Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mivoaha eo aminy”

“Mivoaha eo aminy”

Toko Faha-15

“Mivoaha eo aminy”

1. Raha tia ny fahamarinana sy ny rariny isika, inona moa no tsy maintsy ankahalaintsika ka hohalavirintsika?

 JEHOVAH Andriamanitra dia manantena an’ireo rehetra izay tia sy manompo azy mba hiaro tena ho afaka madiodio amin’ny fivavahan-diso. Raha miteny ny amin’ny Zanak’Andriamanitra ny Baiboly dia milaza hoe: “Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka.” Noho izany no nitahian’ny Rainy azy manokana ka nanandratany azy ho eo amin’ny laharan’ny Mpanjaka ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra (Hebreo 1:9). Raha tia ny fahamarinana sy ny rariny koa hianao, dia ho halanao ka hohalavirinao izay rehetra diso sady tsy ankasitrahan’Andriamanitra. Amin’ny fanaovana izany no hahitanao fiarovana dieny izao, ary koa rehefa hanatanteraka tsy ho ela ny didim-pitsarany amin’ireo izay tsy miraharaha ny sitrapony Andriamanitra.

2. Raha hitantsika ny tsy fitoviana misy eo amin’ireo izay manompo an’Andriamanitra sy ireo izay tsy manompo azy, inona moa no tokony ho lalan-kizorantsika, ary nahoana?

2 Fahiny Andriamanitra dia nilaza fa hisy vahoaka ho “rakitra soa” ho azy, ka ny mpitazana dia hahita ny “tsi-fitovian’ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy” (Malakia 3:17, 18.) Raha mahita izany tsy fitoviana izany hianao, dia tokony avy hatrany dia hanao zavatra mifanaraka amin’izany, raha tsy izany dia handiso ny fanantenanao hahazo ny fiainana mandrakizay hianao. Inona àry no tokony ho làlan-kizoranao? Tsy mampisalasala mihitsy ny valin-teny omen’ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino. Fa inona no iraisan’ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina? (...) Ary inona no iraisan’ny anjaran’ny mino sy ny tsy mino?” Tsy mety hisy fifandraisana marina tokoa mantsy amin’ireo izay manao ny rariny sy amin’ireo izay manaraka ny faharatsiana. Koa izany no andidian’Andriamanitra antsika hoe: “Mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy.” — II Korintiana 6:14-17.

MIALA AMIN’I “BABYLONA LEHIBE”

3. Ahoana moa no teny mitovy amin’izany, nolazain’Andriamanitra tamin’ny vahoakany natao sesitany tany Babylona, ary raha niteny toy izany izy, moa ve namono antoka an’ireo mpanompony?

3 Teny mitovy amin’izany koa no nolazain’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny vahoaka voafidiny fahizay natao sesitany tany Babylona; hoy ny nambarany: “Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no mampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao. Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao, (...) ny anarany tsy ho tapaka na ho foana eo anatrehako. Mivoaha hiala any Babylona.” (Isaia 48:17-20). Raha niteny toy izany Jehovah dia tsy namono antoka an’ireo izay tia azy fa nanao soa ho azy ireo kosa. Raha nahatonga ny faharesen’i Babylona tamin’ny 539 talohan’ny fanisan-taona iraisana izy dia nahatonga azy ireo ho afaka hiala tao amin’io tanàna io tamin’ny naha-vahoaka afaka.

4. a) Na dia efa tsy misy intsony aza izao ilay Babylona fahagola, ahoana no tenin’Andriamanitra mikasika ny Babylona hafa iray? b) Amin’ny endrika inona moa no ampisehoana an’io Babylona lehibe io ao amin’ny Apokalypsy toko faha-​17?

4 Efa tsy misy intsony izao ilay Babylona fahiny. Andriamanitra anefa dia miteny ny amin’ny tanàna hafa iray antsoina hoe “Babylona Lehibe” ary mikasika an’io dia hoy ny baikony hoe: “Mialà aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.” (Apokalypsy 18:4). Eo amin’ny toko alohan’io, ao amin’ny Apokalypsy, Babylona Lehibe dia aseho ara-panoharana ho toy ny vehivavy janga mipetraka eo ambonin’ny “olona sy vahoaka betsaka sy firenena maro ary samy hafa fiteny” amin’ny fanjakazakana eo aminy, sady “manjaka amin’ny mpanjakan’ny tany” izay ‘ijangajangany’. — Apokalypsy 17:1, 2, 15, 18.

5. a) Moa ve empira ara-politika Babylona Lehibe? b) Nahoana moa no tsy mety ho empira ara-barotra Babylona Lehibe? d) Nahoana moa no amin’ny endriky ny vehivavy janga iray no ampisehoan’ny Baiboly an’io empira ara-pivavahana io?

5 Koa empira àry izany Babylona Lehibe. Fa empira manao ahoana moa? Koa satria Babylona Lehibe “nijangajangan’ny mpanjakan’ny tany”, izany hoe ny ara-politika, dia tsy mety ho empira ara-politika izy io. Ny bokin’ny Apokalypsy dia mbola milaza tsara koa fa rehefa ho levona Babylona Lehibe, dia hijanona eny lavitra eny ny “mpandranto” amin’ny tany ka hitomany azy; tsy empira ara-barotra koa àry izany Babylona Lehibe (Apokalypsy 18:15). Koa empira ara-pivavahana àry ve izany izy io? Izany tokoa, sady ny fivavahana tokoa mantsy dia nanana asany lehibe teo amin’ireo fanjakana ara-politika, ary tena nanjakazaka tokoa teo amin’ireo firenena amin’ny tany. Fa nahoana no vehivavy janga ratsy fitondrantena no anehoana an’io empira ara-pivavahana io? Satria ny fivavahan-diso mitsabaka amin’ny politika. Raha ny amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana aloha, ny Baiboly dia manambara fa ireo fivavahana milaza azy ho manompo an’Andriamanitra kanefa mivadika, amin’ny fifandraisana amin’ireo fahefana ara-politika, dia toy ny vehivavy janga na mpisintaka ara-panahy eo anatrehan’Andriamanitra. — Ezekiela 16:1, 2, 28-30; Jakoba 4:4.

6. Taiza moa no nanomboka ny fivavahan-diso taorian’ny safo-drano, ary ahoana no nielezan’ny fampianarana amam-panaony?

6 Taoriana kelin’ny safo-drano namely ny tany manontolo tamin’ny andron’i Noa no nanomboka tao Babylona ny fivavahan-diso fony Nimroda nitsangana “hanohitra an’i Jehovah”. Nefa nokorokoroin’Andriamanitra ny fitenin’ny olombelona ka dia “tao no nampielezan’i Jehovah azy hiala ho eny ambonin’ny tany rehetra.” Rehefa niparitaka ireo dia nentiny niaraka taminy avy ireo fampianarana amam-panao babyloniana (Genesisy 10:8-10, NW; 11:4-9). Raha ny mikasika izany, ilay boky hoe Ny fivavahana tany Babylonia sy Asyria (anglisy pejy faha-701) nosoratan’i Morris Jastrow, dia miresaka ny amin’ny “marika lalina napetrak’ireo fomba fiseho mahagagan’ny finoana ara-pivavahana tany Babylonia sy ny vokatry ny fihetsiketsehana ara-pivavahana natao tao amin’io faritra io, teo amin’izao tontolo izao taloha”.

7. Avy aiza moa ny fampianarana amam-panao ara-pivavahana maro izay mbola velona amin’izao androntsika izao?

7 Araka izany àry, na dia olona marobe aza no tsy mahalala izany, dia maro amin’ireo fampianarana amam-panao ara-pivavahana mbola velona mandraka ankehitriny eran’izao tontolo izao no nanana fiandohana iray ihany: dia ny fivavahan-diso tany Babylona! Andeha ange hilaza vitsivitsy amin’ireny isika e.

8. a) Milazà sasany amin’ireo fampianarana ara-pivavahana nampianarina tany Babylona fahiny. b) Moa ve izany mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra?

8 Anisan’ireo fanao ara-pivavahana fahita tany Babylona fahizay, dia teo ny fivavahana tamin’ny trinite na andriamanitra telo mitambatra, ny finoana ny tsy fetezan’ny fanahin’olombelona ho faty ary ny fampianarana milaza fa ny maty dia mijaly ao amin’ny izao tontolo izao any ambanin’ny tany antsoina hoe “tany tsy iverenana intsony”. Nanana anjara lehibe koa teo amin’ny fanompoam-pivavahana babyloniana ny sary. Nefa araka ny nasehon’ireo toko teo aloha amin’ity boky ity dia tsy misy na dia iray aza amin’ireo zavatra inoana na fanao ireo, ampianarin’ny Baiboly izay Tenin’Andriamanitra. Fa ahoana kosa ny amin’ireo fivavahana amin’ny andro ankehitriny?

9. a) Inona moa no manaporofo fa anisan’i Babylona Lehibe ny fivavahana iray? b) Koa satria Andriamanitra efa nilaza mialoha fa ho tampoka ny handevonana an’i Babylona Lehibe, inona moa no tokony hatao maika dia maika?

9 Ny fampianarana ny amin’ny “Trinite” sy ny amin’ny tsy fetezan’ny fanahy ho faty ary ny amin’ny fijaliana ao amin’ny afobe mbamin’izay finoana na fanao hafa noho izany rehetra tsy mifanaraka amin’ny Teny azo avy tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia manisy fitomboka hoe “diso” eo amin’ny fivavahana iray ary manaporofo fa anisan’i Babylona Lehibe izy. Na toy inona na toy inona fihamboan’ny Fiangonana na Eglizy iray ho manompo an’ilay Andriamanitra marina voalazan’ny Baiboly sy ho manonona ny anaran’i Jesosy Kristy Zanany, inona no soa ho azony amin’izany raha voaloton’ny fampianarana amam-panao babyloniana izy (Galatiana 5:7-9; Matio 7:22, 23)? Andriamanitra dia efa nilaza mialoha fa ho tampoka fotsiny, dia “indray andro monja” no hianjadian’ny loza amin’i Babylona Lehibe, dia “fahafatesana sy fisaonana ary mosary”. Koa maika dia maika àry sady iankinan’ny aintsika, ny hisarahantsika tanteraka dieny izao amin’izay rehetra mety ho anisan’io empiran’ny fivavahan-diso io. — Apokalypsy 18:8.

10. a) Moa ve azo lazaina ho tafavoaka avy ao aminy ny tena raha mbola mifandray ihany na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana, amin’ny Fiangonana iray manao fampianaran-diso? b) Inona moa no tokony hampahafantarina ny Fiangonan’ny tena teo aloha?

10 Fa amin’ny heviny ahoana anefa no tokony hivoahana “eo aminy”? Moa ve ampy fotsiny ny manaiky ao an-tsaina fa diso ireo fampianarana avy tany Babylona nefa dia mbola miangona ihany ao amin’ny Fiangonana na Eglizy izay mampianatra izany? Moa ve izany, raha heverina, tsy ho fihatsarambelatsihy? Moa ve izany tsy mitovy tsy misy hafa amin’ny hoe, manohana ankitsirano izao, zavatra iray efa melohin’Andriamanitra? Moa ve izay manao toy izany manaraka ny didin’Andriamanitra manao hoe: “Mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy, (...) ary aza manendry izay zavatra tsy madio.” (II Korintiana 6:17)? Raha tsy tiantsika hihatra amintsika ny nanjo an’ireo olona izay niangona fahiny tao amin’ny tempolin’i Bala kanjo nasain’Andriamanitra naringan’i Jeho mpanjaka, dia tsy maintsy manapa-patorana tanteraka amin’izay rehetra mety ho fivavahana anisan’i Babylona Lehibe isika. Tsy maintsy mitsahatra tsy mandray anjara intsony amin’ny asa fanaony isika (II Mpanjaka 10:20-27). Ilaina amin’izany ny hampahafantarantsika an’ilay Fiangonana na Eglizy falehantsika teo aloha fa efa niala taminy isika. Amin’ny fanaovana toy izany, dia tsy “hiroa saina” isika ka hitady “ny sady hihinana amin’ny latabatry ny Tompo [Jehovah, MN ] no hihinana amin’ny latabatry ny demony koa”, ka amin’izany dia ‘hampahasaro-piaro ny Tompo [Jehovah, MN ]’. — I Mpanjaka 18:21; I Korintiana 10:21, 22, Kat.

11. Ahoana moa no fihevitry ny Baiboly an’ireo fihetsiketsehena eokomenika?

11 Nefa, moa ve tsy zavatra tsara tokoa ny fiaraha-miasan’ny fivavahana maro amin’ny fihetsiketsehana eokomenika? Fa ahoana tokoa moa no fihevitr’i Jehovah Andriamanitra ny fampiraisana fivavahana samihafa? Asehon’ny Baiboly fa tsy noleferiny mihitsy izany hoe firaisana ara-pivavahana teo amin’ny firenena Isiraely sy ny Kananita (Deoteronomia 7:3, 4). Ary ahoana kosa no hevitr’ilay Zanak’Andriamanitra ny amin’izany? Tamin’ny fandalovany teto an-tany, dia tsy nanao asa eokomenika mihitsy tamin’ireo antokon’ny jodaisma izy. Vao mainka aza izy nanome tsiny an-karihary an’ireo fivavahan-diso tamin’ny androny ka nanambara tsy nisy fihambahambana hoe: “Tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.” — Jaona 14:6; jereo koa Matio 23:13, 38.

MITONDRA FITAHIANA NY FIJOROANA AMIN-KERIM-PO HO AN’NY FAHAMARINANA

12. a) Rehefa manapa-patorana amin’ny fivavahan-diso isika, inona moa no zava-manahirana mety hiseho noho ny amin’ny fianakaviantsika? b) Ny fitiavantsika an’iza moa no sedraina amin’izany?

12 Raha manapa-patorana amin’ny fivavahan-diso hianao, dia mety hahita zava-manahirana. Efa mampiomana antsika mialoha Jesosy fa na dia ireo havantsika akaiky aza dia mety hanakantsakana amin’izany. Kanefa, na dia olona anisan’ny ankohonantsika izay tena lalaintsika manokana tokoa aza no manohitra, Jesosy dia nilaza fa tsy izany akory no tokony hampiova hevitra antsika (Matio 10:32-37). Tsy hoe mihena akory ny fitiavantsika ny ankohonantsika; ny zava-dehibe eo dia ny hahalalana na toy inona na toy inona halalin’ny fitiavantsika an’i Jehovah sy ny Teny fahamarinana.

13. a) Raha maharitra ao amin’ny fahamarinana hianao, inona moa no mety ho vokatra haterak’izany eo amin’ny olona manodidina anao? b) Fanampiana manao ahoana moa no ampanantenain’Andriamanitra antsika?

13 Raha ny marina dia amin’ny fijoroana amin-kerim-po ho an’ny fahamarinana no mety hitondranao fahasoavana maharitra ho an’ny havanao izay manohitra ny fanapahan-kevitra tsara nataonao. Raha milefitra aminy hianao, dia ho fanasana azy haharitra amin’ny fanoherany ny fahamarinana izany. Fa raha ohatra kosa hianao mitoetra ho mahatoky eo anoloan’ny Tenin’Andriamanitra ka miaina mifanaraka tsara aminy, dia hahita fitahiana sy fahasambarana. Hahatonga anao ho olona tsaratsara kokoa ny fahamarinana. Rehefa ela ny ela, dia mety hanaiky ny fahendrenao tamin’ny fanapahan-kevitra nataonao angamba ireo izay manodidina anao, ka amin’izany hianao dia ho afaka hanampy azy handray koa ny fahamarinana. Ny Baiboly dia mamporisika antsika mba haharitra, amin’ny fikendrena an’izany (I Korintiana 7:12-16; I Petera 3:1, 2) Marina aloha fa amin’izany hianao dia hila faharetana sy finoana an’Andriamanitra ary hila ny fomba fiasany, ary farany, ambonin’ny zavatra rehetra dia hilainao koa ny hampiseho fitiavana. Nefa Andriamanitra dia manome toky anao amim-pitiavana fa hanohana sy hampahery anao raha izy no ataonao eo amin’ny toerana voalohany amin’ny fiainanao. — Romana 8:38, 39.

14. a) Moa ve na dia ny olona efa antitra koa aza asain’Andriamanitra misaraka amin’ny fivavahan-diso sy manaraka ny fivavahana madio? b) Fanantenana manao ahoana moa no atolotra an’ireo izay manao izany?

14 Misy olona mihevitra angamba fa efa antitra loatra izy ka tsy ho afaka hiova intsony. Nefa dia Jehovah Andriamanitra mihitsy, izay antsoina hoe “ny Anti-dahy” no manasa an’ireo olona efa zokiolona mba hidera azy koa (Daniela 7:9, Kat.; Salamo 148:12, 13). Araka ny Teniny, raha tsy mety miala amin’ireo zavatra efa nomelohiny isika dia tsy hamela ny helotsika akory Andriamanitra noho ny hoe fahanterantsika fotsiny. Kanefa kosa, “ny volo fotsy dia satroboninahitra ireharehana raha ao amin’ny lalan’ny fahamarinana no misy azy”. (Ohabolana 16:31, Darby; jereo koa Ezekiela 9:4-6.) Tsy mba misy mihitsy hoe mahadiso aoriana loatra ny fijoroana ho an’ny fahamarinana ka hizorana tsy amim-pisalasalana eo amin’ny lalana mitondra ho amin’ny fiainana mandrakizay. — Ohabolana 10:22.

15. a) Raha mivoaka avy eo anivon’ireo izay manaraka ny fivavahan-diso isika, inona moa no fitahiana mety ho azontsika? b) Miaraka amin’iza moa no tokony hivoriantsika?

15 Raha manao izay tokony hatao tokoa isika dieny izao mba hivoaka avy ao amin’ireo izay manaraka ny fivavahan-diso, dia ho afaka hanana fifandraisana feno fitahiana sy fahasambarana amin’Andriamanitra, dia Jehovah. (II Korintiana 6:17, 18). Tsy ampy fotsiny anefa ny miala avy eo anivon’ireo olona izay mampianatra sy manao zavatra melohin’ny Tenin’Andriamanitra. Ao amin’ny Hebreo 10:24, 25, Andriamanitra dia mandidy antsika mba tsy ‘hahafoy ny fiarahantsika miangona’. Miaraka amin’iza àry isika no tokony hiangona na hivory? Miaraka amin’ireo kristiana izay mivavaka amin’Andriamanitra amin’ny fanahy sy ny fahamarinana. Hoy Andriamanitra mikasika an’ireo: “Honina eo aminy Aho sy handeha eo aminy; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho oloko.” — II Korintiana 6:16.

16. Ao amin’ireo fivorian’ny vavolombelon’i Jehovah, inona moa no ho voamarikao mikasika a) ny rakitra, b) ny fivoriana mihitsy, d) ny toetr’ireo mpanatrika.

16 Ireo kristiana mahaforona ny fandaminan’ny vavolombelon’i Jehovah dia olona efa nisaraka tamin’ireo fivavahana maro mpanompo sampy sy tamin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Izy ireo dia efa nivoaka avy tao Babylona Lehibe. Raha manatrika ireo fivoriana ataony ao amin’ny Efitrano Fanjakana fivoriany hianao dia ho tsapanao fa tena hafa tokoa noho ny fivavahana hafa rehetra izy. Tsy ny toerana ivoriany sy ny tsy fanantazany rakitra fotsiny akory no mahatonga izany; fa ny tena mampiavaka ny vavolombelon’i Jehovah amin’ny Fiangonana hafa dia ny fivoriana mihitsy mbamin’ny toetr’ireo mpanatrika ao. Ao amin’ny fivoriany dia ny Baiboly tokoa no ianarana sady soritana tsara ny fomba fampihatra ireo fitsipiky ny Baiboly eo amin’ny fiainana andavanandro mbamin’ny fomba fampianatra ny Tenin’Andriamanitra ny olon-kafa. Ao, dia ho hitanao fa misy olona izay miezaka amin’ny fony tokoa mba ‘hikatsaka aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany’ ary mba hamokatra ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra. — Matio 6:33; Galatiana 5:22, 23.

17. Nahoana moa no zava-dehibe ny fanatrehana tsy tapaka an’ireny fivoriana ireny?

17 Mety ho ampy angamba ny fanatrehana indray mandeha na indroa monja amin’ireo fivoriana ireo, mba hahafa-po ny fitiavanao mamantatra zava-baovao, kanefa, raha ta-handroso tokoa eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra hianao, dia tsy maintsy maka tahaka ireo kristiana voalohany. Noho ny fahafantarany tsara ny maha-zava-dehibe loatra ny fahamarinana, izy ireo dia “naharitra tamin’ny fampianaran’ny Apostoly (...) Ary dia niray saina isan-andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan’ny tempoly”. (Asan’ny Apostoly 2:42, 46.) Amin’ny fandraisana anjara tsy tapaka amin’ireo fivorian’ny kongregasionanao ihany no hahafahanao mampitombo ny finoana sy ny fahatakarana hevi-javatra ary ny fiekena mafy izay tena ilainao mba hahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra.

18. Inona moa no fampanantenana nomen’i Jesosy, ho tanteraka aminao, raha mivoaka avy ao Babylona Lehibe hianao ka mifanerasera tsy tapaka amin’ny olon’i Jehovah?

18 Rehefa handao an’i Babylona Lehibe hianao dia mety hisy hafoinao ny sasany amin’ireo sakaizanao, kanefa izany famoizana izany dia ho voaonitra be dia be raha manatrika tsy tapaka ny fivorian’ny vahoakan’i Jehovah hianao. Toy ireo mpianatr’i Jesosy voalohany izay nahafoy zavatra mba hanarahana azy, hianao koa dia hahazo, araka ny fampanantenany “zato heny amin’izao andro ankehitriny izao — dia trano sy rahalahy sy anabavy” izay handray anao amim-pifaliana. Ho hitanao amin’izany fa hianao dia tonga anisan’ny fianakaviambe iray misy mpirahalahy kristiana izay tena tsy mihatsaravelatsihy tokoa ny fitiavany sy ny fisakaizany. Izany no ho hitanao, afa-tsy ny fanantenana ho velona mandrakizay ao “amin’ny andro ho avy”. — Marka 10:28-30; Salamo 27:10.

19. a) Ahoana moa no fomba fampiasan’Andriamanitra ny fandaminany hita maso mba hitahiana antsika? b) Koa inona àry izany no ho fahamalinana ny hanaovana azy dieny izao?

19 Jehovah Andriamanitra dia manana fandaminana hita maso izay ampiasainy amin’izao fotoana izao mba hampiofanana antsika sy hahatonga antsika ho afaka hiaina ao amin’ny fandehan-javany vaovao sady marina. Rehefa hanjavona izao fandehan-javatra ratsy ankehitriny izao dia hanjaka hatraiza hatraiza ny lalan’Andriamanitra. Ny fanapahany irery ihany no ho sisa haharitra (Daniela 2:44). Ny hany olombelona mety hifandraisantsika amin’izany dia ho ireo izay anisan’ny vahoaka ankasitrahany. Ny fitsipi-pitondrantena naorin’Andriamanitra no ho hany hekena amin’izany. Ho tokana ihany ny fivavahana. Koa raha izany no izy, dia hampiseho fahamalinana isika raha dieny izao dia efa mifanaraka amin’ny lalan’Andriamanitra ka manararaotra tanteraka ny fampiofanana omen’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Teniny voasoratra, dia ny Baiboly masina. Amin’ny fanaovana izany, dia hanaporofo isika fa tsy mihatsaravelatsihy tokoa rehefa milaza fa ho tia ny hiaina mandrakizay ao amin’ny fandehan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra. — Salamo 86:10, 11; Ohabolana 4:10-13.

[Fanontaniana]