Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Misy ve izany hoe fanahy ratsy?

Misy ve izany hoe fanahy ratsy?

Toko Faha-7

Misy ve izany hoe fanahy ratsy?

1. a) Moa ve Jesosy nino ny fisian’ny fanahy ratsy? b) Ahoana moa no niantsoan’i Jesosy ny Devoly?

 JESOSY KRISTY izay nandao an’ireo faritra ara-panahy mba ho eto an-tany dia nanaiky fa nisy ny fanahy ratsy. Tadidinao angamba fa matetika izy no niteny ny amin’ny Devoly izay nantsoiny hoe “rain’ny lainga” sy “mpamono olona”. (Jaona 8:44.) Ho fiarovana antsika amin’izao andro ielezan’ny lainga sy ny vonoan’olona loatra izao, dia hahasoa antsika ny fandinihana an’io foto-kevitra io.

2. a) Tsy mba toy ny nampianaran’i Jesosy azy, fa inona moa ny Devoly amin’ny olona sasany? b) Inona moa no fisedrana nampiharin’ny Devoly tamin’i Jesosy?

2 Marina fa marobe ny olona tsy mino ny fisian’ny zava-boahary ara-panahy manao ratsy. Na dia eo amin’ireo izay milaza ho manaiky ny Baiboly aza, dia misy olona sasany mihevitra fa tsy inona akory Satana Devoly fa ny fotopototry ny faharatsiana fotsiny fa tsy persona ara-panahy tsy hita maso akory. Nefa moa ve izany fihevitra izany mifanaraka tokoa amin’ny zavatra misy? Ahoana no hanazavana ny nakan’ny devoly fanahy an’i Jesosy Kristy? Araka ny Baiboly, io Devoly io dia naneho an’i Jesosy ny fanjakana rehetra teo amin’izao tontolo izao, ka nilaza taminy hoe: “Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao.” Hoy ny navalin’i Jesosy azy: “Mandehana hianao, ry Satana; fa voasoratra hoe: “Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao”.” Dia nandao an’i Jesosy ilay Devoly. — Matio 4:1-11.

3. a) Amin’ny fomba ahoana moa no anehoan’io fitsapana io fa tsy mety ho ny fotopototry ny faharatsiana fotsiny akory ny Devoly? b) Fa inona àry Satana Devoly?

3 Teo amin’izany fitsapana izany, iza àry no naka fanahy an’i Jesosy? Tena persona marina tokoa sa ny fotopototry ny faharatsiana fotsiny? Raha ny fotopototry ny faharatsiana fotsiny no naka fanahy azy, tao amin’iza moa no nisy izany fotopototry ny faharatsiana izany? Moa va tao amin’i Jesosy ny faharatsiana? Raha tao aminy, dia tsy azo lazaina fa tsy nanana ota izy. Nefa dia tsy misy isalasalana mihitsy ny filazan’ny Tenin’Andriamanitra marina voasoratra ao amin’ny Baiboly fa Jesosy dia “tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin’ny mpanota”. (Hebreo 7:26.) Ary koa hoe: “Izay tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany.” (I Petera 2:22). Koa miharihary àry fa Jesosy dia tsy niresaka tamin’izay “faharatsiana” tao anatiny. Tena zava-boahary ara-panahy velona tokoa no niresahany. Araka izany àry, ny Soratra Masina sy ny rariny dia mifanaraka mba hilaza fa Satana dia tena persona tokoa, izay velona any amin’ny faritra tsy hita maso. — I Petera 5:8.

NISY FANAHY IRAY NANOVA TENA HO DEVOLY

4. Raha araka ny fantatsika mikasika an’Andriamanitra, nahoana moa no mahazo matoky isika fa tsy nety ho namorona fanahy mpanao ratsy izy?

4 Fa avy aiza anefa ny Devoly? Hita marina aloha fa raha Andriamanitra izay “tanteraka ny asany” dia tsy afaka nahary fanahy (esprit) manao ratsy (Deoteronomia 32:4). Tsy izy no handeha hamorona zava-boahary manan-tsaina izay tsy ho hainy hifandraisana akory. Izany dia hifanohitra amin’ny rariny sady tsy hifanaraka mihitsy amin’ny fitiavan’Andriamanitra. — Salamo 5:4-6.

5. a) Fomba ahoana moa no nahatonga an’ilay fanahy nanjary Devoly, hanaraka fitondrantena ratsy? b) Moa ve ilay menarana fotsiny ihany no nanome hevitra an’i Eva mba hikomy?

5 Hita amin’izany fa tany am-boalohany ilay fanahy tsy hita maso izay tonga devoly taty aoriana dia tsy maintsy ho zava-boahary tanteraka sady tsy nisy tsininy nataon’Andriamanitra, toy ireo anjely na “zanak’Andriamanitra” an-tapitrisany maro hafa koa. (Joba 38:7.) Koa raha izany àry no izy, inona no nahatonga azy ho ratsy? Taorian’ny famoronana azy mivady olombelona voalohany no nanomboka nikomy tamin’Andriamanitra io fanahy io. Noforoniny tao aminy ny faniriana ny hotompoina, ary noho izany no namporisihany an’i Adama sy Eva hikomy tamin’Andriamanitra. Tamin’ny fomba ahoana no nahavitany izany? Araka ny Baiboly, dia nisy menarana niteny tamin’i Eva ka nilaza lainga taminy. Ho vokatr’izany dia nandika ny tenin’Andriamanitra Eva, ary dia nitarika koa ny vadiny homba azy tamin’izany fikomiany izany. Iza anefa no tena nanome hevitra an’i Eva hikomy? Moa ve izany menarana fotsiny amin’izao, izay biby tsy manana ny momba ny tena ho enti-miteny? Tsia, fa nisy hafa niafina tao ambadik’io menarana io ka nampino fa io no niteny! Misy olona mahay miteny kanefa tsy manetsiketsika mihitsy ny molony, ary mahatonga hihevitra fa biby iray na sariolona eo akaikiny no miteny. Koa raha izany àry no izy, moa va tsy ho mora lavitra ho an’ny persona iray ambonin’ny olona sady tsy hita maso ny hanao izany? Moa koa va Andriamanitra tsy nampiteny ilay borikin’i Balama (Nomery 22:28)? Tao Edena dia niteny tamin’ny alalan’ny menarana Satana. Izany no antony iantsoan’ny Baiboly ny Devoly na Satana hoe “menarana ela”, dia ilay nampiditra ny fikomiana sy ny faharatsiana teo amin’izao rehetra izao. — Apokalypsy 12:9; II Korintiana 11:3.

6. Tamin’ny fomba ahoana moa no nahatonga ny zava-boahary tanteraka iray hitodika ho amin’ny faharatsiana?

6 Mety hanontany tena angamba anefa hianao hoe, ahoana no nahafahan’io fanahy tanteraka sady tena nanan-tsaina tokoa io hitodika ho amin’ny faharatsiana, kanefa tsy nisy na iza na iza naka fanahy azy. Ny Baiboly dia mamaly fa satria navelany hijanona teo amin’ny filan-dratsy iray ny sainy (Jakoba 1:14, 15). Tsy misy maharatsy azy akory ny fiheverana ny mety hisian’ny tarehin-javatra iray. Misy olona izao, ohatra, mitsidika olon-kafa dia mahita vola eo ambony latabatra. Mety ho azony alaina io vola io, kanefa satria ho halatra izany, dia aleo izy tsy mihevitra izany akory. Raha sendra ka tonga ao an-tsainy anefa izany hevitra izany, dia tokony holaviny satria raha kolokoloiny dia hisy filan-dratsy hiforona ao aminy ka mety hitarika azy hanao fahotana.

7. a) Tamin’ny fomba ahoana àry no nahatonga an’io fanahy io ho ratsy? b) Noho izany, avy taiza Satana Devoly?

7 Fa aoka hiverenantsika indray ilay zava-boahary ara-panahy tanteraka izay anton-dresatsika: izy io dia afaka nampiasa azy mivady olombelona voalohany mba hanatanterahana ny fikasany, fa tsy ny sitrapon’Andriamanitra. Raha nampiasa ny safidim-pony malalaka izy, dia nihevitra izany fetezan-javatra izany, ary tsy nesoriny velively hiala tao an-tsainy io faniriana io fa vao mainka aza navelany hitarika azy hanota. Tamin’izany àry, toy ny lehilahy marina iray mety ho tonga mpangalatra rehefa mangalatra, dia toy izany koa no nanaovan’io zava-boahary ara-panahy io ny tenany ho Satana rehefa nanohitra an’Andriamanitra sy nanaovany ny tenany ho Devoly rehefa nanendrikendrika an’Andriamanitra, araka ny hevitr’ireo teny roa ireo.

8. Nahoana moa no tsy azo lazaina fa sendra fahadisoana kelin’i Satana fotsiny ny nataony?

8 Mety hamaly ny mpamaky iray hoe: “Fa moa ve tsy fahadisoana kely fotsiny sendra nataon’io fanahy io izany? Moa ve izy tsy afaka nandamina ny toe-javatra tamin’ny fialan-tsiny?” Aoka isika tsy hanadino fa tsy mba tahaka antsika akory ny zava-boahary tanteraka. Rehefa mampiasa ny safidim-pony malalaka izy, dia tsy misy fahalemena na tsy fahatanterahana azo lazaina ho nanan-kery teo amin’ny safidy nataony. Matetika ny olona tsy tanteraka no manao fahadisoana noho ny fahalemena nolovany. Nefa izy ireo dia mbola afaka miaiky ny fahadisoany ihany ka mangataka famelana ary manova ny fomba fihetsiny. Nefa kosa, rehefa zava-boahary tanteraka no mifidy ny hanao ny ratsy, dia fanahy iniana no anaovany izany, ary ny lala-mahitsy tsy mba iverenany intsony. Izany no zava-niseho tao amin’ilay fanahy izay tonga Devoly noho ny finiavan’ny tenany ihany.

MISY ZAVA-BOAHARY ARA-PANAHY HAFA MANOVA TENA HO DEMONIA

9. Tamin’ny fomba ahoana moa no nanovan’ny anjely masin’Andriamanitra hafa koa ny tenany ho demonia?

9 Tsy ny Devoly irery ihany akory no fanahy nitodika ho amin’ny tsy fankatoavana sy ny faharatsiana. An-tapitrisany maro ireo anjely masina noforonin’Andriamanitra. Ny Daniela 7:10 (AC, Darby) dia milaza fa ny sasany aminy fotsiny no 100 000 000. Ao amin’ny Genesisy 6:1-5, ny Baiboly dia manazava fa talohan’ny safo-drano tamin’ny andron’i Noa, dia nisy tamin’ireo “zanak’Andriamanitra” ara-panahy, nitafy nofo ka nandao ny fonenany tany an-danitra ho ao amin’ny tenan’olombelona ara-nofo. Mba haninona? Mba hanandrana amin’ny fahamaimaizan’ny olombelona, tamin’ny fanambadiana ny zanakavavin’ny olona izay tsara tarehy. Izany dia asa tsy fankatoavana an’Andriamanitra, ary ny Baiboly dia mampitaha azy amin’ny fitondrantenan’ireo mponina tao Sodoma sy Gomora izay “lasa nanaraka ny nofo ho amin’ny fampiasana mifanohitra amin’ny natiora”. (Joda 6, 7, MN.) Nifanohitra tamin’ny natiora tokoa mantsy, ho an’ireo anjely ireo, ny fidinana tetỳ an-tany mba hanana firaisan’ny lahy sy ny vavy tamin’ny zava-boahary ara-nofo. Voka-dratsy no nateraky ny fitondrantenany, ka anisan’izany dia ny taranaka sampona, ny “lehilahy manan-daza” na “olo-mahery” nantsoina hoe Nefilima. Tamin’io asa fikomiana io, ireo zanak’Andriamanitra ara-panahy ireo dia niova ho demonia ka niandany tamin’ny Devoly izay “lohan’ny demonia”. — Matio 9:34.

10. a) Tamin’ny safo-drano, nanao ahoana moa ny niafaran’ireo anjely nivadika izay naka vady tamin’ny zanakavavin’ny olombelona? b) Tokony hamporisika antsika hanao inona moa ny fitomboan’ny faharatsiana amin’izao fotoana izao?

10 Rehefa nandringana ny olon-dratsy rehetra ilay safo-drano nanenika izao tontolo izao tamin’ny andron’i Noa, ireo anjely nivadika dia voatery nandevona ny tenany ara-nofo ka nody ho any amin’ny faritra ara-panahy. Nefa tsy navelan’Andriamanitra hiverina ho ao amin’ny fandaminany misy ireo anjely masina izy ireny. Ao anatin’ny fietrena sy ny aizim-pito ara-panahy no nanagadrany azy (II Petera 2:4). Hatramin’ny safo-drano, Andriamanitra dia tsy namela intsony an’ireo anjely nikomy na demonia ireo hitafy nofo toy ny teo aloha. Na dia izany aza anefa, izy ireo dia mbola afaka mampihatra hery mampidi-doza ihany amin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Raha ny marina, dia amin’ny alalan’ireo demoniany Satana no “mamitaka izao tontolo izao”. (Apokalypsy 12:9.) Ny fitomboan’ny faharatsiana efa izaitsizy tsikaritsika manerana izao tontolo izao ankehitriny dia tokony hamporisika antsika hitandrina tsara mba tsy ho voafitaky ny demonia.

NY DEVOLY NO FILOHAN’IZAO TONTOLO IZAO

11. Inona moa no toerana tanan’i Satana eo amin’ireo firenena?

11 Rehefa mamaky ny bokin’i Jaona ao amin’ny Baiboly isika, dia voamaritsika fa intelo Jesosy Kristy Tompo no miantso ny Devoly hoe “filohan’izao tontolo izao”. (Jaona 12:31; 14:30; 16:11 MN.) Ao amin’ny II Korintiana 4:4 (MN ) izy dia antsoina hoe “andriamanitr’izao fandehan-javatra izao”. Moa ve àry tokony hoheverina amin’izany fa eo ambany fahefan’i Satana Devoly avokoa ny firenena rehetra ambonin’ny tany? Hoy ny valin-tenin’ny Baiboly hoe: “Izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo amin’ny ilay ratsy avokoa.” (I Jaona 5:19.) Hita àry fa noho izy “filohan’izao tontolo izao”, ny Devoly dia manan-kery lehibe eo amin’ny olombelona, amin’ny famitahana azy sy ny fitarihana ireo fitondram-panjakana ara-politika aza. — Apokalypsy 16:13, 14.

12. a) Araka ny Apokalypsy 13:1, 2, inona moa no nomen’ny Devoly hery sy fahefana lehibe? b) Amin’ny fomba ahoana moa no anampian’ny fanoloran’i Satana zavatra an’i Jesosy, mba hahalalana ny atao hoe “bibi-dia”? d) Koa satria biby mitovy ihany no voalaza ao amin’ny Apokalypsy 13:1, 2, sy ao amin’ny fahitan’i Daniela, inona izany no tokony hasehon’ilay “bibi-dia”?

12 Raha sokafanao ny Baibolinao ka vakinao ny Fanambarana na Apokalypsy 12:9 (MN ) dia ho voamarikao ao fa ny Devoly dia antsoina hoe “ilay dragona lehibe”. Ny toko manaraka (andininy 1 sy 2) dia mampahafantatra antsika fa io dragona io na ny Devoly, dia nanome hery sy seza fiandrianana ary fahefana lehibe ho an’ny “bibi-dia” iray an-ohatra izay niakatra avy tao an-dranomasina. Fa mampiseho inona moa io “bibi-dia” an-ohatra io? Fa amin’inona aloha no ampiharan’i Satana fahefana? Inona moa no natolony an’i Jesosy Kristy? “Ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao.” (Lioka 4:5-8). Avy hatrany dia nolavin’i Jesosy izany fanolorana izany; tsy nolaviny anefa fa manam-pahefana eo amin’ny fanjakana ara-politika ambonin’ny tany ny Devoly. Mifanaraka amin’izany no anambaran’ny Apokalypsy 13:7 fa ilay “bibi-dia” an-ohatra dia “nomena fahefana tamin’ny fokom-pirenena sy ny olona sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena rehetra”. Manaraka izany, lazain’ny mpaminany Daniela fa inona moa no tena izy amin’ny biby an-ohatra sasany? Lazainy fa “fanjakana” na fanapahana ara-politika (Daniela 7:2-7, 17, 23). Ary anefa ireo biby an-ohatra ao amin’ny fahitan’i Daniela sy ilay “bibi-dia” ao amin’ny Apokalypsy dia mitovy ihany ny heviny. Ny porofon’izany dia ny itenenan’ireo faminaniana ireo mikasika biby mitovy ihany: liona, bera, leoparda, ary biby manan-tandroka folo (Apokalypsy 13:1, 2). Ilay “bibi-dia” àry izany dia milaza ny fitambaran’ny fandaminana ara-politikan’ny Devoly izay nanampatra ny fanapahany tamin-kabibiana tetỳ ambonin’ny tany nandritra ny taon-jato maro sy hatramin’izao androntsika izao. Tsy dia mahagaga loatra ny nanambaran’i Jesosy Kristy hoe: “Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao”, sy ny nanambarany fa tsy mba anisan’izao tontolo izao ireo mpianany ka miaro tena mba tsy handray anjara amin’ny raharahany. — Jaona 18:36; 17:14-16.

FADIO IZAY REHETRA METY HO ENDRIKY NY SPIRITISMA

13. Inona moa no atao hoe spiritisma ary nahoana ny Baiboly no mampitandrina antsika amin’ny fanaovana izany?

13 Ny spiritisma no iray amin’ireo fomba ampiasain’ny fanahy ratsy mba hamitahana ny olona, na lahy na vavy. Fa inona anefa izany hoe spiritisma izany? Izany dia ny fanao mamitaka izay itadiavana hifandray amin’ireo zava-boahary ara-panahy manao ratsy, na mivantana izany, na amin’ny alalan’ny mpanelanelana olombelona na hafa. Ny Baiboly dia mampitandrina antsika mba hifady izay fanao rehetra misy ifandraisany amin’ny spiritisma satria izany dia mitondra an’ireo izay manao azy, ho eo ambany fahefan’ny demonia. — Galatiana 5:19-21; Apokalypsy 21:8.

14. Milazà sasantsasany amin’ireo fanao anisan’ny spiritisma. Ahoana moa no fiheveran’Andriamanitra an’ireo izay mila vonjy avy amin’ireny fanao ireny?

14 Andriamanitra dia manameloka izay rehetra mety ho endriky ny spiritisma. Tanisain’ny Baiboly ny sasantsasany amin’ireny fanao tsy ankasitrahan’Andriamanitra ireny: dia ny fanaovana fankatovana, ny majika, ny fanandroana, ny fanaovana sikidy, ny fampiasana ody ratsy, ny fanaovana ho masimbava, (ary koa ny “hypnotisme” sy ny “magie noire”, ets.), ny fanaon’ny mpamoha angatra sy ny an’ny mpanao hatsarana ary ny fanontaniana amin’ny maty (Deoteronomia 18:10-12; Isaia 8:19). Fanompoana ny demonia avokoa ireo fanao voatanisa eo ireo ary izay manao azy dia mitsangan-ko fahavalon’Andriamanitra. — Levitikosy 19:31; I Tantara 10:13, 14.

15. a) Inona moa no atao hoe fankatovana ary amin’ny fomba ahoana avy no fanaovana azy amin’izao andro izao? b) Avy taiza moa no nipoiran’ny fanandroana sy ny majika?

15 Ny fanaovana fankatovana no anankiray amin’ireo endriky ny spiritisma izay maro mpanao indrindra. Izany dia ny fitadiavana ny hahalala ny tsy fantatra na ny ho avy amin’ny alalan’ny fambara na izay fomba fiasan’ny demonia hafa koa (Asan’ny Apostoly 16:16). Amin’izao androntsika izao ny fankatovana dia atao amin’ny alalan’ny tapa-kazo fisikidianana na amin’ny vaingan-javatra mikipilipily (pendule), na amin’ny alalan’ny baolina kristaly, na ny “oui-ja”, na ny fitsapana zavatra amin’ny fomba ivelan’ireo fomba vita-nanahary (perception extra-sensorielle), na amin’ny “chiromancie” (fandinihana ny tànana), na ny famantarana sendra hita amin’ny fizahana ny fomba fanidin’ny vorona, na ny filazana ny hevitry ny nofy na fambara hafa koa. Ny fankatovana dia atao koa amin’ny alalan’ny fandinihana ny kintana na fanandroana izay avy tany Babylona fahiny no nipoirany, tsy misy hafa amin’ny fanaovana majika. Araka ny Baiboly, izay rehetra mampiasa fankatovana dia manota amin’Andriamanitra. — I Samoela 15:22, 23.

16. Inona moa no tokony hataontsika raha sendra miseho amintsika ny fandrenesana “feo” avy any amin’ny faritra tsy hita maso?

16 Ny anankiray amin’ireo fomba mahazatra indrindra ampiasain’ny fanahy ratsy mba hamitahana ny olona dia ny fitenenana aminy, na amin’ny alalan’ny mpamoha angatra iray (médium) na amin’ny alalan’ny “feo” re avy any amin’ny faritra tsy hita maso. Ilay “feo” re dia mitonona ho ny an’ny havana iray efa nodimandry, na ny an’ny fanahy (esprit) tsara iray, kanefa dia mandainga izy ireny! Fanahy ratsy no miteny amin’ireny fotoana ireny, raha ny tena marina. Inona no tokony hataonao raha mahare “feo” tahaka izany? Inona moa no nataon’i Jesosy rehefa nampidi-dresaka taminy ny filohan’ireo fanahy ratsy? Notoherin’i Jesosy ireo fanipazan-kevitry ny Devoly ka hoy izy hoe: “Mandehana hianao, ry Satana.” (Matio 4:10). Mahazo manahaka azy koa hianao. Miantsoa an’i Jehovah ka mivavaha mafy ho re ny feonao sady tonòny ny anarany. Araho ireo torohevitra mampiseho fahendrena ireo; aza mihaino feo avy any amin’ny faritra tsy hita maso. — Ohabolana 18:10; Jakoba 4:7.

17. Inona moa ny ohatra napetrak’ireo kristiana voalohany tany Efesosy ka tokony hotahafin’izay ta-hanafaka ny tenany amin’ny spiritisma amin’izao androntsika izao?

17 Fa inona kosa àry no tsy maintsy ataon’izay efa nanao spiritisma na ireo asan’ny maizina teo aloha ka maniry ho afaka amin’ireny izao? Inona moa fahiny no nataon’ny kristiana maro tany Efesosy rehefa tiany ny ho afaka tamin’ny fanaovana majika? Ny Baiboly dia mampahafantatra antsika fa rehefa nandray ny “tenin’i Jehovah” notorin’i Paoly izy ireo dia “nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason’ny olona rehetra”, na dia be toy inona aza ny vidiny: dia volafotsy 50 000! (Asan’ny Apostoly 19:19, 20) Manahafa azy ireny: levony izay zavatra rehetra misy ifandraisany amin’ny fanaon’ny spiritisma.

18. a) Hanao ahoana moa no hiafaran’ny fanahy ratsy rehetra? b) Noho izany, inona moa no tokony hataontsika raha ta-hahazo ny fiainana mandrakizay isika?

18 Aoka hianao tsy ho voafitaky ny fitiavan’ny olona ankehitriny izay mitombo hatrany ihany ny asan’ny maizina. Fanahy ratsy no mamporisika ny spiritisma. Nefa ireny hery ara-panahy ratsy ireny, anisan’izany ny Devoly, dia ho ringana amin’ny farany (Matio 25:41). Raha maniry hahazo ny fiainana mandrakizay hianao, dia tsy maintsy mitoetra ivelan’ny faritra ananany fahefana, amin’ny fanalavirana an’izay rehetra mety ho endriky ny spiritisma.

MANOHANA NY FIVAVAHAN-DISO NY DEVOLY

19. a) Inona moa no fomba lehibe indrindra ampiasain’ny Devoly mba hanodinana ny olona hiala amin’Andriamanitra? b) Inona moa no atao hoe fivavahan-diso? d) Iza moa, raha ny tena marina, no tompoin’izay manaraka fivavahan-diso?

19 Tsy tokony hahagaga antsika ny fandrenesana fa iray monja amin’ireo fomba maro fampiasan’ny Devoly sy ny demoniany mba hamitahana ny olombelona ny spiritisma. Inona moa no tena fiasana lehibe izay ampiasain’ny Devoly, “rain’ny lainga”, mba hanodinana ny olombelona hiala amin’Andriamanitra (Jaona 8:44)? Ny fivavahan-diso! Ny antsointsika hoe fivavahan-diso eto dia ireo fanompoam-pivavahana izay miorina amin’ny lainga sady tsy mifanaraka amin’ny Teny marin’Andriamanitra, dia ny Baiboly. Izany no anisan’ireo antony ilazan’ny Baiboly fa raha misy olona iray manaraka fivavahana tsy mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra, raha ny marina, izany olona izany dia manompo an’ireo demonia satria manao zavatra araka ny fikasan’ireo ka manohitra an’Andriamanitra. — Deoteronomia 32:16, 17; I Korintiana 10:20.

20. Toy ny fanaon’ireo filohan-jiolahy, amin’ny fomba ahoana moa no amitahan’ny Devoly ny olona?

20 Marina tokoa aloha fa ireo fivavahan-diso dia mety hanana endrika mampiseho fahamendrehana erỳ; nefa tokony ho fantatsika fa ny Devoly dia toy ny maro amin’ireo filohan-jiolahy ao amin’ny “fikambanan’ny tontakely” izay miafina amin’ny endrika toa mendri-kaja erỳ. Inona indray no fomba mampiseho hafetsen-dratsy kokoa ho hitany mba hamitahana ny olona sy hitaomana azy ireny hanompo azy raha tsy amin’ny fiasana miafina ao ambadiky ny fivavahana iray mody mihosotra fahamarinana eo ivelany? Milaza marina ny Baiboly fa ny Devoly dia hamitaka ny olombelona amin’ny alalan’ny fivavahana izay toa manompo an’Andriamanitra, raha araka ny miseho eo ivelany (Matio 7:22, 23). Paoly apostoly kristiana dia nanoratra fa “Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava” ary ny “mpanompony koa (...) mba mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon’ny fahamarinana”. — II Korintiana 11:14, 15.

21. a) Araka ny Baiboly, manao ahoana ny halavan’ny andro sisa ho an’ireo fanahy ratsy? b) Nahoana moa hianao no tokony hanafaka ny tenanao amin’ny spiritisma sy amin’izay rehetra mety ho endriky ny fivavahan-diso?

21 Hita àry fa tsy tafahoatra velively ny tenin’i Jesosy Kristy raha niantso ny Devoly hoe “filohan’izao tontolo izao” izy. (Jaona 12:31, MN.) Misy tokoa ireo fanahy ratsy “izay mamitaka ny tany onenana manontolo”. Nefa izao dia “kely sisa ny andro” ho an’ny Devoly sy ireo anjely ratsiny, alohan’ny hangejana azy tsy ho afaka hanao na inona na inona intsony (Apokalypsy 12:9, 12, MN.) Eo am-piandrasana an’izany dia afaho ny tenanao amin’izay rehetra mety ho endriky ny spiritisma mbamin’ny fivavahana rehetra manana endrika mihaja ivelany kanefa raha ny tena izy dia miorina amin’ny fahadisoana. Raha tianao ny hahazo ny fiainana tsy hanam-pahataperana ao amin’ny fandehan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra dia tsy azonao atao ny mbola hanaraka ihany ny spiritisma na ny anankiray amin’ny fivavahan-diso, satria ny fahamarinana tokana ihany no mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. — Efesiana 6:12, 16.

[Fanontaniana]