijaliana rehetra izao?
2 Eny, misy tokoa antony tokony hananantsika izany fanantenana izany satria izany dia voazava tsara ao amin’ilay boky mivoaka amin’ny fiteny maro lavitra noho ny boky hafa rehetra. Izy io dia ny Baiboly izay mampahafantatra antsika ny fikasan’Andriamanitra mikasika ny hanorenana, ho an’ny olombelona, fandehan-javatra vaovao tanteraka. Raha azonao natao ny namarana ny toe-javatra mahatonga izao fijaliana rehetra izao, moa ve hianao hanao izany? Eny tokoa! Koa moa àry ve fahendrena ny fiheverana fa handà tsy hanao izany Ilay Mpamorona ny olombelona? Milaza marina ny Baiboly fa “Andriamanitra dia fitiavana”. (I Jaona 4:8.) Tsy maintsy mahalala tokoa izay ilain’ny olona io Ray any an-danitra io. Ary anefa io Andriamanitra fitiavana io dia ampy hery hanatanterahana izany zavatra ilaina izany, sady hanao izany tokoa izy satria ny Salamo 145:16 dia milaza toy izao, mikasika azy: “Manokatra ny tànanao Hianao ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra.” — Jereo koa ny Deoteronomia 32:4.
3. a) Moa ve mbola tokony hiandry ela vao hotanterahin’Andriamanitra ny fanirian’ireo izay mikatsaka ny fiadanana amam-pahasambarana? b) Manaporofo inona moa ny toe-javatra miharatsy hatrany eo amin’izao tontolo izao?
3 Fa rahoviana anefa Andriamanitra no hanatanteraka ny fanirian’ny olona izay mikatsaka ny fiadanana amam-pahasambarana sy fahasalamana ary fiainana tsy manam-pahataperana? Moa ve isika tsy maintsy mbola miandry an’arivo taonany maro? Tsia! Efa antomotra izany andro izany! Dia hety ve izany eto amin’izao tontolo izao izay miharatsy hatrany ny toe-javatra eo aminy? Eny, satria ny Baiboly no efa nanambara elabe mialoha fa ireo toe-javatra ireo no ho porofo fa isika dia miaina amin’ny “andro farany” ho an’izao fandehan-javatra ratsy izao (II Timoty 3:1-5). Tsy ho ela intsony izao no hanaperan’ilay Mpamorona feno fitiavana ny faharatsiana sy ireo izay mpanao azy, fa hotahiny tsy misy toy izany kosa ireo olona tso-po izay maniry hanao ny tsara. Hoy tokoa mantsy ny Teniny: “Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” — I Jaona 2:17.
IZAY HATAON’ANDRIAMANITRA HO AN’NY OLOMBELONA
4. a) Ao amin’ny fandehan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra, inona avy moa ireo zavatra mitera-pahoriana tsy hisy intsony? b) Amin’ny fomba ahoana moa no hanatanterahan’Andriamanitra ny fampanantenany fiadanana?
4 Ho toy inona moa ny fiovana lehibe ho hitan’ny tany amin’izany! Tsy hisy intsony na ny ady na ny fahoriana aterany. Ny fankahalana amam-pitiavan-tena sy ny fanaovana heloka bevava ary ny fanaovana an-keriny dia hanjavona. Hanome toerana ho an’ny fiadanana sy ny filaminana tanteraka ireo zavatra ratsy ireo. Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy (...). Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” (Salamo 37:10, 11). Izany fiadanana izany dia hanjaka, tsy eo amin’ireo firenena ihany fa ao anatin’ny fianakaviana tsirairay avy sy eo amin’ny mpiara-monina koa. Endrey izany fitahiana kanto ho an’ny tenanao manokana! Ary mampahery tokoa ny mahalala fa tsy miankina amin’ny olombelona ny hahatanterahan’izany fampanantenana tsara izany! Andriamanitra no hanefa azy. Amin’ny fomba ahoana moa? Amin’ny fandringanana ny ratsy fanahy sy amin’ny fampahafantarana ny olony ny lalan’ny fiadanana. — Ohabolana 2:21, 22; Isaia [na Izaia] 54:13.
5. a) Ao amin’ny fandehan-javatra vaovao, hanao ahoana moa ny aretina sy ny fahafatesana? b) Inona avy moa no fanontaniana mipetraka mikasika ny fahafohezan’ny androm-piainan’olombelona?
5 Ho iray fotsiny amin’ireo fitahiana maro loha ho hitan’ny olona ao amin’ny fandehan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra ny fahasalamana. Ary na dia ny fahafatesana aza, izay mahatonga alahelo aoka izany ho antsika rehetra, dia tsy hisy intsony. Izao no fampanantenana omen’ilay Mpamorona antsika: “Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ary ny fahafatesana dia tsy hisy intsony; ny alahelo amam-pitarainana sy fahoriana koa tsy hisy intsony, (...): Indro havaoziko ny zavatra rehetra.” (Apokalipsa 21:4, 5 Kat a). Izany ka fahasoavana tsy azon’ny mpitondra sy ny manam-pahaizana ary ny mpitsabo omena mihitsy, kanefa tsy maintsy homen’Andriamanitra antsika tokoa! Rariny ve ny hiheverana fa ny namoronan’Andriamanitra ny olona dia ny tsy maintsy hiandrasany eo amin’ny roapolo taona eo ho eo fotsiny mba hahatongavana ho olon-dehibe, sy handaniany roapolo na telopolo taona fanampiny mba hahazoana fahalalana sy fahazarana manao zavatra ary rehefa lasa indray ny taona vitsivitsy dia hanjary antitra sy harary ary ho faty? Fa nahoana ny fiainan’ny olombelona no fohy kely toy izany nefa ny soka-dranomasina mety ho velona hatramin’ny roan-jato taona ary ny hazo mbola maharitra kokoa noho izany aza? Ho velona no namoronan’Andriamanitra ny olona fa tsy ho faty akory. Ilay Mpamorona dia manome toky antsika fa tsy ho ela intsony izao dia ho azo atao ny ho velona mandrakizay eto ambonin’ny tany mihitsy (Isaia 25:8). Ho toy inona moa ny fahafinaretana amin’izany hoe salama tsara sady miara-monina amin’olona tia fiadanana ka afaka manao asa mahasoa!
6. Nahoana moa isika no mahazo matoky fa hisy tokoa izany fandehan-javatra vaovao nampanantenaina izany?
6 Fa ahoana anefa no mety hananantsika toky fa ho tonga tokoa io fandehan-javatra vaovao nampanantenaina io? Ahoana no mety hahalalantsika tsy amim-pisalasalana fa tsy nofinofy mahafinaritra fotsiny akory izany? Mahazo matoky isika satria ilay Andriamanitra tsitoha no nampanantena izany. Ilay namorona an’izao rehetra izao sady Mpanohana azy no manome toky antsika fa ho tanteraka tokoa izany fampanantenana izany. Ary anefa “Andriamanitra tsy mahay mandainga”. (Titosy 1:2.) Tsy mba misy mivaona mihitsy ny teniny. — Josoa 23:14.
7. Na dia olona ihany aza no nampiasain’Andriamanitra hanoratra ny Baiboly, nahoana no mety ny hiheverantsika azy ho “ny tenin’Andriamanitra”?
7 Ireo fahamarinana mameno hafaliana ireo dia voasoratra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia ny Baiboly na Soratra Masina. Ny olombelona dia tsy manana loharano hafa afaka hanazava amin’ny fomba mahafa-po ny anton’ny toe-javatra manjaka etỳ ambonin’ny tany ankehitriny, ary izay fikasan’Andriamanitra mikasika ny taranak’olombelona. Marina fa olombelona no nampiasain’Andriamanitra mba hanoratra ny Baiboly, kanefa ireo, raha nanao izany, dia teo ambany fitarihan’ny heriny miasa matanjaka na fanahy masina, hany ka “ny Soratra rehetra dia avy tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra”. (II Timoty 3:16, MN.) Toy ny ahaizan’ny onjam-peo tsy hita maso amin’ny fampielezam-peo hitondra vaovao ho anao no nahaizan’ny hery miasa tsy hita mason’Andriamanitra nitarika an’ireo mpanoratra ny Baiboly ka nampanoratra azy ireo ny zavatra tian’Andriamanitra ho fantatry ny olombelona. Izany no nahafahan’ny apostoly Paoly nilaza hoe: “Rehefa nandray ny tenin’Andriamanitra izay notorinay hianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’olona fa araka izay marina, dia ny tenin’Andriamanitra.” — I Tesaloniana 2:13; jereo koa II Petera 1:20, 21.
EFA ANTOMOTRA NY FIOVAN-JAVATRA EO AMIN’IZAO REHETRA IZAO
8. Lazao ny sasantsasany amin’ireo zava-miseho izay hampiavaka ny andro faran’izao fandehan-javatra ratsy izao, araka ny filazan’i Jesosy.
8 Ny Teny fahamarinan’Andriamanitra dia mampahafantatra antsika amin’ny teny mazava tsara fa misy fiovan-javatra eo amin’izao rehetra izao, manatona haingana dia haingana. Hazavainy amintsika fa izao androntsika izao no noheverin’i Jesosy Kristy fony izy nilaza mialoha ny amin’ny faran’izao fandehan-javatra ratsy izao. Jesosy dia naminany zavatra be dia be izay tsy maintsy hotsinjovin’ireo mpianany ho avy mba hahalalany ny fahakekezan’ny farany. Anisan’ny zavatra maro, dia nambarany fa ireo andro faran’izao fandehan-javatra izao dia hiavaka noho ny ady maneran-tany sy ny mosary ary ny fitomboan’ny faharatsiana mbamin’ny fahaverezan’ny finoana an’Andriamanitra (Matio 24:3-12). Nolazainy mialoha koa ny amin’ny “fahorian’ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra”. (Lioka 21:25.) Isika dia efa afaka manara-maso ny fahatanterahan’ireo faminaniana ireo teo amin’ny androm-piainantsika.
9. Milazà fanambarana iray na roa nataon’olona mpandinika ny tarehin-javatra maneran-tany.
9 Marobe ireo olona mpandinika ny zava-miseho eo amin’ny firenen-tsamihafa no matoky fa tsy maintsy hisy fiovana lehibe hitranga ato ho ato. Hoy ny nosoratan’ilay mpanazava hevi-javatra amerikana malaza atao hoe Walter Lippman: “Tsapantsika rehetra fa izao tontolo izao dia mikorontana sy feno loza, sady tsy misy fifehezana no toa tsy azo fehezina. Manjaka hatraiza hatraiza ny fanahiana sy ny fahaverezan-kevitra.” Dia mbola nanampiny koa fa izany dia “manamafy, araka ny hevitro, ny fahamarinana eo amin’ny tantara fa isika dia miaina eo amin’ny toko farany amin’ny fomba fiainantsika efa niorina sy nahazatra hatramin’izay” b. Tamin’ny 1960 sahady, Dean Acheson, sekreteram-panjakana amerikana teo aloha, dia efa nilaza ny heviny fa izao androntsika izao “dia andro mivadibadika sy feno fanaovana an-keriny tsy mbola nisy toy izany mihitsy”. Dia nataony izao antsoantso fanairana izao: “Fantatro tsara ny zava-miseho ka milaza marimarina aminareo aho fa, rehefa afaka dimy ambin’ny folo taona, ity tontolo ity dia hampidi-doza loatra ka tsy ho azo iainana intsony c”.
10. a) Ahoana moa no ahafantarantsika fa ny fiovan-javatra eo amin’izao rehetra izao nambara dia efa antomotra tokoa? b) Hitarika fandravana ny inona moa izany fiovan-javatra izany?
10 Izay rehetra voalaza mialoha ao amin’ny Tenin’Andriamanitra dia maneho fa izao androntsika izao no hahitana ny fiovan-javatra eo amin’izao rehetra izao nambara mialoha. Ireo zava-miseho eran’izao tontolo izao izay atrehintsika ankehitriny dia mifanitsy indrindra amin’ny faminanian’ny Baiboly ary manaporofo fa ho hitantsika koa ny fandravana an’izao fandehan-javatra ratsy rehetra ankehitriny izao. Ireo fanapahana amin’izao andro izao dia hifarana ary ny fanapahan’Andriamanitra no hitondra ny tany manontolo (Daniela 2:44; Lioka 21:31, 32). Tsy azo sakanana izany fiovan-javatra izany satria izany no fikasan’Andriamanitra.
NY FAHAMARINANA IZAY MITARIKA HO AMIN’NY FIAINANA MANDRAKIZAY
11. a) Moa ve azontsika andosirana ny vokatry ny fiovan-javatra eo amin’izao rehetra izao efa antomotra? b) Araka ny I Timoty 2:4 sy ny Jaona 17:3, inona moa no tsy maintsy ataontsika raha tsy tiantsika ny ho faty?
11 Koa satria ny fiovan-javatra eo amin’izao rehetra izao nambara mialoha, hikasika ny mponina tsirairay avy amin’ny tany, dia voafaoka amin’izany koa ny tenanao. Raha maminao koa ny fiainana sady tianao haharitra ela kokoa ny androm-piainanao dia tokony tsy hitaredretra hianao handray ny fahalalana marina an’Andriamanitra sy ny fikasany ary ny lalàny. Izany no sitrapon’Andriamanitra ny aminao satria izy maniry “ny karazan’olona rehetra ho voavonjy ka hahatratra ny fahalalana tsara ny marina”. (I Timoty 2:4, MN.) Ny fahalalana tsara an’ireo fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra no hahatonga ny olona tso-po tsy ho faty amin’ny fahataperan’izao fandehan-javatra ratsy ankehitriny izao (Zefania 2:3). Izany koa no hanoro azy ny lalana mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny fandehan-javatra vaovao sy kanto nampanantenain’Andriamanitra. Tao amin’ny vavaka iray nataony tamin-dRainy, dia izao no tenin’i Jesosy Kristy: “Izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” — Jaona 17:3; Jereo koa Jaona 4:14.
12. Inona moa ny antony lehibe tokony hanosika antsika hianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly?
12 Endrey, mampahery tokoa ny fahalalana fa tsy ho ela intsony izao dia ho hitantsika ny faran’ireo loza rehetra izay mitambesatra amin’izao tontolo izao! Moa va tsy mahafinaritra indrindra ny hanana fanantenana, dia fanantenana ny hiaina tsy ho ela intsony ao amin’ny fandehan-javatra vaovao izay ho azontsika handraisana soa tanteraka mandrakizay avy amin’ny fiainana? Izany dia tokony hanosika ny tsirairay avy amintsika haniry hianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Ireo izay mikatsaka izany fahamarinana izany dia hanomboka amin’ny fametrahana “fanorenana tsara ho an’ny tenany ho amin’ny andro ho avy, mba hihazonany ny tena fiainana”, dia ny “fiainana mandrakizay” ao amin’ny fandehan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra. — I Timoty 6:19.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny hevitry ny hoe Apokalypsy na Apokalipsa amin’ny fiteny grika dia Fanambarana.
b Newsweek, tamin’ny 9 oktobra 1967, pejy faha-21.
c U.S. News & World Report, tamin’ny 13 jona 1960, pejy faha-116, 119.
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 4]
“Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ary ny fahafatesana dia tsy hisy intsony; ny alahelo amam-pitarainana sy fahoriana koa tsy hisy intsony.” — Apokalipsa 21:4, Kat.